Boky Faharoan'ny Makabeo

Toko faha-5

15 Tsy mbola afa-pon'izany halozana izany anefa izy, fa mbola sahiny nitsofohana indray koa ny tempoly, ilay masina indrindra amin'ny tany rehetra, ka Menelasa mpamadika ny lalàna aman-tanindrazany no mpitarika azy. 16 Nalain'io tamin'ireto tànany maloto ny zavatra masina, notsoahany ny fanomezana napetraky ny mpanjaka sasany, hampitombo voninahitra amam-piamboniana io fitoerana io, ka napetrany eo an-tànana tsy voahasina. 17 Antiokosa izany nobohizin'ny fiavonavonana tao am-pony, tsy nandinika fa noho ny fahotan'ny mponina no nahatezitra ny Tompo amin'ny andro fohy ihany, ka izany no namiliany ny masony tsy hijery izany fitoerana izany. 18 Fa raha tany kosa tsy meloka tamin'ny fahotana be dia be izy ireo, dia ny tenany kosa hatramin'ny vao tonga izy no tsy maintsy ho voakapoka sy voasakana amin'izao hasahiany izao, tahaka an'i Heliodora nirahin'ny mpanjaka hizaha ny rakitra. 19 Tsy noho izany fitoerana izany anefa no nifidianan'Andriamanitra ny vahoaka fa noho ny vahoaka no nifidianany an'izany fitoerana izany. 20 Ka noho izany sady niara-nidiran-doza tamin'ny vahoaka izany fitoerana izany no nanana anjara tamin'ny soa avy amin'ny Tompo koa nanaraka izany; haolo izy aloha nohon ny hatezeran'ny Tsitoha, vao naverina tamin'ny voninahiny lehibe indrindra, nony nihavana tamin'ny vahoakany indray ny Tompo ambony indrindra. 21 Talenta valon-jato amby arivo no nongoahan'i Antiokosa avy ao amin'ny tempoly, dia niverina faingana ho any Antiokia izy; ka azon'ny fiavonavonana izy dia nieritreritra noho ny firehetan'ny fony tafahoatra fa hahazo miantsambo amin'ny tany maina, sy ho afa-mampamindra amin'ny ranomasina. 22 Nametraka mpanao raharaha hampahory ny vahoaka izy, dia tao Jerosalema, Filipo avy any Frizia, masiaka noho ilay nametraka azy; 23 tao Garizima, Andronika, ary afa-tsy ireo, Menelasa izay ratsy lavitra noho ny hafa, nanandra-tena an'avonavona ho ambony noho ny iray tanindrazana aminy, 24 nanao an-dolom-po tamin'ireo Jody tia tanindrazana. Fanampin'izany, nalefan'i Antiokosa koa Apolloniosa tsivalahara nitondra tafika nisy miaramila roa arivo sy roa alina nomeny didy hamono ny lehilahy rehetra ampy taona, sy hivarotra ny zaza amam-behivavy. 25 Nony tonga tao Jerosalema Apolloniosa, nody niseho ho havana, nijanona tsy naninon-tsy naninona, mandra-pahatongan'ny andro masina sabata; kanjo vao hitany variana manamasina io ny Jody, dia nasainy nandray fiadiana ny miaramilany. 26 Ka izay rehetra nivoaka hizaha, nasainy novonoina avokoa; dia niara-nitety tao an-tanàna izy sy ny miaramilany namono olona maro ho faty. 27 Ary Jodasa Makabeo, izy no fahafolony, nihataka nankany an'efitra nanao toe-piainan'ny biby dia tany an-tendrombohitra niaraka tamin'ireo namany, tsy nihinana afa-tsy ny zava-maitso, na oviana na oviana, mba tsy handoto ny tenany.

