Boky Voalohan'ny Makabeo

Toko faha-7

14 Mpisorona taranak'i Aarona no miaraka amin'ny tafika ka tsy mety hanisy ratsy antsika io. 15 Dia nanao tenim-pihavanana tamin'izy ireo tokoa io, sady nianiana izy hoe: Tsy mihevitra akory ny hanisy ratsy anareo na ny sakaizanareo izahay. 16 Ka natoky izany izy ireo, kanjo nasain'io nosamborina ny enimpolo tamin'izy ireo, ka nasainy novonoina tamin'ny indray andro ihany, araka ny tenin'ny Soratra Masina hoe: 17 Nanely ny nofo sy nandatsaka ny ran'ireo masinao manodidina an'i Jerosalema izy ireo, ary tsy nisy olona handevina an'ireny akory. 18 Koa raiki-tahotra sy nivadi-po ny vahoaka rehetra, fa tsy misy intsony izay rariny sy hitsiny amin'izy ireo, hoy ny olona, satria ny fanekena amam-pianianana nataony nivadihany. 19 Niala tao Jerosalema Bakidesa dia nandeha nitoby teo Bezeta, nasainy nosamborina ny maro tamin'ireo nisindaka tsy hiandany aminy intsony, mbamin'ny sasantsasany tamin'ny vahoaka, dia novonoiny ary navariny tao amin'ilay lava-drano lehibe ny fatin'izy ireo.

20 Ary napetrak'i Bakidesa tamin'i Alsima ny tany, sady namelany miaramila hiaro azy io, dia niverina ho any amin'ny mpanjaka izy. 21 Nanao izay tratry ny ainy Alsima hahazo ny fahefam-pisoronana. 22 Nivory teo aminy avokoa ireo mpanabataba ny fireneny, dia nahazo nitany ny tanin'i Jodà, ary nampidi-doza lehibe tamin'Israely. 23 Nony hitan'i Jodasa ny loza nafitsok'i Alsima sy ireo mpiandany aminy tamin'ny zanak'Israely, izay mangidy noho izay nataon'ny jentily aza, 24 dia nitety ny tany Jodea manontolo izy, ka namay ny mpivadika sy nisakana azy tsy hiely any ambanivohitra. 25 Nony hitan'i Alsima fa tonga nahery Jodasa sy ny namanay, ka tsy hahaleo an'ireo izy, dia niverina ho any amin'ny mpanjaka izy, sady niampanga azy ireo ho nanao ratsy lozan-tany. 26 Dia nirahin'ny mpanjaka Nikanora, iray amin'ireo jeneraliny malaza indrindra, sy feno fahasosorana amam-pankahalana an'Israely, sady nomeny didy handringana ny vahoaka.

27 Nony tonga tany Jerosalema Nikanora nitondra tafika, dia nandefa tenim-pihavanana tamin'i Jodasa sy ireo rahalahiny hisaroroany azy. 28 Aoka re, hoy izy, tsy hisy ady aminareo sy amiko; mba te-ho avy aho miaraka amin'olona vitsivitsy hahita tava anareo amim-pihavanana. 29 Dia tonga teo amin'i Jodasa izay, ka nifampiarahaba, sy samy naneho fisakaizana teo izy roalahy, kanjo iretsy fahavalo izany, efa vonon-kisambotra an'i Jodasa. 30 Nisy nampandre an'i Jodasa kosa anefa, fa fikendrena hamadika no nankanesan'i Nikanora teo aminy, ka natahotra izy, sady nihataka tsy nety nihaona taminy intsony. 31 Fantatr'i Nikanora tamin'izay fa vaky ny tetik'adiny, ka rafitra niaraka tamin'izay teo akaikin'i Kafarsalama, ny adin'izy sy Jodasa. 32 Nahafatesana sahabo ho dimy arivo lahy ny tafik'i Nikanora, ary nandositra nakao an-tanànan'i Davida ny sisa. 33 Taorian'izany, niakatra tao an-tendrombohitra Siona Nikanora, ka nivoaka avy eo amin'ny fitoerana masina ny mpisorona sasantsasany nomban'ny maro tamin'ny loholon'ny vahoaka, hiarahaba azy tamim-pihavanana, sy haneho aminy ny sorona dorana, natolotra ho an'ny mpanjaka.

34 Izy kosa anefa namazivazy sy namingavinga azy, nandoto azy, nanao teny avonavona taminy, 35 ary nanao izao fianianana izao tamin-katezerana: Raha tsy atolotra ho eo an-tanako miaraka amin'izay Jodasa sy ny tafiny, dia hodorako ity trano ity, raha vao tafaverina amim-piadanana aho. 36 Sady dia nivoaka an-katezerana izaitsizy izy. Ka dia niditra ny mpisorona, nitsangana teo anoloan'ny otely sy ny fitoerana masina, nanao tamin-dranomaso hoe: 37 Hianao ry Tompo, no nifidy ity trano ity, hametrahanao ny anaranao, mba ho trano fivavahana amam-pitarainana ho an'ny vahoakanao. 38 Koa valio ny ratsy nataon'iny lehilahy iny, mbamin'ny tafiny; aoka ho lavon-tsabatra izy ireo. Tsarovy ny teny manevateva ny fivavahana nataony, ka aza avela hiaina ireo. 39 Niala teo Jerosalema Nikanora dia lasa nitoby teo akaikin'i Betsora, ary nisy antoko-miaramila Siriana iray tonga nitsena azy.

