Bokin'i Joba

Toko faha-35

16 Dia indro mety mandefa vava miteniteny foana Joba, sy mitaria lava amin'ny lahateny tsy misy heviny.

Toko faha-36

1 Mbola niteny indray koa Elio ka nanao hoe:

2 Mahareta kely ihany, dia hampianariko hianao, fa mbola manan-kolazaina, hanamarina ny an'Andriamanitra aho.

3 Haka ny porofoko avy any amin'ny fotony aho, dia haneho ny fahamarinan'ny Mpahary ahy.

4 Matokia, fa tsy misy fitaka ny teny alahatro; olona marina amin'ny heviny no eto anoloanao.

5 Indro fa mahery Andriamanitra nefa tsy mba mamingavinga olona, mahery izy amin'ny herin'ny fahalalany.

6 Tsy avelany ho velona ny ratsy fanahy, ary manome rariny ho an'ny olona ory izy.

7 Tsy mampiala ny masony amin'ny olona marina izy, sady mametraka ireny amin'ny seza fiandrianana miaraka amin'ny mpanjaka, ataony tafaorina ho mandrakizay, ka dia tafasandratra izy ireo.

8 Raha avy izay hifatorany aman-gadra, sy hisingorany amin'ny tafim-pahoriana:

9 ambarany azy ireo izay nataony, dia ny fahotany vokatry ny fiavonavonany.

10 Sokafany hihaino fananarana ny sofiny, dia amporisihiny izy hiala amin'ny ratsy.

11 Ka raha mihaino sy manaiky izy, dia amin'ny fiadanana no hanaperany ny androny, ary amin'ny fahafinaretana, ny taonany.

12 Fa raha tsy mihano kosa izy, dia ho levon'ny sabatra, ho faty amin'ny hajamban-tsaina.

13 Ny fo tsy mivavaka, dia entim-pahatezerana, ka tsy mba mitaraina amin'Andriamanitra raha ataony latsaka amin'ny gadra izy ireo.

14 Izany no mahafaty tanora an'ireny; sy mahalazo ny ainy toy ny an'ny olom-betaveta.

15 Fa ny ory kosa vonjen'Andriamanitra amin'ny fahoriany, ary ny fijaliany no ampianarany azy.

16 Ka hotsoahany amin'ny fahaporitana koa hianao, hapetrany eo amin'ny malalaka, amin'ny fahafahana tanteraka, ary ho voavoatra ny latabatrao sy handrosoana izay hanim-py indrindra.

17 Fa raha fenoinao kosa ny famaran'ny tsy tia fivavahana dia hivesatra ny fanamelohana aman-tsazin'izany hianao.

18 Ka matahora fandrao tezitra Andriamanitra ka vesarany famaizana hianao; ary sao ho voafitaky ny fanatitrao sarobidy hianao.

19 Moa hanafaka anao amin'ny fahoriana va ny fitarainanao, ary na dia izay rehetra mety ho tratry ny herinao aza?

20 Aza maniry ny hihavian'ny alina; izay aharinganan'ny firenena eo amin'ny fitoerany.

21 Mitandrema mba tsy hitodika hanatona ny tsy fahamarinana, fa aleonao izany toy izay ny fahoriana.

22 Jereo ange: lalina loatra ny fahefan'Andriamanitra! Tompo iza moa no mba mitovy aminy?

23 Zovy no mba nanoritra lalana tsy maintsy halehany? Zovy no afa-milaza aminy hoe: Diso ny nataonao?

24 Koa ny mankalaza ny asany aloha no aoka hoheverinao, fa ambentin-kiran'ny olona ny fankalazana an'izany.

25 Fa ny olona rehetra gaga amin'izany, ny olombelona mitazana izany avy lavitra.

26 Lehibe Andriamanitra; mihoatra ny fahalalana rehetra, tsy takatry ny saina ny isan'ny taonany.

27 Manintona ny piti-drano madinika izy, dia miraraka ho ranonorana ireny, entin'ny havesarany.

28 Avelan'ny rahona hilatsaka izy sy hirotsaka amin'ny be sy ny maro.

29 Iza moa no mahafantatra ny fivelatry ny rahona, mbamin'ny fikotrokotroky ny lain'ny Tsitoha?

30 Mbetika izy mamelatra ny fahazavany manodidina azy, mbetika miery toy ny any ambanin'ny ranomasina.

31 Toy izany no amoahany ny fitsarany amin'ny firenena, sy anomezany hanina an-kabetsahana koa.

32 Ataony eo an-tanany ny fahazavana, dia tondroiny aminy ny zavatra tsy maintsy iantefany.

33 Ka ny fikotrokotrony mampahalala azy mialoha, manambara ny hihaviany ny fahatairan'ny biby fiompy.

Toko faha-37

1 Mihorohoro loatra ny foko amin'ny fahitana izany, miantsambotra mila hiala amin'ny fitoerany izy.

2 Henoy, henoy ange ny fikotrokotroky ny feony, ny firohondrohona mivoaka avy amin'ny vavany!

3 Alefany tsy misy mpisakana izany ho ety ambany lanitra tsy hita lany, ary mamirapiratra hatrany amin'ny fara-vazan-tany ny tselany.

4 Manaraka izany, dia misy kotroka mipoaka, mampanehoeho ny feony mahery, ka raha vao re ny feony, dia tsy tanany ny tselatra.

5 Mikotrokotroka mahagaga amin'ny feony Andriamanitra; manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika izy.

6 Ny oram-panala ilazany hoe: Milatsaha amin'ny tany; ny tandrifin-drahona mbamin'ny orana mivatravatra baikoiny.

7 Asiany tombo-kase ny tanan'ny olombelona rehetra, mba hahalalan'ny olona rehetra ny Mpahary azy.

8 Ny biby miditra amin'ny lavany, dia mijanona ao an-davany.

9 Ny tadio miala amin'ny fitoerany miafina, ny rivotra avy avaratra mampisy fanala.

10 Ny fofon'ain'Andriamanitra mampivongana ranomandry ka tonga voageja ny rano be.

11 Vesarany etona ny rahona; aeliny ny rahona mazava.

12 Ka indreny tazana mankatsy mankary ireny araka ny didiny, hanatanteraka izay rehetra andidiany azy, eny ambonin'ny tany misy mponina.

13 Ka mbetika ny mba hanasazy ny taniny, mbetika ho mariky ny fanambinany no anirahany azy ireny.

14 Ry Joba o, tandremo izany zavatra izany, miatoa hianao handinika ny zava-mahagaga ataon'Andriamanitra.

15 Fantatrao va ny anaovany an'izany, sy ampanjelajelarany ny tselatra eny amin'ny rahona?

16 Azonao va ny fihevahevan'ny rahona, ny zava-mahagaga ataon'ilay manam-pahalalana tanteraka,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.179