Boky Voalohan'ny Makabeo

Toko faha-14

38 Noho izany, notapahin'i Demetriosa mpanjaka fa izy no ho mpisorona lehibe, 39 notondroiny ho sakaizany izy, ary nomeny voninahitra ambony dia ambony. 40 Satria reny fa hoe ny Romana dia niantso ny Jody ho sakaiza aman-kavana ary rahalahy, sady nandray tamim-panajana ny irak'i Simona. 41 Ka dia sitraky ny Jody sy ny mpisorona ny haha-mpanapaka sy mpisorona lehibe mandrakariva an'i Simona mandra-pisehon'izay mpaminany mendrika hinoana; 42 ka dia izy no hifehy ny tafik'izy ireo, hikarakara ny zava-masina, hanendry ny lehibe amin'ny raharaham-panjakana izay hitondra ny tany sy hitandrina ny fiadina ary hiaro ny trano mimanda; 43 izy no hikarakara ny zava-masina; hanaiky azy ny olona rehetra ary ny raharaham-panjakana rehetra amin'ny tany hosoratana amin'ny anarany, ary hitondra akanjo jaky sy volamena izy. 44 Na iza na iza amin'ny vahoaka, na amin'ny mpisorona, tsy misy mahazo mitsipaka amin'ireo zavatra vao voalaza ireo, na dia iray aza, na manohitra ny didy omeny, na dia iray aza, na miantso fivoriana eo amin'ny tany, na dia iray aza, raha tsy nomeny làlana; na mitondra akanjo jaky aman-jaigrafy volamena. 45 Na iza na iza manao zavatra mifanohitra amin'izany didy izany, na mandika ny sasany aminy, ho voaheloka ho sazina. 46 Sitraky ny vahoaka ny anomezana fahefana an'i Simona hanao araka izany didy izany. 47 Neken'i Simona izany, nankasitrahany tsara ny hanao ny raharahan'ny mpisorona lehibe, lohan'ny tafika, mpanapaka ny Jody mbamin'ny mpisorona, ary hanao ny raharahan'ny mpifehy ambony indrindra. 48 Dia tapaka fa hosoratana amin'ny takela-barahina izany teny izany, ka hapetraka amin'ny lalan-tsara ao amin'ny tempoly amin'ny fitoerana miharihary;

49 ary hasiana kopian'izany koa ao amin'ny efitrano firaketana mba hoentin'i Simona sy ny zanany amin'izay ilany azy.

Toko faha-15

1 Avy teo amin'ireo nosin-dranomasina no nandefasan'i Antiokosa zanak'i Demetriosa taratasy ho an'i Simona mpisorona sy lehiben'ny Jody sy ho an'ny firenena rehetra.

2 Toy izao no voasoratra ao: Ny mpanjaka Antiokosa manoratra ho an'i Simona mpisorona lehibe sy mpifehy faritany, ary ho an'ny firenena Jody: Arahaba! 3 Noho ny nahazoan'ireo olon-dratsy ny fanjakan'ny razanay, dia tiako ny haka azy indray, hampodiako azy amin'ny toetrany taloha, ka efa namory miaramila maro sy nanomana sambo mpiady betsaka aho; 4 ary nikasa hiakatra any amin'ny tany aho izao, hamaly ny ratsy nataon'ireny, izay nandringana ny tany sy nandrava ny tanàna maro be teo amin'ity fanjakana ity. 5 Ankatoaviko avokoa ny fanahafana amin'ny hetra nomen'ireo mpanjaka talohako anao, mbamin'ny fanahafana hafa rehetra nomeny anao koa. 6 Omeko làlana hianao hanefy vola misy ny sarinao ho an'ny taninao. 7 Aoka hahazaka tena Jerosalema sy ny tempoly; apetraka ho anao avokoa ny fiadiana nataonao, mbamin'ny trano mimanda naorinao sy tànanao. 8 Apetraka ho anao koa ny zavatra rehetra tsy maintsy naloa na mbola haloa amin'ny rakitry ny mpanjaka, hatramin'izao sy mandrakizay. 9 Rahefa tafiditra avy nahazo ny fanjakanay indray izahay, dia homenay voninahitra lehibe hianao sy ny firenenao ary ny fitoerana masina, ka hamirapiratra eran'izao tontolo izao ny voninahitrareo amin'izany. 10 Tamin'ny taona fahefatra amby fitopolo amby zato dia niroso ho any amin'ny tanindrazany Antiokosa, ary tonga nilahatra homba azy avokoa ny miaramila, hany ka lehilahy vitsivitsy sisa tafajanona teo amin'i Trifona.

