Boky Voalohan'ny Makabeo

Toko faha-6

27 Ka raha tsy sakananao faingana mialoha izy, dia handroso handroso eo ihany, ka tsy ho azonao tohaina intsony. 28 Nentin-katezerana ny mpanjaka, nony nandre izany, ka nantsoiny avokoa ny sakaizany, ny mpitari-tafiny, mbamin'ireo mpifehy ny mpitaingin-tsoavaly.

29 Nisy miaramila mpikarama koa, tonga teo aminy, avy amin'ny fanjakana hafa sy amin'ny nosin-dranomasina. 30 Izao no isan'ny tafiny: miaramila an-tongotra iray hetsy, an-tsoavaly roa alina, ary elefanta zatra ady roa amby telopolo. 31 Nandroso nihazo an'Idomea izy ireo, dia niorin-toby teo anoloan'i Betsora, niady naharitra ela izy, sady nanorina milina fiadiana, fa nivoaka nandoro azy ny Jody naneho herim-po lehibe. 32 Tamin'izay, nialan'i Jodasa ny manda ka lasa izy nitoby tao Beta-Zakaria, tandrifin'ny tobin'ny mpanjaka. 33 Nifoha maraina koa ny mpanjaka, nasainy niainga tampoka nihazo ny làlana mankany Beta-Zakaria ny tafiny, ka dia nivonon-kamely sy nampaneno trompetra ny miaramila. 34 Norosoany ranom-boaloboka amam-boaroihazo, teo imason'ny elefanta, mba hamporisika azy hiady. 35 Nozarainy hatao anelanelan'ny isan-tokony avy ireo biby ireo, ka isan'elefanta dia notronin'ny miaramila arivo miakanjo fiarovan-tratra, makarakara vy, misatroka satroka varahina, ary mpitaingin-tsoavaly diman-jato voafantina, nilahatra teo anilany. 36 Ireo an-tsoavaly ireo dia raikitra ho eo amin'izay misy ity biby mandrakariva; izay alehan'io no alehan'ireo koa, fa tsy misaraka aminy na oviana na oviana ireo. 37 Eo ambonin'ny isan'elefanta, nisy tilikambo hazo mafy, ho fiarovana azy, mifatotra manodidina ny tenany, amin'ny anja-koditra, ka mpiady roa amby telopolo lahy, miady ao amin'io tilikambo io, no entin'ny elefanta iray, afa-tsy ny mpiandry azy. 38 Ny mpitaingin-tsoavaly sisa, dia nalahatr'izy ireo, ho eo an-daniny roa, amin'ny tafika, mba hanahirana ny fahavalo sy hiaro ny antoko-miaramilany. 39 Nony mitaratra amin'ny ampinga volamena sy varahina ny tana-masoandro, dia mamirapitratra ny tendrombohitra tarafin'ireo kosa, ka manjopiaka ohatran'ny fanilo afo. 40 Ny laniny iray amin'ny tafiky ny mpanjaka nivelatra teo amin'ny tendrombohitra avo, ny laniny iray kosa teo amin'ny lohasaha, ary nandroso tamim-pandeha matotra sy milahatra tsara izy ireo. 41 Nivadi-po avokoa ny olona tamin'ny akoralavan'izany vahoaka izany, sy ny firodorodon'ny diany, ary ny fikitrakitran'ny fiadiany. Fa tena tafika maro indrindra sy mahery tokoa izany. 42 Dia nandroso nitondra ny tafiny hiady Jodasa, ka enin-jato lahy no nitsingidina tamin'ny tafiky ny mpanjaka.

43 Eleazara, natao hoe koa Abarona, nahatazana iray tamin'ireo elefanta, niravaka firongon'ny elefantan'andriana, sady avo mihoatra noho ny namany. 44 Noheveriny fa tao ny mpanjaka, ka nahafoy ny ainy izy hamonjy ny fireneny, sy hamelon-tatara tsy maty ny anarany mandrakizay. 45 Niezaka an-kasahiana nanatona an'io izy, namaky ny antoko-miaramila, namono ny teo an-kavanany sy teo an-kaviany; ka nisava nankeo an-daniny roa teo anoloany ny fahavalo. 46 Dia nitsorofoka tao ambanin'ny elefanta izy, dia notrabarany io ka matiny, fa nidaraboka tamin'ny tany teo amboniny kosa ny elefanta, ka maty teo Eleazara. 47 Nahita ny herin'ny fanjakana sy izato fimamamaman'ny miaramila anefa ny Jody, ka nihataka teo anoloany. 48 Niakatra ho ao Jerosalema tamin'izay ny miaramila tamin'ny tafiky ny mpanjaka, hitsena ny Jody: dia niorin-toby hamely an'i Jodea sy ny tendrombohitra Siona ny mpanjaka.

