Bokin'i Joba
Toko faha-37
17 hianao izay mafana ny fitafianao, raha mijanona ny tany mandritra ny fifofofofon'ny rivotra, avy any atsimo?18 Mba mahavelatra ny rahona toa azy va hianao, ka mampitoetra mafy azy toa varahina manganohano?
19 Mba atoroy anay hoe, izay tokony holazainay aminy; fa tsy mahay miteny aminy izahay fa tsy mba mahalala!
20 Ah! tsy hotaterina eny aminy anie ny teniko! Fa oviana moa no mba nisy olombelona nilaza fa maniry ny ho levona:
21 Tsy mety hita ankehitriny ny fahazavan'ny masoandro, izay mamirapiratra ao ivohon'ny rahona; raha misy rivotra mandalo anefa, dia mampisava azy.
22 Ny volamena dia avy any avaratra no ihaviany, fa Andriamanitra kosa mba mampatahotra lahy ny fiandrianany!
23 Ny Tsitoha tsy azontsika takarina, fa lehibe amin'ny hery, amin'ny rariny, amin'ny fahamarinana; tsy mamoaka izay nataony na amin'iza na amin'iza izy.
24 Ka aoka hanaja azy ny olombelona! Fa tsy jereny akory izay manao azy ho hendry.
Toko faha-38
1 Dia namaly an'i Joba Iaveh tao anatin'ny tafio-drivotra ka nanao hoe:2 Iza moa izato manamaizina ny fandaharan'Andriamanitra amin'ny teny tsy misy fahalalana?
3 Misikina ary toy ny lehilahy: fa ndeha hanadina anao aho ka hampianatra ahy hianao.
4 Mba taiza moa hianao fony aho nandatsaka ny fanorenan'ny tany? Lazao raha manam-pahalalana hianao.
5 Iza no nametra izay ho refiny? Fantatrao va? Iza no nanenjana ny famolaina teo aminy?
6 Amin'inona no ipetrahan'ny tongony ary iza no nametraka ny vato fehizorony,
7 raha niara-nihira ny kintan'ny maraina, sady nihobim-pifaliana avokoa ireo zanak'Andriamanitra.
8 Iza no nanidy ny ranomasina tamin'ny varavarana, fony izy nivoaka nisavoamboana avy any ambohoka;
9 raha nanao ny rahona ho fitafiany aho, ary ny zavona matevina ho lambam-pandriany;
10 raha nampanaiky azy ny didiko sy nanisy hidy amam-baravarana taminy,
11 ka nilaza taminy hoe: Hatreto halehanao, ka tsy hihoatra, fa eto no hijanona ny fianjonanjon'ny onjanao?
12 Mba efa nandidy ny maraina va hianao hatrizay niainanao? Moa nanondro ny fitoerany tamin'ny mazava atsinanana,
13 mba handraisany ny tany amin'ny sisiny, sy hanintsanany ny ratsy fanahy hiala eo,
14 mba hananan'ny tany endrika toy ny tanimanga voatombo-kase, ary hisehoany voaravaka toy ny manao fanamiana;
15 mba tsy hananan'ny mpanao ratsy ny fahazavany; ary hotapahina ny sandry efa voainga hanao ratsy?
16 Mba efa nidina tany amin'ny loharanon-dranomasina va hianao sy efa nitsangatsangana tany amin'ny fanambanin'ny hantsana va hianao?
17 Efa nisokatra teo anatrehanao va ny vavahadin'ny fahafatesana, sy efa hitanao va ny varavaran'ny fonenana manjombona?
18 Efa takatrao va ny halalahan'ny tany? Lazao raha mahalala izany rehetra izany hianao?
19 Aiza ny lalana mankany amin'ny fonenan'ny mazava, ary aiza ny fitoeran'ny maizina?
20 Hainao samborina va izy eny amin'ny taniny? fantatrao va ny lalana eny amin'ny fonenany?
21 Fantatrao tokoa mantsy izany a, fa hianao efa teraka talohan'izany, ary efa maro manao ahoana ny isan'ny andronao?
22 Efa nidiranao va ny firaketana ny oram-panala? Efa hitanao va ny fitehirizana ny havandra?
23 izay tehiriziko ho vonon-ko amin'ny andro fampahoriana, dia amin'ny andro misy ady aman-tafika?
24 Aiza ho aiza no lalana izarazaran'ny mazava?
25 Iza no nihady lakan-drano halehan'ny tandrifin-drahona, sy nanoritra ny lalan-karahin'ny tsela-baratra?
26 mba hilatsahan'ny ranonorana amin'ny tany tsy onenana, sy amin'ny efitra tsy misy olona,
27 ary handemany ny tany lemaka malalaka sy foana, ka hitsimohan'ny ahi-maitso amin'ireny?
28 Manan-dray va ny ranonorana? zovy no niteraka ny ranonando mitete?
29 Kibon'iza no nivoahan'ny ranomandry? Ary ny fanalan'ny lanitra iza no miteraka azy?
30 no hihamafisan'ny rano toy ny vato ary anjarian'ny fanambonin'ny hantsana ho rano mandry?
31 Hianao va no mamona ny kofehin'Ikotokelimiadilaona, sy hainao vahana ny gadran'ny Telonohorefy?
32 Hianao va no mampiposaka ny antokon-kintana amin'ny fotoany, sy mitarika ny Orsa omban'ny zanany?
33 Mahalala ny lalan'ny lanitra va hianao, sy mandahatra ny asan'ny hreiny amin'ny tany?
34 Mahasandratra ny feonao hatrany amin'ny rahona va hianao, hilatsahan'ny orana mandriaka ho aty aminao?
35 Hianao va no mandefa ny tselatra handeha? ka hianao va hilazany hoe: Indreto izahay.
36 Iza no nametraka fahendrena tao anatin'ny rahona, sy nanome fahalalana ny zava-mitranga amin'ny habakabaka?
37 Iza no mahay manapitra isa ny rahona, sy manatongilana ny fitoeran-dranon'ny lanitra,
38 mba hitambatra hivongana ny vovoka ary hikambam-be kosa ny bainga?
39 Hianao va no mihaza remby ho an'ny liom-bavy, sy manafa-kanoanana ny liona tanora,
40 raha mamitsaka ao amin'ny lavany ireny, na manotrika ao amin'ny kirihitrala?
41 Iza no manoman-kanina ho an'ny goaika, raha mitaraina amin'Andriamanitra ny zanany, ka mirenireny atsy sy ary tsy mahita hanina ireny?
Toko faha-39
1 Mahalala ny fotoana fiterahan'ny osy dia va hianao? Nodinihinao va ny serfavavy raha miteraka izy?