Ny Jenezy

Toko faha-47

31 Ary hoy Jakoba: Mianiàna àry amiko. Dia nianiana taminy Josefa ka niankohoka Israely teo an-doha farafara.

Toko faha-48

1 Toarian'izany nisy tonga nilaza tamin'i Josefa hoe: Indro marary rainao. Nentiny niaraka taminy Manase sy Efraima zanany mirahalahy.

2 Dia nilazana Jakoba natao hoe: Indro tamy Josefa zanakao, ho atý aminao. Ka naka hery Israely niarina teo ambony farafarany. 3 Ary hoy Jakoba tamin'i Josefa: 4 Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra dia efa niseho tamiko tany Loza, any amin'ny tany Kanaana ary nitso-drano ahy, nanao hoe: Hahamaro anaka anao aho, hampitombo anao aho, hahatonga anao ho firenena maro aho, ary homeko ny taranakao mandimby anao ity tany ity, hananany azy mandrakizay. 5 Koa ankehitriny, ny zanakao roa lahy izay naterakao tatý Ejipta, talohan'ny nahatongavako atý aminao teto Ejipta, dia ho ahy, ho ahy, tahaka an-dRobena sy Simeona koa Efraima sy Manase, 6 fa ny zanakao izay naterakao taorian'ireo dia ho anao; ary amin'ny anaran'ireo rahalahiny ihany no hiantsoana azy raha ny amin'ny anjara lovany. 7 Ary izaho fony niverina avy any Padana dia maty teo anatrehako teny an-dàlana Rasela tany amin'ny tany Kanaana, efa mby lavitra akaiky an'i Efratà, ka dia naleviko teo, amin'ny làlana mankany Efratà, dia Betleema izany. 8 Nony nahita iretsy zanak'i Josefa Israely dia nanontany hoe: Iza moa ireto?

9 Ka hoy Josefa tamin-drainy: Ireo no zanako nomen'Andriamanitra ahy tatý. Ary hoy izy: Mba ampandrosoy kely ho eto anilako izy, hotsofiko rano. 10 Fa efa nanjavona ny mason'Israely noho ny fahanterana, ka tsy nahita. Dia nampandrosoin'i Josefa nankeo anilany ireo ka sady nanoroka no namihina azy Israely. 11 Ary hoy Israely tamin'i Josefa hoe: Tsy nanampò hahita tava anao intsony aho, kanjo indro ataon'Andriamanitra mahita ny taranakao aza. 12 Nesorin'i Josefa hiala teo anelanelan'ny lohali-drainy aloha izy mirahalahy, dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany izy; 13 dia noraisin'i Josefa izy mirahalahy, Efraima tamin'ny an-kavanany, ho eo ankavian'Israely; ary Manase tamin'ny an-kaviany, ho eo ankavanan'Israely, dia nampandrosoiny izy ireo. 14 Natsotran'Israely ny tànany havanana, ka napetrany tamin'ny lohan'i Efraima izay zandriny; ary ny tànany havia tamin'ny lohan'i Manase; niniany natao toy izany ny tànany, fa Manase no zokiny. 15 Dia nitso-drano an'i Josefa izy, ka nanao hoe: Enga anie ka ilay Andriamanitra izay teo anatrehany no nandehanan'i Abrahama sy Isaaka razako, ilay Andriamanitra izay namelona ahy hatrizay niainako ka mandrak'ankehitriny; 16 ary ilay anjely namonjy ahy ho afaka tamin'ny loza rehetra hitso-drano an'ireto zaza ireto. Aoka hantsoina amin'ny anarako, sy amin'ny anaran'i Abrahama sy Isaaka razako izy; ary hitombo ho maro dia maro, eo amin'ny tany. 17 Nony hitan'i Josefa fa napetra-drainy tamin'ny lohan'i Efraima ny tànany havanana, dia tsy sitrany izany, ka nalainy ny tanan-drainy hesoriny eo ambonin'ny lohan'i Efraima hatao eo amin'ny an'i Manase.

18 Ary hoy Josefa tamin-drainy: Tsy izao no izy, ry ikaky, fa ity no lahimatoa ka apetraho eo amin'ny lohany ny tànanao havanana. 19 Tsy nety anefa rainy fa hoy izy: Fantatro ihany anaka, fantatro ihany. Ho tonga firenena koa izy, ho tonga lehibe koa izy, kanefa ho lehibe noho izy ny zandriny, ary ho tonga firenena maro ny taranany. 20 Dia nitso-drano azy ireo izy, tamin'izany andro izany, ka nanao hoe: Aminao no hitsofan'Israely rano, hoe: Hataon'Andriamanitra tahaka an'i Efraima sy Manase anie hianao. Toy izany no nanaovany an'i Efraima ho alohan'i Manase. 21 Ary hoy Israely tamin'i Josefa: Indro aho efa ho faty. Kanefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo ho any amin'ny tanin-drazanareo indray.

