Boky Faharoan'ny Makabeo
Toko faha-3
5 Tsy afa-nandresy an'i Oniasa izy, ka lasa nankany amin'i Apolloniosa zanak'i Trasea, governoran'i Sele-Siria sy Fenisia momba ny foloalindahy tamin'izany andro izany. 6 Nolazainy tamin'io fa ny trano firaketana ao Jerosalema dia feno vola mihoa-pampana, misy harena tsy hita pesipesenina, tsy mifanentana velively amin'ny lany amin'ny zavatra ilaina hanaovana sorona, ary azo hafindra ho eo an-tanan'ny mpanjaka avokoa izany rakitra izany. 7 Nony tafaresaka tamin'ny mpanjaka Apolloniosa, nampandrenesiny azy izany harena voalaza taminy izany, ka nanendry an'i Heliodora izay voatendry hitondra ny raharaham-panjakana ny mpanjaka, dia naniraka sy nanome teny an'io haka izany harena voalaza izany.8 Niainga niaraka tamin'izay Heliodora mody hoe hizahazaha ny tanànan'i Sele-Siria sy Fenisia, kanjo ny hanatanteraka ny hevitry ny mpanjaka no tena fotony. 9 Nony tonga tao Jerosalema Heliodora nandray azy tamim-pitiavana ny mpisorona lehibe tao an-tanàna; dia notantarainy ny zavatra reny; nasehony ny antony nahatongavany; ary nanontaniany na marina tokoa ny zavatra reny, na tsia.
10 Ka nasehon'ny mpisorona lehibe taminy, fa zavatra napetraky ny mpitondratena sy ny kamboty no ao amin'ny rakitra; 11 ny sasany koa an'i Hirkana zanak'i Tobia, lehilahy manan-kaja indrindra; ary tsy izay nolazain'i Simona mpanendrikendrika mankahala fivavahana akory no tena toe-javatra, fa ny tontalin'ny harena ao dia talenta volafotsy efa-jato, sy talenta volamena roan-jato; 12 sady tsy azo atao velively ny mamabo ny an'ireo natoky noho ny fahamasinan'io fitoerana io, sy noho ny fiambonian'ny tempoly, tsy azo inaikanaikana, hajaina eran'izao tontolo izao. 13 Nilaza mihitsy anefa izy io, noho ny didy azony tamin'ny mpanjaka, fa tsy maintsy hoentina ho any an-trano firaketan'ny mpanjaka izany vola izany. 14 Koa rahefa noferany ny fotoan'andro, dia handeha hiditra izy hizaha izany harena izany, alohan'ny hanapahany izay hanaovany azy; ka tabataba lehibe no velona tao an-tanàna manontolo noho izany.
15 Niankohoka teo anoloan'ny otely ny mpisorona, nitondra ny akanjony fisoronana, niandrandra ny lanitra, nivavaka amin'ilay nanao ny lalàna momba ny zavatra napetraka, mba hitehirizany tsy misy afaka izany harena izany ho an'izay nametraka azy. 16 Voatsindrona lalina indrindra ny fo, raha nijery ity tarehin'ny mpisorona lehibe, fa niseho tamin'ny endriny sy ny fiovan'ny tarehiny, ny fanahiana nanjò ny fanahiny. 17 Ny fahatrotrahana niseho tamin'ny tenany manontolo sy ny fangovitry ny vatany koa dia nampiharihary ny fahorian'ny fony, teo imason'ny olona rehetra. 18 Nidodododo nanao andiany ny mponina nivoaka ny tranony, dia niara-nivavaka avokoa, mba tsy hihatra amin'ny fitoerana masina izato fanalam-baraka. 19 Ny lalambe rakotry ny vehivavy, voatafy malailay ny tratrany; izay zazavavy nihiboka dia nidodododo koa, ny sasany nankeo am-baravarambe, ny sasany nankeny amin'ny manda, ny sasany kosa nijery teo am-baravarankely, 20 samy nanandra-tànana mankany an-danitra nandefa fitarainana. 21 Nampangorakoraka ny hareraham-pon'ireto vahoaka nifanjevo, sy ny fanahian'ity mpisorona lehibe feno tebiteby. 