Eksaody

Toko voalohany

19 Fa hoy ny navalin'ny mpampivelona tamin'i Faraona: Tsy mba tahaka ny Ejipsiana anie ny vehivavy Hebrio: matanjaka izy, ka mbola tsy tonga akory ny mpampivelona dia teraka izy. 20 Koa ny mpampivelona nasian'Andriamanitra soa, ary ny vahoaka nihamaro sy nihanahery fatratra.

21 Nambinin'Andriamanitra ny fianakavian'ny mpampivelona noho ny fahatahorany an'Andriamanitra. 22 Ary Faraona nandidy ny vahoaka rehetra, nanao hoe: Atsipazo any anaty ony ny zazalahy teraka rehetra fa ny zazavavy avelao ho velona.

Toko faha-2

1 Nisy lehilahy anankiray, fokon'i Levì, lasa naka ho vadiny ny zanakavavin'i Levì anankiray.

2 Ary tonga bevohoka ravehivavy dia tera-dahy. Ary hitany fa tsara tarehy ity zaza, ka dia nafeniny telo volana. 3 Nony efa tsy azony nafenina intsony dia nalainy ny vata zozoro anankiray, nohosorany mena-tany sy ditin-kazo dia napetrany tao ny zaza, ka nalatsany tao anaty bararata amoron'ny ony. 4 Ary ny anabavin'ilay zaza no nijanona teny lavidavitra teny, mba hahita izay hihatra aminy. 5 Dia nidina handro eo amin'ny ony ny zanakavavin'i Faraona, ka nitsangantsangana teny amoron'ny ony teny ny zazavavy namany. Rahefa tazany ilay vata tao anaty bararata dia nasainy nalain'ilay ankizivaviny.

6 Nosokafany ity izy, ka hitany ilay zaza, zazalahy kely mitomany, dia nangoraka azy izy, ary nanao hoe: Zanaky ny Hebrio itony. 7 Tamin'izay kosa ny anabavin'ity zaza dia niteny tamin'ny zanakavavin'i Faraona nanao hoe: Moa tianao va ny handehanako hitady mpitaiza amin'ny vehivavy Hebrio hampinono io zaza io? 8 Mandehana, hoy ity zanakavavin'i Faraona. Dia lasa razazavavy naka ny renin'ny zaza. 9 Ary hoy ny zanakavavin'i Faraona taminy: Ento ity zaza ity ka tezao ho ahy, fa homeko anao ny karamanao. Dia nentin-dravehivavy ny zaza ka notezainy. 10 Nony efa lehibe ny zaza dia nentiny tany amin'ny zanakavavin'i Faraona, ka nataony toy ny zanany, sy nomeny anarana hoe Moizy, fa teo amin'ny rano no nanalako azy, hoy izy. 11 Tamin'izany andro izany efa lehibe Moizy, ka nivoaka nankany amin'ny rahalahiny; nahita ny asa mafy nataony izy, ary nisy Ejipsiana anankiray hitany nikapoka Hebrio anankiray tamin'ireo rahalahiny.

12 Niherikerika nijery izy aloha, ka nony fantany fa tsy nisy olona teny, dia novonoiny ilay Ejipsiana ka nafeniny tao anaty fasika. 13 Ny ampitson'izay indray, nivoaka izy, ka indry fa nifanditra ny Hebrio roa lahy, ary hoy izy tamin'ilay diso hoe: Ahoana no ikapohanao ny namanao? 14 Fa hoy ny navalin-dralehilahy: Iza no nanangana an'ialahy ho lehibenay sy mpitsara anay? Sa tadiavin'ialahy hovonoina koa aho, tahaka ny namonoan'ialahy ilay Ejipsiana? Raiki-tahotra Moizy, ka hoy izy: Misy mahalala tokoa ilay zavatra. 15 Nony ren'i Faraona ny zavatra nitranga dia notadiaviny hovonoina Moizy, saingy nandositra ny tànan'i Faraona izy, ka nankany amin'ny tany Madiana, dia nipetraka teo anilan'ny lavaka fantsakana. 16 Nanan-janaka fito mirahavavy ny mpisorona tao Madiana; ary tonga nanovo rano izy ireo, dia nameno ny tavy hampisotroany ny biby fiompin-drainy.

17 Kanjo tonga ny lehilahy mpiandry ondry ka nandroaka azy ireo. Fa nitsangana kosa Moizy niaro azy sy nampisotro rano ny biby fiompiny. 18 Nony tafaverina tany amin-dRagoela rainy izy ireo, dia hoy izy: Nahoana no nalaky tafaverina hianareo androany? 19 Ka hoy ny navaliny: Nisy Ejipsiana anankiray niaro anay tamin'ny tànan'ny mpiandry ondry, sy nanovo rano ho anay aza sady nampisotro ny biby fiompy. 20 Dia hoy izy tamin'ireo zanany vavy: Aiza izy izany: Nahoana no navelanareo any izany lehilahy izany? Antsoy izy hihinan-kanina. 21 Ary nanaiky hitoetra tao amin-dralehilahy Moizy ka nomen'io ho vadiny Seforà zanany vavy. 22 Tera-dahy Seforà ka nataon'i Moizy hoe Gersama ny anarany, fa hoy izy: Vahiny aty an-tany hafa aho. 23 Maty tanatin'izany andro maro izany ilay mpanjakan'i Ejipta. Ny zanak'Israely mbola niferinaina tamin'ny fanandevozana, ka velon-taraina mafy, ka tafasondrotra hatrany amin'Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanandevozana.

