Ny Salamo
Toko faha-13
4 Jereo, mba valio aho, ry Iaveh Andriamanitro ô! Omeo fahazavana ny masoko mba tsy ho renoky ny torimaso fahafatesana aho,5 mba tsy hanaovan'ny fahavaloko hoe: Resiko izy! ka tsy hifalian'ny mpanohitra ahy, mahita ahy mangozohozo.
6 Raha izaho, dia ny hatsaram-ponao no itokiako; ny famonjenao no hientanan'ny foko, hihira ho an'ny Tompo aho, noho ny soa nataony tamiko.
Toko faha-14
1 Ny adala manao anakam-po hoe: Tsy misy Andriamanitra! Efa simba izy ireo; asa mahamenatra no ataony; tsy misy manao ny tsara na dia iray aza.2 Iaveh mitsinjo ny zanak'olombelona eny amin'ny lanitra ambony eny, mba hahita raha misy olon-kendry anankiray, olona iray mitady an'Andriamanitra.
3 Efa nania izy rehetra, efa niara-nihasimba toetra avokoa; tsy misy manao ny tsara na dia iray aza, na dia iray monja aza.
4 Tsy manam-pahalalana va izy rehetra ireo izay manao ny ratsy? Mihinana ny vahoakako, toy ny fihinan-kanina tsy miantso an'ny Tompo izy ireo.
5 Ho tera-kovitra tampoka azon'ny fivadiham-po izy, fa eo afovoan'ny taranaka marina Andriamanitra.
6 Tadiavinareo hokorokoroina ny hevitra kasain'ny ory. Nefa Andriamanitra no arony.
7 Endrey! Hivoaka avy any Siona anie ny famonjena an'Israely. Rahefa hampodin'ny Tompo ireo nentin-ko babo amin'ny vahoakany, dia ho faly Jakoba ary ho ravo Israely!
Toko faha-15
1 Iaveh ô, iza no honina ao an-dainao? Zovy no hitoetra ao an-tendrombohitrao masina?2 Izay mandeha amin'ny tsy fananan-tsiny, izay manaraka ny rariny, ka milaza ny marina ao am-pony.
3 Tsy manendrikendrika amin'ny lelany izy, tsy manisy ratsy ny rahalahiny, tsy manala baraka ny namany.
4 Ny voaheloka no mendrika halam-baraka eo imasony; fa ny matahotra an'ny Tompo kosa omeny voninahitra. Raha nanao fianianana mamono antoka azy izy, tsy ivadihany izany.
5 Tsy mampihana vola manao zana-bola be loatra na mandray kolikoly hamely ny tsy manan-tsiny. Tsy hangozohozo mandrakizay izay mitondra tena arak'izany.
Toko faha-16
1 Hiran'i Davida. Ambeno aho, ry Andriamanitra ô, fa mifefy aminao aho.2 Hoy aho amin'ny Tompo: Tompoko hianao, hianao irery no fananako.
3 Ny olo-masina izay ety amin'ny tany, ireo malaza, dia tiako amin'ny foko rehetra.
4 Ampitomboin'ny olona ny sampy; ny andriamani-kafa no hihazakazahany harahina, fa izaho kosa tsy mba handraraka ny fanati-dra araraka ataony, na hanao ny anaran'ireny eo amin'ny molotro akory.
5 Iaveh no anjara lovako aman-kapoakako; hianao no miantoka ny anjarako
6 Norefesin'ny famolaina izay anjarako soa, eny lova soa indrindra no lasako ho ahy.
7 Isaorako Iaveh izay nanolo-tsaina ahy; na dia alina aza ny andro mbola anarin'ny foko ihany aho.
8 Ataoko eo imasoko mandrakariva Iaveh, fa eo ankavanako izy; tsy hangozohozo aho.
9 Ka dia faly ny foko, ravo ny fanahiko; mandry tsy amin'ahiahy mbamin'ny vatako aza.
10 Fa tsy ho foinao ho any amin'ny Seoly ny fanahiko; tsy havelanao hahita ny fahalovana ilay tia anao.
11 Hampahafantarinao ahy ny làlan'ny fiainana: hafaliana feno no eo anatrehan'ny tavanao; fahafinaretana mandrakizay no eo an-tànanao ankavanana.
Toko faha-17
1 Fivavak'i Davida. Ry Iaveh ô, mandrenesa ny rariny, henoy ny fitarainako; atongilano ny sofinao amin'ny fivavahako, izay tsy aloaky ny molotra misy fitaka.2 Hivoaka avy amin'ny tavanao anie ny fitsarana ahy; hijery ny marina anie ny masonao!
3 Hianao efa nizaha toetra ny foko: namangy azy nony alina, nitsapa ahy tamin'ny memy, fa tsy mahita na inona na inona hianao. Tsy mifanohitra amin'ny fisainako ny vavako.
4 Ny amin'ny asa fanaon'ny olona dia narahiko ny tenin'ny molotrao, ka nitandrin-tena tamin'ny làlan'ny mpanao an-keriny aho.
5 Nifikitra tao amin'ny làlanao ny diako; ary tsy mba nangozohozo ny tongotro.
6 Miantso anao aho, fa mamaly ahy hianao, ry Andriamanitra; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny fangatahako.
7 Asehoy ny hatsaram-ponao, hianao izay mamonjy ny mifefy ao amin'ny tànana ankavanana, tsy ho azon'ny fahavalony.
8 Tandremo tahaka ny anakandriamaso aho; afeno eo ambanin'ny aloky ny elatrao aho,
9 tsy ho azo henjehin'ny tsy mpivavaka, sy ny fahavalo tsy tia velona manodidina ahy.
10 Tampenany tsy hidiran'ny indrafo ny fony, sady miloa-bava manao teny miavonavona izy ireo.
11 Tanahiny hodidininy hatrany izahay, tsikiloiny hatsingidina amin'ny tany.
12 Mova tsy ny liona lian-te-handrapaka izy, na ny liona tanora mamitsaka ao amin'ny kirihitr'alany.
13 Mitsangàna, ry Iaveh, mirosoa hitsena azy, ka aripaho izy, ny sabatrao no aoka hanafaka ny fanahiko amin'ny ratsy fanahy,
14 ny tànanao hanafaka amin'ny olombelona, dia amin'ny olon'izao tontolo izao izay mahazo ny anjarany amin'ny fiainana ankehitriny, izay fenoinao harena ny kibony; sy vokisanao anaka, ary mamela ho an'ny zafiny ny ambim-bavany.
15 Fa izaho kosa dia hibanjina ny tavanao amin'ny fananako tsiny; sy hiala liana mijery ny sarinao amin'ny fifohazako.
Toko faha-18
1 Ho an'ny mpampianatra hira. Salamon'ilay mpanompon'ny Tompo, Davida, izay nanao ny tenin'izao tonon-kira izao tamin'ny Tompo, tamin'ny andro nanafahan'ny Tompo azy tamin'ny fahavalony rehetra, sy tamin'ny tanan'i Saola. Hoy izy:2 Tiako hianao, ry Iaveh heriko!
3 Iaveh, haram-batoko, mandako, mpanafaka ahy, Andriamanitro, vatolampiko izay hahitako fialofana, ampingako, tandro-pamonjena ahy, trano mimandako!
4 Niantso an'izay mendrika hoderaina, an'ny Tompo, aho, dia voavonjy tamin'ny fahavaloko.
5 Nanodidina ahy ny fatoram-pahafatesana; nampitahotra ahy ny riak'i Beliala,
6 nihodidina tamiko ny fatoran'ny Seoly; ary latsaka teo anatrehako ny fandrika haraton'ny fahafatesana.
7 Niantso an'ny Tompo tao anatin'ny fahoriako aho, ary nitaraina tamin'Andriamanitro aho; ka reny tany an-tempoliny ny feoko; tonga tao an-tsofiny ny fitarainako teo anatrehany.
8 Nihozongozona sy nihorohoro ny tany; nihararetra ny fanambanin'ny tendrombohitra; ka ireo no nihozongozona dia izy io no tezitra;
9 nisy setroka nisavoana avy ao am-bavorony, sy afo mandevona nivoaka avy any am-bavany; ary vainafo midedadeda nipoitra avy eo aminy.