Ny Salamo
Toko faha-9
9 ka mitsara an'izao tontolo izao amin'ny fahamarinana izy, mitsara ny firenena amin'ny fahitsiana.10 Iaveh dia fiarovana ho an'ny ampahoriana, fiarovana ho amin'ny andron'ny fahoriana.
11 Hianao no itokian'izay mahalala ny anaranao, fa tsy mba mandao izay mitady anao, hianao, ry Iaveh.
12 Mankalazà an'ny Tompo izay mitoetra any Siona, ambarao amin'ny firenena ny asa lehibe nataony.
13 Satria izay manadina ny ra nalatsaka dia nahatsiaro izany; tsy nanadino ny fitarainan'ny tra-pahoriana.
14 Mamindrà fo amiko, ry Iaveh, hoy ireny; jereo ity fahoriana amelin'ny fahavaloko ahy; fa hianao no mampiverina ahy avy amin'ny vavahadin'ny fahafatesana,
15 mba hahazoako mitory ny fiderana rehetra eo am-bavahadin'ny zanakavavin'i Siona, sy hientan-kafaliana noho ny famonjenao.
16 Latsaka tamin'ny lavaka nohadiny ny firenena; voan'ny fandrika harato nafeniny ny tongony.
17 Fa niseho Iaveh nanao ny fitsarany, ka ny asan-tànan'ny ratsy fanahy ihany no naningorany azy. - Higaiona. Selà.
18 Miverina ho any amin'ny Seoly ny ratsy fanahy, ny firenena rehetra izay manadino an'Andriamanitra.
19 Fa ny malahelo tsy mba hadinoina hatrany hatrany; ny fanantenan'ny ory tsy rava mandrakizay.
20 Mitsanganà, ry Iaveh, aoka tsy ho ny olombelona no hahery; aoka hotsaraina eo anatrehan'ny tavanao ny firenena!
21 Asio fangorohoroana ireny, ry Iaveh ô, aoka ho fantatry ny firenena fa olombelona ihany izy! - Selà!
Toko faha-10
1 Nahoana, ry Iaveh, no mijanona eny lavitra eny hianao, sy miery amin'ny andron'ny fahoriana?2 Raha mirehareha ny ratsy fanahy dia ny mahantra no levona; izy ireo dia voan'ny teti-dratsy noforonin'io.
3 Mirehareha amin'ny fitsiriritany ny ratsy fanahy; manamavo an'ny Tompo ny mpandroba mandoza.
4 Hoy ny ratsy fanahy, amin'ny fianjonanjonany: Tsy mamay izy! Tsy misy Andriamanitra. Izany no totalin-keviny.
5 Fa ambinina hatrany hatrany izy, amin'izay alehany. Ny fitsaranao dia avo loatra ka tsy ahoany; ny mpandrafy azy, tsofiny indray mandeha dia mihahaka.
6 Hoy izy anakampony: Tsy hangozohozo aho, voafefy tsy ho azon-doza aho na oviana na oviana.
7 Feno ozona sy fitaka amam-panaovana ankeriny ny vavany; hasomparana sy tsy fahamarinana no ao ambany lelany.
8 Manao otrika eo akaikin'ny tanàna izy; mamono ny tsy manan-tsiny ao amin'ny fitoerany an-katakonana. Mitsikilo ny olona tsy manan-kiaro ny masony;
9 mitily ao amin'ny fitoerana miafina toy ny liona ao anaty hazo milobolobo izy; mitily izy hisovoka ny malahelo; samboriny ny malahelo, taominy ho ao amin'ny fandrika haratony.
10 Miondrika izy, mifitsaka, dia lavo eo amin'ny hohony ny ory.
11 Hoy izy, anakampony: Nanadino Andriamanitra; efa nanarona ny tavany izy ka tsy mahita na inona na inona, na oviana na oviana!
12 Mitsangàna, ry Iaveh, asandrato ny tananao, ry Andriamanitra! Aza manadino ny ampahoriana.
13 Nahoana ny ratsy fanahy no dia mamingavinga an'Andriamanitra? ahoana no anaovany anakam-po hoe: Tsy mamay hianao?
14 Nahita anefa hianao, fa mijery ny fahoriana amam-pijaliana, mba hiandraiketanao ny momba azy. Hianao no iankinan'ny malahelo; mamonjy ny kamboty hianao.
15 Tapaho ny sandrin'ny ratsy fanahy; ny tsy mpivavaka - raha karohinao ny helony, tsy ho hitanao va izany?
16 Iaveh no mpanjaka mandrakizay doria, ho voafongatra eo amin'ny taniny ny firenena.
17 Efa nihaino ny fanirian'ny ory hianao, ry Iaveh; mankahery ny fony sady manongilana ny sofinao mihaino,
18 mba hanomezanao rariny ny kamboty sy ny ampahoriana, ka hitsahatra tsy hampitahotra intsony, ny olombelona nalaina tamin'ny tany.
Toko faha-11
1 Ho an'ny mpampianatra hira. Nataon'i Davida. Iaveh no itokiako; ka ahoana no ilazanareo amin'ny fanahiko hoe: Mandosira any an-tendrombohitrareo toy ny vorona?2 Fa indro ny ratsy fanahy manenjana ny tsipìkany; nametaka tamin'ny tady ny zana-tsipìkany; mba hitifirany ny olona mahitsy fo, ao amin'ny maizina.
3 Raha rava ny fanorenana, inona indray no azon'ny marina atao?
4 Iaveh izay ao amin'ny tempoliny masina, Iaveh izay manana ny seza fiandrianany any an-danitra, dia mana-maso mahiratra; ary ny hodi-masony mizaha ny zanak'olombelona hatr'ao anatiny.
5 Mizaha ny marina hatr'ao anatiny Iaveh; fa mankahala ny ratsy fanahy sy ny mifaly manao an-keriny izy.
6 Latsahany fandrika afo sy solifara hoatra ny ranonorana ny ratsy fanahy; rivo-mahery no ho anjara kapoakan'ireny.
7 Fa marina Iaveh ka ny fahamarinana no tiany; ny mahitsy fo no hibanjina ny tavany.
Toko faha-12
1 Ho an'ny mpampianatra hira. Amin'ny Oktavy. Hiran'i Davida.2 Vonjeo ry Iaveh ô! fa mihafongotra ny tia vavaka: mihafoana tsy ho eo amin'ny zanak'olombelona ny mahatoky.
3 Mifampilaza lainga no ataon'ny olona; molotra mandrobo sy feo mamorom-pitaka no itenenany.
4 Holevonin'ny Tompo anie ny molotra mandrobo rehetra, mbamin'ny lela miteny amin'avonavona,
5 izay milaza hoe: Mankahery anay ny lelanay; miandany aminay ny molotray, ka iza indray no ho tomponay?
6 Noho ny fahorian'ny ory, amam-pisentoan'ny mahantra, dia hitsangana aho ankehitriny, hoy Iaveh, dia hitondra aminy ny famonjena izay iriny.
7 Teny madio ny tenin'ny Tompo, volafotsy voarendrika anatin'ny memy ambonin'ny tany izy, ka voadio impito.
8 Hianao no hiambina azy, ry Iaveh ô; dia hiaro azy mandrakariva amin'ity taranaka ity.
9 Mandeha manodidina azy amim-panandratan-tena ny ratsy fanahy; fa araka ny isandratan'ny zanak'olombelona no hanetrena azy ireo.
Toko faha-13
1 Ho an'ny mpampianatra hira. Hiran'i Davida.2 Ry Iaveh ô, mandra-pahoviana no hanadinoanao ahy, mandra-pahoviana no hanafenanao ny tavanao amiko?
3 Mandra-pahoviana no hamoromporon-kevitra ao amin'ny fanahiko aho, ary dia ho feno alahelo isan'andro ny foko? Mandra-pahoviana no hitsanganan'ny fahavaloko mamely ahy?