Ny Jenezy

Toko faha-49

28 Ireo rehetra ireo no nihavian'ny foko roa ambin'ny folon'Israely; toy izany no nolazain-drainy taminy sy nitsofany rano azy. Notsofiny rano samy araka ny tso-dranony manokana avy izy.

29 Rahefa izany, izao no hafatra napetrany tamin'izy ireo: Efa hakambana any amin'ny razako aho izao, ka aleveno any amin'ny razako, anatin'ny zohy izay ao amin'ny sahan'i Efrona, Heteana;

30 anatin'ny zohy amin'ny saha Makpelà, tandrifin'i Mambre, any amin'ny tany Kanaana: dia izay novidin'i Abrahama mbamin'ny saha, tamin'i Efrona, Heteana, hananany fasana ho azy. 31 Tao no nandevenana an'i Abrahama sy Sarà vadiny. Tao no nandevenana an'Isaaka sy Rebekà vadiny. Ary tao no nandevenako an'i Lià. 32 Tamin'ny taranak'i Heta, no nividianana ny saha mbamin'ny zohy ao aminy. 33 Nony avy nametraka ny didiny tamin'ireo zanany lahy Jakoba, navonkiny teo am-parafara ny tongony dia niala aina izy, ka voangona any amin'ny razany.

Toko faha-50

1 Nihohofan'i Josefa tamin'ny tavany ity rainy, ka sady nitomany teo aminy izy no nanoroka azy.

2 Ary nomeny teny ny mpanao fanafody manompo azy, hanosotra zava-manitra an-drainy, ka dia nanosotra an'Israely ny mpanao fanafody. 3 Efa-polo andro no nanaovan'ireo an'izany, fa izany no fetr'andro fanosoram-paty. Ary fito-polo andro no nisaonan'ny Ejipsiana azy. 4 Nony tapitra ny andro nisaonany azy, dia niteny Josefa tamin'ny olona ao an-tranon'i Faraona nanao hoe: Raha mba nahita fitia teo imasonareo koa aho, dia mba lazao kely ho henon'i Faraona izao:

5 Nasain'ikaky nianiana aho, nataony hoe: Indro ho faty aho, ka any amin'ny fasana nohadiko ho ahy any amin'ny tany Kanaana no handevenanao ahy. Ka mba te-hiakatra any aho handevina ny raiko ary mbola hiverina indray. 6 Ary hoy ny navalin'i Faraona: Miakara àry, aleveno ny rainao, araka ny nampianianany anao. 7 Dia niakatra handevina an-drainy Josefa. Niara-niakatra taminy koa ny mpanompon'i Faraona rehetra, ny loholona tao an-tranony, ny loholona rehetra tamin'ny tany Ejipta,

8 ny ankohonan'i Josefa rehetra, ny rahalahiny ary ny ankohonan-drainy. Ny ankizy madinika sy ny ondry ary ny omby ihany no sisa najanony teo amin'ny tany Gesena. 9 Nisy kalesy amam-pitaingin-tsoavaly maro koa, niara-niakatra taminy, ka dia be ny mpanotrona. 10 Nony tonga teo am-pamoloan'i Atada ao andafin'i Jordany izy ireo dia nitomany amam-pigogogogoana mafy, fa nanokana hafitoana hanaovana fisaonana ho voninahitry ny rainy, Josefa. 11 Nony nahita izany fisaonana tao am-pamoloan'i Atada izany ny Kananeana tompon-tany dia hoy izy: Endrey izany fisaonana lehibe amin'ny Ejipsiana! Izany no nanaovana ny anaran'io fitoerana an-dafin'i Jordany io hoe: Abela Mitsraïma. 12 Koa dia nataon'ireo zanak'i Jakoba taminy àry izay nandidiany azy.

13 Nitondra azy ho any amin'ny tany Kanaana ny zanany, dia nandevina azy ao amin'ny zohy, amin'ny sahan'i Makpela, izay novidin'i Abrahama mbamin'ny saha tamin'i Efrona, Heteana, mba hananany fasana ho azy, tandrifin'i Mambre. 14 Nony vita levenana rainy dia niverina ho any Ejipta Josefa mbamin'ny rahalahiny, sy izay rehetra niara-niakatra taminy handevina an-drainy.

15 Rahefa hitan'ireo rahalahin'i Josefa fa maty rainy dia hoy izy: Sao dia anaovan'i Josefa fo lentika isika, ka valiany amin'izao ny ratsy rehetra nataontsika taminy.

