Bokin'i Joba
Toko faha-40
22 Manalokaloka azy ny tamotamo, manodidina azy ny hazomalahelo eny amorona.23 Na tondraka aza ny ony, tsy matahotra izy; na hisondrotra havavany aza Jordany, dia tsy miraika izy.
24 Moa ho azo atao va ny misambotra azy manatrika, ao amin'ny harato, ary ny managorobaka ny orony?
25 Mahasarika an'i Leviatana amin'ny farango va hianao, sy mahageja ny lelany amin'ny mahazaka?
26 Sa mahatsofoka zozoro amin'ny vavorony, sy mahaboroaka ny valanoranony amin'ny masom-by?
27 Hifon-jato amin'arivo aminao va izy, hanao teny malefaka aminao?
28 Hanao fanekena aminao va izy; ka halainao ho mpanompo mandrakizay?
29 Hilalao azy toy ny filalao fody va hianao, sy hamatotra azy holalaovin'ny zanakao vavy?
30 Ataon'ny mpiara-manjono varotra va izy, ka tsinjaranjarainy amin'ny mpandranto?
31 Mahaloadoaka ny hodiny amin'ny zana-tsipika va hianao, na mahatrobaka ny lohany amin'ny firombaka?
32 Andramo ny hisambotra azy, ka tsarovy ny ady, fa tsy hanindroa intsony hianao.
Toko faha-41
1 Indro diso fanantenana ny mpihaza, fa ny fijery ity biby be, dia ampy haharera-po azy.2 Tsy misy sahy mihantsy an'i Leviatana, koa zovy moa no sahy hanohitra ahy eo anatrehako?
3 Zovy no nanisy soa ahy ka tsy maintsy valiako kosa indray? Ahy avokoa ny eny ambanin'ny lanitra rehetra.
4 Tsy tiako afenina ny momba ny rantsam-batany, ny heriny, ny firindran'ny rafitry ny vatany.
5 Iza no efa nanainga na oviana na oviana ny sisin'ny fiarovan-tratrany? Iza no efa namaky ny laharan'ny nifiny roa sosona?
6 Iza no efa namoha ny varavaran'ny vavany? Manodidina ny nifiny, dia itoeran'ny fahatahorana.
7 Kanto ny filahatry ny laniny; mova tsy ny tombo-kase mifanety ery;
8 mifampikasika avokoa izy rehetra, ka tsy azon'ny rivotra idirana ny elanelany;
9 mifandray lany avokoa izy dia tafakambana ka tsy mety hisaraka.
10 Mampitselatra fahazavana ny fieviny; tahaka ny hodimason'ny maraina, ny masony.
11 Mivoaka lelafo ny vavany misy kilalaon'afo mitselatra avy ao.
12 Mivoaka setroka ny vavorony, mova tsy ny avy amin'ny vilany mangotraka sy mandevilevy.
13 Maharehitra arina ny fofon'ainy, midedadeda avy ao am-bavany ny lelafo.
14 Mitoetra eo am-bozony ny hery; miantsambotra eo alohany ny fampahatahorana.
15 Mirary avokoa ny hozatry ny nofony, sady miraikitra mafy aminy tsy azo hontsonina.
16 Ny fony mafy toy ny vato, mafy toy ny vato ambany fikosoham-bary.
17 Raha mitsangana izy, raiki-tahotra ny mahery indrindra, torana izy azon'ny fivadiham-po.
18 Raha asiana ny sabatra izy, dia tsy mahalaitra azy ny sabatra, na ny lefona, na ny longy, na ny zana-tsipika.
19 Ataony toy ny mololo ny vy, ary toy ny hazo vovohina, ny varahina.
20 Ny zana-tsipika tsy mampandositra azy, ny vaton'antsamotady ataony ho tapak'ahitra.
21 Ny kanonta toy ny vodivary aminy; ny fikatrakatraky ny lefona ihomehezany.
22 Misy toa vakim-bilany maranitra amin'ny takibany, ka toy ny vy famakiam-bainga velariny amin'ny fotaka.
23 Mampandevy ny hantsana toy ny vilany izy, ataony toy ny kapoaka misy zava-manitra ny ranomasina.
24 Voasori-pahazavana ny lala-nodiaviny, ka hoatra ny misy volofotsy ny hantsana.
25 Tsy misy toa azy eny ambonin'ny tany, fa noharina tsy mahalala tahotra izy.
26 Ka handrininy eo anoloany ny voasandratra rehetra; izy no mpanjakan'ny biby mahery rehetra.
Toko faha-42
1 Dia namaly an'ny Tompo Joba ka nanao hoe:2 Fantatro fa mahefa ny zavatra rehetra hianao, ka tsy misy hevitra sarotra ho anao.
3 Iza moa izato manamaizina ny fandaharan'Andriamanitra tsy amim-pahalalana? Eny, niteny tsy amim-pahalalana tokoa aho, ny amin'ny zava-mahagaga tsy takatro aman-tsy fantatro!
4 Mihainoa fa hiteny aho, hanadina anao aho, ka valio.
5 Ny sofiko taloha efa nandre filazana anao, fa ny masoko kosa ankehitriny efa nahita anao.
6 Koa dia manameloka ny tenako aho, sy manenina eo amin'ny vovoka sy ny lavenona.
7 Nony avy nilaza izany teny izany tamin' i Joba Iaveh, dia hoy izy tamin'i Elifaza avy any Temana: Mirehitra aminao sy amin'ireo sakaizanao roa lahy ny fahatezerako; satria tsy mba mifanaraka amin'ny marina tahaka ny nataon'i Joba, ny filazanareo ahy.
8 Koa ankehitriny mandehana maka vantotr'ombalahy fito sy ondralahy fito, dia mankanesa eo amin'i Joba mpanompoko ka manatera sorona dorana ho anareo. Ary Joba mpanompoko hivavaka ho anareo, fa izy ihany nohany tsy hamaliako anareo araka ny hadalanareo, satria tsy mba mifanaraka amin'ny marina tahaka ny nataon'i Joba ny filazanareo ahy. 9 Dia nandeha Elifaza avy any Temana sy Baldada avy any Sohe ary Sofara avy any Naamana, nanao araka izay voalazan'ny Tompo taminy, ka nankasitrahan'ny Tompo ny fivavahan'i Joba.
10 Raha mbola nivavaka ho an'ireo sakaizany Joba, Iaveh kosa namerina an'i Joba amin'ny toetrany voalohany, ary naveriny indroa heny tamin'i Joba ny fananay rehetra.
11 Dia tonga avokoa ireo rahalahiny sy anabaviny mbamin'ny sakaizany taloha namangy azy sy niara-nihinana taminy tao am-tranony. Nangoraka azy sy nampionona azy izy ireo, noho ny fahoriana nahatran'ny Tompo taminy teo; ary samy nanome azy kesita iray sy masom-bolamena iray avy izy rehetra. 12 Nambinin'ny Tompo mihoatra noho ny tamin'ny taloha ny andro niainan'i Joba taty aoriana, ka nanana ondry efatra arivo amby iray alina, rameva enina arivo, omby arivo tsiroaroa, ary ampondravavy arivo.
13 Nanan-janaka fito lahy sy telo vavy izy: