Boky Faharoan'ny Makabeo

Toko faha-4

15 Tsy nasiany raharaha akory ny raharaha be voninahitra teo amin'ny taniny, fa ny ambony tamin'ny Greka no nataony ho zava-dehibe. 16 Noho izany, nidiran-doza lehibe izy, ary ireo indrindra izay narahiny toe-piainana, sy notadiaviny hotahafina amin'ny zavatra rehetra aza no nahitany fahavalo amam-pampahory. 17 Fa tsy afa-potsiny akory izay mandika ny didin'Andriamanitra; ho hita anefa izany amin'ny zavatra mbola hanaraka. 18 Tamin'ny nanaovana ilay lalao fanao isan-dimy taona tany Tira, izay natrehin'ny mpanjaka,

19 dia nandefa mpizaha, isam-bahoakan'i Antiokia, avy ao Jerosalema, Jasona olo-meloka, nampitondrainy drakma volafotsy telon-jato, hanaovan-tsorona amin'i Herkola: ireo nitondra azy mihitsy no nangataka mba tsy hanaovan-tsorona, izay tsy fanao, izany vola izany, fa hoenti-manentsina ny lany amin'ny zavatra hafa. 20 Ka ireo drakma telon-jato ireo, dia nokendren'ilay nandefa azy hanaovan-tsorona ho fanajana an'i Herkola, nefa nolanina tamin'ny fanaovan-tsambo misy fivoy intelo miantoana, araka ny fanirian'ireo nitondra azy. 21 Nony nirahina ho any Ejipta Apolloniosa zanak'i Menestea, tamin'ny nisehoan'i Ptolemea Filometora mpanjaka, dia ren'i Antiokosa fa tsy tia azy, io mpanjaka io; koa nitady hiaro tena aminy mialoha izy, ka nankany Jope, dia tany Jerosalema indray nony avy ao.

22 Fatratra ny nandraisan'i Jasona sy ny tao an-tanàna azy, fa notsilovin'ny fanilo sy narahin'ny hoby no niakarany; dia nentiny ho any Fenisia koa ny foloalin-dahiny. 23 Nony afaka telo taona, nirahin'i Jasona Menelasa rahalahin'ilay Simona teo ambony, hanatitra ny vola tamin'ny mpanjaka sy hanefa ny fandoa amin'ny fanoratana raharaha lehibe amin'ny bokim-panjakana.

24 Kanjo Menelasa nitady fahitana tamin'ny mpanjaka sy nanome voninahitra azy tamin'ny nanaovany fihetsiky ny olona ambony, ary nanao izay hanomezana ny tenany ny fiandrianan'ny mpisorona lehibe; nanolotra talenta volafotsy telon-jato, mihoatra noho ny nataon'i Jasona. 25 Nony voarainy tamin'ny mpanjaka ny taratasy fananganana azy ho mpisorona lehibe, dia niverina ho any Jerosalema izy, tsy nanana na inona na inona nahamendrika azy ny fisoronana, tsy nitondra afa-tsy ny toetry ny mpanapaka masiaka sy ny haromotan'ny biby dia. 26 Noho izany Jasona izay efa namitaka ny rahalahiny, dia mba nofitahin'ny hafa kosa indray, ka hany heriny nandositra tany amin'ny tanin'ny Amonita. 27 Ny amin'i Menelasa kosa, nahazo ny fahefana izy, nefa tsy nahatanteraka ny vola nampanantenainy ny mpanjaka tamin'izany, na dia efa nitaky aza Sostraty komandin'ny Akropola, 28 tompon'adidy amin'ny fandraisan-ketra; ka dia samy voa-antso ho any amin'ny mpanjaka izy roa lahy. 29 Menelesa moa nametraka an'i Lisimàka rahalahiny ho mpisorona lehibe, misolo azy; Sostraty kosa nametraka an'i Koratesa governoran'i Sipra ho solony. 30 Nandritra ireo zava-niseho ireo, dia mba niodina kosa ny mponina tao Tarsa sy Mallasa, satria natolotra natao fanomezana ho an'i Antiokida, vadi-tsindranon'ny mpanjaka ireo tanàna roa ireo.