49 Nanaovany fanekem-pihavanana ny tao Betsora dia nivoaka ny tanàna izy ireo, fa efa tsy nisy hanina ho enti-mihiboka ho azy ireo ao an-tanàna, satria taona fampitsaharana ny tany tamin'izay. 50 Izany no nahazoan'ny mpanjaka an'i Betsora sy nametrahany miaramila hiambina azy. 51 Niorin-toby teo anoloan'ny fitoerana masina izy, naharitra andro maro, ka nanangana tilikambo fandefasam-bato, milina fiadiana, milina fandefasan-java-maranitra mirehitra mbamin'ny vato, maingoka fandefasan-jana-tsipika, ary antsamotady. 52 Ireo nafahirano koa nanao milina hanoherana ny an'ireto namahirano ka nampaharitra ela ny nanoherany azy. 53 Nefa tsy nisy hanina tao amin'ny magazay, satria taona fahafito ny tamin'izay, ary ny sisa napetraka hotahirizina, lanin'ny Israelita izay nandositra tany Jodea, teo anoloan'ny firenena. 54 Ka Jody vitsy foana sisa tafajanona tao amin'ny fitoerana masina, fa nihahaka samy nody any aminy avy izy, satria nandroso nandroso teo ihany ny hanoanana. 55 Tamin'izany Filipo, ilay notendren' i Antiokosa mpanjaka, fony izy mbola velona, hanabe sy hampanjaka an'i Antiokosa zanany,

56 no tonga avy any Persa sy Media, nomban'ny miaramila nanaraka ny mpanjaka, ka nitady handray ny raharaham-panjakana ho eo an-tanany. 57 Nony nahare izany vaovao izany Lisiasa dia tsy nisy nahadodoka azy intsony afa-tsy ny hiala eo ihany. Hoy izy tamin'ny mpanjaka sy ny lehiben'ny tafika ary ny miaramila: Isika ity mihena an-toerana isan'andro, ny hanina kely sisa ananantsika, ny toerana ataontsika fahirano voamanda, kanefa ny raharaham-panjakana izao tokony ho raharahaintsika. 58 Koa ankehitriny, ndao hifandray tànana amin'ireo olona ireo, manaova fanekem-pihavanana aminy sy amin'izy rehetra iray firenena; 59 ekeo ny hahazoany manao toe-piainana araka ny lalany toy ny taloha, fa noho ny amin'ireo lalàna ireo, izay notadiavintsika ho foanana ihany, no nahatezitra azy sy nahavitany izao zavatra rehetra izao. 60 Sitraky ny mpanjaka sy ny mpifehy izany teny izany, ka naniraka olona hanao raharaham-pihavanana amin'izy ireo izy, ary nanaiky izany izy. 61 Nankatoavin'ny mpanjaka sy ny mpifehy tamim-pianianana ny fanekena, ka dia nivoaka ny manda ireo natao fahirano. 62 Kanjo nony tafiditra tao an-tendrombohitra Siona ny mpanjaka, ka nahita izato manda, dia nivadihany ny fianianana nataony, ka nanome didy handrava ny manda manodidina izy. 63 Izay izy dia niainga maika dia maika hiverina ho any Antiokia, izay nahitany an'i Filipo, efa tonga tompon'ny tanàna, ka niady taminy izy, dia azony ny tanàna.

Toko faha-7

1 Tamin'ny taona faharaika amby dimampolo amby zato, nitsoaka avy ao an-tanànan'i Roma Demetriosa zanak'i Seleokosa, ka teo amin'ny tanàna anankiray amoron-dranomasina no nitodiany nomban'olona vitsivitsy, ary teo izy naka ny anarana hoe mpanjaka.

2 Vao tafiditra teo amin'ny fanjakan'ny razany izy, dia nosamborin'ny miaramila Antiokosa sy Lisiasa, hoentiny mankany aminy. 3 Nony nampandrenesina izany izy, dia hoy izy: Aza atao mahita tava an'ireo aho. 4 Ka dia novonoin'ny miaramila ireo, ary Demetriosa nipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakany. 5 Tamin'izany, nirohotra nankao aminy avokoa ny olona tsy marina sy mpankahala ny fivavahana tamin'Israely, notarihin'i Alsima, izay naniry ho mpisorona lehibe. 6 Nampangain'izy ireo tamin'ny mpanjaka ny vahoaka, nataony hoe: Novonoin'i Jodasa sy ireo rahalahiny ny sakaizanao, ary noroahiny tamin'ny taninay izahay. 7 Koa ankehitriny, maniraha izay olona mahatoky anao, handeha hizaha ny fanimbana rehetra nataony taminay, sy tamin'ny faritanin'ny mpanjaka, ary hamay ny meloka mbamin'izay rehetra manampy azy. 8 Dia nofidin'ny mpanjaka tamin'ireo sakaizany Bakidesa governoran'ny tany any an-dafin'ny ony, lehilahy ambony indrindra teo amin'ny fanjakana, sy niraiki-po amin'ny mpanjaka; ka io no nirahiny miaraka amin'i Alsima, mpankahala ny fivavahana, 9 izay nomeny toky hahazo ny laharam-pisoronana ambony indrindra, sy nodidiany hamaly ny ratsy nataon'ny zanak'Israely. 10 Nony nandeha izy ireo, ka tonga tany amin'ny tanin'i Jodà nitondra tafika lehibe, dia nandefa iraka nitondra tenim-pihavanana ho any amin'i Jodasa mbamin'ireo rahalahiny hamitahana azy. 11 Saingy tsy nohenoin'izy ireto ny teniny, noho izy tonga nomban-takika lehibe. 12 Nanatona an'i Alsima sy Bakidesa anefa, ny antoko-mpampiana-dalana anankiray 13 mba hitady izay rariny, ary ny Asideana izay lohalaharana teo amin'ny zanak'Israely koa, nila fihavanana tamin'izy ireo; fa hoy izy:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1547