Ny Salamo
Toko faha-19
9 Mahitsy ny fandidian'ny Tompo, ka mahafaly ny fo; madio ny didin'ny Tompo, ka mampahazava ny maso.10 Masina ny fahatahorana an'ny Tompo, ka maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik'Iaveh, ka mahitsy avokoa.
11 Sarobidy noho ny volamena ireny, mihoatra noho ny volamena madio betsaka; mamy noho ny tantely izy, mihoatra noho ny tantely mitete avy amin'ny tohotra.
12 Ny mpanomponao koa dia hazavain'ireny; ary misy valiny lehibe ho an'izay mitandrina azy.
13 Iza moa no mahalala ny faniasiavany? Mamelà ahy amin'izay tsy fantatro.
14 Arovy amin'ny mpiavonavona koa ny mpanomponao; aoka tsy hanjaka aminy ireny. Dia ho lavorary aho, ho madio amin'ny ota lehibe.
15 Raiso amim-pankasitrahana ny tenin'ny vavako, mbamin'ny fitiavan'ny foko, eo anatrehanao, ry Iaveh, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy!
Toko faha-20
1 Ho an'ny mpampianatra hira. - Salamon'i Davida.2 Hihaino anao amin'ny andron'ny fahoriana anie Iaveh; hiaro anao anie ny anaran'ny Andriamanitr'i Jakoba.
3 Hahatonga famonjena ho anao avy amin'ny fitoerany masina anie izy; hanohana anao avy any Siona anie izy!
4 Hahatsiaro ny fanatitrao rehetra anie izy, ary hankasitraka ny soronao dorana! - Selà.
5 Homeny anao anie izay irin'ny fonao; ary hotanterahiny avokoa ny hevitra kasainao rehetra!
6 Hiarahaba ny fandresenao anie izahay, amin'ny hobin-kafaliana; hanangam-paneva amin'ny anaran'Andriamanitsika; hotanterahin'ny Tompo anie izay irinao rehetra!
7 Fantatro sahady fa namonjy ny voahosony Iaveh; hihaino azy izy any an-danitra, fonenany masina, amin'ny famonjena mahery hataon'ny tànany ankavanana.
8 Ny sasany mitoky amin'ny kalesiny; ny sasany amin'ny soavaliny; fa isika kosa miantso ny anaran'ny Tompo Andriamanitsika.
9 Koa izy ireo moa mihemotra sady lavo; izahay kosa miarina ka mahatoha mafy.
10 Ry Iaveh ô, vonjeo ny mpanjaka! - Hihaino antsika anie izy amin'izay andro iantsoantsika azy.
Toko faha-21
1 Ho an'ny mpampianatra hira. - Salamon'i Davida.2 Ry Iaveh, mifaly amin'ny herinao ny mpanjaka; endrey ny haben'ny firavoravoany amin'ny famonjenao!
3 Nomenao azy izay nirin'ny fony, tsy nolavinao izay nangatahin'ny molony. - Selà.
4 Fa notsenainao fanambinana fatratra izy; satro-boninahitra volamena madio no nataonao tamin'ny lohany.
5 Nangataka aina taminao izy, ka nomenao azy izany; dia andro lava sy mandrakizay alaovalo.
6 Noho ny famonjenao dia lehibe ny voninahiny; nomenao laza amam-pamirapiratana izy.
7 Nataonao fandrotsaham-pitahiana mandrakizay izy; fenoinao hafaliana eo anatrehan'ny tavanao izy.
8 Fa matoky an'ny Tompo ny mpanjaka, ka tsy mangozohozo izy noho ny famindram-pon'ny Avo indrindra.
9 Ho azon'ny tànanao ny fahavalonao rehetra, ry mpanjaka, ho azon'ny tànanao ankavanana izay mankahala anao;
10 hataonao toy ny fatana mirehitra izy, amin'ny andro hampisehoanao ny tavanao. Haringan'ny Tompo amin'ny fahatezerany izy ireo, ary handevona azy ny afo.
11 Hofongoranao eo amin'ny tany ny taranany, ary eo amin'ny zanak'olombelona ny tamingany.
12 Nanao fiomanana handevona anao izy ireo namoron-kevi-dratsy, nefa tsy hahefa.
13 Fa hianao kosa no hampiamboho azy; hikendry ny handriny amin'ny tsipìkanao hianao.
14 Mitsangàna amin'ny herinao, ry Iaveh ô, te-hihira sy hankalaza ny fahefanao izahay.
Toko faha-22
1 Ho an'ny mpampianatra hira. Momba ny Serfavanin'ny mazava atsinanana. Salamon'i Davida.2 Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, nahoana no nilaozanao aho? Mitaraina aho, nefa mijanona lavitra ahy ny famonjena!
3 Andriamanitra ô, miantso aho, ritry ny andro, nefa tsy mamaly ahy hianao; ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho.
4 Kanefa masina hianao, ary mipetraka eo amin'ny hiran'Israely.
5 Hianao no nitokian'ny razanay; natoky izy ka nanafaka azy hianao;
6 niantso anao izy ka voavonjinao; natoky anao izy ka tsy azon-kenatra.
7 Ary izaho, dia olitra aho fa tsy olona; fandatsan'ny olona, faikam-bahoaka.
8 Izay rehetra mahita ahy, manaraby ahy avokoa; misoka-molotra izy ary mihifikifi-doha:
9 Aoka izy hanankina ny tenany amin'ny Tompo. Aoka hovonjeny izy. Aoka hafahany izy fa tiany.
10 Eny hianao no nampivoaka ahy avy ao ambohoka; hianao no nampahatoky ahy fony aho mbola nampinonoin'i neny.
11 Hatramin'ny fony aho vao teraka no efa nankinina taminao; hatrany an-kibon-dreniko dia hianao no efa Andriamanitro.
12 Aza manalavitra ahy hianao fa akaiky ny fahoriana, satria tsy misy olona tonga hamonjy ahy.
13 Itangoronan'ombalahy maro aho; temeran'ny maherin'i Basàna aho.
14 Asanasanany amiko ny vavany; mova izy tsy ny liona mamiravira sy mierona iny.
15 Koa tahaka ny rano mandeha ihany aho; ary mivaha ny taolako rehetra; tahaka ny savoka ny foko, miempo ato an-kiboko.
16 Maina tahaka ny tavim-bilany tany ny heriko, ary miraikitra amin'ny lanilaniko ny lelako; mampandry ahy ao amin'ny vovoky ny fahafatesana hianao.
17 Fa amboa no mitangorona amiko; andian'olon-dratsy no mihenjy manodidina ahy; nandoaka ny tongotro aman-tànako izy;
18 mahisa ny taolako rehetra aho. Ireo kosa mandinika ahy sy mibanjina ahy;
19 zarain'izy ireo ny fitafiako, ary ilokany ny akanjoko.