22 Ary omeko ho tombon-dahinao amin'ireo rahalahinao ny zaratany anankiray, izay nalaiko tamin'ny sabatro sy ny tsipikako, teo an-tànan'Amoreana.

Toko faha-49

1 Ary Jakoba namory ny zanany lahy, ka nanao taminy hoe: Mivoria hianareo, fa hambarako aminareo izay ho tonga aminareo any am-parany any:

2 Mivoria, ry zanakalahin'i Jakoba, ka mihainoa: Mihainoa an'Israely rainareo.

3 Robena ô, hianao lahimatoako. Heriko sy voalohan-teraky ny tanjako, ka manan-tombom-boninahitra, manan-tombom-pahefana,

4 nandroadroatra toy ny rano hianao, ka tsy hanana ny fiamboniana! Fa niakatra tamin'ny fandrian-drainao hianao, Ka nandoto ny fandriako tamin'ny niakaranao tao.

5 Simeona sy Levì dia mpirahalahy, Fiadiana enti-manao an-kery ny sabany.

6 Aza miditra amin'ny fivoriany fakan-kevitra ny fanahiko, Fa nanao vonoan'olona tamin'ny fahatezerany izy, ary nahatraingo ombalahy tamin'ny fisafoahany.

7 Ho voaozona anie ny fahatezerany, fa nasiaka izany; ary koa ny fahavinirany, fa loza izany. Hizarazara azy amin'i Jakoba aho, ary hampihahaka azy amin'Israely.

8 Ry Jodà, hianao hoderain'ny rahalahinao; ny tànanao ho eo amin'ny vozon'ny fahavalonao; ny zanaky ny rainao hiankohoka eo anatrehanao.

9 Liona tanora Jodà: Niakatra avy nandripaka hianao, anaka; Nanongalika izy, dia nanao fandrin-diona, Fandrin-diom-bavy, zovy no hanaitra azy?

10 Tsy hiala amin'i Jodà ny tehim-panjakana, Tsy hiala eo anelanelan'ny tongony ny tehina fanapahana, Mandra-pihavin'i Silao: Izy no hotoavin'ny firenena.

11 Mamatotra ny zanak'ampondrany amin'ny voaloboka izy ary ny zanak'ampondravaviny amin'ny tahom-boaloboka. Sadàny amin'ny divay ny fitafiany, ary amin'ny ran'ny voaloboka ny kapaotiny.

12 Mena ny masony azon'ny divay, Ary fotsy ny nifiny azon'ny ronono.

13 Zabolona monina amoron-dranomasina, Dia eo amoron'ny fitodian-tsambo, Mifanolotra amin'ny Sidona ny sisin-taniny.

14 Isakara dia ampondra tomady, Mandry eo anatin'ny valany;

15 Hitany fa tsara ny fialan-tsasatra, Sady mahafinaritra ny tany, Dia nahilany hitondra entana ny sorony, Ka tonga mpanompo mandoa hetra izy.

16 Dana dia mitsara ny olony, Tahaka ny hafa rehetra amin'ny fokon'Israely.

17 Bibilava eo an-dàlana Dana, Menarana eo an-tsakeli-dàlana izy; Kakeriny ny kitrokelin-tsoavaly, Mba hitatavoka mitsilany ny mpitaingina azy,

18 Ny famonjenao no antenaiko, ry Iaveh!

19 Gada dia poritin'andian'olona mitam-piadiana; Nefa mba poritiny amin'ny ombalahin-tongony koa indray ireny.

20 Asera no ihavian'ny hanina matsiro, Izy no mamonona ny hanim-py ho an'ny mpanjaka.

21 Neftalì dia serfavavy mikarenjy; Mamoaka teny mahafinaritra izy.

22 Josefa no solofon-kazo mahavokatra, Solofon-kazo mahavokatra amoron-doharano izy; Misandratra tafahoatra ny tamboho ny rantsany.

23 Mihaika azy ny mpandefa zana-tsipìka, Mandefa zana-tsipìka aminy sy mamely azy,

24 Mateza hery anefa ny tsipìkany, Tonga mailaka ny sandry aman-tànany, Avy amin'ny tànan'ilay maherin'i Jakoba, Ilay Mpiandry sy Vatolampin'Israely.

25 Avy any amin'Andriamanitry ny rainao - hitahy anao anie izy! Sy avy any amin'ilay mahefa ny zavatra rehetra - hanisy soa anao anie izy! No hahazoanao ny tso-drano avy amin'ny lanitra ambony, Ny tso-drano avy amin'ny hantsana lalina ambany, Ny tso-drano avy amin'ny nono aman-kibon-dreny,

26 Ny tso-dranon-drainao mihoatra, Ny tso-dranon'ny tendrombohitra fahagola, Sy ny hatsaran-tarehin'ny havoana mandrakizay. Ho eo an-dohan'i Josefa anie izany, Dia ho eo an-kandrin'ilay andrian'ny rahalahiny!

27 Benjamina dia amboadia mamiravira; Maraina izy homan-dremby, Hariva izy mizara babo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1565