Boky Voalohan'ny Makabeo

Toko faha-11

20 Tamin'izany andro izany, novorin'i Jonatasa ny olona teo amin'i Jodea haka ny trano mimandan'i Jerosalema ary nanangana milina fiadiana betsaka izy, hamelezana azy.

21 Tamin'izay nisy lehilahy vitsivitsy, mankahala ny fireneny, nandeha nankany amin'i Demetriosa mpanjaka niampanga an'i Jonatasa taminy hoe: Manao fahirano ny trano mimanda. 22 Nahatezitra an'i Demetriosa ny nitantarana izany, ka vao nandre izany izy dia niezaka faingana nankany Ptolemaisa, sy nanoratra tamin'i Jonatasa hitsahatra tsy hanao fahirano ny trano mimanda sy ho tonga miaraka amin'izay hanatona azy any Ptolemaisa mba hidinika aminy. 23 Nony nahazo izany taratasy izany Jonatasa dia nodidiany hotohizana ny fahirano, ary nifidy loholon'Israely vitsivitsy sy mpisorona maromaro hiaraka aminy izy, dia nanao vy very. 24 Naka volamena sy volafotsy ary lamba ama-panatitra hafa betsaka izy, dia nankany amin'ny mpanjaka any Ptolemaisa ka noraisiny tsara. 25 Nisy olona sasany ratsy fanahy iray firenena aminy, nanao fitarainana namely azy; 26 toy ny nataon'ny mpanjaka talohany ihany no nataon'ny mpanjaka taminy: nofenoiny voninahitra teo anatrehan'ny sakaizany rehetra izy; 27 naraikiny ho azy ny fiandrianan'ny mpisorona lehibe sy ny fiamboniana rehetra nomena azy taloha, ary nasainy nosoratana ho isan'ireo filohan'ny sakaizany izy. 28 Nangataka tamin'ny mpanjaka Jonatasa hanafaka an'i Jodea sy ireo faritany telo amin'i Samaria, amin'ny hetra rehetra, dia hanome talenta telon-jato izy ho valin'izany. 29 Neken'ny mpanjaka izany, ka izany rehetra izany, dia nanoratany taratasy ho an'i Jonatasa toy izao: 30 Demetriosa mpanjaka miarahaba an'i Jonatasa havany sy ny firenen'ny Jody.

31 Indro alefanay aminareo ny kopian'ny taratasy milaza ny aminareo; nosoratanay ho an'i Lastenesa havanay, mba hahalalanareo azy. 32 Demetriosa mpanjaka miarahaba an'i Lastenesa rainy! 33 Izahay dia nanapa-kevitra ny hanisy soa ny firenen'ny Jody, izay sakaizanay, sy manao ny rariny aminay, noho ny fitiavana nasehony taminay. 34 Ankatoavinay ho azy ireo ny faritanin'i Jodea sy ny faritany telo nesorina tamin'i Samaria hakambana amin'i Jodea, dia Efraima, Lida, Ramataima, mbamin'ny tany rehetra momba azy; ho fanambinana an'izay rehetra mandeha hanatitra sorona any Jerosalema no hahafoizanay izany, ho solon'izay naloany ho an'ny mpanjaka teo aloha, isan-taona, avy amin'ny vokatry ny tany amam-boankazo. 35 Miantomboka izao mason'andro anio izao, ny zavatra hafa rehetra fandoany ho anay, na amin'ny hetra amam-pahafolon-karena anjaranay na amin'ny farihy fakan-tsira aman-tsatan'andriana tsy maintsy aloany aminay, 36 dia afoinay ho azy daholo. Tsy azo anovana izao soa nomena azy izao, amin'ny sisa, na oviana na oviana. 37 Koa ankehitriny, aza diso ny manao kopian'ity didy ity, halefa any amin'i Jonatasa sy hapetraka amin'ny toerana miharihary, any an-tendrombohitra masina. 38 Nony hitan'i Demetriosa mpanjaka fa nandry fahizay, teo anoloany, ny tany, ary tsy nisy fanoherana horeseny intsony, dia nalefany hody any an-tokantranony avy ny miaramilany rehetra, afa-tsy ireo miaramila hafa firenena nalainy tany amin'ny nosim-pirenena; ka tonga fahavalony avokoa ny miaramilan-drazany rehetra.

39 Trifona, izay nomba an'i Aleksandra taloha, kosa, nony nahita fa nimonomonona tamin'i Demetriosa avokoa ny miaramila, dia nandeha nankany amin'i Emalkoela Arabo,izay nitaiza an'i Antiokosa, zanak'i Aleksandra mbola tanora: 40 namoritra azy hanolotra an'ilaikely aminy, hampanjakainy handimby an-drainy; nitantara taminy izay rehetra nataon'i Demetriosa mbamin'ny fankahalan'ny miaramilany azy; naharitra andro maro no nitoerany tao. 41 Naniraka ho any amin'i Demetriosa mpanjaka Jonatasa nangataka ny hanalany ny miaramila izay tao amin'ny trano miamandan'i Jerosalema sy tamin'ireo trano mimanda hafa any Jodea, fa nandrafy ady tamin'Israely ireo.

