Boky Voalohan'ny Makabeo

Toko faha-10

59 Nanoratra taratasy tany amin'i Jonatasa, koa Aleksandra mpanjaka, niantso azy hihaona aminy.

60 Dia nankany Ptolemaisa tamim-boninahitra lehibe Jonatasa, ka nihaona tamin'ireo mpanjaka roa lahy tao; volafotsy sy volamena ary fanatitra betsaka no natolony azy ireo sy ny tandapany, ka nahazo sitraka tamin'izy ireo. 61 Nikambana hamely azy tamin'izay ny olona ratsy fanahy sasany tamin'Isarely, olona mpankahala fivavahana niampanga azy; fa tsy nohenoin'ny mpanjaka. 62 Vao mainka nasain'ny mpanjaka nesorina aza ny fitafiana teny amin'i Jonatasa, dia nasainy nampiakanjoina jaky izy. Nony tanteraka izany didy izany, dia nasain'ny mpanjaka nipetraka teo anilany izy, 63 ary hoy izy tamin'ireo lehiben'ny tandapany: Mandehana hianareo mivoaka miaraka aminy, ho ao afovoan'ny tanàna, ka lazao am-pahibemaso, fa tsy misy olona mahazo mitsangan-kitaraina hamely azy, na amin'inona na amin'inona, ary tsy misy mahazo manorisory azy akory, na inona na inona fialan-tsiny ataony. 64 Nony nahita azy nomem-boninahitra am-pahibemaso sy nampitafina jaky, ireo mpiampanga azy, dia nitsoaka avokoa izy rehetra. 65 Mbola nampian'ny mpanjaka indray aza izany voninahitra izany, fa nosoratany ho isan'ireo filohany amin'ny sakaizany izy, sady nataony jeneraly sy governoram-paritany. 66 Dia niverina ho any Jerosalema tamim-piadanana amam-piravoravoana Jonatasa. 67 Tamin'ny taona fahadimy amby enim-polo amby zato, tonga tao amin'ny tanindrazany avy any Kreta, Demetriosa zanak'i Demetriosa.

68 Nankararirary an'i Aleksandra mpanjaka loatra izany vaovao izany, ary niverina ho any Antiokia izy. 69 Apolloniosa governora tao Sele-Siria no nalain'i Demetriosa ho jeneraly, ary namory tafika lehibe ilay io, ka tonga nitoby teo akaikin'i Jamnia. Teo izy naniraka tany amin'i Jonatasa, mpisorona lehibe, hilaza hoe: 70 Hianao dia hianao irery izao no mitangan-kanohitra anay; ka tonga famazivazy sy fandatsan'ny olona aho, noho ny aminao. Ahoana no dia ahasahianao manao ny tenanao ho mahaleo tena eo anatrehanay, ao an-tendrombohitra ao? 71 Koa ankehitriny, raha matoky ny herinao tokoa hianao, midina ho ety aminay aty amin'ny tany lemaka dia hifanao eo isika, fa momba ahy ny tanàna mafy amin'ny morontsiraka. 72 Fotory ary fantaro ny amiko sy ny amin'ireo manampy ahy, iza aho, iza ireo. Fa milaza izy ireo, fa tsy hahajanona eo anoloanay hianao, satria indroa ny razanao no vaky nandositra any amin'ny tanin'izy ireo. 73 Ary izao, dia tsy ho tantinao akory ny hafitsoky ny mpitaingin-tsoavaliko, sy ny tafika maro dia maro, aty amin'ny tany lemaka, izay tsy misy vato na vatolampy, na toerana azo andosirana akory. 74 Nentin-katezerana mafy Jonatasa, raha nandre ny tenin'i Apolloniosa, ka nifidy miaramila iray alina, dia niala tao Jerosalema, ary Simona rahalahiny koa tonga nihaona taminy, hanohana azy. 75 Dia lasa nitoby teo akaikin'i Jope izy ireo, nihidy teo anoloan'izy ireo ny tanàna, fa tao ny miaramilan'i Apolloniosa, ka dia ny manao fahirano an'io no natombony. 76 Tsiravina ny mponina, ka novohany ny vavahady, dia lasan'i Jonatasa Jope. 77 Vao nilazana izany Apolloniosa dia nalahany hiady ny an-tsoavaly telo arivo sy ny miaramila maro; 78 ka nizotra tamin'ny hitsin'i Azota, toy ny ndeha hihataka izy; ary tamin'izay indrindra ihany anefa, dia nandroso ho eo amin'ny tany lemaka, fa nanana mpitaingin-tsoavaly maro, izay nitokiany. Nozohin'i Jonatasa nankany Azota izy, ka rafitra ny adin'ny tafika roa tonta. 79 Nametraka mpitaingin-tsoavaly arivo teo ivohony amin'ny fitoerana miafina Apolloniosa;

