Boky Voalohan'ny Makabeo
Toko faha-13
42 ary ny vahoakan'Israely nanomboka nanoratra tamin'ny soratra amam-panekena hoe: Tamin'ny taona voalohany nanapahan'i Simona mpisorona lehibe, be fiamboniana, sy mpanapaka ny Jody. 43 Tamin'izany andro izany Simona nandroso hamely an'i Gaza; nasainy nosaronan'ny miaramilany io, dia nanangana tilikambo fiadiana izy nasainy hamelezana ny tanàna, ka izany no nahabangany ny tilikambo anankiray, dia lasany io.44 Nirotsahan'ireo tao amin'ny tilikambo fiadiana ny tanàna, ka loza ny hatairana vokatr'izany. 45 Niakatra teny ambony manda ny mponina, nomban'ny vady aman-janany, manao fitafiana rovitra, mandefa feo fitarainana mafy, mangataka an'i Simona hanao raharaham-pihavanana aminy, nanao hoe: 46 Aza dia mitondra anay araka ny haratsiam-panahinay, fa araka ny indrafonao. 47 Nety nifonan'ireo ihany Simona ka tsy nasiany intsony, nefa noroahiny ny mponina tao an-tanàna, nodioviny ny trano nisy sampy, dia niakatra ny tanàna tamin-kira fiderana amam-pisaorana izy. 48 Nony voaesony avokoa ny loto tao an-tanàna, dia nametrahany olona mpankatò ny lalàna tao, dia nohamafisiny ary nanoreanany trano ho azy koa. 49 Ireo olona tao amin'ny trano mimandan'i Jerosalema anefa tsy nahazo nivoaka na nandeha tamin'ny tany, na hividy na hivarotra, ka voan'ny mosary mafy, ary maro be no matin'ny hanoanana.
50 Niantso mafy izy nangataka an'i Simona hanao raharaham-pihavanana aminy; dia nekeny izany; fa noroahiny hiala tao izy ireo ary nodioviny ho afaka amin'ny loto rehetra ny trano mimanda. 51 Nony tamin'ny andro fahatelo amby roapolon'ny volana faharova, taona faharaika amby fitopolo amby zato izy, niakatra tao tamin-kira fiderana, sampan-drofia, valiha, kipantsona, harpa, nanao hira amam-piderana, fa rava ny fahavaloben'Israely. 52 Nodidiany hankalazaina isan-taona izany andro fifaliana izany. 53 Nohamafisiny ny tendrombohitry ny tempoly, izay eo anilan'ny trano mimanda, dia nonina teo izy sy ny momba azy. 54 Ary hitan'i Simona fa nitsangana ho lehilahy be herim-po Josany zanany; koa dia natolony azy ny fifehezana ny miaramila rehetra, ary Gazara no nataony fonenany.
Toko faha-14
1 Tamin'ny taona faharoa amby fitopolo amby zato, novorin'i Demetriosa mpanjaka ny miaramilany, dia nankany Media izy, haka miaramila mpanampy, hoentiny miady amin'i Trifona.2 Nony ren'i Arsasa, mpanjakan'i Persa sy Media, fa niditra ny faritaniny Demetriosa, dia nirahiny hanao azy sambo-belona ny iray tamin'ireo jeneraliny. 3 Dia roso io, ka ny tafik'i Demetriosa noreseny, ary ny tenany nosamboriny, ka nentiny ho any amin'i Arsasa, sy nataon'io an-tranomaizina. 4 Nandry fahizay ny tanin'i Jodà, nandritra ny andro rehetra nitondran'i Simona. Nikely aina hampandroso ny vahoakany izy, ka nankasitrahan'ny vahoaka ny fahefana amam-boninahiny, tamin'izany androny rehetra izany.
5 Tsy holazaina ny zavatra sasany nahazoany voninahitra fa izao ihany: nahazo an'i Jope izy hataony fitodian-tsambo, hifankahazoany amin'ireo nosin-dranomasina. 6 Nampitatra ny sisin-tanim-piereneny izy, ka nahazo nizaka ny tany. 7 Nahazo sambo-belona maro izy, nahafaka an'i Gazara, Betsora, ary ny trano mimanda, ka nesoriny avokoa ny loto tamin'ireo, ary tsy nisy olona nahatohitra azy. 8 Ny olona samy niasa ny taniny amim-piadanana, ny tany namotsaka ny vokany, ny hazo eny an-tsaha kosa, ny voany, 9 ny anti-dahy nipetraka teo an-kianja, samy niresaka ny fandrosoan'ny tany avokoa, ny tovolahy nanao ny akanjo fitondra amin'ny ady ho haingo, 10 Simona nizara hanina fitahiry any amin'ny tanàna, sy namonoana izay ilaina rehetra ho fiarovana, hany ka nalaza hatrany am-paravazan-tany ny anarany be voninahitra. 11 Naveriny amin'ny tanindrazany indray ny fiadanana, ka nifaly tamin-karavoana lehibe Israely. 12 Samy nipetrapetraka teny ambany voalobony aman'aviaviny avy ny olona, fa tsy nisy olona nampitahotra azy intsony. 13 Tsy nanam-pahavalo hamely azy ao amin'ny tany izy, ary resy avokoa ny mpanjaka fahavalony, tamin'izany andro izany. 14 Tohan'ny mahantra rehetra teo amin'ny fireneny izy, niseho ho mazoto ho an'ny lalàna izy, ary namongatra ny mpankahala ny fivavahana sy ny ratsy fanahy rehetra koa. 15 Nomeny voninahitra ny fitoerana masina, ary nampitomboiny ny fanaka masina. 16 Nony re tany Roma sy hatrany Sparta fa hoe, maty Jonatasa, dia nalahelo mafy ry zareo tany.