11 Nanomboka nanenjika azy Antiokosa mpanjaka, ka any Dora, amoron-dranomasina, Trifona no niezaka nandositra; 12 satria hitany fa ratsy maro no mivangongo aminy, sady ny tafiny koa nandao azy. 13 Tonga nitoby teo anoloan'i Dora Antiokosa nitondra miantafika roa alina sy iray hetsy, sy an-tsoavaly valo arivo. 14 Notemerany ny tanàna, fa nanatona avy etsy an-daniny teo amin'ny ranomasina koa ny sambo, ka voateriny izy na an-tanety na an-dranomasina, tsy nisy olona navelany hiditra na hivoaka. 15 Tamin'izany no tonga avy any an-tanànan'i Roma Nomeniosa sy ireo nanaraka azy, nitondra taratasy ho an'ny mpanjaka sy ny faritany rehetra, ka izao no teny tao aminy:

16 Losiosa konsilin'ny Romana manoratra ho an'i Ptolemea mpanjaka: Arahaba!

17 Tonga taty aminay, araka ny maha-havana azy sy mpikambana aminay, ny ambasadaoron'ny Jody nirahin'i Simona mpisorona lehibe mbamin'ny vahoaka Jody, hanavao ny fanekena amam-pihavanana natao taloha. 18 Nitondra ampinga volamena lanjan'arivo mina izy ireo. 19 Noho izany, sitrakay ny manoratra ho an'ny mpanjaka sy ny firenena, mba tsy hanao izay hamohehatra azy, na hiady amin'izy ireo, na amin'ny tanànany, na amin'ny fireneny, na hanampy an'izay miady aminy. 20 Sitrakay ny nandray izany ampinga izany tamin'izy ireo. 21 Koa raha misy olon-dratsy nitsoa-ponenana tany amin'izy ireo, tonga aty aminareo, dia atolory an'i Simona mpisorona lehibe izy, hofaiziny araka ny lalany. 22 Izany taratasy izany dia nalefa koa ho an'i Demetriosa mpanjaka, Atala, Ariarata, Arsasa,

23 ary koa amin'ny faritany rehetra: Lampsaka, ny Sparsiata, Delosa, Minda, Sisiona, Karia, Samosa, Pamfilia, Lisia, Halikarnasa, Roda, Faselisa, Kosa, Sida, Aradosy, Gortina, Knida, Sipra, ary Sirena. 24 Nokopiazin'izy ireo izany taratasy izany, ho an'i Simona mpisorona lehibe. 25 Tamin'ny andro faharoa, dia nasian'i Antiokosa mpanjaka Dora; narosony, narosony ihany ny miaramilany hanakaiky azy, sady nanorina milina izy, ka voahidiny tao Trifona, tsy nisy afa-niditra na nivoaka.

26 Tamin'izay Simona nandefa fanampiana ho any aminy, dia miaramila roa arivo voafantina, mbamin'ny volafotsy sy volamena ary fiasana be ihany. 27 Tsy nety nandray izany ny mpanjaka, fa notsipahiny ny fanekena rehetra nataony taloha tamin'i Simona, dia nihatahany izy. 28 Atenofiosa, iray amin'ireo sakaizany, no nirahiny hiresaka aminy sy hilaza aminy hoe: Hianareo efa mitana an'i Jope, Gazara, ny trano mimandan'i Jerosalema tanànan'ny fanjakako; 29 nandrava ny manodidina azy ka nanimba zavatra be teo amin'ny tany, ary nahalasa toerana betsaka anisan'ny fanjakako. 30 Koa ankehitriny, atolory ny tanàna nalainareo sy ny hetran'ny tany lasanareo, ivelan'ny faritanin'i Jodea, 31 na manomeza hianareo talenta volafotsy diman-jato, ho solon'izany, sy talenta diman-jato hafa koa, noho ny fanimbana nataonareo sy ny hetra tandrifin'ireo tanàna ireo; fa raha tsy izany, dia ho avy hiady aminareo izahay. 32 Nony tonga tao Jerosalema Atenobiosa sakaizan'ny mpanjaka, ka naahita ity firentirentin'i Simona, izato latabatra rakotry ny kapoaka volamena sy volafotsy mbamin'ity voninahitra be nisehoany, dia nitolagaga ery ka ny tenin'andriana no naveriny nolazainy. 33 Fa hoy Simona taminy: Tsy naka tanin'olona hafa izahay, na nahalasa zavatr'olona fa ny lovan-drazanay izay notanan'ny fahavalonay tsy an-drariny, nandritra ny fotoana vitsivitsy ihany.

34 Ka nony nahita fotoana tsara hohararaotina izahay, dia nanaraka ny lovan-drazanay. 35 Ary raha ny amin'i Jope sy Gazara izay takinao dia nanisy ratsy be loatra ny firenenay sy ny taninay ireo tanàna roa ireo; nefa hanome talenta zato ihany izahay noho ny amin'ireo. Tsy namaly Atenobiosa na indraim-bava aza, 36 fa lasa izy niverina an-katezerana ho any amin'ny mpanjaka, nilaza taminy ny valy nataon'i Simona, ny hakanton'ny ao an-dapany, mbamin'izay rehetra hitany, ka nahatezitra mafy ny mpanjaka izany. 37 Ary Trifona kosa nandositra an-tsambo ho any Ortosiasa.

38 Ka dia Sendebe no notendren'ny mpanjaka ho komandy teo amin'ny moron-dranomasina sady nomeny foloalin-dahy an-tongotra sy an-tsoavaly.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.145