Boky Faharoan'ny Makabeo
Toko faha-12
24 Ny tenan'i Timoteo aza, latsaka eo an-tanan'ny miaramilan'i Dositeo sy Sosipatera ka nitalaho tamin-kafetsen-dratsy tamin'izy ireo, handefa azy soa aman-tsara, nilaza fa eo am-pelatanany ny havana sy ny rahalahin'ny ankabeazan'izy ireo. 25 Nomeny toky tamin'ny teny lava teo izy ireo fa tapa-kevitra ny handefa ireo olona ireo izy, sady tsy haninomaninona azy akory, hany ka dia nalefan'ny Jody izy, mba hamonjeny an'ireo rahalahiny. 26 Jodasa kosa tamin'izany, niroso nankao Kariniona sy amin'ny fitoera-masin'i Atargatisa, ka nahafaty dimy arivo amby roa alin-dahy tao. 27 Avy nandresy sy nandripaka ireo fahavalo ireo Jodasa, dia nitondra ny tafiny hamely an'i Efrona, tanàna mafy onenan'olona maro samihafa firenena; zatovo matanjaka avokoa, voalahatra eo anoloan'ny manda, no niaro azy tamin-kerim-po; ary milina aman-java-maranitra sesehena no efa niatrana teo amin'ny tanàna.28 Nefa, nony avy niantso ny Tsitoha ilay manorotoro amin'ny fahefany ny herin'ny fahavalo, ny Jody, dia azony ny tanàna ary dimy arivo sy roa alin-dahy tamin'ireo nonina tao, no nataony niampatra amin'ny tany. 29 Niala tao izy, dia nandroso hamely ny tanànan'ny Sita, enin-jato stady avy ao Jerosalema. 30 Nilaza anefa ireo Jody nonina tao, fa tsara no nitondran'ny mponina azy, ary nahazo fanampiana tamin'izy ireo aza izy, tamin'ny andron'ny tsy fananany; 31 ka dia nisaotra ny Sitapolitana, ry Jodasa mbamin'ireo nomba azy, sady namporisika azy ireo hanohy ny fitiavany an'ireo iray razana aminy, amin'ny ho avy koa. Rahefa izany, dia niditra tao Jerosalema izy ireo, tamin'ny fotoana efa hiantombohan'ny fetin'ny Herinandro. 32 Taorian'ny Pantekoty izy ireo dia nandroso hamely an'i Gorjiasa izay komandy tao Idomea;
33 ka nivoaka io, nitondra miaramila an-tongotra telo arivo sy an-tsoavaly efa-jato. 34 Rafitra ny ady, ary tamin'izay, nisy potraka vitsivitsy ny Jody. 35 Ny lehilahy mahery anankiray atao hoe Dositeo mpitaingin-tsoavaly tamin'ny antokon'i Basenoro nisambotra an'i Gorjiasa, dia nitarika azy tamin'ny kapaotiny sy nifaoka azy mafy, fa ny hahazo sambo-belona an'io olona voaozona io no niriny: kanjo niantoraka tamin'i Dositeo ity mpitaingin-tsoavaly Trasa anankiray, dia nanapaka ny sorony, ka afa-nandositra tany Maresa Gorjiasa. 36 Tamin'izany kosa efa niady ela ny miaramilan'i Esdrina ka reraky ny havizanana, koa nitaraina tamin'ny Tompo Jodasa mba hiseho ho mpanampy azy ireo, sy ho filohany amin'ny ady. 37 Izay, dia noventensiny tamim-peo avo amin'ny tenin-drazany ny akoran'ady sy ny hira, ka nirotsaka tampoka tamin'ny miaramilan'i Gorjiasa izy, nataony vaky nandositra ireo. 38 Nanaraka izany, novorin'i Jodasa ny tafiny, dia nentiny ho ao an-tanànan'i Odolama, ary tonga ny andro fahafito amin'ny herinandro, ka nandio tena araka ny fanao izy ireo, dia nankalaza ny sabata teo amin'izany toerana izany.
