Boky Voalohan'ny Makabeo
Toko faha-15
39 Ary nandidy azy izy hiorin-toby tandrifin'i Jodea, hanamafy an'i Gedora, hanamafy ny vavahadin'io, ary hiady amin'ny vahoaka. Ny mpanjaka kosa tamin'izany, nanenjika an'i Trifona. 40 Dia nankany Jamnia Sendebe ka nanomboka hanorisory ny vahoaka, nananika an'i Jodea, nanao sambo-belona, ary nanao vonoan'olona. 41 Nohamafisiny Gedora, dia nametrahany miaramila an-tongotra sy an-tsoavaly, hivoaka hanafika sy hampidi-doza eny an-dalamben'i Jodea araka ny nandidian'ny mpanajaka azy.
Toko faha-16
1 Niakatra avy any Gazara Joany, ka tonga nilaza tamin-drainy ny nataon'i Sendebe.2 Dia nantsoin'i Simona Jodasa sy Joany zanany roalahy zokiny indrindra, ka hoy izy taminy: Izaho sy ireo rahalahiko, dia nandresy ny fahavalon'Israely hatramin'ny fahatanoranay ka mandrak'androany, ary matetika izahay no mahavatra namonjy an'Israely tamin'ny tànanay. 3 Ankehitriny izaho ity efa antitra, hianareo kosa efa ampy taona noho ny fitahian'Andriamanitra, ka aoka hianareo handimby ahy sy ny rahalahiko; mandehana miady ho an'ny firenentsika, ary homba anareo anie ny fanampiana avy amin'ny lanitra. 4 Dia nifantina mpiantafika roa alina sy mpitaingin-tsoavaly tany amin'ny tany izy, ka niainga ireo hamely an'i Sendebe: nitoby alina tao Modìna izy ireo. 5 Nifoha maraina izy ireo dia niroso ho eo amin'ny tany lemaka, ka indro tafika maro be an-tongotra sy an-tsoavaly no tamy hifanehatra aminy; ny lalan'ny ranon-driaka anankiray no nanelanelana azy ireo. 6 Niorin-toby teo an-tandrifin'izy ireo Joany sy ny tariny. Hitany fa matahotra ny hita ny ranon-driaka ny miaramilany, ak dia izy no nita voalohany; nony nahita izany ireto mpiantafiny, dia nita nanaraka azy. 7 Nozarainy ho antokony roa ny tafiny, ary nalahany teo anelanelan'ny miaramila an-tongotra ny an-tsoavaly; ny an-tsoavalin'ny fahavalo izany maro dia maro. 8 Dia notsofin'izy ireo ny trompetra, ka vaky nandositra Sendebe sy ny tafiny; maro no nitsingidina maty, ary ny sisa nitady fialofana tao amin'ny trano mimanda. 9 Jodasa rahalahin'i Joany naratra tamin'izay, fa Joany kosa nanenjika ny mpandositra ambara-pipakany tany Gedora izay nohamafisin'i Sendebe. 10 Nandositra hatrany amin'ireo tilikambo teo an-tsahan'i Azota ireo resy; ary izy kosa nandoro ny tanàna tamin'ny afo. Roa arivo tamin-dry zareo no maty vao niverina soa aman-tsara ho any Jodea Joany. 11 Ptolemea zanak'i Abobosa dia voatendry ho komandin'ny miaramila eo amin'ny tany lemak'i Jerikao; nanam-bolamena sy volafotsy betsaka izy,
12 fa vinanton'ny mpisorona lehibe ka tonga niavonavona tao am-pony. 13 Naniry ho tonga tompon'ny tany izy, ka nisain-dratry hamadika an'i Simona mbamin'ireo zanay, mba hahafaty an'ireo. 14 Simona izany nitsiditsidika ireo tanànan'i Jodea, nilozoka tamim-pitandremana lehibe amin'izay hiadanan'izy ireo, ka nidina tany Jerikao izy mbamin'i Matatiasa zanany, sy Jodasa, tamin'ny taona fahafito amby fitopolo amby zato, volana faharaika ambin'ny folo, dia volana Sabata izany. 15 Naraisin'ity zanak'i Abobosa tamin-kafetsena izy ireo, tao amin'ny trano mimanda kely nampanaoviny, atao hoe Daoka; nanomana fanasana lehibe ho azy ireo izy ary nasiany miaramila niafina tao. 16 Nony mamo Simona sy ireto zanany, noraisiny ny fiadiany, dia niantoraka tamin'i Simona tao an-trano fanasana izy, ka namono azy sy ireo zanany roalahy, mbamin'ny mpanompony vitsivitsy. 17 Sady nahavita famadihana lehibe izy tamin'izany no namaly ratsy ny soa. 18 Nanoratra niaraka tamin'izay Ptolemea ho any amin'ny mpanjaka, hilaza aminy ny zava-niseho sy nangataka azy handefa miaramila hanampy azy, mba hanolorany aminy ny tany aman-tanànan'ny Jody.
