Bokin'i Joba

Toko faha-30

29 Nanjary rahalahin'ny amboadia aho, sy tonga naman'ny zanak'ostritsa.

30 Ny hoditro mielakelaka, mivolom-balala maty; ny taolako mirehitra azon'ny afo ao anatiny.

31 Tsy mandefa afa-tsy feom-pisaonana ny lokangako, ary feo mitoreo ihany no avy amin'ny sodiko.

Toko faha-31

1 Efa fanekena nataoko tamin'ny masoko, ka hataoko ahoana no fanopy maso hijery virjiny?

2 Fa inona no anjara hotehirizin'Andriamanitra any ambony ho ahy? Anjara toy inona no homen'ny Tsitoha ahy any an-danitra?

3 Tsy anjaran'ny ratsy fanahy va ny loza? Ary tsy ho an'ny mpanao ny tsy marina va ny fahoriana?

4 Moa tsy mahalala ny lalako va Andriamanitra? Tsy manisa ny diako rehetra va izy?

5 Raha nandia ny lalan'ny lainga aho, raha nidodododo ho amin'ny fitaka ny tongotro,

6 holanjain'Andriamanitra eo amin'ny mizana marina aho, dia ho hitany ny tsy fananako tsiny.

7 Raha nivily niala tamin'ny lalana marina ny tongotro, raha nanaraka ny masoko ny foko, raha misy tsiny tafaraikitra amin'ny tanako;

8 dia aoka hamafy aho, fa olon-kafa no hijinja; aoka ho fongotra ny tamingako.

9 Raha adala tamim-behivavy ny foko, ka namitsaka teo am-baravaran'ny namako aho:

10 aoka hampihodina ny vato fitotoana ho an'ny hafa, ny vadiko; ary aoka ho olon-kafa no hanala baraka azy.

11 Fa heloka mahatsiravina izany, heloka fanameloky ny mpitsara,

12 afo mandoro mandra-pahalevona, tsy maintsy ho nandevona ny ananako rehetra.

13 Raha nolaviko ny rariny ananan'ny ankizilahy aman'ankizivaviko, fony ireny nifamaly tamiko; -

14 Inona no hatao raha hitsangana Andriamanitra? Inona no havaliko azy amin'ny andro hihaviany? -

15 Ilay namorona ahy tao ambohoka, moa tsy dia nanao azy koa? Moa tsy Mpahary iray ihany va no nampisy anay?

16 Raha nanda ny hataky ny mahantra aho; raha nahavalalanina foana ny mason'ny mananotena aho;

17 raha nibodoako izaho irery ny anjara mofoko, fa tsy nahazoan'ny kamboty anjara, -

18 hatramin'ny fahazazako, dia nitandrina ahy toy ny ray izy, hatramin'ny nahaterahako nitarika ny diako.

19 Raha nijery ny ory maty tsy manan-damba aho, ny mahantra tsy manan-kirakofana,

20 ka tsy nisaotra ahy ny fony, sy tsy nanafana azy ny volon'ny zanak'ondriko,

21 raha naninji-tanana namely ny kamboty aho, saingy nahita ahy manana ny mpitsara hiankinana:

22 aoka ny soroko hisaraka amin'ny tenabeko, aoka ny sandriko hitsoaka amin'ny taolam-panavy.

23 Fa izaho olona nataho-tody mandrakariva avy amin'Andriamanitra, ka tsy mahay maharitra eo anatrehan'ny fiandrianany.

24 Raha ny volamena no nametrahako ny fitokiako, ka ny volamena madio no nataoko hoe: Hianao no fanantenako,

25 raha ny habetsahan'ny hareko no nifaliako, mbamin'ny fananana nangonin'ny tanako;

26 raha nahita ny masoandro mandefa ny hafanany aho, na ny volana nandroso am-pamirapiratana,

27 ka nety ho voangoly mangingina ny foko; raha nataoko teo am-bavako ny tanako,

28 dia heloka fanameloky ny mpitsara koa izany, ka ho nanda an'Andriamanitra vo indrindra aho raha izany.

29 Raha nifaly noho ny fahavoazan'ny fahavaloko aho; sy nibitabitaka noho ny loza nanjo azy; -

30 Tsia, tsy namela ny lelako hanota aho, ka nangataka amim-panompana azy ho faty...

31 Raha tsy filazan'ny olona tao an-daiko ny hoe: Aiza re no hahitana olona tsy voky tamin'ny hanin-databany?

32 Raha nandry tany alatrano ny mpivahiny, fa tsy mba novohako varavarana akory ny mpandeha! ...

33 Raha mba nanafin-keloka toy ny ataon'ny olona ho, ka nampihiboka ny hadisoako tato anatiko,

34 noho ny tahotro ny fivoriam-be, noho ny tahotra sao hoesoin'ireo fianakaviana, ka ho nangina aho tsy sahy nandingana ny tokonam-baravarana akory! ...

35 Ah, aiza re no hahitako olona hihaino ahy? Indro ny soniako: Hamaly ahy anie ny Tsitoha! Aoka hanoratra ny taratasy fitarainany koa ny manana ady amiko.

36 Raha tsy hataoko eo an-tsoroko izany; raha tsy afehiko ny handriko toy ny satro-boninahitra izany!

37 Havoakako amin'ny Mpitsara ahy ny diako rehetra, hanatona azy toy ny zanak'andriana aho.

38 Raha mitaraina hiampanga ahy ny taniko, raha nampitomaniko ny soritsoriny;

39 raha nihinana ny vokany tsy nanakarama azy aho; raha naka an-keriny azy tamin'ny tompony marina;

40 dia aoka ho tsilo no haniry eo, hisolo ny varimbazaha, aoka ho ahi-dratsy no hisolo ny orja. (Tapitra eo ny lahatenin'i Joba).

Toko faha-32

1 Dia nitsahatra tsy namaly an'i Joba intsony izy telo lahy ireo, satria nihombo tamin'ny fanaovana ny tenany ho marina izy io.

2 Fa nirehitra tamin'izay kosa ny fahatezeran'i Elio, zanak'i Barakely, Bozita, fokon'i Rama. Nirehitra tamin'i Joba ny fahatezerany, satria io nihambo ho marina noho Andriamanitra. 3 Nirehitra tamin'izy telo lahy sakaizany koa ny fahatezerany, satria tsy nahita teny tsara havaly azy izy ireo. 4 Noho ny maha-zokiny azy ireo, dia niandry Elio, vao niteny tamin'i Joba. 5 Nony hitany anefa, fa tsy misy valy intosny eo am-bavan'ieto sakaizany telo lahy, dia nirehitra ny hatezerany. 6 Tamin'izay, dia niteny Elio, zanak'i Barakely, Bozita, ka nanao hoe: Izaho vao tanora, hianareo efa anti-panahy; ka izany no natahorako, tsy nahasahiako ny hampahalala anareo izay mba hevitro.

7 Hoy aho anakampo: Hiteny ireo be andro, hanambara ny fahendrena ny hamaroan'ny taona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2246