Ny Salamo
Toko faha-18
10 Naletsiny ny lanitra dia nidina izy; rahona matevina no teo ambanin'ny tongony.11 Nitaingina Kerobima izy dia nanidina; nanidina nisononoka teo ambonin'ny ela-drivotra.
12 Ny aizina no nataony fitoerany mangingina, ny lainy manodidina azy dia rano maizina sy rahona manjombona.
13 Niantoraka avy amin'ny fahazavana nialoha azy ny rahona izay nitondra havandra mbamin'ny vainafo mivaivay.
14 Nampikotrokotroka tany an-danitra Iaveh, nampanakoako ny feony ny Avo indrindra; dia nisy havandra mbamin'ny vainafo mivaivay!
15 Nandefa ny zana-tsipìkany izy ka nampiely azy ireo; nataony maro ny varany, ka nampifanaritaka an'ireny izy.
16 Dia niseho tamin'izay ny mason-drano, niposaka ny fanambanin'ny tany, noho ny teny mafy nataonao, ry Iaveh, sy noho ny fifofofofon'ny rivotry ny vavoronao.
17 Naninjitra ny tànany avy any ambony izy nandray ahy, nisarika ahy avy tamin'ny rano be izy.
18 Nanafaka ahy tamin'ny fahavaloko mahery izy, dia tamin'izay nankahala ahy, fony izy ireo mahery noho izaho.
19 Nosovohin'ireny aho tamin'ny andron'ny fahoriako, fa Iaveh kosa no mpanohana ahy tamin'izay.
20 Nataony amin'ny malalaka aho, novonjeny aho satria nankasitrahany.
21 Novalian'ny Tompo aho araka ny fahamarinako, novaliany araka ny fahadiovan'ny tanako.
22 Fa nanaraka ny lalan'ny Tompo aho, ary tsy mba nanota hialako tamin'ny Andriamanitro.
23 Ny fitsarany rehetra dia teo anatrehako, ny lalàny koa tsy nariako lavitra ahy.
24 Tsy nanan-tsiny taminy aho; ary nitandrin-tena tamin'ny haratsiako.
25 Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Iaveh, araka ny hadiovan'ny tànako teo imasony.
26 Miseho ho tsara hianao amin'izay tsara; miseho ho marina hianao amin'izay marina;
27 miseho ho madio hianao amin'izay madio, fa amin'izay manao an-kafetsena dia anaovanao an-kafetsena koa.
28 Fa ny vahoaka voaetry, vonjenao, ary ny misolanandrana kosa aetrinao.
29 Eny, hianao no mampirehitra ny faniloko; Iaveh Andriamanitro no manazava ny aiziko.
30 Raha ombanao aho, dia mirotsaka amin'ny antoko-miaramila mitam-piadiana; omban'ny Andriamanitro aho mitsambikina mihoatra ny manda.
31 Andriamanitra... lavorary ny làlany; azo antoka ny tenin'ny Tompo, ampinga izy ho an'izay rehetra mifefy aminy.
32 Fa iza moa no Andriamanitra afa-tsy Iaveh ihany? ary zovy no vatolampy afa-tsy ny Andriamanitsika?
33 Dia ilay Andriamanitra mampisikina hery ahy, mandavorary ny làlako,
34 mampanahaka ny tongotro amin'ny an'ny serfavavy, mampijoro ahy any amin'ny fitoerako avo;
35 mampianatra ny tànako hiady izy, ka ny sandriko manenjana tsipìka varahina.
36 Ny ampingan'ny famonjenao nomenao ahy; ny tànanao ankavanana manohana ahy; ary ny hamoram-ponao no mahalehibe ahy.
37 Manalalaka ny dian-tongotro eo ambaniko hianao, ka tsy mangozohozo ny tongotro.
38 Manenjika ny fahavaloko aho, ka mahatratra azy, ary tsy miverina aho, raha tsy efa nataoko lany ritra ireny.
39 Atontako izy, dia tsy afa-mifongatra dia lavo ao ambanin'ny tongotro.
40 Mampisikina hery ahy ho amin'ny ady hianao, folahinao ao ambaniko ny rafilahiko rehetra.
41 Ireo fahavaloko... Ataonao miamboho ahy izy ireo; ka aringako izay mankahala azy.
42 Mitaraina ireny fa tsy misy mpamonjy; miantso an'ny Tompo fa tsy valiany akory.
43 Torotoroiko tahaka ny vovoka entin'ny rivotra izy; ary ataoko mafafa tahaka ny fotaka eny an-dalam-be.
44 Manafaka ahy amin'ny fikomian'ny vahoaka hianao, ady manandratra ahy ho lohan'ny firenen-tsamihafa; vahoaka tsy fantatro avy no manompo ahy koa.
45 Vao mandre izy dia manoa ahy; ny zanaky ny hafa firenena dia mandoka ahy.
46 Ketraka ny zanaky ny hafa firenena, ialany amin-kovitra ny trano mimandany.
47 Ho velona anie Iaveh, ary hisaorana anie ny vatolampiko! Hankalazaina anie ny Andriamanitry ny famonjeko,
48 dia Andriamanitra izay mpanao famaliana ho ahy, mampanaiky ahy ny firenena,
49 manafaka ahy amin'ny fahavaloko. Eny manandratra ahy ho ambonin'ny rafilahiko hianao, mamonjy ahy amin'ny olona mpanao an-keriny.
50 Noho izany dia hidera anao aho, ry Iaveh, eo amin'ny firenena, hihira ho an'ny voninahitry ny anaranao aho.
51 Manao famonjena mahagaga ho an'ny mpanjaka voatendriny izy, mamindra fo amin'izay voahosony izy, dia amin'i Davida sy ny taranany mandrakizay.
Toko faha-19
1 Ho an'ny mpampianatra hira. - Tonon-kiran'i Davida.2 Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra, ary ny habakabaka manambara ny asan-tànany.
3 Ny andro mitory fiderana amin'ny andro, ny alina mampandre izany amin'ny alina.
4 Izany tsy mba fiteny, tsy mba teny izay tsisy haharenesana ny feony:
5 fa mitety ny tany rehetra ny fanenon'ny feony, ka tonga hatramin'ny faran'ny tany ny fikarantsan'ny feony. Dia any izy no nanangan-day ho an'ny masoandro.
6 Ary izy io tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy amin'ny trano fandriany dia miezaka an-kafaliana toy ny olo-mahery fo, hanafaka ny làlan-kalehany.
7 Any amin'ny ila faravodilanitra izy no miala ; ary any amin'ny ila faravodilanitra vao tapitra ny diany; tsy misy tsy takatry ny hafanany.
8 Lavorary ny lalàn'ny Tompo, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teny vavolombelon'ny Tompo, ka mahahendry ny kely saina.