Eksaody

Toko faha-5

19 Hitan'ny mpanoratry ny zanak'Israely fa efa mandry andriran'antsy izy, fa ilazana hoe: Ny birikinareo tsy handatsahana, fa isan'andro dia ho latasy toraky ny fanao isan'andro ihany.

20 Ary izy nahita an'i Moizy sy Aarona, izay efa tao rahateo, miandry azy ireo hivoaka avy ao amin'i Faraona, 21 ka nilaza taminy hoe: Aoka Iaveh no hahita anareo sy hitsara; fa ny fitia azonay tamin'i Faraona sy ny mpanompony nataonareo mody halavolo, ary notoloranareo sabatra eo an-tànany izy hamonoana anay. 22 Niverina nankany amin'ny Tompo Moizy tamin'izay, ka nanao hoe: Tompo ô! nahoana hianao no dia nampidi-doza tamin'ity vahoaka? Nahoana aho no dia nirahinao? Fa hatrizay nankanesako tany amin'i Faraona hiteny amin'ny anaranao izay, ny vahoaka tsy itondrany roa intsony, nefa hianao tsy nanafaka ny vahoakanao velively akory.

Toko faha-6

1 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Tsy ho ela akory dia ho hitanao izay afitsoko an'i Faraona, fa noho ny tànana mahery dia handefa ireo handeha izy; noho ny tànana mahery dia handroaka azy hiala amin'ny taniny.

2 Niteny tamin'i Moizy Andriamanitra nanao hoe: Izaho no Iaveh.

3 Efa niseho tamin'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba ho Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra aho; fa mbola tsy nanambara ahy taminy aho araky ny anarako hoe Iaveh. 4 Efa nanao fanekem-pihavanana taminy koa aho mba hanomezako azy ireo ny tany Kanaana, izay tany nivahiniany sy nitoerany ho mpivahiny. 5 Nandre ny fitarainan'ny zanak'Israely izay andevozin'ny Ejipsiana aho, ka nahatsiaro ny fanekeko. 6 Koa lazao amin'ny zanak'Israely hoe: Izaho no Iaveh; hanafaka anareo amin'ny fanompoana ny Ejipsiana aho; hamonjy anareo amin'ny fanandevozan'izy ireo; ary sandry mihenjana sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo. 7 Halaiko ho vahoakako hianareo, ka ho Andriamanitrareo aho, izay manafaka anareo amin'ny fanompoana ny Ejipsiana. 8 Hampidiriko any amin'ny tany efa nianianako homena an'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba hianareo, homeko ho fanananareo izany: izaho no Iaveh. 9 Dia nolazain'i Moizy tamin'ny zanak'Israely izany. Nefa tsy nihaino an'i Moizy akory ireo, fa ory ny fony, ary mafy ny fanompoana.

10 Ary Iaveh niteny tamin'i Moizy nanao hoe:

11 Mandehana hianao miteny amin'i Faraona mpanjakan'i Ejipta, mba handefany ny zanak'Israely ho any ivelan'ny taniny. 12 Fa Moizy namaly teo anatrehan'ny Tompo hoe: Ny zanak'Israely aza tsy nihaino ahy, ka ahoana no hihainoan'i Faraona ahy? izay izaho votsa vava iny? 13 Dia niteny tamin'i Moizy sy Aarona Iaveh ary nanafatra azy ny amin'ny zanak'Israely, sy ny amin'i Faraona, mpanjakan'i Ejipta, momba ny famoahana ny zanak'Israely, hiala amin'ny tany Ejipta.

14 Izao no loham-pianakavian'izy ireo: Zanakalahin-dRobena, lahimatoan'Israely: Henoka, Falao, Hesrona ary Karmì. Ireo no fianakavian-dRobena.

15 Zanakalahin'i Simeona: Jamoela, Jamina, Ahoda, Jashina, Soara, ary Saola, zanakalahin'ilay vehivavy Kananeana. Ireo no fianakavian'i Simeona.

16 Izao no anaran'ny zanakalahin'i Levì, mbamin'ny taranany avy: Jersona, Kaata ary Merarì. Fito amby telo-polo amby zato taona no andro niainan'i Levì.

17 Zank'i Jersona: Lbonì sy Semeì isam-pianakaviany, 18 Zanak'i Kaata: Amrama, Isaara, Hebrona ary Oziela. Telo amby telo-polo amby zato taona no andro niainan'i Kaata. 19 Zanakalahin'i Merarì: Moholì sy Mosì. Ireo no fianakavian'i Levì mbamin'ny taranany avy. 20 Amrama naka an'i Jokabeda anabavin-drainy ho vadiny, ka io no niteraka an'i Aarona sy Moizy taminy. Fito amby telo-polo amby zato taona no andro niainan'i Amrama.

