Bokin'i Joba
Toko faha-39
2 Mba efa nanisa ny volana maha-bevohoka ireny va hianao, ka mahafantatra ny fotoana fiterahany?3 Mandohalika ireny, miteraka ny zanany, dia tapitra eo no ho eo ny fanaintainany.
4 Mihamatanjaka sy mihalehibe any an'efitra ny zanany, dia lasa izy ka tsy miverina intsony.
5 Iza no nandefa ny ampondra dia hikarenjy, ary zovy no namaha fatorana ny boriky dia,
6 izay nomeko ny efitra ho tranony, sy ny tany lemaka misy sira ho fonenany?
7 Tsy ahoany akory izay fitabatan'ny any an-tanana, tsy reny akory izay hoe feon'ny tompo.
8 Mitetitety ny tendrombohitra hahitany hanina izy, izay mety hahitana volon'ahi-maitso dia alehany avokoa.
9 Mba mety manompo anao va ny ombimanga, na handry ao an-tranony amin'ny alina?
10 Hafatotrao amin'ny tady eny am-bava-asanao, na hanaraka anao hamaky bainga eny an-dohasaha?
11 Hitokianao va izy satria matanjaka tokoa, ka havelanao hanao ny asanao va?
12 Hitokianao hampiditra ny vokatrao va izy? sy hanangona ny varinao ho eo am-pamoloanao?
13 Mikopakopaka an-kafaliana ny elatry ny ostritsa, fa tsy mba manana ny elatra be antra na ny volon'ny vanobe izy.
14 Fa ilaozany eo amin'ny tany ny atodiny, dia avelany hohafanain'ny fasika.
15 Hadinony fa mety ho voashitsaky ny tongotra, na ho montsan'ny biby any an-tsaha.
16 Mafy fo ho an'ny zanany, hoatra ny tsy azy akory izy, tsy mampaninona azy na dia foana aza ny asany.
17 Fa nolavin'Andriamanitra tsy ho azy ny fahendrena, ary tsy mba nomeny azy ny fahalalana.
18 Rehefa mikopak'elatra sy miezaka kosa anefa izy, ihomehezany foana ny soavaly sy ny mpitaingina azy.
19 Hianao va no manome hery ny soavaly, sy mandravaka vombo mihofahofa amin'ny vozony,
20 ary mampitsipika azy hoatra ny valala? Mamelona fampatahorana ny fanenony miandranandrana.
21 Mihehy tany amin'ny tongony izy sady miedinedina noho ny heriny, miantoraka hanetra ny ady izy.
22 Ihomehezany fotsiny ny fampitahorana, fa tsy misy mampimalo azy akory, ka tsy mianotra izy eo anoloan'ny sabatra.
23 Mifioka eny amboniny eny ny zana-tsipika, ny lefona manelatselatra sy ny longy.
24 Mihivingivina izy, mihoalahoala izy, mirimorimo mafy ery izy, tsy mahajanona intsony nony vao velona ny bingona.
25 Vao mandre ny feon'ny bingona izy dia milaza hoe: ndao! mbola lavitra izy, dia efa manimbolo ny ady, ny feo mikotrokotroky ny lehibe, ny akoralavan'ny mpiady.
26 Fahendrenao va no iezahan'ny voromahery hanidina, sy hamelarany ny elany hianatsimo?
27 Baikonao va no isondrotan'ny voromahery sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy?
28 Monina eny amin'ny haram-bato izy, miorim-ponenana eny an-tsefatsefa-bato, an-tampon'ny havoana.
29 Avy eny izy, no mitsikilo ny rembiny, ka mahiratra mahatazana lavitra ny masony.
30 Ra no fisotron'ny zanany; ary izay misy faty, dia ahitana azy avokoa.
Toko faha-40
1 Dia niteny tamin'i Joba Iaveh ka nanao hoe:2 Te-hiady amin'ny Tsitoha va io mpanadidy azy io? mahavaly va izay mifandahatra amin'Andriamanitra?
3 Fa namaly an'ny Tompo Joba, ka nanao hoe:
4 Inona moa no havaliko anao izay izaho tsinontsinona ity? fa dia mitampim-bava aho.
5 Efa niteny indray mandeha, ka tsy hamaly intsony, efa indroa aza, ka tsy hanampy aho, na dia kely aza.
6 Mbola niteny tamin'i Joba Iaveh, tao amin'ny tafio-drivotra ka nanao hoe:
7 Misikina ary toy ny lehilahy, fa hanadina anao aho, ka hampianatra ahy hianao.
8 Tianao va ny hanafoana ny fananako ny rariny, dia hanameloka ahy mba hanamarina ny anao?
9 Manan-tsandry toy ny an'Andriamanitra va hianao, ary mikotrokotroka tahaka ny azy va ny feonao?
10 Miravaha fahalehibeazana amam-piamboniana hianao; ary mitafia voninahitra amam-piandrianana;
11 Amparo ny fisafoaky ny hatezeranao, na iza na iza mpiavona dia aetreo amin'ny indray mijery!
12 Aforeto amin'ny fijerinao fotsiny ny mpiavonavona; montsany eo am-pitoerany ny ratsy fanahy.
13 Ataovy indray manitrika ao amin'ny vovoka izy rehetra; hidio ao amin'ny maizina izy rehetra.
14 Amin'izay dia izaho koa no hanaiky fa ny tananao ankavanana mahavonjy anao.
15 Jereo ange Behemota izay nohariko toa anao koa: mihinan'ahitra tahaka ny omby izy.
16 Jereo ange fa ao amin'ny valahany ny tanjany, ary ny heriny dia ao amin'ny hozatry ny lanivoany!
17 Ajorony hoatra ny sedra ny rambony, miray ho fehezana mafy ny hoza-peny.
18 Fantsona varahina ny taolany; bara vy ny taolan-tehezany.
19 Loha laharana izy amin'ny asan'Andriamanitra; nomen'ny Nahary sabatra izy.
20 Mahavokatra vilona ho azy ny tendrombohitra; milalao manodidina azy ny biby an-tsaha rehetra.
21 Mandry eo ambanin'ny tamotamo izy, any am-pierena anaty volotara amin'ny heniheny.
