Bokin'i Joba

Toko faha-42

14 ny voalohany nataony hoe Jemima, ny faharoa Ketsia, ary fahatelo Keren-Happoka. 15 Tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ireo zanakavavin'i Joba ireo tamin'ny tany rehetra; nomen-drainy anjara lova eo amin'ireo anadahiny izy.

16 Velona efapolo amby zato taona Joba taorian'izany; ka nahita ny zanany lahy sy ny zanakalahin'ny zanany lahy hatramin'ny taranaka fahefatra.

17 Dia maty Joba, efa antitra sy voky andro niainany.

Ny Salamo

Toko voalohany

1 Sambatra ny olona tsy mandeha amin'ny fisainan'ny tsy mpivavaka, tsy mijanona amin'ny làlan'ny mpanota, ary tsy mipetraka miaraka amin'ny mpaniratsira;

2 fa ny làlan'ny Tompo no ifaliany; sady saintsaininy andro aman'alina.

3 Tahaka ny hazo nambolena eo amoron'ny rano velona izy, ka ny voany tonga amin'ny fotoany; ny raviny tsy mba malazo; ny ataony rehetra vanona avokoa.

4 Tsy mba toy izany ny tsy mpivavaka: toy ny akofa faohin'ny rivotra izy,

5 ka tsy hahatsangana amin'ny andron'ny fitsarana ny tsy mpivavaka, na eo amin'ny fiangonan'ny olo-marina, ny mpanota.

6 Satria ny làlan'ny marina fantatry ny Tompo fa ny làlan'ny mpanota mitarika ho amin'ny fahaverezana.

Toko faha-2

1 Nahoana no mihetsiketsika amim-pitabatabana ny firenena, ary mamorona hevi-poana ny vahoaka?

2 Ireo mpanjakan'ny tany mitsimbohitra, ary ny andriana koa miara-mioko, hanohitra an'ny Tompo sy ny Voahosony:

3 Tapaho ny famatorany, hoy ireny ary ario lavitra antsika ny gadrany!

4 Ilay mipetraka any an-danitra mitsiky; maneso an'ireny ny Tompo.

5 Ka hiteny amin'ireny izy noho ny fahavinirany, sy hampangorohoro azy amin'ny fisafoahany:

6 Ary izaho efa nanangana ny mpanjakako, ao ambonin'i Siona tendrombohitro masina.

7 Hamoaka ny didy aho: Iaveh nilaza tamiko hoe: Zanako hianao, niteraka anao aho ankehitriny.

8 Mangataha dia homeko ho lovanao ny firenena, ho fanjakanao, ny vazan-tany efatra.

9 Hanorotoro azy amin'ny tehim-by hianao; hanamontsamontsana azy toy ny vilanin'ny mpanefy.

10 Koa ankehitriny mba hendry hianareo mpanjaka; minoa anatra hianareo mpitsaran'ny tany.

11 Manompoa an'ny Tompo amim-pahatahorana, mientàn-kafaliana amim-pangovitana.

12 Orohy ny Zanaka fandrao tezitra izy; ka ho very any amin'ny làlanareo hianareo; fa vetivety dia hirehitra ny hatezerany. Sambatra izay rehetra matoky azy.

Toko faha-3

1 Tonon-kiran'i Davida; fony izy nandositra teo anatrehan'i Absaloma zanany.

2 Ry Iaveh ô, akory izato hamaroan'ny fahavaloko! Endrey ity habetsahan'ireo mitsangan-kamely ahy!

3 Maro ny milaza ny amiko manao hoe: Tsy misy famonjena ho azy intsony eo amin'Andriamanitra! - Selà.

4 Kanefa, ry Iaveh, hianao no ampingako; hianao no voninahitro sy manandratra ny lohako.

5 Miantso an'ny Tompo amin'ny feoko aho, dia mamaly ahy any an-tendrombohiny masina izy. - Selà.

6 Nandry aho dia natory; nifoha indray aho, fa Iaveh no tohako.

7 Tsy matahotra aho, eo anoloan'ny vahoaka tsy tambo isaina, izay mivangongo manodidina ahy hatraiza hatraiza.

8 Mitsangana, ry Iaveh ô ! Vonjeo aho, ry Andriamanitro ! Fa hianao no mamely ny takolaky ny fahavaloko rehetra; hianao no manorotoro ny nifin'ny ratsy fanahy.

9 An'ny Tompo ny famonjena! Ho amin'ny vahoakanao anie ny ny fanambinanao! - Selà.

Toko faha-4

1 Ho an'ny mpampianatra hira amin'ny zava-maneno tendrena. Salamon'i Davida.

2 Ry Andriamanitry ny fahamarinako ô, valio aho raha miantso anao, hianao izay mahalalaka ahy amin'izay mahaporitra ahy. Mamindrà fo amiko ary henoy ny fivavahako.

3 Ry zanak'olombelona ô, mandra-pahoviana no ho voatsiratsira ny voninahitro? Mandra-pahoviana no hitiavanareo ny zava-poana, sy hitadiavanareo ny lainga? - Selà.

4 Fantatro fa efa nofantenan'ny Tompo ho azy ny olon-tia vavaka iray; ka mihaino Iaveh raha miantso azy aho.

5 Matahora ka aza manota intsony! Mitenena anakam-po ao am-pandrianareo, ka mitsahara! - Selà.

6 Manatera sorom-pahamarinana, ary matokia an'ny Tompo.

7 Maro no milaza hoe: Iza no hampahita antsika ny fahasambarana? Ataovy miposaka aminay ny fahazavan'ny tavanao, ry Iaveh!

8 Fa hianao efa nanisy hafaliana tao am-poko mihoatra noho ny azy ireo, amin'ny fotoana mahabetsaka ny variny aman-divainy vaovao.

9 Handry amim-piadanana aho, ka dia hatory miaraka amin'izay; fa hianao, ry Iaveh, dia hianao irery no mampitoetra ahy tsy amin'ahiahy.

Toko faha-5

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Amin'ny sodina. Salamon'i Davida.

2 Mampandria ny sofinao amin'ny teniko, ry Iaveh, henoy ny sentosentoko.

3 Atreho ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro, fa hianao no andefasako ny fivavahako.

4 Iaveh ô! vao maraina dia mandre ny feoko hianao: vao maraina dia atolotro anao ny faniriako ka miandry aho.

5 Fa hianao tsy mba Andriamanitra mankasitraka ny ratsy; ny mpanota tsy afaka hiara-kitoetra aminao.

6 Ny adala tsy mety haharitra eo imasonao; ny mpanao ratsy halanao avokoa.

7 Ny mpiteny lainga aringanao; ny mpandatsa-dra amam-pamitaka, halan'ny Tompo.

8 Ary ny amiko, noho ny famindram-ponao lehibe, dia handeha ho ao an-tranonao aho; hiankohoka manatrika ny tempolinao masina amim-pahatahorana anao aho.

9 Tompo ô, tariho amin'ny fahamarinanao aho, noho ireo fahavaloko, ataovy marina amin'ny diako ny làlanao.

10 Fa eo am-bavany, tsy mba misy fahatsorana; ny fony tsy misy afa-tsy faharatsiana; ny tendany, fasana misokatra; ataony malefadefaka ny lelany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1582