Boky Voalohan'ny Makabeo

Toko faha-5

45 Nangonin'i Jodasa tamin'izay ny Israelita rehetra tany Galaada, hatramin'ny kely indrindra, ka hatramin'ny lehibe indrindra, mbamin'ny vady aman-janany sy ny ananany, izay zavon-tany, hoentiny ho any amin'ny tanin'i Jodà. 46 Dia tonga tao Efraona, tanàna lehibe manapaka ny vavalàlana ho amin'ny tany, sy voamanda mafy; ary tsy nisy azo hiviliana na ho amin'ny an-kavanana, na ho amin'ny an-kavia, fa tsy maintsy mamaky eo afovoany.

47 Nihiboka tao ny mponina, sady notampenany vato ny vavahady. Nandefa tenim-pihavanana tamin'izy ireo Jodasa nanao hoe: 48 Aoka mba hahazo mamaky ny taninareo izahay hankanesanay any amin'ny taninay; tsy hisy olona hahatonga faty antoka ho anareo; fa tsy misy angatahinay afa-tsy ny handalo fotsiny ihany. Tsy nety namoha azy anefa izy ireo. 49 Ka nasain'i Jodasa nilazana ny miaramila, mba samy haka toerana amin'izay nisy azy avy. 50 Dia samy naka toerana ny lehilahy mpiantafika; ka nananika ny tanàna mandritra ny andro sy mandritra ny alina, dia natolotra teo an-tanany ny tanàna. 51 Novonoiny tamin'ny lelan-tsabatra ny lahy rehetra, noravany tsy nasiany niangana ny tanàna, nentiny ny babo teo aminy, ary faty no nodiaviny namaky azy. 52 Rahefa izany, nita an'i Jordany ny Jody, dia tonga teo amin'ny tany lemaka lehibe, tandrifin'i Betsana. 53 Nijanona tany amin'ny vody làlana Jodasa nampandroso ny mpitaredretra hahatratra ny namany, namporisika ny vahoaka teny an-dalana rehetra teny, mandra-pahatongany any amin'ny tanin'i Jodà. 54 Dia niakatra tao an-tendrombohitra Siona, tamim-pifaliana sy firavoravoana izy ireo, sy nanatitra sorona dorana, fa tonga soa aman-tsara, tsy nisy maty na dia iray aza, tamin'izy rehetra. 55 Raha mbola tany amin'ny tany Galaada Jodasa mbamin'i Jonatasa rahalahiny, ary tany Galilea anoloan'i Ptolemaisa koa Simona rahalahiny,

56 dia ren'i Josefa zanak'i Zakaria, sy Azariasa, samy lohan'ny tafika, ny herim-po lehibe nafitsok'izy ireo sy ny ady nataony. 57 Ka nifampilaza hoe izy: Ndao koa isika mba hampaneho laza ny anarantsika, ka andeha hiady amin'ireo firenena manodidina antsika. 58 Dia nomeny didy ny miaramila amin'ny tafiny, ka nandroso hamely an'i Jamnia izy ireo. 59 Ary nivoaka ny tanàna Gorjiasa mbamin'ny miaramilany, ka nandroso hitsena azy hianiany aminy. 60 Resy Josefa sy Azariasa, ka nenjehina hatreo amin'ny sisin-tanin'i Jodea, nahafatesana roa arivo lahy ny vahoakan'Israely, tamin'izay andro izay. Ny vahoakan'Israely no voan'izany faharesena lehibe izany 61 dia noho izy tsy nihaino an'i Jodasa mbamin'ireo rahalahiny, fa nataony ho fanehoan-kerim-po izany. 62 Kanefa izy ireo tsy mba isan-taranak'ireo olona izay nametrahana ny famonjena an'Israely. 63 Jodasa mahery fo, mbamin'ireo rahalahiny, nahazo voninahitra lehibe, teo anatrehan'Israely rehetra sy ny firenena rehetra, izay nanononana ny anarany. 64 Nivory nanodidina azy ny olona hiarahaba azy. 65 Nanaraka izany, niainga indray Jodasa mbamin'ireo rahalahiny, hiady amin'ny taranak'i Esao, eo amin'ny tany atsimo; azony Hebrona mbamin'ny tanàna momba azy, noravany ny mandany, nodorany ny tilikambo teo amin'ny manda manodidina azy.

66 Nony avy nangorona ny lainy izy dia nankany amin'ny tany Filistina sy namaky an'i Mareza. 67 Tamin'izany andro izany nisy mpisorona maro, maty an'ady fa te-hanampatra ny herim-po fotsiny, ka mba nisosoka niady, tsy amim-pahamalinana, koa. 68 Rahefa izany, nizotra ho any Azota tamin'ny Filistina Jodasa, noravany ny otelin'ireny, nodorany ny sarin-tsampy voasokitr'ireny, ary nony efa nobaboiny ny tanànany, dia niverina ho amin'ny tanin'i Jodà izy.