31 Ka niainga faingana ny mpanjaka, hanaketraka izany fikomiana izany; fa Andronika, iray amin'ireo mpifehy ambony no navelany hisolo azy. 32 Hitan'i Menelasa fa manambina azy ny toe-javatra ka nalainy ny kapoaka volamena vitsivitsy tao amin'ny tempoly nomeny an'i Andronika, ary ny sasany hafa koa azony namidy tany Tira sy tamin'ireo tanàna manodidina.

33 Nony fantatr'i Oniasa marina izany heloka vao nataon'i Menelasa izany indray, dia nandefa faniniana azy izy, rahefa tafahataka tao amin'ny toerana fialofana tany Dafne, akakin'i Antiokia. 34 Koa nalain'i Menelasa mangingina kosa Andronika, ary notereny hamono an'i Oniasa. Dia nankany amin'i Oniasa Andronika, nanao hafetsena, nanolotra ny tànany havanana taminy, tamim-pianianana; rahefa izany, na dia nampiahiahy aza, nahatarika azy hivoaka avy ao amin'ny fialofany, dia novonoiny niaraka tamin'izay izy, tsy nasiany raharaha akory izay rariny. 35 Tamin'izany, tsy ny Jody ihany, fa betsaka koa tamin'izay hafa firenena no tezitra tamin'ny famonoana tsy an-drariny an'izany lehilahy izany. 36 Ka nony tonga avy any Silisia ny mpanjaka, na ny Jody tao Antiokia, na ireo Greka mankahala ny fanaovana an-keriny koa, dia samy tonga tao aminy, noho ny amin'ny namonoana tsy an-drariny an'i Oniasa. 37 Tafalatsaka lalina tao am-pon'i Antiokosa ny alahelo an'i Oniasa; nangoraka azy mafy izy, ka nirotsaka ny ranomasony nahatsiahy ny fahononan-tena amam-pitondran-tena hendry fatratra nataon'ity maty. 38 Noho ny hatezerany, nasainy nesorina niaraka tamin'izay ny jaky teny amin'i Andronika, dia norovitina ny fitafiany, notaritarihina eran'ny tanàna izy, ary naongany teo amin'ny toerana nanatanterahany tamin-kasahiana ny famonoana an'i Oniasa ihany, ilay tsy mifaditrovana, ka dia nasian'ny Tompo tamin'ny sazy tandrifin'azy izy. 39 Ary nisy hala-javatra masina betsaka nataon'i Lisimàka niray tetika tamin'i Menelasa tao an-tanàna, ka niodina tamin'i Lisimàka ny vahoaka, nony efa be sahady no tafahahaka ny kapoaka volamena.

40 Nony nahita ity vahoaka nikomy sy izany fo mirehi-pahatezerana Lisimàka, dia nomeny fiadiana ny lehilahy sahabo ho telo arivo, ka rafitra namely an-keriny, notarihin'olona anankiray atao hoe Tiràna, lehilahy sady be taona no tsy latsa-paharatsiana koa. 41 Vao nahalala ny famelezan'i Lisimàka anefa ny olona, dia ny sasany naka vato, ny sasany kosa langilangy, misy aza nandraoka lavenona hitany teo, nafafiny tamim-pihorakorahana tamin'ny andanin'i Lisimàka. 42 Ka betsaka no naratrany tamin'ireo mpiandany aminy, maro no matiny ary ny sisa rehetra nataony vaky nandotsitra, ary ilay mpamotsifotsy ny zavatra masina, dia novonoiny teo akaikin'ny trano firaketan'ny tempoly. 43 Rahefa izany, natomboka ny famotorana momba izany zavatra izany hamelezana an'i Menelasa. 44 Nony tonga tao Tira ny mpanjaka, dia nasehon'ny olona telo lahy, nirahin'ny loholona, taminy, ny fahamarinan'ny fiampangany. 45 Hitan'i Menelasa fa resy izy, ka nampanantenainy vola be Ptolemea, zanak'i Dorimena, mba hampahazo fitia azy amin'ny mpanjaka. 46 Dia notarihin'i Ptolemea ho eo ambanin'ny lavarangana manodidina ny mpanjaka, mody hoe haka hatsiatsiaka, kanjo voaovany ny fikasany. 47 Nolazain'ny mpanjaka ho tsy diso araka ny fiampangana nitoriana azy Menelasa, nefa diso marina tokoa izy io nanao ny heloka rehetra, fa nohelohiny ho faty kosa iretsy fadiranovana, nefa na dia teo anatrehan'ny Sita aza no nitondran'ireo ny fitarainany, dia ho nampodiny tsy manan-tsiny, 48 ka dia niaritra izany fanamelohana tsy marina izany, tsy misy hatak'andro akory, ireto olona nitolo-tena niaro ny tanàna sy ny vahoaka ary ny zavatra masina. 49 Hatramin'ny Tiriana avy no tezitra tamin'izany ka nanao fandevenana kanto ho an'ireto novonoina. 50 Fa Menelasa kosa, noho ny fitiavam-bolan'ny manam-pahefana, dia tafajanona tamin'ny voninahiny ihany, sady nitombo hasomparana aman-kalozana tamin'ny mpiray tanindrazana aminy.

