Boky Voalohan'ny Makabeo
Toko faha-11
70 Tsy nisy nijanona afa-tsy Matatiasa zanak'i Absaloma sy Jodasa zank'i Kalfi, jeneralin'ny tafika. 71 Tamin'izay notriarin'i Jonatasa ny fitafiany, nohosenany vovoka ny lohany, ary nivavaka izy. 72 Izay vao lasa indray niady tamin'izy ireo, ka voatosiny hihemotra sy nataony vaky nandositra. 73 Nahita izany irery namany nandositra dia niverina taminy indray sy rafitra niaraka taminy nanenjika ny fahavalo hatrany Kades nisy ny tobiny; dia izy ireo indray no tonga nitoby tamin'izany toerana izany. 74 Nisy telo arivo lahy ny miaramila hafa firenena no maty tamin'izany andro izany, ary Jonatasa niverina ho any Jerosalema.Toko faha-12
1 Hitan'i Jonatasa fa fotoana tsara tamin'izay, ka nifidy olona izy, nalefany tany Roma, hanamafy sy hanavao ny fihavanan'ny Jody amin'ny Romana.2 Nandefa taratasy ho any amin'ny Sparsiata sy ny tany hafa koa, hanao araka izany. 3 Dia nankany Roma ireo, ka niditra tao amin'ny parlamenta, nanao hoe: Nirahin'i Jonatasa mpisorona lehibe sy ny firenena Jody ho aty aminareo izahay hanavao ny fihavanana amam-panekena amin'izy ireo toy ny teo aloha. 4 Ary ny parlamenta nanome taratasy azy ireo, ho an'ny manam-pahefana romana any amin'ny isan-tanàna avy nandidy azy hanao izay hiverenan'izy ireo soa aman-tsara any amin'ny tanin'i Jodà. 5 Izao no kopian'ny taratasy nalefan'i Jonatasa ho any amin'ny Sparsiata: 6 Jonatasa mpisorona lehibe, ny parlamentan'ny firenena ary ny mpisorona mbamin'ny vahoaka Jody sisa, manoratra ho an'ny Sparsiata rahalahiny: Arahaba!
7 Tany aloha dia efa nisy taratasy noraisin'i Oniasa mpisorona lehibe, nampitondrain'i Areiosa izay nanjaka taminareo fahizany, nanamarina fa rahalahinay hianareo, araka ny hita amin'ny kopia eo ambany. 8 Noraisin'i Oniasa tamim-panajana ilay olona nirahina, noraisiny koa ilay taratasy milaza mazava ny fanekena amam-pihavanana. 9 Na dia tsy mila izany zavatra izany aza izahay, fa manana ny Boky masina eo am-pelatananay ho fiononam-po, 10 dia mba nanandrana naniraka aty aminareo ihany izahay, hanavao ny fihavanana amam-pifankatiavana manakambana antsika, mba tsy ho zary olon-kafa aminareo izahay; fa taona maro izay no efa lasa, hatramin'ilay nanirahanareo ho aty aminay. 11 Izahay aloha amin'ny fotoana rehetra dia mahatsiaro anareo mandrakariva, amin'ny fety lehibe fanaonay, amin'ny andro masina hafa, amin'ny sorona aterinay, ary amin'ny vavakay, araka izay mety sy tokony hahatsiarovana izay havana. 12 Mifaly izahay amin'ny fiadananareo. 13 Fa izahay kosa hodidinin-doza maro aman'ady tsy an-kijanona, iadian'ireo mpanjaka manodidina anay. 14 Tamin'izany izahay, dia tsy nety nanahirana anareo, na hianareo na ireo havanay sy sakaizanay hafa koa. 15 Fa manana ny vonjy avy any an-danitra hanampy anay izahay ka afaka izahay ary voaetry ny fahavalonay. 16 Izany no nifidiananay an'i Nomeniosa zanak'i Antiokosa sy Antipatera zanak'i Jasona, ka nanirahanay azy ireo ho any amin'ny Romana mba hanavao ny fihavanana amam-panekena taloha amin'izy ireo. 17 Dia nafaranay izy ho aty aminareo koa, mba hiarahaba anareo sy hitondra ny taratasinay momba ny fanavaozana ny fiahavanantsika. 18 Ary ankehitriny, ny mamaly ny amin'izany no mety hataonareo. 19 Izao no kopian'ny taratasy efa nampitondraina tamin'i Oniasa: 20 Areiosa mpanjakan'ny Sparsiata, ,anoratra ho an'i Oniasa mpisorona lehibe, Arahaba!
21 Misy soratra momba ny Sparsiata sy ny Jody nahitana fa mpihavana izy firenena roa ireo, ary samy taranak'i Abrahama. 22 Ka amin'izao ahalalantsika an'izany izao, tsara raha manoratra ho anay ny amin'ny toe-piadananareo hianareo. 23 Ary izahay koa dia hanoratra ho anareo torak'izany. Fa anay ny biby fiompinareo sy ny fanananareo, ary anareo ny anay. Efa nahazo didy hanao filazana aminareo ny amin'izany ireo izay mitondra ity taratasy ity. 24 Nilazana Jonatasa fa niverina hamely azy ireo jeneralin'i Demetriosa, mitondra tafika lehibe lavitra noho ny teo indray.
25 Ka niala tao Jerosalema izy, dia lasa nitsena azy hatrany amin'ny tanin'i Emata, fa tsy navelany hahita fotoana hitsofohana amin'ny taniny akory. 26 Nandefa mpitsikilo ho any an-tobiny izy; nony tafaverina ireo, nilaza fa nikasa hanao sovok'ady amin'ny alina ny Siriana. 27 Nony maty ny masoandro dia nodidian'i Jonatasa ny momba azy hiari-tory, hitam-piadiana tontolo alina ho vonon-kiady, ary nalefany ny mandry tsy aman'afo hipetraka manodidina ny toby. 28 Ren'ny fahavalo anefa fa mijidina vonon-kiady Jonatasa sy ny momba azy, ka raiki-tahotra izy, nangorohoro ny fony narehiny ny afo teo an-tobiny, dia lasa nandositra izy. 29 Maraina ihany vao fantatr'i Jonatasa sy ny momba azy ny nandosiran'izy ireo, satria hitany ny afo mirehitra. 30 Izay Jonatasa dia lasa nanenjika azy, nefa tsy nahatratra azy intsony, fa efa tafita ny ony Eleotera izy. 31 Ka nihodina ho any amin'ireo Arabo atao hoe Zabaeana Jonatasa; noreseny ireo, dia nobaboiny ny ananany.
32 Avy eo izy, dia nankany Damasa sy nitety ny faritany rehetra. 33 Simona koa teo an-daniny, niainga nandroso ka tonga hatrany Askalona sy hatrany amin'ireo trano mimanda akaiky; dia nihodina nankany Jope sy nitana an'io,
34 satria reny fa mikasa hanolotra ny trano mimanda amin'i Demetriosa ny mponina; dia nametrahany miaramila mponina teo, hiandry ny tanàna. 35 Nony tafaverina tao Jerosalema Jonatasa, novoriny ny loholon'ny vahoaka dia tapakevitra izy sy ireo, fa hanorina trano mimanda amin'i Jodea;
36 hanondrotra ny mandan'i Jerosalema, hanisy manda avo eo anelanelan'ny trano mimanda sy ny tanàna, hampisaraka azy roa ireo, mba hiavahan'ny trano mimanda sy tsy hahazoana mivarotra na mividy ao. 37 Nisy mpiasa voavory hanao ny tanàna, ka dia ny manda miorina eo ambonin'ny ranon-driaka Sedrona any atsinanana aloha no nanombohany ny asa, ka namboarina ilay laniny atao hoe Kafenata. 38 Simona kosa indray tetsy an-daniny, nanorina an'i Hadida, eo amin'ny Sefela, dia nanisy vavahady sy hidiny azy. 39 Trifona anefa naniry ho tonga mpanjakan'i Asia, sy Hitondra ny diadema, ary hisambotra an'i Antiokosa mpanjaka.
40 Jonatasa no natahorany tsy hamela azy hanao izany sy hiady hanohitra azy, ka izay hevitra hisamborana ny tenan'io sy hamonoana azy no notadiaviny. Dia roso izy, ka tonga tao Betsana. 41 Fa niroso hitsena azy koa Jonatasa nitondra miaramila efatra alina mpiady voafantina, nandroso ho any Betsana. 42 Raha nahita an'i Jonatasa tonga nomban-tafika lehibe Trifona dia tsy sahy nisambotra azy, 43 fa nandray azy tamim-boninahitra ary nanafatra ireo sakaizany rehetra handray azy tsara, nanolotra fanomezana ho azy, nandidy ny miaramilany hanoa azy toy ny tenany. 44 Ary hoy izy tamin'i Jonatasa: Ahoana ange no dia nanasaranao ireo vahoaka rehetra ireo, nefa tsy misy ady tsinona amintsika? 45 Koa ampodio ho any an-tranony ireo, fa izay vitsivitsy hanaraka anao no fidio, dia ndeha hiaraka amiko ho any Ptolemaisa fa hatolotro anao io tanàna io, mbamin'ny trano mimanda hafa koa, ny miaramila hafa, ary ny manam-boninahi-panjakana rehetra, vao hiverina any Antiokia aho, fa izany ihany no nankanesako aty.