Toko faha-6

1 Andro vitsivitsy taorian'izany, dia naniraka anti-dahy anankiray avy any Atena ny mpanjaka, hanery ny Jody handao ny fivavahan-drazany sy hisakana azy tsy hiaina araka ny lalàn'Andriamanitra,

2 ary handoto ny tempolin'i Jerosalema hanokana azy ho an'i Jopitera Olimpiana, ary ny tempoly any Garizima, ho an'i Jopitera Mpandray vahiny, araka ny toetry ny mponina amin'izany tany izany. 3 Namohehatra sy tsy hay leferina mihitsy, ny nidiran'izany loza izany, na dia ho an'ny ankapobem-bahoaka aza; 4 satria ny tempoly nataon'ny jentily karandahy sy karambavy, feno filerana amam-pahavetavetana, niray tamim-behivavy teo amin'ny kianja masin'ny tempoly ny lehilahy, sady nitondra ny zavatra voarara, ho eo; 5 ny otely aza rakotra sorona natao tamin'ny zavatra maloto, voararan'ny lalàna. 6 Tsy azo natao intsony ny mankalaza ny sabata, na ny fety fanaon'ny razantsika, na ny milaza tena fotsiny hoe Jody aza. 7 Voatery ny Jody ka nangidy taminy izany, ny ho any amin'ny sorona fanao isam-bolana, amin'ny andro nahaterahan'ny mpanjaka; amin'ny fetin'ny Bakanala, noterena izy hamindra any an-dalambe, voaisy fehiloha liera, ho fanajana an'i Bakosa. 8 Nisy didy navoaka noho ny famokisana nataon'i Ptolemea mba hampihatra izany hevitra izany ihany koa amin'ny Jody ao amin'ny tanàna greka manolotra azy, sady hanao sorona; 9 ary nasaina novonoina ho faty izay mandà tsy hanaraka ny fanao greka. Ka nampalahelo loatra ny zavatra niseho hitan'ny maso. 10 Ohatra, nisy vehivavy roa namora ny zanany, dia nosamborina nahantona tamin'ny nonony ny zanany, notaritarihina am-pahibemaso eran'ny tanàna, dia navarina avy eny an-tampon'ny manda. 11 Nisy koa niara-nankany amin'ny zohy akaiky, hankalaza an-tsokosoko ny andro sabata, fa voampanga tamin'i Filipo, ka nodorana tao, tsy sahy niaro tena akory, noho ny fanajana ny fahamasinan'izany andro izany. 12 Mihanta amin'izay hahazo ity boky ity ho eo an-tànany aho, mba tsy hety ho sanganehana noho izany loza izany; fa aoka hino izy, fa tsy ho fandravana fa ho famaizana ny firenentsika no nisian'ireo fanenjehana ireo.

13 Raha tsy avelan'Andriamanitra hitoetra ela tsy voasazy ny mpanota, fa ampidininy faingana amin'izy ireo ny famaizana, dia mariky ny hatsaram-po lehibe izany. 14 Ary tokoa, fa raha hamay ny firenen-kafa ny Tompo lehibe indrindra, dia andrasany amim-pandeferana izay hahatratrany ny farafetran'ny haratsiana; fa tsy toy izany kosa no ataony ho tokony hitondrana antsika, 15 mba tsy hisy tokony hamaliany ratsy ny nataontsika, rahefa hahatratra ny fara-fetrany ny fahotantsika. 16 Hany ka tsy manala ny famindram-pony amintsika izy na oviana na oviana; tsy mahafoy ny vahoakany izy, na mamay azy amin'ny fahoriana aza. 17 Ampy ho anay ny mampahatsiaro izany zava-marina izany, ary manaraka izany teny vitsivitsy izany, dia tokony hiverina amin'ny filazanay ny tantara izahay. 18 Eleazara iray amin'ireo mpampiana-dalàna ambony, izay lehilahy efa nandroso taona, sy niendrik'andriana indrindra, dia nosokafana an-keriny ny vavany noterena hihinan-kenan-kisoa.

