Eksaody

Toko faha-3

22 Samy hangataka fanaka volafotsy sy fanaka volamena ary fitafiana, amin'izay mifanolo-body rindrina aminy sy amin'izay miray trano aminy avy, ny vehivavy, hataonareo amin'ny zanakareo lahy aman-janakareo vavy; ka dia hambabo an'i Ejipta hianareo.

Toko faha-4

1 Fa namaly Moizy ka nanao hoe: Tsy hino ahy izy ireo na hihaino ny feoko akory, fa hanao hoe: Tsy niseho taminao Iaveh.

2 Ka hoy Iaveh taminy: Inona iny an-tànanao iny? Dia hoy ny navaliny: Tehina ity. 3 Ary hoy Iaveh: Atsipazo amin'ny tany iny. Dia natsipiny tamin'ny tany, ka nanjary bibilava; ka vaky nandositra azy Moizy. 4 Fa hoy Iaveh tamin'i Moizy: Arosoy ny tànanao, ka raiso amin'ny rambony. 5 Narosony ny tànany dia nandray azy izy ka nanjary tehina indray io teo an-tànany. 6 Izany no hinoany fa niseho taminao Iaveh Andriamanitry ny razan'izy ireo, dia ny Andriamanitr'i Jakoba. Ary hoy koa Iaveh taminy: Atsofohy ao amin'ny tratranao ny tànanao. Dia natsofony tao amin'ny tratrany ny tànany dia notsoahany avy ao, ka indro rakotry ny habokana hoatra ny oram-panala. 7 Ary hoy Iaveh: Atsofohy ao amin'ny tratranao indray ny tànanao; ary natsofony tao amin'ny tratrany indray ny tànany, dia notsoahany avy ao, ka indro nanjary sahala amin'ny nofony. 8 Raha tsy mino anao izy fa tsy mihaino ny feon'ny famantarana voalohany, dia hino ny feon'ny famantarana faharoa. 9 Ary raha tsy mino amin'ireo famantarana roa ireo aza izy, ka tsy mihaino ny feonao, dia haka rano eo amin'ny ony hianao, hanosaka azy amin'ny tany, fa io rano nalainao teo amin'ny ony io hanjary rà eo amin'ny tany. 10 Dia hoy Moizy tamin'ny Tompo: Indrisy! ry Tompo, olona mananosarotra ihany aho raha hiteny, ary hatramin'ny omaly sy afak'omaly no toy izany aho, ary na dia hatramin'izao hitenenanao amin'ny mpanomponao izao aza miambatrambatra ny vavako sy ny lelako.

11 Fa hoy Iaveh taminy: Iza moa no nanao ny vavan'ny olombelona, ary zovy no mahatonga azy ho moana na marenina, mahiratra na jamba? tsy izaho Iaveh va? 12 Koa andeha, fa homba ny vavanao aho ary hanoro izay holazainao. 13 Hoy anefa Moizy: Indrisy! ry Tompo, ampitondray izay tianao hampitondraina azy re ny teninao. 14 Dia nirehitra tamin'i Moizy ny fahatezeran'ny Tompo, ka hoy izy: Tsy eo va Aarona, rahalahinao, ilay Levita? Fantatro fa tsy hananosarotra izy raha hiteny. Ary indro tamy hitsena anao aza izy, ka ho faly ny fony rahefa mahita anao. 15 Hiteny aminy hianao sy hanolotra ny teny hambarany; ary izaho homba ny vavanao sy ny vavany, ary haneho aminareo izay tsy maintsy hataonareo. 16 Izy no hiteny amin'ny vahoaka hisolo anao; ho solom-bavanao izy, ary hianao kosa ho solon'Andriamanitra aminy. 17 Ary iny tehina iny, dia ento eny an-tànanao, fa iny no hanaovanao ny famantarana. 18 Dia lasa Moizy. Nony tafaverina tany amin'i Jetrao rafozany izy, dia hoy izy taminy: Masìna hianao, avelao kely aho hiverina ho any amin'ireo rahalahiko any Ejipta, mba hizaha raha mbola velona ihany izy. Ary hoy Jetrao tamin'i Moizy: Mandehana amim-piadanana.

19 Hoy Iaveh tamin'i Moizy, tany amin'ny tany Madiana: Mandehana miverina any Ejipta fa efa maty avokoa ireo nitady hamono aina anao.

20 Dia nalain'i Moizy ny vady aman-janany, nampitaingeniny ampondra, ka niverina ho any an-tany Ejipta izy. Nataon'i Moizy an-tanany ny tehin'Andriamanitra. 21 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Eny am-pandehanana hiverina ho any Ejipta, diniho an-tsaina ireo fahagagana rehetra napetrako eo am-pelatànanao ireo; hataonao eo anatrehan'i Faraona ireo. Fa izaho kosa hanamafy ny fony, ka tsy havelany handeha ny vahoaka. 22 Hianao hilaza amin'i Faraona hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Israely dia zanako, zanako lahimatoa. 23 Ka izao no lazaiko aminao: Avelao handeha ny zanako, hanompo ahy; fa raha mandà hianao ka tsy mamela azy handeha, hovonoiko ny zanakao, dia ny zanakao lahimatoa. 24 Teny an-dàlana, teo amin'ny toerana anankiray nandrian'i Moizy, tamy nitsena azy Iaveh, nitady hahafaty azy.