21 Zanakalahin'Isaara: Kore, Nefega ary Zekrì. 22 Zanakalahin'i Oziela: Misaela, Elisafana ary Setrì. 23 Aarona naka an'i Elisabeta, zanakavavin'i Aminadaba, anabavin'i Naasona, ho vadiny, ka io no niteraka taminy an'i Nabada, Abina, Eleazara ary Itamara.

24 Zanakalahin'i Kore: Asera, Elkanà ary Abiasafa. Ireo no fianakavian'i Korita.

25 Eleazara, zanakalahin'i Aarona, nanam-bady ny anankiray amin'ny zanakavavin'i Fotiela, ka izay no niteraka an'i Finea taminy. Ireo no loham-pianakavian'ny Levita araka ny fianakaviany.

26 Ireo no ilay Aarona sy ilay Moizy, izay nilazan'ny Tompo hoe: Ento mivoaka hiala amin'ny tany Ejipta ny zanak'Isarely, araka ny antokony avy.

27 Ireo no niteny tamin'i Faraona mpanjakan'i Ejipta, mba hitondra ny zanak'Israely hivoaka avy any Ejipta; dia io Moizy io sy io Aarona io. 28 Raha niteny tamin'i Moizy Iaveh any amin'ny tany Ejipta,

29 dia izao no nolazain'ny Tompo tamin'i Moizy: Izaho no Iaveh: Lazao amin'i Faraona, mpanjakan'i Ejipta, izay rehetra lazaiko aminao. 30 Ary izao no navalin'i Moizy teo anatrehan'ny Tompo: Indro fa votsa fiteny aho, ka ahoana ange no hihainoan'i Faraona ahy?

Toko faha-7

1 Dia hoy Iaveh tamin'i Moizy: Indro hianao efa nataoko ho Andriamanitra eo imason'i Faraona, ary Aarona rahalahinao no ho mpaminaninao.

2 Hianao moa hilaza izay rehetra handidiako anao; Aarona rahalahinao kosa, hiteny amin'i Faraona mba handefany ny zanak'Israely hiala amin'ny taniny. 3 Ary izaho hanamafy ny fon'i Faraona, sy hampitombo ny famantarako amam-pahagagako amin'ny tany Ejipta. 4 Tsy hihaino anareo Faraona, ary haninjitra ny tànako amin'i Ejipta aho, ary fitsarana lehibe no hamoahako avy amin'ny tany Ejipta, ny tafiko, ny oloko, ny zanak'Israely. 5 Ho fantatry ny Ejipsiana fa izaho no Iaveh, rahefa haninjitra ny tànako amin'i Ejipta aho sy hamoaka ny zanak'Israely avy ao afovoan'izy ireo. 6 Dia nataon'i Moizy sy Aarona izay nandidian'ny Tompo azy; izany no nataony. 7 Efa valo-polo taona Moizy ary telo amby valo-polo taona Aarona, tamin'izy ireo niteny tamin'i Faraona. 8 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy sy Aarona:

9 Raha avy izay hilazan'i Faraona aminareo hoe: Manaova fahagagana, dia lazao amin'i Aarona hoe: Raiso ny tehinao ka atsipazo eo anatrehan'i Faraona, fa hanjary bibilava iny. 10 Dia nankany amin'i Faraona Moizy sy Aarona, nataony avokoa izay nandidian'ny Tompo azy ireo. Natsipin'i Aarona ny tehiny teo anoloan'i Faraona sy ny mpanompony, ka nanjary bibilava. 11 Fa mba nantsoin'i Faraona koa ny mpanao ody any Ejipta, dia mba nahavita torak'izany koa, tamin'ny fankatoavany. 12 Samy nanipy ny tehiny avy izy, dia samy mba nanjary bibilava koa. Faingy natelin'ny tehin'i Aarona avokoa ny tehin'izy ireo. 13 Ka nihamafy ny fon'i Faraona, fa tsy nihaino an'i Moizy sy Aarona izy, araka ny efa voalazan'ny Tompo rahateo. 14 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Efa nihamafy ny fon'i Faraona ka mandà tsy handefa ny vahoaka.

15 Rahampitso maraina mankanesa any amin'i Faraona hianao, fa hivoaka ho any amoron-drano izy, ka dia ho eo amoron'ny ony hianao miandry azy. Hoentinao eo an-tànana ilay tehina voaova ho bibilava, 16 ary hianao hilaza aminy hoe: Nirahin'ny Tompo, Andriamanitry ny Hebrio, ho aty aminao, aho, hilaza aminao hoe: Avelao handeha ny vahoakako, hanompo ahy any an'efitra. Ary indro fa mandrak'izao dia tsy nety nihaino hianao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1551