Boky Voalohan'ny Makabeo

Toko faha-12

46 Nino azy Jonatasa ka nanao araka izay nolazainy, nampodiny ny tafiny, dia niverina ho any Jodea ireo. 47 Telo arivo lahy monja no notanany tao aminy, ka ny roa arivo tamin'ireo indray, nalefany ho any Galilea, ka arivo sisa no nanaraka azy. 48 Kanjo nony vao tafiditra tao Ptolemaisa Jonatasa dia nohidian'ny mponina ny vavahady ka nosamboriny izy, dia novonoiny tamin'ny sabatra avokoa izay rehetra niara-niditra taminy. 49 Tamin'izay ihany koa, dia nanefa miaramila amam-pitaingin-tsoavaly Trifona ho any Galilea sy amin'ny tany lemaka lehibe, hamono ny miaramilan'i Jonatasa rehetra. 50 Nefa nandre kosa ireo fa hoe voasambotra Jonatasa sady niara-novonoina tamin'izay rehetra nanaraka azy; ka nifamporisika teo izy, dia rafitra nandroso, nilahatra tsara, vonon-kiady. 51 Nony hitan'ireo nanenjika azy fa vonon-kiaro ny ainy izy ireo, dia niverina ilàlana izy; 52 fa izy rehetra ireo kosa nody tsy nisy mpanelingelina amin'ny tanin'i Jodea. Nitomany an'i Jonatasa sy ny namany izy ireo, ary raiki-tahotra mafy izy; nanao fisaonana lehibe avokoa Israely rehetra. 53 Tamin'izany ny firenena manodidina, nitady handevona azy avokoa, fa hoy izy: 54 Efa tsy manan-doha na mpanampy na iza na iza, izy ireo, ka ndeha hasiantsika amin'izao, ataovy levona ny fahatsiarovana an'ireo ao amin'ny olombelona.

Toko faha-13

1 Ren'i Simona fa namory tafika lehibe Trifona hananika ny tanin'i Jodà, sy handrava azy.

2 Nony hitany fa raiki-tahotra sy nivadipo ny fahoaka, dia niakatra tany Jerosalema izy, niantso ny vahoaka hivory, 3 sy namporisika azy, nanao hoe: Fantatrareo izay rehetra efa nataon'ireo rahalahiko, sy izaho koa mbamin'ny fianakavian-draiko rehetra, mba hiaro ny lalàna amam-pivavahantsika, ary ny ady notohananay mbamin'ny fahorana niaretanay. 4 Fa izany no nahafatesan'ireo rahalahiko rehetra ho an'Israely, ary izaho no hany sisa. 5 Koa ankehitriny, sanatria ahy izay hitsitsy ny aiko na oviana na oviana amin'ny androm-pahoriana, satria tsy mihoatra noho ny rahalahiko aho. 6 Fa ny tiako dia ny hamaly ny ratsy atao amin'ny fireneko, ny fitoerana masina, ny vady aman-janatsika, satria tafakambana handrava antsika noho ny fialonana ny firenena rehetra. 7 Nirehitra ny fon'ny vahoaka, nony nandre izany teny izany, 8 ka namaly tamim-pihobiana izy nanao hoe: HIanao no lehibenay, dimbin'i Jodasa sy Jonatasa rahalahinao. 9 Tariho izahay amin'ny ady, fa hotovinay avokoa izay holazainao. 10 Dia novorin'i Simona avokoa ny lehilahy mpiady, nohafainganiny ny famitana ny mandan'i Jerosalema ary nohamafisiny io tanàna io, eny amin'ny manodidina azy rehetra.

11 Niaraka tamin'izany, nalefany ho any Jope Jonatasa zanak'i Absaloma, nitondra miaramila betsaka, ka noraohin'io ny mponina tao, dia izy no nitoetra tao an-tanàna. 12 Niala tao Ptolemaisa Trifona nitondra tafika lehibe hananika ny tanin'i Jodà; nentiny mifatotra koa Jonatasa niaraka taminy.

13 Simona kosa niroin-toby tao Hadida, tandrifin'ny tany lemaka. 14 Nony ren'i Trifona fa hoe Simona no nandray ny fanapahana, nisolo an'i Jonatasa rahalahiny, sady efa nivonon-kiady, dia nandefa iraka ho any aminy izy hilaza hoe: 15 Noho ny vola tsy maintsy aloan'i Jonatasa rahalinao, amin'ny firaketan'ny mpanjaka, avy amin'ny raharaha nataony, no itananay azy mifatotra. 16 Koa mandefasa talenta volafotsy zato, mbamin'ny zanany roa lahy mbola kely koa, atao antoka mba tsy hivadihany hamely anay, rahefa afaka, dia alefanay izy ho afaka. 17 Fantatr'i Simona fa ny hamitahany azy no nitenenan'ireo iraka ireo taminy toy izany, nefa nalefany ihany ny vola mbamin'ireo zaza roa lahy, mba tsy hihatra aminy ny fankahalana lehibe avy amin'ny vahoakan'Israely, izay nety nilaza hoe:

18 Ny tsy nandefasan'i Simona ny talenta volafotsy zato sy ireo zaza roa, no nahafaty an'i Jonatasa. 19 Koa nalefany ireo zaza sy ny talenta volafotsy zato; kanjo dia nivadi-teny tokoa Trifona, fa tsy nandefa an'i Jonatasa. 20 Nanaraka izany, nandroso hanosy sy hanimba ny tany Trifona, nisafelika izy nihazo ny lalan'i Adora; notanahin'i Simona sy ny tafiny anefa izy, na taiza na taiza nalehany. 21 Nandefa iraka ho any amin'i Trifona ny olona tao amin'ny trano mimanda, tao Jerosalema, nangataka azy ho tonga faingana hihazo any an'efitra, hitondra hanina ho azy. 22 Dia nandahatra ny mpitaingin-tsoavaliny rehetra Trifona hahatongavany ny alin'iny ihany; kanjo latsaka be dia be ny oram-panala, ary tsy afa-ko tonga tao Jerosalema izy, noho ny oram-panala; ka lasa izy nankany Galaada. 23 Nony mby teo akaikin'i Baskama izy, novonoiny Jonatasa, dia nalevina tamin'izany tany izany io. 24 Niala teo Trifona dia nody ho any amin'ny taniny. 25 Naniraka olona Simona haka ny taolan'i Jonatasa rahalahiny, dia nandevina azy tao Modìna tanànan-drazany.

26 Nisaona azy fatratra Israely, ary naharitra andro maro no nitomaniany azy. 27 Nanorenan'i Simona rafi-bato avo tsara mba ho tazan-davitra, teo ambonin'ny fasan-drainy aman-drahalahiny, nataony tamin'ny vato voalama eo anoloany sy any ivohony. 28 Dia piramida fito mifanatrika no nasainy natsangana teo amboniny, ho an-drainy aman-dreniny sy ho azy efa-dahy rahalahiny. 29 Nasainy nasiana haingo sy nohodidinina andry avo, notaingenana fiadiana, ho fahatsiarovana mandrakizay, ary teo anilan'ny fiadiana nasiany sambo voasokitra natao tazan'izay rehetra miantsambo eny amin'ny ranomasina. 30 Toy izany ny fasana nasain'i Simona natsangana tao Modìna izay mbola ao mandrak'androany. 31 Nanaovan'i Trifona hafetsena koa indray Antiokosa, mpanjaka tanora, ka novonoiny.

32 Dia izy no nanjaka nandimby azy, sy nitondra ny satro-piandrianan'ny mpanjakan'i Asia, ary nampidi-doza lehibe maro tamin'ny tany. 33 Naorin'i Simona indray ireo trano mimanda tany Jodea, nasiany tilikambo avo, manda avo, vavahady misy hidiny, sady nametrahany hanina fitahiry.

34 Nifidy olona koa Simona nirahiny ho any amin'i Demetriosa mpanjaka, hangataka fanahafana ho an'i Jodea, satria raharahan-tontakely avokoa ny nataon'i Trifona.

35 Nasain'i Demetriosa mpanjaka nomena valy mifanaraka amin'izany izy, ka izao no taratasy nosoratany ho azy: 36 Demetriosa mpanjaka, manoratra ho an'i Simona mpisorona lehibe sady sakaizan'ny mpanjaka, sy ho an'ny loholona amam-pirenen'ny Jody: Arahaba!

37 Voarainay ny satrok'andriana volamena sy ny palma nampitondrainareo, ka vonona izahay hanao fanekem-pihavanana tanteraka aminareo sy hanoratra amin'ny mpanao raharaham-panjakana hanome fanafahana samihafa anareo. 38 Izay rehetra efa voatapakay ny aminareo aloha dia tsy miova, ny trano mimanda naorinareo dia aoka ho anareo. 39 Avelanay avokoa ny tsy efanareo taloha sy izay hadisoanareo hatramin'izao andro izao; toy izany koa izay hasin'andriana tsy maintsy haloanareo, ary raha nisy hetra hafa nalaina tao Jerosalema, dia aza halaina intsony izany. 40 Raha misy aminareo mazoto hilatsa-tenany ho isan'ny miaramila mpiambina ny tenanay, aoka izy hilatsaka ary aoka hihavana isika. 41 Tamin'ny taona fahafitopolo amby zato Israely afaka tamin'ny jiogan'ny firenena,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1519