40 Jodasa kosa nitoby teo akaikin'i Adasa, nomba-miaramila telo arivo, dia nivavaka nanao hoe: 41 Ireo nirahin'ny mpanjakan'ny Asiriana dia nanevateva anao, ry Tompo, ka tonga ny anjelinao namono ny dimy arivo sy valo alina sy iray hetsy tamin'izy ireo. 42 Koa aringano torak'izany koa ity tafika eto anatrehanay ity anio, mba hoeken'ny sisa rehetra fa nanao teny manevateva ny fitoerana masina izy, ka tsarao araka ny haratsiam-panahiny. 43 Dia rafitra ny adin'ireto tafika tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folon'ny volana Adara, ka montsana mihitsy ny miaramilan'i Nikanora ary ny tenany aza no nitsingidina voalohany teo amin'ny ady. 44 Rahefa nahita an'i Nikanora nitsingidina ny miaramila, nariany ny fiadiany, dia vaky nandositra izy. 45 Nenjehin'ny Jody làlana indray andro izy ireo hatrany Adasa ka hatrany akakin'ni Gazara, ary nampitatatata ny trompetra avy ato aoriana. 46 Ny olona avy amin'ny tanàna manodidina rehetra tany Jodea nivoaka nanarona ny Siriana, dia niverina nifanehatra izy samy izy, ka lavon-tsabatra avokoa tsy nisy afa-nandositra, na dia iray aza. 47 Nendahin'ireo, ireto resy, nobaboiny izay nananany, ny lohan'i Nikanora notapahiny mbamin'ny tanany havanana, izay nahinjiny tamim-pireharehana, ka nentiny sy nahantony nanatrika an'i Jerosalema. 48 Feno hafaliana ny vahoaka ary nankalazainy toy ny androm-pifaliana lehibe izany andro izany. 49 Dia naraikitra hankalazaina isan-taona izany andro izany amin'ny fahatelo ambin'ny folon'ny volana Adara. 50 Ary nandry fahizay kelikely ny tanin'i Jodà.

Toko faha-8

1 Ary nisy ren'i Jodasa nilaza ny amin'ny Romana: Mahery an'ady izy ireo, hoy ny olona taminy, manisy soa an'izay rehetra mifikitra miandany aminy izy, manao fihavanana amin'izay rehetra manatona azy izy, ary mahery an'ady izy.

2 Notantarain'ny olona taminy ny adiny sy ny herim-po nasehony tamin'ny adiny tamin'ny Galata, izay nampanekeny azy sy tongany mpandoa hetra ho azy, 3 ny nataony rehetra tany amin'ny tany Espania, mba hahazoany ny tany fihadiam-bolamena sy volafotsy hita tany, mbamin'ny nampanekeny izany tany rehetra izany, noho ny fahamalinany amam-paharetany, 4 nefa lavitra dia lavitra azy ireo izany tany izany. Nataony toy izany koa ny mpanjaka avy tany am-para vazan-tany tonga nanafika azy; dia nandresy azy ireo izy, sy nataony nitondra faisana, ary ny sisa dia mandoa hetra ho azy isan-taona. 5 Resiny an'ady avokoa Filipo sy Persea mpanjakan'ny Seteana mbamin'izay nandray fiadiana hamely azy, ka nampanekeny azy. 6 Resin'izy ireo koa Antiokosa Lehibe mpanjakan'i Asia, izay tonga hiady taminy, nitondra elefanta roapolo amby zato, mpitaingin-tsoavaly, kalesy, ary tafika lehibe dia lehibe. 7 Nataony sambo-belona ilay io dia notereny hanao fanekena handoa hetra be dia be ho azy, izy mbamin'ny dimbiny, sady hametraka olona ho antoka, sy hahafoy ny ilany amin'ny fanjakany, 8 dia ny tany India, Media, Lidia, ary ny ilany amin'ireo faritany tsara indrindra; ka nony noraisiny avy aminy ireo, dia natolony ho an'i Eomena mpanjaka. 9 Nanao fikasana hamely sy handrava azy ireo, ry zareo tany Gresy; fa nony nandre izany ny Romana, 10 dia naniraka jeneraly iray monja hamely azy, dia niady taminy izy ireo, ka be no matiny; nobaboiny ny vadiny aman-janany, norobainy ny fananany, nampanekeny ny taniny, noravany ny mandany ary nandevoziny mandrak'androany ny mponina. 11 Ny fanjakana hafa rehetra, mbamin'ny nosy nanohitra azy, noravany sy nampanekeny avokoa. 12 Fa izay sakaizany sy izay mametraka ny fitokiany aminy kosa, dia itsimbinany fihavanana. Tonga tompon'ny fanjakana eo akaikiny sy any lavitra azy izy, ary matahotra azy avokoa izay mandre ny anarany. 13 Izay rehetra tiany hampiana sy homem-panjakana, dia manjaka; izay tiany halam-pahefana kosa, dia alany; firenena mahery izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2006