42 Ka izao no nasain'i Demetriosa havaly an'i Jonatasa: Tsy izany ihany no hataoko ho anao sy ho an'ny firenenao, fa iriko ny hameno voninahitra anao sy ny firenenao, raha vantany vao misy ahazoako manao izany. 43 Koa ankehitriny dia mety ny andefasanao miaramila hamonjy ahy, fa lasa nitsoaka avokoa ny miaramilako. 44 Dia miaramila telo arivo izay mahery indrindra no nalefan'i Jonatasa ho any aminy, tany Antiokia; nanatona ny mpanjaka ireo ka faly io tamin'ny fahatongavany. 45 Nivory tao anatin'ny tanàna ny mponina tao an-tanàna, nisy roa alina sy iray hetsy, nitady hamono ny mpanjaka. 46 Ny mpanjaka nialoka tao an-dapa; ary ny mponina nitana ny lalam-ben'ny tanàna sy efa nanomboka hiady. 47 Fa nantsoin'ny mpanjaka tamin'izay ny Jody hamonjy azy, ka indray nivory nanodidina azy aloha ireo, vao indray nihahaka namakivaky ny tanàna, ka sahabo ho iray hetsy no matiny tao androtr'izay; 48 nodorany ny tanàna, ary babo be dia be no azony tamin'izay andro izay, ary voavonjiny ny mpanjaka. 49 Nony hitan'ny mponina fa voatanan'ny Jody, azony anaovana izay tiany ny tanàna, dia niraviravy tànana izy ka nandefa fitarainana tamin'ny mpanjaka, hoe: 50 Mangataka fihavanana izahay, ary aoka ny Jody mba hitsahatra tsy hiady aminay sy amin'ny tanàna. 51 Sady dia napetrany tokoa ny fiadiany, fa ny fihavanana no nataony. Nahazo voninahitra lehibe teo anatrehan'ny mpanjaka sy teo anatrehan'izay rehetra tao anatin'ny fanjakany ny Jody ary niverina ho any Jerosalema nitondra babo betsaka izy ireo. 52 Dia nahazo nipetraka teo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakany Demetriosa mpanjaka, ary nandry fahizay teo anoloany ny tany. 53 Nialany avokoa anefa ny fampanantenana nataony, nihatahany lavitra Jonatasa ary tsy notanterahiny ny fikasana tsara nasehony taminy, ka nampalahelo an'io mafy izy. 54 Taty aorian'izany tonga kosa Trifona, nitondra an'i Antiokosa mbola zaza, niantso azy ho mpanjaka, ary nametraka ny satrok'andriana taminy.

55 Nivory nanotrona azy avokoa ny miaramila nalefan'i Demetriosa, sady niady namely an'io, ka vaky nandositra io ka resy. 56 Lasan'i Trifona ireo elefanta, ary notanany Antiokia. 57 Tamin'izany nanoratra taratasy toy izao Antiokosa kely ho any amin'i Jonatasa: Hamafisiko ny maha-anao ny fiandrianan'ny mpisorona lehibe, atsangako hitondra ny faritany efatra hianao, ary ataoko iray laharana amin'ny sakaizan'ny mpanjaka. 58 Niaraka tamin'izany, dia nampitondra kapoaka volamena maromaro sy ny fanaka fomban-databatra iray ho azy izy, ary nanome làlana azy hisotro amin'ny kapoaka volamena sy hitafy jaky ary hitondra jaigrafy volamena. 59 Simona rahalahiny kosa notendreny ho governora amin'ny tany hatreo amin'ny farafaran-tanin'i Tira ka hatrany amin'ny sisin-tanin'i Ejipta. 60 Nivoaka Jonatasa tamin'izany, ka rafitra nitety ny tany rehetra mbamin'ny tanàna tany an-dafin'ny ony, ary nivory homba azy sy hiara-miady aminy avokoa, ny miaramila rehetra tany Siria. Dia tonga tao Askalona izy, ka tamy nitsena sy nanome voninahitra lehibe azy ny mponina tao.

61 Avy ao izy, dia nankao Gaza. Nohidian'ny mponina teo anoloany ny vavahadiny, ka nataony fahirano ny tanàna, nodorany ny manodidina azy, sady namaboany. 62 Izay dia nitaraina tamin'i Jonatasa ny olona tao Gaza, ka nekany ihany ny hihavana tamin'ireo, nefa nalainy ho antoka kosa ny zanakalahin'ny lehibeny, dia nalefany ho any Jerosalema. Noteteziny toy izany avokoa ny tany hatrany Damasa. 63 Ren'i Jonatasa tamin'izay, fa tonga ao Kadesa any Galilea ny jeneralin'i Demetriosa, nitondra tafika lehibe mikendry ny hisakana azy amin'ity asa efa natombony;

64 ka Simona rahalahiny no napetrany hitoetra tamin'ny tany, fa izy nandroso hamely an'ireo. 65 Nandroso ho any Betsora Simona nanao fahirano azy naharitra andro maro, sy nanasokera azy. 66 Nangata-pihavanana taminy ny nafahirano ka nekeny fa nasiny nivoaka ny tanàna, dia norasiny ho azy ny tanàna sy nametrahany miaramila mpiandry tany. 67 Jonatasa sy ny tafiny kosa nitoby teo amin'ny ranon'i Jenesara; ny ampitso vao maraina koa, dia niditra ny tany lemak'i Asora izy ireo. 68 Ary indreo ny miaramila hafa firenena tamy hitsena azy, teo amin'ny tany lemaka, sady nandefa otrika ao an-tendrombohitra hamely azy, ary nandroso hamantana hanehatra azy. 69 Nivoaka tampoka avy ao amin'ny fiereny ry zareo otrika dia nandrafitra ny ady, ka vaky nandositra ny miaramilan'i Jonatasa rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1461