Toko faha-5

1 Takaikin'izany andro izany, nandamina fanafihana an'i Ejipta fanindroany indray Antiokosa.

2 Ary tamin'izany, eran'ny tanàna naharitra sahabo ho efapolo andro, dia nisy mpitaingin-tsoavaly niseho nihazakazaka teny amin'ny habakabaka, nitena akanjo volamena sy nitondra lefona toy ny andian-tafika; 3 dia nisy kosa antokon-tsoavaly voalahatra hiady, famelezana amam-pikatrohana ny an-daniny avy, firefodrefotr'ampinga aman-defona sesehena, sabatra notsoahana tamin'ny tranony, longy natoraka, fanjelajela-piadiana, mbamin'ny fiarovan-tratra isan-karazany. 4 Ka noho izany samy nivavaka avokoa ny olona rehetra, mba ho fambara tsara ho azy izany fisehoana izany. 5 Nisy tsaho tsy marina niely fa hoe maty Antiokosa, ka naka miaramila tsy latsaka ny arivo Jasona, dia tonga namely tampoka ny tanàna. Niezaka namonjy ny manda ny mponina nefa afany ihany ny tanàna, ka niery tao amin'ny trano mimanda Menelasa. 6 Nianjadian'i Jasona tsy nananany antra akory ny mpiray tanindrazana aminy, tsy noheveriny fa ny andro iray naharesena ny mpiray tanindrazana amin'ny tena, no andro very mampalahelo indrindra; fahavalo no nataony ho nahazoam-pandresena, fa tsy olona iray tanindrazana aminy. 7 Sady tsy afa-nahazo ny fahefana anefa izy, no nahazo henatra tamin'ity teti-dratsy nataony, ka heriny nandositra nankany amin'ny tanin'ny Amonita. 8 Izao no niafaran'ny fiainany mahameloka: voaporitra tao amin'i Aretasa mpanjakan'ny Arabo izy, nandositra nifindrafindra tanàna, nenjehin'ny olon-drehetra, nankahalaina ho mpandika lalàna, fanozona ho mpamono tanindrazana amam-piray tanindrazana, noroahina tamim-pahafaham-baraka hatrany Ejipta. 9 Nanesi-tany olona betsaka handao tanindrazana izy, ka mba maty tany an-tanin'olon-kafa kosa indray nony efa nankany Lasedemona nanantena hahita fialofana tany, noho ny maha-iray nihaviana. 10 Nampiampatra olona betsaka tamin'ny tany tsy nisy mpandevina izy, ka mba tsy nisy mpisaona koa, na mpikarakara levenana, na nalevina am-pasan-drazana akory. 11 Nony avy izay nahalalan'ny mpanjaka izany zava-niseho izany, dia nataony fa efa niendaka Jodea. Ka niala tany Ejipta izy, nisafoaka toa biby masiaka, naka ny tanàna tamim-piadiana.

12 Nodidiany ny miaramila hamono tsy hanana antra akory izay azon'ny tànany sy hamono izay miakatra any ambony tafon-trano. 13 Zatovolahy sy anti-dahy no novonoina toy izany, lehilahy lehibe sy zaza amam-behivavy no maty toy izany, zatovovavy sy zaza minono no novonoin-ko faty toy izany. 14 Valo alina no isan'ny olona nahita loza tamin'izany hateloana izany: ny efatra alina maty novonoina; ny torak'izay kosa namidy ho andevo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1541