Boky Voalohan'ny Makabeo
Toko faha-3
16 Nony mby akaikin'ny fiakaran'i Betorona izy ireo, dia nandroso nitsena azy Jodasa nomba-miaramila vitsy foana. 17 Raha nahita ny tafika tamy hamely azy ny miaramilany, dia nanao tamin' i Jodasa hoe: Hataontsika vitsy kely ireto ahoana no fiady amin'ireo vahoaka be loatra ireo? Indrindra fa isika dia efa reraka avy nifady hanina androany. 18 Fa hoy Jodasa namaly azy ireo: Zavatra mora foana ny hangejan'ny olona vitsy kely eo am-pelatànany ny vahoaka maro be; tsy misy hafa amin'Andriamanitry ny lanitra, ny mamonjy amin'ny maro, na amin'ny vitsy. 19 Satria ny fandresena amin'ny ady tsy avy amin'ny hamaroan'ny mpiady, fa avy any an-danitra no ihavian'ny hery. 20 Izy ireo mandroso hamely antsika, feno avona amam-pankahalana ny fivavahana, mba hamono antsika mbamin'ny vady aman-janatsika sy handroba antsika. 21 Fa isika kosa miady hiaro ny aintsika sy ny lalàntsika. 22 Koa homontsanin'Andriamanitra eo anoloantsika ireo; ka aza matahotra an'ireo hianareo. 23 Vao nitsaha-niteny izy, dia niantoraka tampoka tamin'izy ireo, ka resy Serona sady nahita ny tafiny montsana teo imasony. 24 Nenjehin'i Jodasa nitsontsorika ny fidinan'i Betorona, hatrany amin'ny tany lemaka izy; valon-jato lahy no maty tamin'ny miaramilany, ary ny sisa nandositra any amin'ny tanin'ny Filistina. 25 Izay vao niely ny tahotra an'i Jodasa mbamin'ireo rahalahiny, dia tsiravina ny firenena manodidina. 26 Tonga hatrany amin'ny mpanjaka ny lazany, ary niresaka ny adin'i Jodasa avokoa izay vahoaka. 27 Nisafoaky ny hatezerana Antiokosa mpanjaka, nandre izany vaovao izany, nanome didy izy sy namory ny miaramila rehetra teo amin'ny fanjakany, izay tafika lehibe dia lehibe.28 Nosokafany ny firaketany dia nomeny ny karamany amin'ny herin-taona ny miaramilany, sady nandidy izy hatao vonona amin'izay rehetra hilana azy izy ireo. 29 Hitany tamin'izay anefa fa tsy ampy ny vola tao am-batany, sady kely ny hetra avy amin'ny faritaniny, noho ny fikorontanana sy ny loza nampidiriny tamin'ny tany, tamin'ny nitadiavany hamongorana ny lalàna efa narahina hatramin'ny fahagolan-tany. 30 Natahorany sao ho toraka izay efa nahazo azy matetika, ka tsy hanan-kandoavana ny lany sy hanomezam-be izy, fa efa fanaony taloha ny mitobatoba be loatra, sy mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany aza. 31 Noho izany fahasahiranany mafy izany, tapa-kevitra ny ho any Persa izy hamory hetra amin' ireo faritany ireo sy hanangom-bola be. 32 Ka dia Lisiasa lehilahy ambony sy anisan'ny finakavian'ny mpanjaka, no napetrany ho lohan'ny raharaha teo amin'ny fanjakana hatramin'ny ony Eofrata ka hatramin'ny sisin-tanin'i Ejipta, 33 sy hikarakara an'i Antiokosa zanany, mandra-piveriny. 34 Napetrany aminy ny antsasaky ny miaramilany sy ny elefanta, ary nomeny didy izy hanatanteraka ny hevitra voakasany rehetra, indrindra ny amin'ny mponina any Jodà sy Jerosalema. 35 Tsy maintsy handefa tafika Lisiasa handrava sy hamongotra ny fahefan'Israely mbamin'izay sisa ao Jerosalema, ary hanafoana ny fahatsiarovana azy, amin'izany toerana izany, 36 dia hamponina taranak'olon-kafa firenena eo amin'ny taniny rehetra, ka ireo no hizarany ny taniny amin'ny filokana. 37 Rahefa izany, nentiny homba azy ny antsasaky ny miaramilany, dia niala tao Antiokia renivohiny ny mpanjaka tamin'ny taona fahafito amby efapolo amby zato, nita ny ony Eofrata dia namaky ny tany avo. 38 Ptolemea zanak'i Dorimena sy Nikanora ary Gorjiasa kapiteny mahay, sady sakaizan'ny mpanjaka, no nofidin'i Lisiasa,