80 nefa nialaza Jonatasa fa misy otrika eo ivohony. Nanodidina ny miaramilany ireo mpitaingin-tsoavaly, ka nandefa zana-tsipika namely ny miaramilany, hatramin'ny maraina ka mandra-paharivan'ny andro. 81 Kanefa nahatoha azy tsara araka ny nandidian'i Jonatasa azy, ny miaramilany, fa nihareraka kosa ny soavalin'ireo mpitaingin-tsoavaly. 82 Dia nampandrosoin'i Simona tamin'izay ny miaramilany, hamely ny antoko miaramila an-tongotra, fa efa lany hery ny mpitaingin-tsoavaly, ka resiny sy vaky nandositra tery ny Siriana. 83 Niparitaka teo amin'ny tany lemaka ny mpitaingin-tsoavaly, ary niditra tao Azota ny mpandositra, dia nitsofoka tao Beta-Dagona, tempolin-tsampin'izy ireo, mba hahita fialofana ao. 84 Nodoran'i Jonatasa Azota mbamin'ireo tanàna manodidina azy, nony avy namaboany; nodorany koa ny tempolin'i Dagona mbamin'izay rehetra nialoka tao. 85 Sahabo ho valo arivo no isan'ny matin-tsabatra sy levon'ny afo tamin'izay. 86 Nony avy teo Jonatasa, dia tonga nitoby teo akaikin'i Askalona, ka tonga nitsena sy nanome voninahitra lehibe azy ny mponina tao. 87 Izay vao niverina ho any Jerosalema Jonatasa mbamin'ny miaramilany, nitondra babo sarobidy. 88 Nony nandre izany zava-niseho izany Aleksandra mpanjaka, dia nomeny voninahitra vaovao indray Jonatasa.

89 Nampitondrainy jaigrafy volamena izy, tahaka izay fanome ny havan'ny mpanjaka, ary nomeny azy ho fananany Akarona mbamin'ny faritaniny.

Toko faha-11

1 Namory miaramila tsy tambo isaina hoatra ny fasika eny amoron-dranomasina sy sambo maro koa ny mpanjakan'i Ejipta, ka nitady hahazo an-kafetsena ny fanjakan'i Aleksandra, hakambana amin'ny fanjakany.

2 Dia nandroso ho any Siria izy, nanao tenim-pihavanana. Novohain'ny mponina teo anoloany ny tanàna ary nirohotra hitsena azy izy ireo, fa nodidian'i Alksandra hitsena azy noho ny maha-rafozany. 3 Isaky ny tafiditra amin'ny tanàna anankiray anefa Ptolemea mametraka miaramila hiambina an'io. 4 Nony mby teo akaikin'i Azota izy, nasehon'ny mponina azy ny tempolin'i Dagona may, ny tanàna mbamin'ny manodidina azy rava; ny faty maro nihahaka; ny sisan'ireo nodorana tamin'ny ady nangoniny hiavosa teny amin'ny làlana; 5 ary notantarainy tamin'ny mpanjaka ny nataon'i Jonatasa mba hankahalany an'io; nangina anefa ny mpanjaka. 6 Nankao amin'ny mpanjaka tao Jope Jonatasa hanome haja azy; nifampiarahaba izy ireo, dia nandry tao. 7 Nanatitra ny mpanjaka hatreo amin'ny ony atao hoe Eleotera Jonatasa, vao niverina ho any Jerosalema. 8 Lasan'i Ptolemea mpanjaka tamin'izany ny tanàna amoron-dranomasina, hatramin'i Seleokia ao amoron'ny ranomasina; ary nihevitra zava-mamohetra amin'i Aleksandra izy.

9 Nandefa ambasadaoro ho any amin'i Demetriosa mpanjaka izy hilaza aminy hoe: Avia, hanao fanekena isika fa homeko ho vadinao ny zanako vavy novinadin'i Aleksandra, dia hanjaka eo amin'ny fanjakan-drainao hianao. 10 Nanenenako ny nanome azy ny zanako vavy, satria nitady hahafaty ahy izy. 11 Naniry hahazo ny fanjakany izy no nanivaiva azy toy izany. 12 Dia notsoahany tokoa ny zanany vavy ka nomeny an'i Demetriosa; hatramin'izay dia tafasaraka tamin'i Aleksandra izy, sady nitranga am-pahibemaso ny fifankahalany. 13 Niditra ny tanàna Antiokia Ptolemea, ka nanao ny satro-panjakan'i Asia, ka satro-panjakana roa no indray nataony tamin'ny lohany, dia ny an'i Ejipta sy ny an'i Asia. 14 Tany Silisia Aleksandra tamin'izany andro izany, satria nikomy ny mponina tamin'izany faritany izany. 15 Vao nandre Aleksandra fa hoe navadiky ny rafozany, dia nandroso hamely azy: kanjo nalahatr'i Ptolemea mpanjaka kosa ny tafiny, dia nandroso hikatroka aminy tamin'ny tafika lehibe izy, nataony vaky nandositra. 16 Nandisotra tany Arabia Aleksandra, hitady fialofana any, ka nandresy kosa Ptolemea mpanjaka. 17 Kanjo notapahin'i Zabdiela Arabo ny lohan'i Alksandra, dia nampitondrainy ho any amin'i Ptolemea. 18 Hateloana taorian'iany, dia maty Ptolemea mpanjaka, ka novonoin'ny mponina ny Ejipsiana tao amin'ny tanàna mimanda. 19 Ary Demetriosa no tonga mpanjaka tamin'ny taona fahafito amby enimpolo amby zato.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1446