19 Kanefa naleony maty be voninahitra toy izay velona ho olo-meloka; naloany ny hena, dia nandroso an-tsitra-po ho any amin'ny fampijaliana izy; 20 toy ny tsy maintsy androsoan'izay manan-kerim-po handoa ny voarara tsy hohanina, noho ny fitiavana ny aina. 21 Nifankahazo tamin'i Eleazara hatry ny ela kosa, ireo voatendry hitarika izany fisoronana manohitra ny lalàna izany, ka nalainy mangingina izy, novokisany hampaka hena azo hanina sy nandrahoin'ny tenany ihany ary hody hihinana ny hena natao sorona, araka ny nandidian'ny mpanjaka, 22 satria rahefa vitany izany, dia ho afaka amin'ny fahafatesana izy, ka hahita soa amin'ny famindram-po ataon'izy ireo noho ny fisakaizany taminy efa ela be. 23 Fa izy kosa nandinidinika tamim-pahendrena araka izay nety ny taonany sy ny fanajana ambony tandrifin'ny fahanterany, ampian'ny volony fotsy be voninahitra sy ny toe-piainana mendrika indrindra narahiny hatramin'ny fahazazana, ary indrindra ny lalàna masina naorin'Andriamanitra mihitsy; ka noho izany ny handefasana azy faingana any amin'ny fonenan'ny maty, no navaliny. 24 Tsy mety tokoa, hoy izy, raha olona be taona toa anay izao no hoe manafin-kevitra; fandrao dia heverin'ny zatovo maro fa nanaraka ny fombam-pirenen-kafa tokoa Eleazara nony efa sivifolo taona. 25 Amin'izany izy ireo, noho ny fanafenako hevitra, sy noho ny sisam-piainan-mandalo, dia ho diso làlana; ka ho voatototra henatra amam-pahafaham-baraka ny fahanterako. 26 Ary na ho afaka amin'ny sazin'olombelona fe ankehitriny aza aho; tsy ho afa-mandositra ny tànan'ilay mahefa ny zavatra rehetra, na velona aho na maty. 27 Noho izany, raha amin-kerim-po no handaozako ity fiainana ity ankehitriny, dia hiseho ho mendrika ny fahanterako ahay, 28 ary ohatra ambony no havelako harahin'ny tanora amin'ny fahafatesana an-tsitra-po sy amin-kerim-po noho ny lalàna mendrika hohajaina sy masina. Vao avy niteny izany izy, dia nizotra nankao amin'ny fiasana famonoana. 29 Noheverin'izay nitondra azy hankeny ho hadalana ny teny vao notononiny, ka novany ho halozàna ny fitiavany azy vao nasehony taminy teo. 30 Nony efa ho fatin'ny kapoka izy, dia nisento nanao hoe: Ny Tompo manana ny fahalalàna masina no mahita fa rahefa afa-mandositra ny fahafatesana ihany aho, dia miaritra fampijalijaliana mafy amin'ny nofoko, asiana ny langilangy, fa amin'ny fanahiko kosa, mandefitra izany an-kafaliana noho ny fanajako azy. 31 Toy izany no namoizany ny aina ka ny fahafatesany nataony tonga oha-kerim-po sy tsangam-baton'ny hatsaram-panahy, tsy ho an'ny tanora ihany, fa ho an'ny vahoaka rehetra koa.

Toko faha-7

1 Nisy koa olona fito mirahalahy, nosamborina miaraka amin-dreniny; ary notadiavin'ny mpanjaka hoterena hihinan-kenan-kisoa, noraran'ny lalàna, izy ireo, ka nokapohina natao hoto tamin'ny kotopia aman-kozatr'omby.

2 Niteny tamin'ny anaran'izy rehetra ny iray taminy nanao hoe: Inona no tadiavinareo ary inona no tianareo ho fantatra avy aminay? Vonon-ko faty izahay, toy izay hamadika ny lalan'ny razanay. 3 Nisafoaka ny mpanjaka, ka nandidy ny hanokoana ny lapoaly amam-bilany. Vantany vao nafana mahamay ireo, 4 dia io niteny tamin'ny anaran'izy rehetra no nasainy tapahina ny lelany, hodirana ny lohany, tapahina eo imason'iretsy rahalahiny sisa sy ny reniny ny tongotr'aman-tanany. 5 Nony voabory manontolo toy izany io, nasainy natao teo akain'ny afo mbola miaina ihany sy nendasina teo amin'ny lapoaly. Ilay mihahaka lasan-davitra eo ny fofona avy eo amin'ny lapoaly, izy mirahalahy avy mbamin'ity reniny kosa nifamporisika samy ho faty an-kerim-po. 6 Marhiratra ny Tompo Andriamanitra, hoy izy ireo, ary mangoraka antsika marina tokoa izy, araka ny voalazan'i Moizy, ao amin'ny tonon-kira milaza an-kitsiloha mananatra an'Israely hoe: Hamindra fo amin'ny mpanompony izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1449