39 ary miaramila an-tongotra efatra alina sy an-tsoavaly fito arivo no nalefany hiaraka amin'izy ireo hanafika any amin'ny tanin'i Jodà sy handrava azy, araka ny didin'ny mpanjaka. 40 Dia niainga izy ireo, mbamin'ny miaramilany rehetra, ka nony tonga tany, dia nitoby teo amin'ny tany lemaka, akaikin'i Emaosa. 41 Vao nandre ny fahatongavany ireo mpandranto teo amin'ny tany, dia nitondra volafotsy sy volamena betsaka ary parapaingo koa nentiny nakao amin'ny tobin'ny Siriana hividianany ny zanak'Israely hataony andevo. Nikambana tamin'io tafika io koa ny miaramilan'i Siria sy ny teo amin'ny tanin'ny Filistina. 42 Hitan'i Jodasa sy ireo rahalahiny, fa nihamafotaka ny raharaha sady efa mitoby eo amin'ny sisin-taniny ny tafiky ny fahavalo; fantany koa ny didy nomen'ny mpanjaka mampandringana sy mampamongotra ny fireneny,
43 ka dia nifampilaza hoe izy ireo: Atsangano indray ny firenentsika rava; ary miadia ho an'ny firenentsika sy ny fitoerana masintsika. 44 Dia nivory ny fiangonana, hioman-kiady sy hivavaka hangata-pitsimbinana amim-pamindram-po. 45 Ary Jerosalema dia tsy nisy mponina, fa toy ny efitra; ny zanany tsy nisy niditra na nivoaka teo; ny fitoerana masina voahosihosy, ny trano mimanda dia tànan'ny zanaky ny firenena hafa, fonenan'ny firenena izy. Niala teo amin'i Jakoba ny hafaliana, ary tsy re intsony ny filiotra amana harpa. 46 Nony tafavory izy ireo, dia nankao Masfa tandrifin'i Jerosalema, fa nisy fitoeram-pivavahana ho an'Israely tao fahiny. 47 Tamin'izany andro izany, izy ireo nifady hanina, nisamboritra lasàka, nanisy lavenona ny lohany, ary nandriatra ny fitafiany. 48 Novelariny ny bokin'ny lalàna izay nokarohin'ny firenena hanoratany ny sarin-tsampiny, 49 nentiny ny fitafiam-pisoronana, ny voaloham-bokatra, ny fahafolon-karena, ary nasainy nanatona ny Nazareana efa nahatapitra ny fotoan'ny voadiny; 50 dia niantso tamim-peo avo nitaraina tamin'ny lanitra izy nanao hoe: Inona no hataonay amin'ireto olona ireto, ary aiza no hitondranay azy? 51 Ny fitoeranao masina efa voahosihosy sy voaloto, ny mpisoronao dia ao anatin'ny fisaonana aman-kenatra. 52 Ary indreo tafavory hamely anay ny firenena mba hamongotra anay; fantatrao ny fikasany hamely anay. 53 Hataonay ahoana no fahaleo azy ireo, raha tsy vonjenao izahay? 54 Dia nitsoka trompetra izy ireo, ary nandefa feo fitarainana mafy. 55 Nanaraka izany, nanendry mpifehy ny vahoaka Jodasa, tompon'arivo, tompon-jato, tompon-dimampolo, tompom-polo. 56 Ary izay vao avy nanorin-trano, na nampaka-bady, na namboly voaloboka, mbamin'izay natahotra, dia nilazany mba hody any an-tranony avy araka ny lalàna. 57 Rahefa izany dia nanainga ny tafika, ka nandeha nitoby teo atsimon'i Emaosa. 58 Ary hoy Jodasa: Misikìna hianareo, ary samia mitomban-dahy, mivonòna ho amin'ny rahampitso maraina, hiady amin'ireo firenena tafakambana hamono antsika ireo, dia isika sy ny fitoerana masintsika. 59 Fa tsaratsara kokoa ho antsika ny maty mitam-piadiana toy izay mahita ny loza manjo ny firenentsika sy ny fitoerana masintsika voaloto. 60 Ary na inona na inona sitra-pon'ny lanitra dia aoka ho tanteraka izany.
Toko faha-4
1 Nitondra miaramila dimy arivo Gorjiasa, sy mpitaingin-tsoavaly voafantina arivo,2 ka niainga alina hanatona ny tobin'ny Jody sy hamely azy tampoka; ny miaramila avy amin'ny trano miamandan'i Siona no nitari-dàlana azy. 3 Nony nandre izany Jodasa dia niainga izy sy ireo lehilahy mahery, hamely ny tafiky ny mpanjaka izay ao Emaosa, 4 fony mbola tafaely tany ivelan'ny toby ny miaramila. 5 Dia tonga tamin'ny alina, tao an-tobin'ny Jodasa, Gorjiasa, nefa tsy nahita olona, ka lasa nikaroka azy ireo tany an-tendrombohitra, fa hoy izy: nandositra antsika izy ireo.