Boky Voalohan'ny Makabeo
Toko faha-8
14 Na dia izany rehetra izany aza, tsy mba misy misatroka diadema izy, na mitafy jaky hanambony tena foana. 15 Namorona parlemanta izy ireo, ka misy roapolo sy telon-jato lahy izy, miara-midinika isan'andro mikarakara tsy tapaka izay hahasoa ny vahoaka mba hiadanany. 16 Lehilahy iray no ametrahany ny fahefana isan-taona hanapaka ny taniny rehetra, dia samy manaiky izany lehilahy iray izany izy rehetra, ary tsy mba misy fitsiriritana na fialonana eo amin'izy ireo. 17 Ary Jodasa nifidy an'i Eopolema zanak'i Joany, zanak'i Akosa, sy Jasona zanak'i Eleazara, ka naniraka an'ireo ho any Roma, hanao raharaham-pihavanana amam-pisakaizana amin'izy ireo,18 ary mba hanafahany azy amin'ny jioga, satria hitany ny fanandevozan'ny fanjakana Greka an'Israely. 19 Dia lasa nankany Roma ireo, nandeha lalan-davitra dia lavitra. Nony tafiditra tao amin'ny parlemanta izy, dia nandaha-teny toy izao: 20 Naniraka anay ho aty aminareo Jodasa Makabeo sy ireo rahalahiny mbamin'ny Jody, hanao fanekem-pihavanana amam-piadanana aminareo ary mba hosoratana ho isan'ireo mpihavana aman-tsakaizanareo izahay. 21 Noraisina tsara izany fangatahana izany, 22 ka izao no kopian'ny fanekena nosoratan'ny Romana tamin'ny takela-barahina sy nalefany ho any Jerosalema hapetraka any, ho tsangam-baton'ny fanekena amam-pihavanana. 23 Hoambinina mandrakizay anie ny Romana sy ny firenena Jody, na ambony ranomasina na an-tanety! Ho lavitra azy anie ny sabatra amam-pahavalo!
24 Raha manan'ady aloha ny Romana na ny iray amin'ireo mpihavana aminy, ao anatin'izao fanjakany manontolo izao, 25 dia hanampy azy amin-jotom-po tokoa, araka izay azony atao amin'izany fotoana izany, ny firenena Jody. 26 Ka izay miady amin'izany, tsy homeny na hamononany vary, na fiadiana, na vola, na sambo. Izany no sitrapon'ny Romana; ary hotanterahin'ny Jody ny zavatra nekeny, nefa tsy handray na inona na inona izy. 27 Torak'izany koa, raha manana ady aloha ny firenena Jody, dia hiara-miady aminy, amin'ny fony tokoa, araka izay azony atao amin'izany fotoana izany ny Romana; 28 ka ny miaramila mpanampy tsy hiantoham-bary na fiadiana, na vola, na sambo. Izany no sitra-pon'i Roma ka izay nekeny dia hotanterahiny tsy misy fitaka. 29 Izany ny zavatra tapaka natao tao amin'ny faneken'ny Romana sy ny firenena Jody. 30 Any aoriana, raha misy te-hanampy na hanala amin'izany izy roa tonta, dia azony atao araka izay tiany izany, ka tsy maintsy tovina izay nanampy na nalana. 31 Ary inty ny amin'ny fampahoriana nataon'i Demetriosa mpanjaka azy ireo, dia efa nanoratra ho any amin'io izahay, nanao hoe: Nahoana no vesaranao jioga ny Jody, sakaizanay sy mpihavana aminay?
32 Koa raha mbola ampangain'izy ireo aminay indray hianao, dia hanohana ny rariny ananany sy hiady aminao ambony ranomasina sy an-tanety izahay.
