Boky Faharoan'ny Makabeo

Toko faha-15

7 Makabeo kosa tsy nitsahatra ny nitoky tamin'ny fanantenana lavorary ny hahazo fanampiana avy amin'ny Tompo. 8 Namporisika ireo nomba azy izy tsy hatahotra ny famelezan'izay firenena, fa hahatsiaro ny vonjy nomen'ny Lanitra azy ireo taloha, hatoky fa ilay mahefa ny zavatra rehetra, dia mbola hanome azy fanampiana amam-pandresena amin'izany fotoana izany. 9 Nankahereziny izy ireo, tamin'ny teny nalainy tamin'ny lalàna sy ny mpaminany, mbamin'ny fampahatsiarovany azy ny ady efa voatohany, ka nataony feno harisihana mirehitra izy ireo. 10 Nony avy namelona ny herim-pon'ireo indray izy, dia nomeny ny baikony, nasehony azy koa ny famitahan'ny Jentily sy ny fivadihany amin'ny fianianany. 11 Rahefa voahenjany tsirairay avy izy, tsy tamin'ny toky avy amin'ny ampinga aman-defona ihany fa tamin'ny toky avy amin'ny teny soa indrindra, dia notantarainy taminy koa ity nofy mendrika hinoana, sy tena fahitana masina ity, izay nahafaly azy rehetra. 12 Izao no hitany: Oniasa mpisorona lehibe ilay lehilahy mpanao soa mora hatonina, malemy fanahy, kanto raha handaha-teny, nikely aina hatramin'ny fahazazany amin'ny fanarahana ny hatsaram-panahy rehetra; naninji-tànana nivavaka ho an'ny firenena Jody manontolo, no nahitany azy. 13 Nanaraka izany, niseho taminy torak'izany koa, izany lehilahy anankiray be fahamendrehana noho ny hamaroan'ny taonany, sy ny tarehiny mahate-hanaja; mahatalanjona ny fijery azy, ary voahodidina fiandrianana mahamena-maso indrindra izy. 14 Oniasa no niteny ka nanao taminy hoe: Ity no Jeremia, mpaminanin'Andriamanitra, sakaizan'ny rahalahiny, mazoto mivavaka ho an'ny firenena sy ny tànana masina. 15 Rahefa izany, naninjitra ny tànany havanana Jeremia, nanolotra sabatra volamena an'i Jodasa ka hoy izy teo am-panolorana izany: 16 Raiso ity sabatra masina ity, famonjen'Andriamanitra ity, ary amin'ity no hanorotoroanao ny fahavalonao. 17 Izany teny mendrika avy amin'i Jodasa izany, izay mety hitarika ny olona hahery fo sy hampitomban-dahy ny tovolahy, dia nampirehitra azy ireo, ka tapa-kevitra tsy hiaro tena fotsiny eo an-toby fa hiantoraka an-kasahiana amin'ny fahavalo, hikiry amin'ny ady, ary hamita ny raharaha, fa ambanan-doza ity ny tanàna, ny fivavahana, ny tempoly.

18 Tamin'izany ady izany, tsy dia noheveriny loatra izay vady aman-janany, na rahalahy aman-kavany, fa ny nahiny mafy sy voalohany indrindra dia ny tempoly masina. 19 Tsy latsaka noho izany koa ny tebitebin'ireo vahoaka tafajanona tao an-tanàna; nanahy izay hiafaran'ny ady efa ho rafitra any ivelany izy ireo. 20 Raha ny olona rehetra nitaintaina amin'izay hiafaran'ny ady efa antomotra, raha ny fahavalo nivory nilahatra hiady ary ny elefanta efa voalamina amin'ny toerana mety sy ny mpitaingin-tsoavaly teo amin'ny vazan-tafika,