39 Nony ampitso, tonga araka ny tsy maintsy ataony Jodasa sy ny namany naka ny vatan'ireo novonoina halevina ao amin'ny havany, amin'ny fasan-drazany. 40 Isam-batan'olona tamin'izy ireo, samy nahitany tao ambanin'ny akanjo, zava-masina avy amin'ny sampin'i Jamnia, sy andraran'ny lalàna Jody. Ka niharihary tamin'izy rehetra fa izany no antony nahafatesan'ireo. 41 Dia izy rehetra no indray nisaotra ny Tompo, mpitsara marina izay mampiharihary ny zava-miafina. 42 Rahefa izany, dia nanomboka nivavaka izy ireo nangataka mba havela tokoa ny fahotana natao; Jodasa ilay mahery fo kosa, namporisika ny vahoaka hiaro tena ho tsy voalotom-pahotana, fa he ity hita maso ny vokatry ny fahotan'izay maty. 43 Rahefa izany, nampanao vokatra izy, ka nahavory drakma roa arivo nampanateriny hanaovana sorona fanonerana any Jerosalema. Asa soa sy mendrika, avy amin'ny fiheverana ny fitsanganana amin'ny maty, izany. 44 Satria, raha tsy mino izy fa tsy maintsy hitsangana amin'ny maty, ny miaramila maty an'ady, dia zava-poana sy tsy misy antony ny mivavaka ho an'ny maty. 45 Noheveriny koa fa valisoa tsara indrindra no voatahiry ho an'izay mody mandry amim-pitiavam-bavaka, ka hevitra masina ombam-pitiavam-bavaka izany. Izany no nanaovany an'izany sorona fanonerana izany ho an'ny maty, mba ho afaka amin'ny fahotany izy ireo.
Toko faha-13
1 Tamin'ny taona fahasivy amby efapolo amby zato, ren'i Jodasa sy ny namany fa tamy hamely an'i Jodea Antiokosa Eopatora mitondra miaramila maro;2 ary Lisiasa mpiahy amam-pandraharahany koa, nanaraka azy; izy roa lahy samy nitarika tafika greka, izay nisy miaramila an-tongotra iray alina amby iray hetsy, an-tsoavaly telon-jato amby dimy arivo, elefanta roa amby roapolo, ary kalesy misy antsy lava telon-jato. 3 Nikambana tamin'izy ireo koa Menelasa sady namporisika an'i Antiokosa tamim-pihatsaram-belatsihy lozan-tany, tsy mba ho famonjena ny tanindrazany anefa, fa noho ny fanantenany haverina amin'ny voninahiny indray.
4 Kanjo kosa, nampirehetin'ilay Mpanjakan'ny mpanjaka, tamin'io tsy miroso-doza io, ny fahatezeran'i Antiokosa, fa nasehon'i Lisiasa tamin'ny mpanjaka fa Menelasa no fototr'izao loza rehetra izao, ka nasain'i Antiokosa nentina any Berea izy io, dia hovonoina any araka ny fanao amin'izany fitoerana izany. 5 Fa nisy tilikambo anankiray tao, dimam-polo hakiho ny hahavony, feno lavenona voaisy milina mihodina eny an-tampony, ka hatraiza hatraiza, dia nampisisika ao anaty lavenona. 6 Ao no famarinan'ny vahoaka ao Berea ny olo-meloka nanao halatra sakrilezy, na diso tamin'ny heloka bevava sasany hafa koa. 7 Toy izany no nahafatesan'i Menelasa, ilay mpivadika ny lalana, ary rariny loatra ny tsy nandevenana azy. 8 Fa nanota imbetsaka tamin'ny otely izy, izay madio ny afo aman-davenony, ka tao anaty lavenona izy no tojo ny fahafatesana. 9 Dia nandroso ny mpanjaka; feno hevitra barbariana ny sainy, vonon-kamely mafy ny Jody mihoatra noho ny nataon-drainy izy.