16 Koa nampilaza tamin'i Josefa izy nanao hoe: Nanafatra rainao talohan'ny nahafatesany, 17 nanao hoe: Izao no holazainareo amin'i Josefa: Avelao lahy ny heloka amam-pahotan'ireo rahalahinao, fa nahavita ratsy taminao izy. Nefa mifona aminao aho ankehitriny, avelao re ny heloky ny mpanompon'ny Andriamanitry ny rainao. Nitomany Josefa nandre izany teny izany. 18 Ary ny tenan'ireo rahalahiny dia tonga niankohoka teo anatrehany nanao hoe: Mpanomponao izahay. 19 Fa hoy Josefa tamin'izy ireo: Aoka tsy hanan-tahotra hianareo; fa moa solon'Andriamanitra va aho? 20 Ny hanisy ratsy ahy no tao an-tsainareo; fa ny hampisy soa avy amin'izany kosa no tao an-tsain'Andriamanitra, mba hahatanteraka izao hita anio izao, mba hamonjy ny ain'ny vahoaka maro be. 21 Koa aza manan-tahotra akory, fa hamelona anareo, na ny tenanareo na ny zanakareo, aho. Toy izany no nampiononany azy tamin'ny teny mankamin'ny fon'izy ireo. 22 Ka dia nonina tany Ejipta Josefa, izy sy ny ankohonan-drainy. Folo amby zato taona no andro niainany.

23 Nahita ny terak'i Efraima hatramin'ny taranaka fahatelo izy. Ary nisy koa zanak'i Makira zanak'i Manase izay teraka ka noraisin'i Josefa teo am-pofoany. 24 Ary hoy Josefa tamin'ireo rahalahiny: Izaho ity ho faty; nefa Andriamanitra kosa dia hamangy anareo tokoa sy hampiakatra anareo avy amin'ity tany ity ho any amin'ny tany nianianany homena an'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba.

25 Dia nasain'i Josefa nianiana koa ireo zanak'Israely, nataony hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hoentinareo miakatra hiala atý ny taolako. 26 Dia maty Josefa rahefa folo amby zato taona. Nohosorana zava-manitra izy, dia napetraka anaty vatam-paty tany Ejipta.

Eksaody

Toko voalohany

1 Izao no anaran'ny zanak'Israely tonga tany Ejipta; tonga niaraka tamin'i Jakoba izy ireo samy nombam-pianakaviany avy.

2 Robena, Simeona, Livì, Jodà. 3 Isakara, Zabolona, Benjamina. 4 Dana, Neftalì, Gada ary Asera. 5 Fito-polo izy rehetra terak'i Jakoba; ary Josefa efa tany Ejipta. 6 Ary maty Josefa sy ny rahalahiny rehetra mbamin'ireo taranaka rehetra ireo. 7 Maro anaka sy nitombo fatratra ny zanak'Israely, ka tonga maro be sy nahery tokoa ary nanenika ny tany. 8 Fa nisy kosa mpanjaka vaovao, tsy nahalala an'i Josefa, nanjaka tamin'i Ejipta.

9 Hoy izy tamin'ny vahoakany: Tonga vahoaka be sy mahery noho isika ireto, ny zanak'Israely. 10 Ka handeha ataovy izay hiarovantsika tena aminy, fandrao mitombo izy; ary raha misy ady tonga tampoka, dia hikambana amin'ny fahavalo hamely antsika izy, dia hivoaka hiala amin'ny tany. 11 Ka dia nanendry mpifehy hampanao fanompoana an'Israely izy, mba hamoritra azy amin'ny asa mafy; izany no nahavitana tanàna, natao fitehirizan-javatra ho an'i Faraona dia Pitaoma sy Ramsesa. 12 Kanjo, araka ny namoretana azy no vao mainka nitomboany sy nihamaroany kosa, ka tonga nankahalain'ny olona ny zanak'Israely. 13 Nampiasain'ny Ejipsiana an-tery vozona ny zanak'Israely, 14 nampangidiny ny fiainan'izy ireo tamin'ny asa mafy dia mafy, dia tamin'ny feta, biriky, asa an-tsaha isan-karazany rehetra, izay asa nanereny azy tamin-kalozana. 15 Ary ny mpanjakan'i Ejipta niteny tamin'ireo mpampivelona ny Hebrio, atao hoe Seforà ny iray, ary Foà ny iray,

16 ka nanao tamin'ireo hoe: Raha mampivelona ny vehivavy Hebrio hianareo ka hitanareo eo amin'ny seza roa sosona izy, raha lahy, dia vonoy, fa raha vavy kosa, dia azo avela ho velona. 17 Natahotra an'Andriamanitra anefa ireo mpampivelona, ka tsy narahiny ny tenin'ny mpanjakan'i Ejipta, fa navelany ho velona ihany ny zazalahy. 18 Dia nampiantsoin'ny mpanjakan'i Ejipta ny mpampivelona ka nataony hoe: Nahoana hianareo no nanao toy izany ka navelanareo ho velona ny zazalahy?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2746