25 Fa nalain'i Seforà ny fiharatra vato ka noforany ny zanany lahy, dia nakasiny ny tongotr'i Moizy ny nesoriny teo, nataony hoe: Vady tamin-drà ho ahy hianao. 26 Dia tsy naninona azy Iaveh. Tamin'izay no nilazan-dravehivavy hoe: Vady tamin-drà noho ny famorana. 27 Ary Iaveh nilaza tamin'i Aarona hoe: Mandehana mitsena an'i Moizy any an'efitra. Dia niainga Aarona, ka nifanena tamin'i Moizy teo an-tendrombohitr'Andriamanitra ary nanoroka azy.

28 Nampahalalain'i Moizy an'i Aarona avokoa ny teny nampitondrain'ny Tompo azy, sy ny famantarana rehetra nodidiny hataony. 29 Dia notohizan'i Moizy sy Aarona ny diany, ka namory ny loholona rehetra amin'ny zanak'Israely izy. 30 Ary nambaran'i Aarona avokoa ny teny nolazain'ny Tompo tamin'i Moizy, sady nataony teo imason'ny vahoaka ny famantarana; 31 ka nino ny vahoaka; fantany fa efa namangy ny zanak'Israely Iaveh sy efa nitsinjo ny fahoriany, ka dia niondrika nitsaoka izy ireo.

Toko faha-5

1 Rahefa izany, lasa nankao amin'i Faraona Moizy sy Aarona ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo, Andriamanitr'Israely: Alefaso handeha ny vahoakako hanao fety fankalazana ahy, any an'efitra.

2 Fa hoy ny navalin'i Faraona: Iza moa Iaveh no hoekeko teny, ka handefasako an'Israely handeha? Izaho tsy mahalala izay Iaveh, ka tsy havelako handeha Israely. 3 Dia hoy izy roa lahy: Ny Andriamanitry ny Hebrio no niseho taminay, ka avelao izahay handeha lalan-kateloana any an-efitra, hanolotra sorona amin'ny Tompo, mba tsy hamely anay amin'ny pesta na amin'ny sabatra izy. 4 Fa hoy ny mpanjakan'i Ejipta tamin'izy ireo: Nahoana hianareo, ry Moizy sy Aarona, no dia mandrebireby ny vahoaka tsy hanao ny asany? Mandehana mankany amin'ny fanompoanareo. 5 Dia hoy Faraona: Indro efa be izao ny vahoaka eto amin'ny tany, ka hotadiavinareo hatsahatra ve ny fanompoany? 6 Androtr'izay ihany dia nomen'i Faraona teny ny mpampiasa ny vahoaka sy ny mpanoratra nataony hoe:

7 Aza omena mololo hanaovam-biriky toy izay lasa izay intsony ny vahoaka, fa aoka ny tenan'izy ireo no handeha hanangona mololo. 8 Nefa ny biriky izay ampanaovinareo azy dia hitovy isa amin'izay nataony teo aloha, tsy hanalanareo na iray aza, fa kamo foana izy, ka izany no imenomenonany hoe: Maniry te-handeha hanao sorona amin'ny Andriamanitray izahay. 9 Ka ataovy matin-draharaha izany olona izany, ataovy mikikitra amin'ny asa, ary aoka izy tsy hihaino intsony izao antsanga tsy aman'orana rehetra izao. 10 Dia tonga ny mpampiasa ny vahoaka sy ny mpanoratra, ka nilaza tamin'ny vahoaka hoe: Izao no lazain'i Faraona: Tsy hanome mololo anareo intsony aho,

11 fa hianareo no mandeha mitady mololo any amin'izay hahitanareo any; ary ny raharaha fanaonareo tsy handatsahana na dia kely aza. 12 Dia niely eran'ny tany Ejipta ny vahoaka, hifako bozaka hatao solo-mololo. 13 Noporitin'ny mpampiasa nataony hoe: Efao ny asanareo, izay anjara asa voafetra hatao isan'andro tahaka ny fony nanana mololo hianareo. 14 Ary voakapoka ny mpanoratry ny zanak'Israely, izay notendren'ny mpampiasan'i Faraona hifehy azy ireo, fa hoy ny mpampiasa: Nahoana hianareo omaly sy androany, no tsy nahavita ny biriky fanaonareo toraky ny taloha? 15 Koa lasa nitaraina tany amin'i Faraona ny mpanoratry ny zanak'Israely nanao hoe: Nahoana hianao no dia manao toy izany amin'ny mpanomponao? 16 Tsy omena mololo akory ny mpanomponao nefa atao hoe: Manaova biriky, ka indro fa voakapoka ny mpanomponao, ary ny vahoakanao tonga diso amin'izany. 17 Fa hoy kosa Faraona: Olona kamo hianareo; olona kamo! Ka izany no ilazanareo hoe: Maniry ta-handeha hanolotra sorona amin'ny Tompo izahay. 18 Ka mandehana miasa amin'izao tsy homena mololo hianareo; ary ny isan'ny biriky hatolotrareo dia tsy hovàna akory.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2239