21 Jodasa kosa, nahita ity vahoaka sesehena, izato hasamihafan'ny fiadiany, izatsy tarehy mahatsiravin'ny elefanta izay voalahatra tsara tokoa, ka nanangan-tànana nanandrandra ny lanitra, niantso ny Tompo manao fahagagana, satria fantany fa tsy avy amin'ny herin'ny fiadiana ny fandresena; fa Andriamanitra no manapaka izany sy manome izany an'izay mendrika azy. 22 Izao no vavaka nataony: Ry Tompo lehibe indrindra, hianao tamin'ny andron'i Ezekiasa mpanjakan'i Jodà, no naniraka ny anjelinao sy nandringana miaramila dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy, tamin'ny tobin'i Senakeriba; 23 koa ankehitriny, ry Tompon'ny lanitra lehibe indrindra, iraho indray ny anjelinao soa eo anoloanay handrotsaka tahotra amam-badi-po. 24 Ny herin'ny sandrinao anie no hamely an'ireo tonga hamely ny vahoakanao masina, sady miteny ratsy an'Andriamanitra. Izany no teny nataony. 25 Tamin'izany Nikanora sy ny tafiny, nandroso tamin'ny feon-trompetra aman-kiran'ady.

26 Jodasa sy ny momba azy kosa nandrafitra ny ady tamim-piantsoana sy fivavahana. 27 Niady tamin'ny tànany izy, ary nivavaka tamin'Andriamanitra tao am-pony, ka dimy arivo sy telo alina, raha dia kely, no natsingidiny tamin'ny tany; dia faly sy ravo izy ireo tamin'ny vonjy miharihary avy amin'Andriamanitra. 28 Nony vita ny ady, raha ilay niparitaka an-kafaliana iny izy ireo, dia indro hitany niampatra teo koa Nikanora nitafy ny akanjo fiadiany; 29 ka hoby sy hahohaho be ihany no nisaorany an'ilay Tompo lehibe indrindra tamin'ny tenin-drazany. 30 Ary Jodasa ilay nanolo-tena manontolo, vatana amam-panahy, hiaro ny iray tanindrazana aminy, sy nitahiry ny fitiavan'ny hatanorany ho an'ny iray firenena aminy, nandidy ny hanapahana ny lohan'i Nikanora, mbamin'ny tànany miray amin'ny sandriny, sy ny hitondrana izany any Jerosalema. 31 Nankany koa ny tenany, nantsoiny ny iray firenena aminy mbamin'ny mpisorona dia nankao anoloan'ny otely izy; nampanalainy izay ao amin'ny trano mimanda, 32 dia nasehony azy ireo ny lohan'i Nikanora mbamin'ny tànana nahinjitr'io mpiteny ratsy an'Andriamanitra io tamim-pireharehana, amin'ny fonenana masin'ny Tsitoha. 33 Rahefa izany, notapahiny ny lelan'i Nikanora mpankahala ny fivavahana; nasainy nomena, voatetika, ho sakafon'ny voromanidina, ary nasainy nahantona tandrifin'ny tempoly, ny tamin'ny hadalany. 34 Fisaorana ny Tompo be voninahitra no nasandratry ny olona rehetra ho any an-danitra, nanao hoe: Isaorana anie Ilay niaro ny fonenany tsy voakasi-doto! 35 Nahanton'i Jodasa teo amin'ny trano mimanda ny lohan'i Nikanora ho famantarana miharihary sy mety hitan'ny olon-drehetra ny vonjy avy amin'ny Tompo. 36 Nifanarahan'ny olona ny hamoaka didy am-pahibemaso mba tsy hamela izany andro izany tsy hankalazaina,

37 fa hankalaza ny andro fahatelo ambin'ny folon'ny volana faharoa ambin'ny folo atao hoe Adara, amin'ny teny siriaka, dia ny omalin'ny andro atao hoe andron'i Mardokea. 38 Toy izany ny zavatra nitranga momba an'i Nikanora ary satria hatramin'izany andro izany dia nipetraka ho fananan'ny Hebrio ny tanàna, dia taperiko eo koa ny tantarako.