22 Ny Jody tamin'izany nitaraina tamin'ny Tompo mahefa ny zavatra rehetra, hitahiry tsy ahafahana, sady tsy hisy hahakasika azy, ny zavatra napetraka mba ho an'izay nametraka azy. 23 Heliodora kosa efa nanatanteraka ny fikasany. Tamin'izy mbamin'ny mpanaraka azy efa mby teo akaikin'ny trano firaketana, 24 no nanaovan'ny Tompon'ny fanahy sy mpanapaka ambonin'ny fahefana rehetra fampisehoana lehibe, hany ka izay rehetra sahy nankeo, azon'ny herin'Andriamanitra, tsy nanan-kery hahavita na inona na inona, sady nivadi-po avokoa. 25 Niseho teo imason'izy ireo ity soavaly taingenan'olona mahatsiravina, ary voarakotra lamba sarobidy, miezaka mirimorimo, nampitsikaroka ny tongony anoloana, teo ambonin'i Heliodora; ary toa fiadiana volamena no hita teny amin'ilay mpitaingin-tsoavaly. 26 Niaraka tamin'izay koa indreo niseho taminy ny zatovo roa lahy, feno herim-po, namirapira-pahazavana lehibe, nitondra akanjo kanto loatra; teo an-daniny avy izy no nijoro, dia nikapoka azy tsy an-kijanona, nataony vely kary. 27 Niankarapoka tampoka tamin'ny tany Heliodora sady voahodidin'ny aizim-pito, dia notakonana natao teo amin'ny filanjana anankiray, 28 ka ilay lehilahy, vao avy niditra tao amin'ny efitrano nisy ny rakitra voalaza, notronin'ny mpihazakazaka sy ny mpiambina mitam-piadiana rehetra, dia indro nobetaina tsy nahazaka tena, hita maso ho nidonan'ny herin'Andriamanitra. 29 Dieny mbola teo ihany izy, nianjeran'ny kapoky ny herin'Andriamanitra, miampatra tsy mahateny, mamoy fo sy tsy manan-kamonjy intsony; 30 ny Jody kosa nisaotra ny Tompo, fa nomeny voninahitra ny fitoerana masina, ary ny tempoly izay vao teo no teo no feno fivadiam-po sy fikorontanana, tonga feno hafaliana amam-piravoravoana, noho ny fanehoana nataon'ny Tompo tsitoha. 31 Niaraka tamin'izay, ny sasany tamin'ireo naman'i Heliodora nangataka tamin'i Oniasa hivavaka amin'ny Avo indrindra sy hamelona an'itsy mitsitra eroa, efa tsy misy afa-tsy aina kely foana.
32 Ary ny mpisorona lehibe natahotra fandrao ny mpanjaka hihevitra ny Jody ho nitady hamono an'i Heliodora, ka dia nanolotra sorona ho an'ny ain-dralehilahy. 33 Mbola manolotra sorona fifonana eo ny mpisorona, dia niseho tamin'i Heliodora indray ireo zatovo, nitondra ny akanjony teo ihany, ary nitsangana izy no nilaza taminy hoe: Omeo fisaorana lehibe Oniasa mpisorona lehibe, fa noho izy ihany no amelan'ny Tompo anao ho velona. 34 Fa hianao kosa, rahefa nofaiziny toy izao, torio amin'ny olona rehetra ny fahefan'Andriamanitra lehibe. Nony voalazany ireo teny ireo, dia lasa tsy hita intsony izy. 35 Nanatitra sorona ho an'ny Tompo Heliodora sy nanao voady lehibe tamin'ilay namelona ny ainy. Rahefa izany, nanome toky an'i Oniasa fa hihavana aminy izy; dia niverina niaraka tamin'ny miaramilany, ho any amin'ny mpanjaka. 36 Ary nataony tsara laza tamin'ny olona rehetra ny asan'Andriamanitra lehibe hitany maso. 37 Nanontanian'ny mpanjaka an'i Heliodora, izay olona tokony hirahina ho an'i Jerosalema indray, ka izao no navaliny azy: 38 Raha manana fahavalo na rafilahy amin'ny fanjakana hianao, dia izay hirahina any, fa ho kotiky ny kapoka izy, vao ho tafaverina aty aminao, raha tany ka mba afaka ihany; fa misy hery avy amin'Andriamanitra marina amin'io fitoerana io. 39 Ilay manana ny fonenany any an-danitra no miambina io fitoerana io, ka izay tonga any manan-kevitra ratsy, dia asiny sy ataony levona mihitsy. 40 Izany no zava-nitranga momba an'i Heliodora, sy ny nahatanana ny rakitra masina.