17 Ary nony fantany fa hoe Simona rahalahiny no mpisorona lehibe nandimby azy, sy nizaka ny tany rehetra mbamin'ny tanàna rehetra ao aminy, 18 dia nanaoratra ho any aminy, tamin'ny takela-barahina izy ireo, hanavao ny fanekem-pihavanana nataony tamin'i Jodasa sy tamin'i Jonatasa rahalahiny. 19 Novakiana teo anatrehan'ny fiangonana rehetra tany Jerosalema ny taratasy, ary izao no kopian'ny nampitondrain'ny Sparsiata: 20 Ny lehiben'ny Sparsiata sy ny tanàna manoratra ho an'i Simona mpisorona lehibe, ny loholona, ny mpisorona, ary ny vahoaka sisa Jody rahalahin'ireo: Arahaba!
21 Voaresak'ireo ambasadaoro nalefa ho aty amin'ny firenenany, ny haja amam-boninahitra anananareo, sady nahafaly anay ny nahatongavan'izy ireo. 22 Ary nosoratanay ho isan'ny teny ieram-bahoaka ny voalazan'izy ireo, dia izao: Nomeniosa zanak'i Antiokosa, sy Antipatera zanak'i Jasona ambasadaoron'ny Jody, dia tonga taty aminay hanavao ny fihavanany aminay. 23 Ka sitraky ny vahoaka ny nandray an'ireo lehilahy ireo tamim-boninahitra, sy nametraka ny kopian'ny lahateniny ao amin'ny fitehirizam-bokim-panjakana, mba hahatehirizan'ny vahoaka Sparsiata ny fahatsiarovana azy. Ary nasainay nosoratana ho any amin'i Simona mpisorona lehibe izao kopiany izao. 24 Taty aorian'izany, nalefan'i Simona ho any Roma Nomeniosa nitondra ampinga volamena lehibe, lanjan'arivo mina, mba hahazo antoka ny fanekena amin'izy ireo.
25 Nony nandre ireo zavatra ireo ny vahoaka, dia nanao hoe: Inona no mariky ny fankasitrahana hatolotsika an'i Simona sy ireo zanany?
26 Fa samy naneho herim-po tsy mety ketraka, na izy, na ireo rahalahiny, na ny fianakavian-drainy, niady sy nanosika ny fahavalon'Israely izy ireo, ary nanao izay hahazoany fahafahana. Dia nosokirin'izy ireo tamin'ny takela-barahina izany zavatra izany, ka nahantony tamin'ny andry anankiray tao an-tendrombohitra Siona izany; 27 ary izao no kopiany: Tamin'ny andro fahavalo ambin'ny folon'ny volana Elola, taona faharoa amby fitopolo amby zato, fahatelon'ny taona naha-mpisorona lehibe an'i Simona, tao Saramela, 28 tamin'ny fivorian-dehibe, nivorian'ny mpisorona mbamin'ny vahoaka, ny lehiben'ny firenena ary ny loholon'ny tany, dia navoaka ampahibemaso izao: Tamin'ireo ady maro natao teto amin'ny tanintsika, 29 Simona zanak'i Matatiasa amin'ny taranak'i Jariba, mbamin'ireo rahalahiny, dia nanao vy very ny ainy, sy nanohitra ireo fahavalon'ny firenena, mba hijoroan'ny fitoerana masina mbamin'ny lalàna, ary nampahazo voninahitra lehibe ny fireneny izy ireo. 30 Jonatasa namory ny fireneny sy tonga mpisorona lehibe tao amin'izy ireo, vao nangonina ho any amin'ny vahoakany. 31 Dia nitady hanitsaka sy hanafoana ny taniny ireo fahavalony, sady haninji-tànana amin'ny fitoerana masina. 32 Fa nitsangana tamin'izay kosa Simona niady hiaro ny fireneny; vola aman-karenan'ny tenany betsaka no nolaniny namononana fiadiana ho an'ny lehilahy mahery teo amin'ny fireneny sady nomeny karama izy ireo. 33 Nohamafisiny ny tanànan'i Jodea mbamin'i Betsora miorina eo amin'ny sisin-tany izay nisy ny fiadian'ny fahavalo taloha, dia nametrahany miaramila Jody. 34 Nohamafisiny Jope, miorina eo amoron-dranomasina, sy Gazara eo amin'ny sisin-tanin'i Azota, nonenan'ny fahavalo teo aloha: dia Jody no namponeniny tao, sy namononany ny zavatra rehetra ilainy hiarenany indray. 35 Nony hitan'ny vahoaka ny nataon'i Simona sy ny voninahitra kendreny ho azon'ny fireneny, dia natsangany ho lehibeny sy ho mpisorona lehibe izy, noho ny zavatra rehetra namonjeny ny fireneny, noho izy nanao ny marina sy niraiki-po tamin'ny fireneny, ary noho izy nanao izay tratra amin'izay rehetra azo natao hanandratra ny fireneny. 36 Raha mbola velona koa izy, vanona avokoa ny zavatra teo an-tanany, vitany hatramin'ny nandroaka ny firenen-kafa teo amin'ny tany izay nonenany, mbamin'ireo izay teo amin'ny tanànan'i Davida tao Jerosalema, izay efa nahavita trano mimanda, ka nivoaka avy ao nandoto ny manodidina ny fitoerana masina sy nametaveta fatratra ny fahamasinany. 37 Nametrahany Jody mpiady mahery tao, sy nohamafisiny koa, mba ho azo antoka ny fiarovana ny tany sy ny tanàna, ary nasondrony ny mandan'i Jerosalema.