Toko faha-6

1 Tamin'izany Antiokosa mpanjaka nitety ireo faritany avo. Nony reny fa any Persa, any amin'i Elimaida, misy tanàna anankiray malaza amin-karena, be volafotsy sy volamena,

2 manan-tempoly be zava-tsarobidy, misy fiadiana navelan'i Aleksandra, zanak'i Filipo, mpanjakan'i Masedoana, ilay nanjaka voalohany tamin'ny Greka, 3 dia nankany izy, ka nitady haka sy hambabo ny tanàna; kanjo tsy nahomby izy, fa fantatr'ireo tompon-tanàna ny fikasany. 4 Nitsanga-kiady aminy ireo, dia vaky nandositra izy, sy nihataka tamin'alahelo lehibe, hiverina ho any Babilona. 5 Tamin'izay nisy iraka tonga tany Persa nilaza taminy ny faharesen'ireo miaramila niditra tamin'ny tanin'i Jodà, 6 fa hoe: Nony nandorso nitondra tafika lehibe dia lehibe Lisiasa, dia voatery handositra teo anoloan'ny Jody, ka ireo kosa nampitombo ny heriny tamin'ny fiadiana mbamin'ny miaramila sy ny babo azony tamin'ny tafika resy; 7 noravany ny fahavetavetana natsangany teo ambonin'ny otely, tany Jerosalema, nohodidininy manda avo toy ny taloha indray ny tempoly; toy izany koa no nataony tany Betsora, anankiray amin'ny tanànany. 8 Raha nandre izany vaovao izany ny mpanjaka, dia azon-tahotra mafy sy notsindrian-tebiteby lozan-tany, ka nidaboka teo amin'ny fandriany, sy nandraiki-nararin'alahelo, fa tsy tanteraka ny faniriany. 9 Andro maro izy teo ihany, ary nihonaka lava tamin'ny fahorian-tsainy lalina. Nony nataony fa efa antomotra ny hahafatesany, dia niantso ireo sakaizany izy, sy nilaza taminy hoe: 10 Ny torimaso nandao ny masoko, ary ny alahelo mandreraka ny foko, 11 ka hoy aho anakampoko: Alahelo lehibe manao ahoana ity mahazo ahy, ary hantsan-dalina manao ahoana ity nilatsahako izao? Ilay izaho tsara fo sy tiana teo amin'ny fanjakako teo iny! 12 Tsaroako anefa izao ny ratsy nataoko tany Jerosalema fa nentiko avokoa ny fanaka volamena sy volafotsy hita tao, ary nandefa tafika aho handringana, tsy misy antony, ny mponina rehetra tany Jodea. 13 Koa fantatro fa noho izany no niharan'izao loza izao amiko, ary indro aho ho faty amin'alahelo lehibe, aty an-tanin'olon-kafa. 14 Dia niantso an'i Filipo, anankiray amin'ireo sakaizany izy, ka nanendry azy hitondra ny fanjakany manontolo. 15 Nomeny azy ny satro-boninahiny, ny akanjony, ny fitomboka, ary nasainy hampianatra an'i Antiokosa zanany sy hanabe azy hitondra ny fanjakana. 16 Dia maty teo amin'izany toerana izany Antiokosa mpanjaka, tamin'ny taona fahasivy amby efapolo amby zato. 17 Rehefa nandre ny nahafatesan'ny mpanjaka Lisiasa, dia nantsangany hanjaka handimby azy Antiokosa zanany, izay notezainy hatramin'ny fahazazany sy nomeny anarana hoe Eopatora. 18 Ny miaramila tao amin'ny manda dia namahy an'Israely tao amin'ny manodidina ny fitoerana masina, nataony lalandava izay hahasosotra azy ary nitsangan-ko fohan'ny firenena.

19 Tapakevitra ny handrava azy Jodasa ka namory ny vahoaka rehetra hanao fahirano azy. 20 Dia nivory izy rehetra, nanao fahirano azy, tamin'ny taona fahadimampolo amby zato, ary nanorina tilikambo fanipazam-bato sy milina hamelezana azy, izy ireo. 21 Afa-nandositra anefa ny sasany tamin'izay nafahirano, sady nisy Israelita maromaro mankahala ny fivavahana koa, nikambana tamin'izy ireo. 22 Ka nandeha nankany amin'ny mpanjaka, nilaza taminy hoe: Miandry mandra-pahoviana hianao vao hanome rariny anay, sy hamaly ny ratsy natao tamin'ny rahalahinay? 23 Nilatsaka an-tsitra-po tamin'ny fanompoana an-drainao izahay, nanefa izay nolazainy sy nanatanteraka ny didiny izahay. 24 Noho izany dia tonga fahavalonay ny zanaky ny vahoakanay; izay rehetra aminay tafalatsaka eo an-tanany dia voavono avokoa, ny lovanay norobainy. 25 Ary tsy taminay ihany izy no naninji-tànana, fa tamin'ireo tany mifanolotra aminay rehetra koa. 26 Jereo ange: efa mitoby eo anoloan'ny mandan'i Jerosalema izy izao, mba hanafahany azy, ary efa nohamafisiny koa ny tempoly, ary Betsora koa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1504