39 Raha vita amim-pahaizana sy voaforon'ny saina tsara ny filaharan'ny zavatra, dia izany koa no nokendreko; ary raha tsy lavorary sy ratsiratsy aza izy, dia izay no hany azoko natao. 40 Satria toy ny hoe samy tsy tsara ny misotro divay fotsiny, na rano fotsiny, fa ny divay miaro amin'ny rano no tsara sy miteraka fahafinaretana maharavo; toy izany koa, ny fahaizana mandahatra ny tantara no mahafinaritra ny sofin'izay mamaky ny tantara, ka dia faranako eto izy.

Bokin'i Joba

Toko voalohany

1 Nisy lehilahy anankiray atao hoe Joba, tany amin'ny tanin'i Hosa. Izy io dia lehilahy marina, mahitsy, matahotra an'Andriamanitra ary nifady ny ratsy.

2 Fito lahy sy telo vavy no zanaka naterany. 3 Ny fananany kosa dia ondry fito arivo, rameva telo arivo, omby diman-jato tsiroaroa, ampondravavy diman-jato, ary mpanompo maro be, ka dia izy no lehilahy lehibe indrindra tamin'ny zanaky ny Tatsinanana. 4 Fanaon'ireo zanany ny mifamangy sy mifanasa amin'ny sakafo tsara samy amin'ny an'androny avy, ary naniraka hanasa ireo anabaviny telo vavy izy, hiara-mihinana sy misotro aminy.

5 Nony tapitra nitsingerina izany fanasana izany, nampanalain'i Joba ireo zanany dia nodioviny. Nifoha vao maraina koa izy sy nanatitra sorona dorana araka ny isan-janany, fa hoy izy: Fandrao nanota ny zanako, sy diso tamin'Andriamanitra tao am-pony. Toy izany no nataon'i Joba hatrany hatrany. 6 Indray andro kosa, nony tonga teo anatrehan'ny Tompo ireo zanak'Andriamanitra, dia mba tonga teo afovoan'izy ireo koa Satana.

7 Ka hoy Iaveh tamin'i Satana: Avy aiza hianao? Dia hoy ny navalin'i Satana: Avy nitety ny tany aho sy nitsangantsangana teny. 8 Ary hoy Iaveh tamin'i Satàna: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va hianao? Tsy misy olona toa azy eny ambonin'ny tany, marina, mahitsy, matahotra an'Andriamanitra, ary mifady ny ratsy. 9 Fa hoy Satana namaly an'ny Tompo: Moa matahotra an'Andriamanitra maimaim-poana va Joba? 10 Tsy efa vitanao fefy manodidina va ny tenany, ny ankohonany mbamin'ny ananany rehetra? Fa nambininao ny asan'ny tànany, ka manenika ny tany ny biby fiompiny. 11 Fa ahinjiro ny tànanao dia kasiho ny ananany, raha tsy manozona anao manatrika azy! 12 Ka hoy Iaveh tamin'i Satana: Indro, azonao anaranam-po avokoa izay ananany, fa ny tenany tokana no aza kasihin-tànana. Dia niala teo anatrehan'ny Tompo Satana. 13 Ary indray andro, raha ilay nihinana sy nisotro divay tao an-tranon'ny zokiny lahimatoa iny, ireo zanany lahy aman-janany vavy,

14 dia nisy iraka tonga nilaza tamin'i Joba hoe: Raha mbola niasa ny omby, ka nihinana teo akaikiny koa ny ampondravavy, 15 dia tonga tampoka ny Sabeana nandroba azy ireo, sady namono ny ankizilahy tamin'ny lelan-tsabatra, fa izaho irery no afa-nandositra hilaza izany aminao. 16 Mbola miteny eo io, no nisy iray koa tonga nilaza hoe: Nilatsaka avy any an-danitra ny afon'Andriamanitra ka nandoro ny ondry mbamin'ny ankizilahy, sy nandevona azy, fa izaho irery no hany afa-nandositra hilaza izany aminao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1485