Bokin'i Joba
Toko voalohany
17 Mbola miteny eo io, no nisy iray koa tonga nilaza hoe: Niantoraka tamin'ny rameva ny Kaldeana nizara telo toko, ka nandroba azy, sady namono ny ankizilahy tamin'ny lelan-tsabatra; fa izaho irery no afa-nandositra hilaza izany aminao.18 Mbola miteny eo io, dia nisy iray koa tonga nilaza hoe: Nihinana sy nisotro divay tao amin'ny zokiny lahimatoa, ny zanakao lahy aman-janakao vavy,
19 ary indro nisy rivotra mahery nifofofofo avy any an-dafin'ny efitra, nanainga ny zoron-trano efatra, dia nianjera tamin'ireo zatovo ny trano, ka maty izy: izaho irery no afa-nandositra hilaza izany aminao. 20 Dia nitsangana Joba tamin'izay, nandriatra ny fitafiany, nanaratra ny lohany, nidaboka tamin'ny tany ary niankohoka nanao hoe:
21 Nitanjaka no nivoahako avy tao an-kibon'ineny, ary mitanjaka no hiverenako any indray. Iaveh no nanome, Iaveh no naka; isaorana anie ny anaran'ny Tompo. 22 Tamin'izany rehetra izany Joba tsy nanota akory, na nilaza hadalana momba an'Andriamanitra.
Toko faha-2
1 Indray andro, raha tonga teo anatrehan'ny Tompo ireo zanak'Andriamanitra, dia mba tonga teo afovoan'izy ireo koa Satana, ka tonga teo anatrehan'ny Tompo.2 Ary hoy Iaveh tamin'i Satana: Avy aiza hianao? Ka hoy Satana namaly an'ny Tompo: Avy nitety ny tany aho ary nitsangantsangana teny. 3 Dia hoy Iaveh tamin'i Satana: Efa nandinika an'i JOba mpanompoko va hianao? Tsy misy olona toa azy eny ambonin'ny tany, marina, mahitsy, matahotra an'Andriamanitra ary mifady ny ratsy. Maharitra mandrakariva amin'ny fahamarinana izy, na dia notaominao hamery azy tsy ahoan-tsy ahoana aza aho. 4 Fa hoy ny navalin'i Satana an'ny Tompo: Hoditra fefin'ny hoditra! Izay ananan'ny olona dia atolony ho fefin'ny ainy avokoa. 5 Fa ahinjiro hikasika ny nofo amam-batany ny tànanao, raha tsy manozona anao manatrika izy! 6 Ka hoy Iaveh tamin'i Satana: Indro atolotro eo an-tànanao izy; ny ainy tokana no hany tsimbino. 7 Dia niala teo anatrehan'ny tavan'ny Tompo Satana, ka nasiany habokana ratsy Joba, hatrany am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany.
8 Ary Joba naka tavim-bilany hihaorany ny feriny, sy nipetraka teo ambony lavenona. 9 Dia hoy ny vavy taminy: Mbola maharitra amin'ny fahamarinanao ihany va hianao? Ozony Andriamanitra dia aoka ho faty hianao. 10 Fa hoy izy taminy: Miteny toy ny vehivavy adala hianao! Mandray ny soa avy amin'Andriamanitra isika, ka nahoana no tsy handray ny ratsy avy aminy koa? Tamin'izany rehetra izany Joba tsy mba nanota tamin'ny molony. 11 Nony nandre ny loza rehetra nanjo an'i Joba ireo sakaizany telo lahy: Elifaza avy any Temàna, Baldada avy any Sohe, ary Sofara avy any Naamà, dia samy niainga avy any amin'ny fonenany avy, ka niara-nidinika izay handehanana hitsapa alahelo sy hampionona azy.
12 Mbola teny lavidavitra teny izy, dia nanopy ny masony fa tsy nahalala azy, ka nanandra-peo nitomany; samy nandrovitra ny kapaotiny izy ireo, nanipy vovoka mankany an-danitra ambonin'ny lohany. 13 Dia niara-nipetraka tamin'ny tany teo akaikiny izy, fito andro sy fito alina tsy nisy niteny taminy, na dia indraim-bava aza, satria hitany fa mafy loatra ny fahoriany.
Toko faha-3
1 Rahefa afaka izany, dia niloa-bava Joba ary nanozona ny andro nahaterahany izy.2 Nanomboka niteny Joba nanao hoe:
3 Ho foana anie ny andro nahaterahako, Mbamin'ny alina nanao hoe: Misy olona iray vao torontoronina.
4 Hiova ho aizina anie izany andro izany, Ka tsy hiahy azy any ambony anie Andriamanitra, ary tsy hamirapiratra aminy anie ny hazavana.
5 Fa ny aizina aman'aloky ny fahafatesana anie hahalasa azy, ho voasaron'ny rahona matevina izy, ka hahatsiravina ny fanokanana ny hazavany!
6 Ho babon'ny aizim-pito anie izany alina izany, ka tsy hisaina amin'ny andron'ny taona, tsy hiditra amin'ny fanisana ny volana!
7 Ho efitra foana anie izany alina izany, ka tsy ho re ao ny hobin-kafaliana!
8 Hanozona azy anie ireo izay manozona ny andro, izay mahay mamoha an'i Leviatana!
9 Hihamaizina anie ny kintan'ny marainany, andrasany anie ny fahazavana nefa tsy ho tonga, ary aza mahita ny hodimason'ny maraina izy!
10 Satria tsy nohidiany ho ahy ny varavaran'ny kibo, ary nafeniny tamin'ny masoko ny fahoriana.
11 Toy izay aho, ka maty hatrany am-bohoka! Toy izay aho, ka niala aina, raha vao nivoaka avy tao an-kibo!
12 Nahoana aho, no dia nahita lohalika roa hiampofo? Ary nahoana no nisy nono roa notsentsefiko?
13 Fa toy izay aho efa nandry ary niadana, efa natory sy niala sasatra,
14 miaraka amin'ireo mpanjaka sy lehiben'ny tany, izay efa nahavita fasan-dehibe ho an'ny tenany;
15 Sy amin'ireo andriandahy be volamena, nameno volafotsy ny fonenany.
16 Na hoe: tsy ho nisy aho, toy ireo tsy tonga volana tsy fantatra; Sy toy ireo zaza tsy nahita masoandro.
17 Any, tsy manao an-keriny intsony ny ratsy fanahy any, miala sasatra ny olona lany hery;
18 ny voababo any, mandry fahizay avokoa, tsy mandre intsony izay feon'ny mpampahory azy.
19 Any avokoa ny kely sy ny lehibe, Ary ny mpanompo afaka amin'ny tompony.
20 Nahoana no atao mahita masoandro ny ory, sy omena ny aina ireo vonton'ny hangidy ny fanahiny,
21 manantena ny fahafatesana, nefa tsy avy ny fahafatesana; katsahiny an-kafanam-po, mihoatra noho ny rakitra,
22 fa sambatra izy ireo, sady mientan-kafaliana, ary miravoravo raha sehatra ny fasana;
23 dia ny olona maizin-dalan-kaleha izany, sy voafefin'Andriamanitra hatraiza hatraiza!
24 Ny fitolokoko no toy ny mofoko, ary ny fitarainako migororoana toy ny rano.
25 Fa izay atahorako no manjo ahy, ary izay angovitako no miantefa amiko.
26 Tsy misy fianinana intsony, tsy misy fiadanana intsony, tsy misy fitsaharana intsony, fa ny tebiteby no nahazo ahy.
Toko faha-4
1 Dia niteny Elifaza avy any Temana ka nanao hoe:2 Raha manandrana hiteny indraim-bava izahay, dia sao ho sosotra hianao amin'izany. Nefa zovy moa ho hahatana ny teniny?
3 Indro fa nampianatra olona maro hianao; nankahery izay niraviravy tanana hianao;
4 nampijoro izay nivembena ny teninao, sy nanampy ny lohalika malemy hianao.
5 Kanjo ankehitriny, nony mankaminao ny loza, dia kivy hianao, nony mba trany hianao izao, dia manary toky kosa!