19 Naniraka olon-kafa koa izyz ho any Gazara hamono an'i Joany; ary nandefsany taratasy ireo jeneraly, nantsoiny hanatona azy, homeny volafotsy sy volamena ary fanomezana. 20 Nisy olona hafa koa nalefany hitana an'i Jerosalema sy ny tendrombohitry ny tempoly. 21 Saingy lasa teo aloha ny iraka anankiray, ka tonga nilaza tamin'i Joany tao Gazara ny namonoana an-drainy mbamin'ireo rahalahiny, sady nanampy teny izy hoe: Naniraka mpamono koa izy hamono anao. 22 Hana foana teo Joany nony nandre izany vaovao izany; nosamboriny ireo olona tonga hamono azy, dia novonoiny, satria fantany ny fikasany hamono azy. 23 Ny sisa amin'ny tantaran'i Joany, ny ady nataony, ny herim-po nasehony, ny manda nampanaoviny, mbamin'ny zava-nataony rehetra,
24 dia efa voasoratra vokoa, ao amin'ny Tantaran'ny naha-mpisorona lehibe azy, hatramin'ny andro nahatonga azy ho mpisorona lehibe nandimby an-drainy.
Boky Faharoan'ny Makabeo
Toko voalohany
1 (Taratasy voalohany) Ho an'ireo Jody rahalahiny any Ejipta: Arahaba! Ny Jody rahalahiny ao Jerosalema sy ny amin'ny tanin'i Joda maniry fiadanana tsara!2 Hanasoa anareo anie Andriamanitra, ary hahatsiaro ny fanekeny tamin'i Abrahama, Isaaka sy Jakoba, mpanompony mahatoky. 3 Hianareo rehetra anie samy homeny fo mitsaoka azy sy manatanteraka ny sitrapony amin-jotom-po sy fankasitrahana. 4 Hosokafany ho an'ny lalàny amam-pitsipiny anie ny fonareo, ary hasiany fiadanana. 5 Hihaino ny vavakareo anie izy sy hihavana aminareo indray ka tsy handao anareo amin'ny andron'ny fahoriana. 6 Ary izahay atý izao dia mivavaka ho anareo. 7 Tamin'ny andro nanjakan'i Demetriosa, taona fahasivy amby enimpolo amby zato, nanoratra ho anareo izahay Jody, tanatin'ny fahoriana mangidy indrindra izay tonga tamin'izany taona izany, dia hatramin'ny nivadihan'i Jasona mbamin'ny mpiandany aminy, tsy hiaro ny tany masina sy ny fanjakana.
8 Nodoran'ny olona ny varavaran'ny tempoly, nalatsany ny ra tsy manan-tsiny. Nivavaka tamin'ny Tompo izahay tamin'izany, ary nohenoina ny vavakay, ka dia nanatitra ny sorona sy ny lafarina tsara indrindra izahay, sady nandrehitra ny jiro sy nandahatra ny mofo. 9 Koa ankehitriny manoratra ho anareo indray izahay, mba hankalazanareo ny andron'ny fetin'ny Tabernakla fanao amin'ny volana Kasleo.