Toko faha-4
1 Io Simona voalaza teo io, ilay mpitati-bolana ny amin'ny rakitra sy ny tanindrazany, io no nilaza ratsy an'i Oniasa: Izy io hoy izy, no namoky an'i Heliodora, izy no fototry ny loza rehetra.2 Sahiny nolazaina ho mpanohitra ny fanjakana, ilay mpanao soa ny tanàna, sy mpiaro ny mpiray tanindrazana aminy, ary mpitandrina mahatoky ny lalàna. 3 Lasa lavitra loatra izany fandrafiana izany, fa vonoan'olona aza no vitan'ny iray amin'ny mpiandany amin'i Simona. 4 Ka nony nodinihin'i Oniasa ny loza avy amin'izany fifampiandaniana izany, sy ny hatezeran'i Apolloniosa governoran'ny miaramilan'i Sele-Siria sy Fenisia, izay namporisika ny haratsian'i Simona, dia lasa izy nankany amin'ny mpanjaka; 5 tsy ny hiampanga ny mpiray tanindrazana aminy no nokendreny, fa ny soa an-kapobe sy manokana ho an'ny vahoakany rehetra. 6 Satria hitany fa tsy misy azo andaminana izany toe-javatra izany sy hampiala an'i Simona amin'io zava-mahameloka efa natombony io, afa-tsy ny fanelanelanan'ny mpanjaka ihany. 7 Nony maty anefa Seleokosa, ka Antiokosa, natao hoe koa Epifana, no nandimby azy, dia nanao izay hisazohany ny fiandrianan'ny mpisorona lehibe Jasona rahalahin'i Oniasa.
8 Lasa izy niresaka tamin'ny mpanjaka nampanantena azy talenta volafotsy enimpolo amby telon-jato sy talenta valopolo avy amin'ny zavatra niditra hafa koa. 9 Nampanantena koa izy, ny hanao fanekena an-tsoratra fa hanome talenta dimampolo amby zato koa indray, raha homena làlana izy mba hanorina trano fampianarana asa fampahatanjahan-tena, hisy fitoerana voatokana ho an'ny zatovolahy, miankina amin'ny fahefany ihany sy voalahatra araka ny heviny, ary handatsaka ny mponina ao Jerosalema ho isam-bahoakan'i Antiokosa. 10 Neken'ny mpanjaka avokoa izany. Vao lasan'i Jasona ny fahefana, dia rafitra nampiditra ny fomba greka teo amin'ny mpiray tanindrazana aminy izy. 11 Nofoanany ny fanafahana nomen'ny mpanjaka nentin'ny halemem-panahy ho an'ny Jody, noho ny nataon'i Joany, zanak'i Eopolema, izay nalefa ho ambasadaoro hanao fanekem-pihavanana sy fisakaizana amin'ny Romana; dia noravany ny sata ara-dalàna, fa ny fomba manohitra ny lalàna no naoriny. 12 Fahafinaretana ho azy, ny nanorina trano fampianarana asa fampahatanjahan-tena, teo am-pototry ny Akropola mihitsy, sy nanabe ny zaza avo firazanana indrindra nampanaoviny satroka be sofina. 13 Nandroso fatratra ny fanarahana ny fomba greka, ary hita nifanarototra ny olona hanaraka ny fomban'ny firenen-kafa, voatariky ny haratsiana mihoa-pampana nananan'i Jasona, lehilahy mpakahala fivavahana, fa tsy mpisorona lehibe velively akory, 14 ka ny mpisorona, efa tsy naneho fahazotoana kely akory, amin'ny fanompoana eo amin'ny otely intsony; ny tempoly notsiratsirainy, ny sorona nataony tsirambina, fa ny ho isan'ny hanao izay asa tena, raran'ny lalàna, any an-tokotany fanaovana asa tena no nahamaika azy, raha vao re ny fiantsoana hanao an-tsipibe.