Toko faha-9
1 Nony ren'i Demetriosa fa resy tamin'ny ady Nikanora sy ny tafiny dia nalefany ho any Jodea indray Bakidesa sy Alsima, nitondra ny vazan-tafika havanana.2 Ny làlana mankany Galgala no nombany dia niorin-toby tao Masalota, izay any amin'ny faritanin'i Arbela izy ireo; azony io tanàna io, ary namonoany maro be ny mponina. 3 Tamin'ny volana voalohany, taona faharoa amby dimampolo amby zato, dia nalahany teo anoloan'i Jerosalema ny miaramilany. 4 Rehefa izany dia nangoron-day izy, dia nankany Berea, nitondra miaramila roa alina sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo. 5 Jodasa kosa niorin-toby tao Eleasa, omba-miaramila voafantina telo arivo. 6 Raiki-tahotra mafy izy ireo, nony nahita ireto fahavalo marobe, ka maro no nitsoaka mangingina niala teo an-toby; valon-jato lahy sisa tafajanona. 7 Hitan'i Jodasa fa nitsoaka ny miaramilany, ary ny ady efa antomotra, torotoron'ny alahelo ny fony, fa ny fotoana hamoriany ny momba azy tsy misy, ka tsaroany reraka ny tanany. 8 Kanefa izao no nolazainy tamin'ireto sisa tafajanona teo aminy: Andeha handroso hamely ny fahavalontsika, raha mbola afaka hiady aminy koa isika. 9 Notohain'izy ireo tsy hanao izany anefa izy, nataony hoe: Tsy leontsika ka ndeha aloha hanavotra aina sy miverina ho any amin'ireo rahalahintsika, vao ho avy indray hiady amin'ny fahavalontsika isika. 10 Fa hoy Jodasa tamin'izy ireo: Sanatria ahy izay hanao izany, ka hiamboho handositra! Raha tonga ny fotoana anjarantsika, aoka ho faty amin-kerim-po isika, ho an'ny rahalahintsika, ary aza asiana pentina ny voninahitsika. 11 Dia nivoaka ny toby ny tafiky ny Siriana, hitsena azy ireo: nizara roa toko ny an-tsoavaly, ny mpandefa an-tsamotady sy mpandefa tsipika teo aloha, ny mahery indrindra no loha-laharana;
12 Bakidesa teo amin'ny vazan-tafika havanana, ary nandroso tamin'ny feon-trompetra teo an-daniny avy, ny antokony. 13 Ry Jodasa koa, tatsy an-daniny, nampaneno trompetra, ka nihorohoro ny tany, azon'ny firohondrohon'ny tafika roa tonta, dia rafitra ny ady, ka naharitra hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva. 14 Nony hitan'i Jodasa fa teo amin'ny vazan-tafika havanana Bakidesa sy ny miaramilany mahay indrindra, dia novoriny hanodidina azy ny miaramila mahery fo rehetra, 15 ka noreseny ny vazan-tafika havanan'ny Siriana, dia notanahiny hatrany an-tendrombohitra Azota. 16 Kanjo hitan'ireto vazan-tafika havia fa resy ny vazan-tafika havanana, ka nifontenany narahina avy ato aoriana Jodasa sy ny namany. 17 Niha-nangotraka ny ady, ka samy be maty, izy roa tonta. 18 Maty koa Jodasa dia vaky nandositra ireo namany. 19 Dia nentin'i Jonatasa sy Simona, Jodasa rahalahin'izy ireo, ka nalevina tao amin'ny fasan-drazany ao Modìna.
20 Nitomanian'Israely rehetra izy sy nigogogogoany mafy ary naharitra andro maro no nisaonany azy, 21 sy nanaovany hoe: Ahoana re no dia nahafaty an'ilay mahery, an'ila nanafaka an'Israely! 22 Ny tantaran'i Jodasa sisa, sy ny adiny hafa, sy ny herim-po hafa nasehony ary ny antom-boninahiny, dia tsy voasoratra, satria maro loatra. 23 Nony efa maty Jodasa, dia nitrangatranga eran'ny tanin'Israely manontolo ny mpankahala ny fivavahana ary niarin-doha ny mpanao ny tsy marina rehetra.
24 Nisy mosary lehibe tamin'izany andro izany, ka nivadika tamin'izy ireo mbamin'ny tany aza. 25 Ny olona mpankahala ny fivavahana no nofidin'i Bakidesa sy notendreny hitondra ny tany. 26 Nokarohin'ireo ny sakaizan'i Jodasa ka nony mahita izy, entiny any amin'i Bakidesa, dia faizin'io sy ataony fihomehezana kosa. 27 Ary lalina loatra ny fahoriana nanjo an'Israely, fa tsy mbola nisy toy izany hatramin'izay andro tsy nisian'ny mpaminany teo amin'Israely. 28 Ka nivory izay rehetra sakaizan'i Jodasa nilaza tamin'i Jonatasa hoe: 29 Hatrizay nahalasanan'i Jodasa rahalahinao izay, tsy misy lehilahy toa azy intsony, nitsangan-kanohitra ny fahavalontsika Bakidesa, mbamin'ireo rehetra mankahala ny firenentsika. 30 Ka dia hianao no fidinay anio ho lehibenay hisolo azy, sy ho komandinay amin'ny adintsika. 31 Dia noraisin'i Jonatasa ny fanapahana tamin'izany andro izany, ary nitsangana izy nisolo an'i Jodasa rahalahiny.