10 Amin'ny taona fahavalo amby valopolo amby zato. (Taratasy faharoa) Ny aty Jerosalema sy Jodea, ny parlamenta sy Jodasa manoratra ho an'i Aristobola, mpanolo-tsain'i Ptolemea mpanjaka, isan'ny fianakavian'ny mpisorona voahasina, sy ho an'ny Jody any Ejipta : Arahaba ! Fiadanana !
11 Novonjen'Andriamanitra tamin'ny loza lehibe izahay, ka misaotra azy indrindra, dia izahay vonon-kiady amin'ny mpanjaka.
12 Fa Andriamanitra mihitsy no nanosika an'ireo nilahatra hamely ny tanàna masina. 13 Satria rahefa lasa nankany Persa ny filohan'ny fahavalo nitondra takika toa tsy ho azo resena, dia voavono izy ireo tao amin'ny fitoerana masin'i Nanea noho ny hafetsen'ireo mpisoron'i Nanea. 14 Tonga tao amin'io fitoerana io Antiokosa mbamin'ireo sakaizany, mody hoe hanambady ny andriamanibavy, kanjo nikendry ny hahazo ny rakitra ao ho haren'ny ampakarina. 15 Narantirantin'ny mpisoron'i Nanea ireo rakitra ireo, ka ny tenan'i Antiokosa no niditra tao anatin'ny fitoera-masina, nomban'ny mpanaraka azy vitsy foana. 16 Vao tafiditra ny tempoly Antiokosa, dia nohidian-dry zareo ny tempoly, ary novohany ny varavara-miafina teo amin'ny valindrihana, nanjerany vato, ka namonoany ity filoha mbamin'ireo nanaraka azy, dia norasarasainy, ka natsipiny tany amin'ny olona tany ivelany ny lohan'izy ireo. 17 Isaorana amin'ny zavatra rehetra anie ny Andriamanitsika, izay nanolo-ko faty ireo mpankahala ny fivavahana. 18 Ka rahefa hankalaza ny fanadiovana ny tempoly, amin'ny andro fahadimy amby roapolon'ny volana Kasleo, dia nataonay fa ilaina ny milaza izany aminareo, mba hankalazanareo koa ireo andro fetin'ny Tabernakla, sy ny andron'ny afo, izay nirehitra nony nanatitra sorona Nehemia, rahefa avy nandrafitra indray ny tempoly sy ny otely.
19 Satria fony nentina tany Persa ny razantsika dia nangalan'ireo mpisorona tia vavaka tamin'izany andro izany, ny afon'ny otely, ka nafeniny mangingina tao amin'ny lava-patsakana maina anankiray, ary fatratra ny nanafenany azy tao, ka tsy nisy nahalala izany toerana izany ny olona rehetra.
20 Nony afaka taona betsaka tatý aoriana, rahefa izany no sitrak'Andriamanitra, dia nalefan'ny mpanjakan'i Persa ho any Jodea Nehemia, ka nasainy nikaroka ilay afo ny taranak'ireo mpisorona nanafina azy. Nolazain'ireo taminy anefa, fa rano marihitra no hitany fa tsy ny afo. 21 Ka nasainy nanovozana sy nitondrana tao aminy izany. Rahefa izany, nony efa nataony teo ambonin'ny otely ny zavatra ilaina hanaovana ny sorona, dia nasain'i Nehemia nofafazan'ny mpisorona tamin'izany rano izany ny kitay hazo mbamin'izay teo amboniny. 22 Notanterahina izany didy izany, ary nony inona, ka tonga ny fotoana namirapiratan'ny masoandro, izay voatakon'ny rahona hatramin'izay, dia nisy afo mivaivay lehibe nirehitra, ka gaga avokoa ny olona rehetra! 23 Dia nihalevona teo ny sorona, dia nanao fivavahana ny mpisorona narahin'izay rehetra, ka Jonatasa no nitarika, ary ny sisa rehetra hatramin'i Nehemia koa niray feo taminy.