Boky Faharoan'ny Makabeo
Toko faha-11
12 ary ny sisa nataony vaky nandositra. Ny ankabeazany nandositra efa voaratra sy nanary fiadiana; ny tenan'i Lisiasa aza tsy nahavonjy ny ainy, afa-tsy tamin'ny lositra mahamenatra. 13 Nefa noho nizy nanan-tsaina ihany, dia nandinika ity fahareseny, ary fantany fa tsy azo resena ny Hebrio, satria Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra no miara-miady aminy,14 ka dia naniraka ho any amin'izy ireo izy, hanolotra fihavanana araka izay famarafarana marina rehetra, ka dia nanolo-tena amin'izany hampanaiky ny mpanjaka ny tokony hihavanany amin'izy ireo. 15 Tsy nikendry afa-tsy ny soa ho an'ny vahoaka Makabeo ka nanaiky ny hevitra rehetra naposak'i Lisiasa, satria neken'ny mpanjaka avokoa ny famarafaram-panekena nalefan'i Makabeo an-tsoratra tany amin'i Lisiasa momba ny Jody. 16 Toy izao no teny amin'ny taratasy nosoratan'i Lisiasa ho an'ny Jody:
17 Lisiasa manoratra ho an'ny Jody: Arahaba! Voatolotr'i Joany sy Absaloma izay nirahinareo ho atý amiko ny fanekena nosoniavinareo ka dia nangataka izy ireo ny hanatanterahana ny zavatra ao amin'ny fanekena.
18 Ary efa nampahafantariko ny mpanjaka, izay rehetra tsy maintsy alefa mankany aminy, ka nekeny izay azo ekena. 19 Koa raha mbola maharitra koa ny fankasitrahanareo ny fanjakana, dia hikely aina aho izao sisa izao hanao izay hiadananareo. 20 Ny amin'ny anidinidininy sasany dia nohazavaiko tamin'ny irakareo sy ny ahy, ka dia hifampidinika aminareo izy ireo. 21 Ho salama tsara anie hianareo. Tamin'ny taona fahavalo amby efapolo amby zato, andro fahefatra amby roapolon'ny volana Dioskorinta. 22 Toy izao kosa no ao amin'ny taratasin'ny mpanjaka: Antiokosa mpanjaka manoratra ho an'i Lisiasa rahalahiny: Arahaba!
23 Rahefa voafindra any amin'ireo andriamanitra ny rainay, ny irinay dia ny hifotoran'izay eto amin'ny fanjakanay amin'ny fikarakarana ny raharahany tsy hisy mpanelingelina; 24 ary efa renay fa ny Jody dia tsy manaiky izay notadiavin'ny rainay dia ny hanaraka ny fomba greka, fa aleony ihany ny fombany manokana, ka mangataka izy, araka izany, havela hiaina araka ny lalàny. 25 Koa noho ny fanirianay ny tsy hisy fitabatabana amin'izany firenena izany intsony, dia mandidy ny hamerenana ny tempoly amin'izy ireo izahay sy ny hamelana azy hanaraka ny fomban-drazany. 26 Koa tsara raha maniraka ho any amin'izy ireo hianao, sy mandray tànana azy, mba hahazoany toky sy hifotorany amin'ny fanaovana ny raharaha fanaony, rahefa fantany ny hevitray. 27 Toy izao no ao amin'ny taratasin'ny mpanjaka ho an'ny firenena Jody: Antiokosa mpanjaka, maniry fiadanana ho an'ny parlemantan'ny Jody sy ny Jody hafa.
28 Raha salama tsara hianareo, dia mifanaraka amin'ny irinay izay; izahay koa dia salama tsara. 29 Nampandrenesin'i Menelasa anay, ny fanirianareo hiverina sy hanao ny raharaha fanaonareo. 30 Koa izay miroso hatramin'ny andro fahatelopolon'ny volana Ksantika, dia hahazo mitoetra fahizay sy amim-piadanana. 31 Ka aoka ny Jody hihinana izay fihinany sy hanaraka ny lalàny tahaka ny taloha, ka aza misy homena soketa noho izay diso nataony tsy amim-pahalalana. 32 Naniraka an'i Menelasa aho, hanome toky hiadananareo. 33 Ho salama tsara anie hianareo. Tamin'ny taona fahavalo amby efapolo amby zato, andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana Ksantika. 34 Ny Romana koa nampitondra taratasy ho an'ny Jody, araka izao: Kointosa Memmiosa sy Titosa Manliosa, iraky ny Romana, maniry fiadanana ho an'ny Jody.
35 Ireo zavatra efa neken'i Lisiasa havan'ny mpanjaka, taminareo, dia ekenay aminareo koa. 36 Ary ny amin'ireo nataony ho tsy maintsy alefa ho dinihin'ny mpanjaka, rahefa voadinikareo tsara, dia aza angatahan'andro, fa maniraha olona ho atý aminay hampandrosoinay ao amin'ny mpanjaka, araka ny mety ataonay ho anareo, fa ho any Antiokia izahay. 37 Ka faingàna dia alefaso handeha ny irakareo, mba hahalalanay izay irinareo koa. 38 Ho salama tsara anie hianareo. Tamin'ny taona fahavalo amby efapolo amby zato, fahadimy ambin'ny folon'ny volana Ksantika.
Toko faha-12
1 Nony vita ny fanekena, Lisiasa niverina nankany amin'ny mpanjaka, ary ny Jody nandroso niasa ny taniny.2 Kanefa ireo jeneraly teo amin'ny tany, Timoteo sy Apolloniosa, zanak'i Gennea, mbamin'i Heronima sy Demofona, nanampy ireo koa Nikanora governoran'i Sipra, dia ny namela azy ireo handry fahizay, na hiaina amim-piadanana. 3 Tamin'izany, nanao heloka be vava ny mponina tao Jope. Nasain'izy ireo niakatra teo amin'ny lakan-drafitra nomanin'izy ireo, ny Jody nonina teo aminy, mbamin'ny vady aman-janany,
4 mova tsy ny tsy nanam-pankahalana azy ireo akory izy, fa hevitra niarahan'ny tao an-tanàna rehetra notapahina no nanaovany an'izany. Ny Jody araka ny faniriany te-hihavana, dia nanaiky tsy nanana ahiahy kely akory. Kanjo nony tonga teny afovoany izy ireo, dia nalentiny, nisy roan-jato mahery no isany raha dia kely. 5 Vao nandre ny halozana natao tamin'ireo olona iray firenena aminy Jodasa, dia nomeny teny ireo namany, ka nony avy niantso an'Andriamanitra mpitsara marina izy, 6 dia niroso hamely ny mpamono ireo rahalahiny: nodorany alina ireo trano tao an-tseranana, notsoloany koa ny sambo, ary novonoiny tamin'ny lelan-tsabatra ireo nitady fialofana tao. 7 Nilaozany ny tanàna, fa nihidy, nefa ny hiverina handrava ny tanànan'ny Jopita manontolo no fikasany. 8 Reny koa fa ny olona ao Jamnia, mikasa hanao toy izany amin'ny Jody monina ao aminy,
9 ka nasiany torak'izany tamin'ny alina koa, ny mponina tao Jamnia; nodorany ny seranana mbamin'ny sambo, ka tazana hatrany Jerosalema ny hazavana avy amin'ny fandoroana, nefa efapolo sy roan-jato stady no elanelany. 10 Nony avy eo izy, ka efa lasa sivy stady, ndeha hamely an'i Timoteo, dia nisy Arabo nirotsaka tamin'i Jodasa; dimy arivo izy no miaramila an-tongotra, ary diman-jato ny an-tsoavaly.
11 Mafy ny ady, nefa nahery Jodasa sy ny namany, noho ny fanampian'Andriamanitra; nony resy ireo mpifindrafindra, dia nangataka tamin'i Jodasa hanolotra ny tànany havanana amin'izy ireo, sady nanome toky hanome azy biby fiompy sy hanampy azy amin'ny zavatra sasany. 12 Hitan'i Jodasa fa be tokoa ny zavatra azon'ireo anampiana azy, ka dia nekeny ny hanao fihavanana aminy; nony avy nifandray tànana, dia nody ho any an-dainy izy ireo. 13 Taorian'izany Jodasa nananika tanàna mafy anankiray voahodidina manda sy voaisy tetezan-kady azo hingaina, ary onenan'olona samihafa firenena; Kaspina no anarany.
14 Nitoky tamin'ny hamafin'ny mandany sy ny habetsahan'ny hanina nananany ny nafahirano, ka nanao toetry ny tsy mahalala fomba, naniratsira an'i Jodasa sy ny namany, nanonona teny fanaratsiana an'Andriamanitra aza sy fankahalana ny fivavahana. 15 Jodasa sy ny namany kosa, niantso ilay Tompo ambony indrindra amin'izao tontolo izao, izay nampianjera ny mandan'i Jerikao, tsy tamin'ny milina fandonana manda na milina hafa, tamin'ny andron'i Josoe, vao niantoraka tamin'ny manda, mova tsy ny liona mitroatra. 16 Nony azony, araka ny sitra-pon'Andriamanitra ny tanàna, dia vonoan'olona maro, hoatran'ny fatim-balala no nataony tao, ka hoatra ny feno ny ra nandriaka tao ilay kamory eo akaiky, misy roa stady ny habeny. 17 Avy eo izy, dia nandeha dimampolo sy fiton-jato stady, ka nahatratra an'i Karaksa, izay nonenan'ny Jody atao hoe Tobiana.
18 Tsy hitan'izy ireo tao amin'izany tany izany Timoteo; fa lasa niala teo izy, satria tsy nahavatra nanao na inona na inona teo, fa toerana anankiray izay no nametrahany miaramila mpiandry tany maro dia maro. 19 Ny roa tamin'ireo jeneralin'i Makabeo anefa, dia Dositeo sy Sosipatera nandeha nananika io tanàna mimanda io, ka namono ny olona navelan'i Timoteo tao, nisy iray alina mahery ny isany. 20 Makabeo kosa tetsy an-daniny, nampilahatra ny tafiny araka ny antokony, ary nasainy hotarihiny ireo antokony ireo, dia nandroso hamely an'i Timoteo izay nitondra miaramila an-tongotra roa alina amby iray hetsy, sy an-tsoavaly diman-jato amby roa arivo.
21 Nony ren'i Timoteo fa tamy Jodasa dia nasainy nentina ny zaza amam-behivavy mbamin'ny fananany ho ao amin'ny fitoerana anankiray, atao hoe Kariniona, fa fitoerana tsy azo anihina sy sarotra hatonina io, satria hety ny làlana faleha amin'io faritany io. 22 Vao niposaka ny antokony voalohany momba an'i Jodasa, dia nivadi-po ny fahavalo, fa niseho nahatsiravina tamin'izy ireo ny fahefan'ilay mahita ny zavatra rehetra, ka vaky nandositra izy, ny sasany nankatsý, ny sasany nankarý, hany ka izy samy izy ihany no nifandratra sy nifanatrobaka tamin'ny sabatry ny tenany. 23 Nilozoka nanenjika azy ireo Jodasa, nasiany avokoa ireo olona meloka ireo, ka nahafatesany hatramin'ny telo alina,