10 Vao nahalala izany Jodasa dia nandidy ny vahoaka hiantso ny Tompo andro aman'alina mba hovonjeny amin'izao indray koa ireto olona 11 fa hoesorina amin'ny lalana, amin'ny tanindrazany, amin'ny tempoly masina; ary mba tsy havelany ho latsaka eo am-pela-tanan'ny firenena mankahala ny fivavahana ity vahoaka vao teo no nahita hiainana. 12 Nony efa niara-nivavaka toy izany sy nitaraina tamin'ny Tompo mpamindra fo izy rehetra nanao an-dranomaso sy nifady hanina sady nandohalika tsy tapaka nandritra ny hateloana, dia namporisihin'i Jodasa izy ireo ary nasainy hiomana mba ho vonona. 13 Ka niresaka manokana tamin'ny loholona izy aloha, dia nanapa-kevitra ny tsy hiandry ny mpanjaka, hitondra ny tafiny hiditra an'i Jodea, sy hahafaka an'i Jerosalema, fa hiroso miaraka amin'izay sy hamita ny raharaha amin'ny amin'ny fanampian'ny Tompo. 14 Koa nankininy tamin'ny Nahary an'izao tontolo izao, izay ho anjara fiafaran'ny Jody, dia namporisihiny ny namany hiady amin-kerim-po hatramin'ny fahafatesana, ho an'ny lalana, ho an'ny tempoly, ho an'ny tanana masina ary ho an'ny tanindrazana amam-pirenena, dia notarihiny ho eo amin'ny manodidina an'i Modina ny tafiny. 15 Izao aloha ny baiko nomeny: Fandresena amin'ny alalan'Andriamanitra, vao nifidy ny matanjaka indrindra tamin'ireo aztovo mpiady izy, dia namely tamin'ny alina ny lain'ny mpanjaka, nahafaty efatra arivo lahy izy tao an-toby; fanampin'ireo koa ny lehibe indrindra tamin'ny elefanta, mbamin'ny miaramila nentiny tao amin'ny tilikambo. 16 Hany ka nataony safotry ny fivadiham-po amam-pifanaritahana ny tao an-toby, vao nialany tamim-pahombiazana tanteraka. 17 Fa vita tomombana ny natao, vao nazava ratsy ny andro, noho ny fiarovana nomban'ny Tompo an'i Jodasa. 18 Nony nahatsapa ny herim-pon'ny Jody toy izany ny mpanjaka, dia izay hahazoana an-kafetsena ny tanàna indray no nandramany.
19 Niroso hamely an'i Betsora tanàna mimanda mafy an'ny Jody izy, kanjo voatosika, tsy nahomby, resy. 20 Nandefasan'i Jodasa izay nilainy ireo nafahirano tamin'izany. 21 Radokosa isan'ny tafiky ny Jody kosa anefa nilaza ny zava-miafina tamin'ny fahavalo; natao ny famotorana dia azo izy, ka natao an-tranomaizina. 22 Nifandrindra fanindroany tamin'ireo nafahirano ny mpanjaka, ka nanolotra tànana azy ireo, sy nandray ny azy, dia nihataka; 23 namely ny mpiadin'i Jodasa izy fa resy. Nandre anefa izy fa nikomy any Antiokia, Filipo ilay navelan'i Epifana ho lohan'ny raharaha, ka niraviravy tànana izy; nomeny teny soa ny Jody, nekeny sy nianianany ny famarafaram-panekena ara-drariny rehetra, nihavana sy nanatitra sorona izy, nohajainy ny tempoly, noraharahainy tamin-kalemem-panahy ny fitoerana masina, 24 ary noraisiny tsara Makabeo sady napetrany ho governoran'ny miaramila hatrany Ptolemaisa ka hatrany amin'ny Gereniana. 25 Kanjo nony tonga tao Ptolemaisa ny mpanjaka, nasehon'ny mponina tao ny fahasosorany noho ny fanekena, fa nahatezitra azy izany, sy tsy tiany akory ny hanatanteraka ny zavatra tapaka ao aminy. 26 Ka niakatra teo amin'ny fipetrahan'ny mpitsara Lisiasa niaro ny fanekena araka izay azo atao, dia nitaona sy nandamina tsara ny fon'ny olona, vao niainga ho any Antiokia. Toy izany no nalehan'ny famelezana sy fihatahan'ny mpanjaka.
Toko faha-14
1 Nony afaka telo taona, ren'i Jodasa sy ny namany fa hoe: niondrana avy ao amin'ny fitodian-tsambon'i Tripoli Demetriosa zanak'i Seleokosa, nitondra miaramila maro sy andian-tsambo,2 ka nahalasa ny tany, sy namono an'i Antiokosa mbamin'i Lisiasa mpiahy azy.