Ny Salamo
Toko faha-22
20 Fa hianao kosa, Iaveh ô, aza manalavitra ahy! Hianao heriko, faingàna hamonjy ahy!21 Afaho amin'ny sabatra ny fanahiko, ary ny aiko amin'ny fahefan'ny amboa!
22 Vonjeo amin'ny vavan'ny liona aho; esory amin'ny tandroky ny ombimanga aho:
23 Dia hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko aho; hidera anao eo amin'ny fiangonana aho:
24 Miderà an'ny Tompo hianareo izay matahotra azy! manomeza voninahitra azy hianareo rehetra taranak'i Jakoba, manajà azy hianareo rehetra taranak'Israely!
25 Fa tsy nataony tsinontsinona na niambohoany ny fijalian'ny ory, tsy nanafina ny tavany eo anatrehany izy; ary nihaino izy, nony nitaraina taminy ny ory.
26 Noho hianao dia hanako eo amin'ny fiangonan-dehibe ny hirako; hefaiko eo anatrehan'izay matahotra anao ny voadiko.
27 Hihinana ny tra-pahoriana ka ho voky; hidera an'ny Tompo izay mitady azy. Ho velona indray mandrakizay anie ny fonareo!
28 Ny faravazan-tany rehetra hahatsiaro sy hitodika an'ny Tompo, ary ny fokom-pirenena rehetra hiankohoka eo anatrehan'ny tavanao.
29 Fa an'ny Tompo ny fanjakana; izy no manapaka amin'ny firenena.
30 Ny manam-pahefana eto ambonin'ny tany hihinana sy hiankohoka, izay rehetra midina ho any amin'ny vovoka, hiondrika eo anoloany; dia ireo tsy mahay manalava ny andro iainany.
31 Hanompo azy ny taranaka; holazaina amin'ny taranaka ho avy ny Tompo.
32 Ho avy izy ireo ka hitory ny fahamarinany; hambaran'izy ireo amin'ny vahoaka mbola ho teraka ny nataony.
Toko faha-23
1 Salamon'i Davida. Iaveh no mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho.2 Mampijanona ahy eo amin'ny vilona maitso izy, mitondra ahy ho eo amoron-drano mampangatsiatsiaka;
3 mamelombelona ny fanahiko. Mitarika ahy amin'ny lala-mahitsy; noho ny anarany.
4 Na mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, tsy misy loza atahorako fa hianao no eo amiko; ny tsora-kazo aman-tehinao no mahafa-tahotra ahy.
5 Mamelatra latabatra eo anoloako, eo imason'ny fahavaloko hianao, manosotra diloilo ny lohako hianao, feno mitafotafo ny kapoakako.
6 Eny fahasambarana amam-pahasoavana no homba ahy, amin'ny andro rehetra hiainako; dia hitoetra ao an-tranon'ny Tompo aho, mandritra ny andro lava.
Toko faha-24
1 Salamon'i Davida. An'ny Tompo ny tany, mbamin'izay rehetra ao aminy, izao tontolo izao mbamin'ny mponina rehetra ao aminy.2 Fa izy no nanorina azy, tambonin'ny ranomasina; sy nampitoetra azy tambonin'ny ony.
3 Iza no hiakatra any amin'ny tendrombohitry ny Tompo? iza no hitoetra eo amin'ny fitoerany masina?
4 Izay tsy manan-tsiny ny tànany, ary madio ny fony, izay tsy manarana ny fanahiny amin'ny lainga, ary tsy mianiana mba hamitaka.
5 Hahazo ny fanambinan'ny Tompo izy, ny fahamarinana avy amin'ny Tompon'ny famonjeny.
6 Toy izany ny taranak'izay mitady azy, dia ireo mitady ny tavan'Andriamanitr'i Jakoba. - Selà.
7 Asandrato ny tataonareo, ry vavahady; misandrata hianareo, ry varavarana fahagola, hidiran'ny Mpanjakan'ny voninahitra.
8 Iza moa izany Mpanjakan'ny voninahitra izany? Iaveh mahery sy mahefa, Iaveh mahery an'ady.
9 Asandrato ny tataonareo, ry vavahady; misandrata hianareo, ry varavarana fahagola hidiran'ny Mpanjakan'ny voninahitra!
10 Iza moa izany Mpanjakan'ny voninahitra izany? Iavehn'ny tafika, izy no Mpanjakan'ny voninahitra! - Selà.
Toko faha-25
1 Salamon'i Davida. ALEPH Aminao, ry Iaveh, no anandratako ny fanahiko, ry Andriamanitro ô!2 BETH Hianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho, aoka tsy hifalian'ny fahavaloko aho!
3 GHIMEL Tokoa fa tsy hisy ho menatra izay rehetra manantena anao; izay mivadika foana dia ireo no ho menatra.
4 DALETH Iaveh ô, ampahafantaro ny làlanao aho; ampianaro ny sakeli-dàlanao aho.
5 HE Tariho amin'ny fahamarinanao aho, VAV ary ampianaro, fa Andriamanitry ny famonjeko hianao; hianao no antenaiko mandritra ny andro.
6 ZAIN Tsarovy ny famindram-ponao, ry Iaveh, sy ny hatsaram-ponao, fa mandrakizay ireny.
7 HETH Aza tsarovanao ny fahotan'ny fahatanorako, na ny hadisoako, fa tsarovy araka ny famindram-ponao aho, noho ny hatsaram-ponao, ry Iaveh.
8 TETH Tsara sy mahitsy fo Iaveh; izany no anoroany làlana ny mpanota.
9 IOD Mampizotra ny manetry tena amin'ny fahamarinana izy, mampianatra ny manetry tena ny làlany izy.
10 KAPH Famindram-po amam-pahamarinana avokoa ny làlan'ny Tompo amin'izay mitandrina ny fanekeny sy ny didiny.
11 LAMED Noho ny anaranao, ry Iaveh, dia hamela ny heloko hianao fa lehibe izy.
12 MEM Iza no olona matahotra an'ny Tompo? Hampianarin'ny Tompo azy ny làlana tokony hofidiny.
13 NUN Mandry amim-piadanana ny fanahiny, ary hanana ny tany ny taranany.
14 SAMECH Ny fifankazarana amin'ny Tompo dia anjaran'ny matahotra azy, hampahafantariny azy ny fanambinana avy amin'ny fanekem-pihavanany.
15 AIN Mitodika any amin'ny Tompo mandrakariva ny masoko, fa izy no hanafaka ny tongotro amin'ny fandrika harato.
16 PHE Jereo aho, ka amindrao fo, fa manirery aho, ka mahantra.
17 TSADE Mihalehibe ny fahorian'ny foko, afaho amin'ny fahaporitako aho!
18 Jereo ny fahoriana amam-pijaliako; ary avelao ny fahotako rehetra.
19 RESCH Jereo ity hamaroan'ny fahavaloko, sy izato halozan'ny fankahalany ahy.
20 SCHIN Arovy ny fanahiko, ary vonjeo aho; aoka tsy ho menatra aho, fa hianao no nametrahako ny fitokiako.
21 THAV Haharo ahy anie ny tsy fananan-tsiny amam-pahitsiana, fa hianao no antenaiko.