24 Koa nohenoin'Andriamanitra ny fitarainany; tsaroany ny fanekeny tamin'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba. 25 Nijery ny zanak'Israely Andriamanitra ka nahafantatra azy.

Toko faha-3

1 Ary Moizy niandry ny biby fiompin'i Jetrao, rafozany, mpisorona tao Madiana. Nentiny nankany ankoatry ny efitra ny biby, ka tonga tany amin'ny tendrombohitr'Andriamanitra, tany Horeba, izy.

2 Ny anjelin'ny Tompo niseho taminy, amin'ny endriky ny lelafo, teo afovoan'ny zava-maniry milobolobo. Hitan'i Moizy fa indro nirehitra avokoa ilay zava-maniry milobolobo, nefa tsy levona ilay zava-maniry milobolobo. 3 Ka hoy Moizy: Ndeha hiolaka aho handinika io fahitana lehibe io, sy hizaha izay tsy mahalevona ny zava-maniry milobolobo. 4 Hitan'ny Tompo fa niolaka hijery izy; dia niantso azy Andriamanitra teo afovoan'ny zava-maniry milobolobo, nanao hoe: Ry Moizy! ry Moizy! Ka hoy ny navaliny: Inty aho. 5 Dia hoy Andriamanitra: Aza manakaiky eto: esory ny kapa amin'ny tongotrao, fa tany masina io. 6 Ary hoy koa izy: Izaho no Andriamanitry ny rainao, Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'Isaaka ary Andriamanitr'i Jakoba. Nosaronan'i Moizy ny tavany fa natahotra ny hijery an'Andriamanitra izy. 7 Ary hoy Iaveh hoe: Efa hitako ny fahorian'ny vahoakako izay any Ejipta ary henoko ny fitarainany noho ny afitsok'ireo mpamoritra azy: fa fantatro ny fijaliany. 8 Ka hidina aho hamonjy azy amin'ny tànan'ny Ejipsiana, hitondra azy miakatra avy amin'ity tany ity, ho any amin'ny tany mahavokatra sy malalaka, tany tondra-dronono aman-tantely, dia any amin'ny tany onenan'ny Kananeana, ny Heteana, ny Amoreana, ny Ferezeana, ny Heveana ary ny Jeboseana. 9 Ary ankehitriny dia indro fa tafasondrotra hatraty amiko ny fitarainan'ny zanak'Israely, ary efa hitako ny fahoriana atambesatry ny Ejipsiana amin'izy ireo. 10 Koa handeha hianao amin'izao, irahiko ho any amin'i Faraona, hitondranao mivoaka ny zanak'Israely vahoakako. 11 Fa hoy Moizy tamin'Andriamanitra : Zinona moa aho no hankany amin'i Faraona sy hitondra ny zanak'Israely hivoaka avy any Ejipta?

12 Dia hoy Andriamanitra: Homba anao aho; ary izao no famantarana fa izaho no naniraka anao: Rahefa tafavoakanao an'i Ejipta ny vahoaka, dia hanompo an'Andriamanitra eto amin'ity tendrombohitra ity hianareo. 13 Ary hoy Moizy tamin'Andriamanitra: Izao àry, dia ho any amin'ny zanak'Israely aho, ka hilaza aminy hoe: irahin'ny Andriamanitry ny razanareo aho ho aty aminareo. Raha manontany izay anarany izy, dia ahoana no havaliko azy ireo? 14 Hoy Andriamanitra tamin'i Moizy: Izaho no Ilay misy. Izany, hoy izy, no havalinao ny zanak'Israely: Ilay misy no maniraka ahy ho aty aminareo. 15 Dia hoy koa Andriamanitra tamin'i Moizy: Lazao amin'ny zanak'Israely hoe: Iaveh, Andriamanitry ny razanareo, dia ny Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'Isaaka, Andriamanitr'i Jakoba, no maniraka ahy ho aty aminareo. Fa izany no anarako mandrakizay; izany no hahatsiarovana ahy hatramin'ny taranaka fara mandimby. 16 Mandehana, vorio ny loholon'Israely, ka lazao aminy hoe: Niseho tamiko Iaveh, Andriamanitry ny razanareo, dia ny Andriamanitr'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba, nanao hoe: Namangy anareo aho, ary nahita ny anaovan'ny olona anareo any Ejipta. 17 Ka hoy aho: Hoentiko hianareo hiakatra avy any Ejipta, izay hamoretana anareo, ho any amin'ny tanin'ny Kananeana, ny Heteana, ny Amoreana, ny Ferezeana, ny Heveana ary ny Jeboseana, any amin'ny tany tondra-dronono aman-tantely. 18 Fa hihaino ny teninao izy ireo; dia handeha hianao sy ny loholon'Israely ho any amin'ny mpanjakan'i Ejipta, ka hanao aminy hoe: Niseho taminay Iaveh ilay Andriamanitry ny Hebrio. Koa amin'izao avelao izahay handeha lalan-kateloana any an'efitra, hanolotra sorona amin'ny Tompo, Andriamanitray. 19 Fantatro ihany fa tsy hamela anareo handeha ny mpanjakan'i Ejipta, raha tsy amin'ny tànana mahery; 20 nefa haninjitra ny tànako aho hamely an'i Ejipta, amin'ny fahagagana isan-karazany hataoko eo aminy, ka havelany handeha hianareo rahefa afaka izany. 21 Hataoko mahita fitia eo imason'ny Ejipsiana ity vahoaka ity, any ka tsy hitondra tanam-polo hianareo, rahefa handeha.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1544