Ny Salamo

Toko faha-5

11 Faizo izy, Andriamanitra ô! Aoka tsy hahavanona ny hevitra kasainy izy; noho ny helony tsy hita isa dia adabohy izy ireo, satria tafahodina aminao.

12 Dia hifaly kosa izay rehetra miantehitra aminao; hafaliana tsy mety tapaka no azy; dia hiaro azy hianao; hibitabitaka amin-kafaliana izay tia ny anaranao.

13 Fa mitahy ny marina hianao, ry Iaveh, ataonao manodidina azy, toy ny ampinga, ny fankasitrahana.

Toko faha-6

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Amin'ny zava-maneno tendrena. Amin'ny Oktavy. Salamon'i Davida.

2 Iaveh ô, aza sazinao amin'ny fahatezeranao aho, ary aza faizinao amin'ny fisafoahanao.

3 Mamindra fo, ry Iaveh, fa reraka aho; sitrano aho, ry Iaveh, fa mangozohozo ny taolako.

4 Mitebiteby loatra ny fanahiko, fa hianao Iaveh mandra-pahoviana?...

5 Miverena, ry Iaveh, afaho ny fanahiko, vonjeo aho, noho ny famindram-ponao.

6 Fa ny efa maty tsy mahatsiaro anao intsony, any amin'ny Seoly zovy no hidera anao?

7 Trotraka aho, azon'ny misento, ampo-dranomaso isan'alina ny fandriako; vonton'ny ranomasoko ny farafarako.

8 Lanin'alahelo ny masoko; efa mason'antitra noho ny ataon'ny mpanenjika ahy rehetra izy.

9 Mialà amiko hianareo mpanao ratsy rehetra, fa efa ren'ny Tompo ny feon'ny fitomaniako.

10 Efa nohenoin'ny Tompo ny fifonako, efa raisin'ny Tompo ny fivavahako.

11 Hangaihay sy ho raiki-tahotra ny fahavaloko rehetra; hihemotra izy, fa safo-kenatra tampoka.

Toko faha-7

1 Hira firehetan'i Davida nohirainy tamin'ny Tompo, noho ny tenin'i Kosa Benjamita.

2 Iaveh Andriamanitro ô, hianao no itokiako; vonjeo amin'izay rehetra manenjika ahy aho, ka afaho;

3 fandrao aho dia viravirainy toy ny fanaon'ny liona, fandrao harapany ny rembiny, tsy misy hanafaka.

4 Iaveh Andriamanitra oô raha nanao izany aho, raha misy heloka eto an-tànako,

5 raha mamaly ratsy izay tsara fihavanana tamiko aho; raha nandroba izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana aho,

6 dia aoka hanenjika ahy ny fahavaloko, ka hahatratra ahy; aoka hohitsahiny amin'ny tany ny aiko; aoka hoseny amin'ny vovoka ny voninahitro;

7 Iaveh ô, mitsangàna amin'ny fahatezeranao; mirohota hamely ny fisamontotry ny fahavaloko; mifohaza hamonjy ahy, fa hianao no mamoaka fitsarana marina.

8 Aoka hanodidina anao ny fivorian'ny firenena! dia misandrata eo amboniny hianao amin'izay, ka miakara indray any amin'ny avo.

9 Iaveh no mitsara ny firenena: tsarao aho, ry Iaveh, araka ny fahamarinako sy ny tsy fananako tsiny.

10 Farano ny ratsy ataon'ny ratsy fanahy, ary hamafiso kosa ny marina, hianao izay mamantatra ny fo sy ny kibo, ry Andriamanitra marina ô!

11 Ny ampingako dia ao amin'Andriamanitra, izay mamonjy ny olona mahitsy fo.

12 Mpitsara marina Andriamanitra; mampandre ny fandrahonany isan'andro ny Tsitoha.

13 Tokoa fa manasa ny sabany indray izy, manenjana ny tsipìkany, dia mikendry.

14 Alefany amin'ireo ny longiny mahafaty, ataony mahamay ny zana-tsipìkany.

15 Indro ny ratsy fanahy mihetsi-jaza hiteraka faharatsiana, fampahoriana no torontoronina ao aminy, ary lainga no aterany.

16 Mandoaka lavaka izy, mihady azy ary izy no latsaka amin'ny hantsana nomaniny.

17 Mitsingerina eo an-dohany ny haratsiany, ary miverina eo an-tampon-kandriny ny fanaovany an-keriny.

18 Hidera an'ny Tompo noho ny fahamarinany aho, sy hihira ny anaran'ny Tompo, ilay Avo indrindra.

Toko faha-8

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Amin'ny Gitiena. Tonon-kiran'i Davida.

2 Ry Iaveh Tomponay, mba be voninahitra re ny anaranao, amin'ny tany rehetra! Ny fiandriananao no nandravahanao ny lanitra!

3 Amin'ny vavan'ny ankizy sy ny mbola minono, no nanorenanao hery, hampikoy ny fahavalonao, sy hampangina ny mpandrafy sy ny mpanao teny manevateva.

4 Raha banjiniko ny lanitrao, izay asan-tànanao, mbamin'ny volana aman-kintana izay noforoninao, dia vaky vava aho hoe:

5 Inona ny olombelona no mba tsarovanao? ary ny zanak'olombelona no mba karakarainao?

6 Nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, nosatrohanao voninahitra amam-piandrianana izy.

7 Nampanjakainao amin'ny asan-tànanao izy, napetrakao eo ambany tongony ny zavatra rehetra:

8 omby aman'ondry tsy ankanavaka, mbamin'ny biby any an-tsaha;

9 voro-manidina aman-kazan-dranomasina, mbamin'izay mitety ny làlan-dranomasina.

10 Ry Iaveh, Tomponay, mba be voninahitra re ny anaranao amin'ny tany rehetra!

Toko faha-9

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Amin'ny hira hoe Fahafatesana ho an'ny zanakalahy. Salamon'i Davida.

2 Hidera an'ny Tompo amin'ny foko rehetra aho, hanambara ny zava-mahagaga rehetra nataonao aho.

3 Hifaly sy hientan-kafaliana aminao aho, hihira ny anaranao aho, ry Avo indrindra ô!

4 Lasa mihemotra ny fahavaloko, mandraingiraingy izy, dia lavo teo anatrehan'ny tavanao.

5 Satria efa nataonao mahery ny rariny ananako sy ny adiko, nipetraka ho mpitsara marina hianao, teo amin'ny seza fiandriananao.

6 Nofaizinao ny firenena, naringanao ny tsy mpivavaka, nokosehinao ho faty mandrakizay antaranoana ny anaran'ireny.

7 Levona ny fahavalo! faharavana haharitra mandrakizay! Tanàna nofongoranao! Very mbamin'ny fahatsiarovana azy.

8 Fa Iaveh kosa mipetraka mandrakizay, efa voatsangany ny sezany hitsarany;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1697