Ny Salamo

Toko faha-25

22 Ry Andriamanitra ô, afaho Israely amin'ny fahoriany rehetra.

Toko faha-26

1 Nataon'i Davida. Tsarao aho, ry Iaveh, fa nandeha tamin'ny tsy fananan-tsiny aho, Iaveh no itokiako ka tsy hangozohozo aho.

2 Tsapao toetra aho, ry Iaveh, diniho aho, tsapao amin'ny memy ny kiboko sy ny foko;

3 Fa ny famindram-ponao no eo anoloan'ny masoko, ary mandeha amin'ny fahamarinana aho.

4 Tsy mba miara-mipetraka amin'ny olona fandainga aho; tsy miara-mandeha amin'ny olona manao an-kifonofono;

5 halako ny fivorian'izay manao ratsy, tsy mipetraka hitsara miaraka amin'ny ratsy fanahy aho.

6 Manasa ny tànako amin'ny tsy fananan-tsiny aho, ary manodidina ny otelinao aho, ry Iaveh,

7 mba handefa feo fiderana, ary hitantara ny asanao mahagaga rehetra.

8 Tiako ny mitoetra ao an-tranonao, ry Iaveh ô, dia ny fitoerana ipetrahan'ny voninahitrao.

9 Aoka ny fanahiko tsy halainao miaraka amin'ny an'ny mpanota ary ny aiko miaraka amin'ny an'ny olona mpandatsa-dra,

10 fa ny tànan'ireny misy heloka ary ny tànany ankavanana feno kolikoly.

11 Fa izaho kosa nandeha amin'ny tsy fananako tsiny; afaho sy amindrao fo aho.

12 Tafapetraka amin'ny tany marina ny tongotro; hisaotra an'ny Tompo ao am-piangonana aho.

Toko faha-27

1 Nataon'i Davida. Iaveh no fahazavako amam-pamonjena ahy; ka iza no hatahorako? Iaveh no mandan'ny aiko, ka zovy no hangovitako?

2 Raha nandroso ny ratsy fanahy hamely ahy, ka hihinana ny nofoko; raha nandroso ny rafilahiko amam-pahavaloko; dia izy ireo ihany no nangozohozo, ka lavo.

3 Na dia tafika iray aza no tamy hitoby hiady amiko, tsy hatahotra ny foko; na dia rafitra aza ny ady mamely ahy, dia hatoky ihany aho.

4 Zavatra iray loha no angatahiko amin'ny Tompo sady iriko fatratra: Dia te-honina eo an-tranon'ny Tompo aho, amin'ny andro rehetra iainako, mba hifaly amin'ny toetra mahate-ho tian'ny Tompo, sy hibanjina ny fitoerany masina.

5 Fa hoalofany ao amin'ny fonenany aho amin'ny andron'ny fahoriana; hanafina ahy amin'ny fiafenana ao an-dainy izy, hampitoetra ahy eo ambony vatolampy izy.

6 Amin'izany ny lohako hisandratra ambonin'ny fahavalo, izay manodidina ahy. Ao amin'ny tabernaklany aho hanatitra sorom-pisaorana. Hihira sy hanao hiram-piderana an'ny Tompo aho.

7 Ry Iaveh ô, henoy ny feoko fa miantso anao aho, mamindra fo amiko, ekeo ny hatako.

8 Hoy ny feoko hoe, milaza ny teny avy aminao: Tadiavonareo ny tavako; mitady ny tavanao aho, ry Iaveh.

9 Aza afeninao amiko ny tavanao; aza roahina an-katezerana ny mpanomponao; hianao no famonjena ahy, ka aza mahafoy ahy ; aza ilaozanao aho, ry Andriamanitry ny famonjena ahy.

10 Fa ny ray aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Iaveh kosa handray ahy.

11 Tompo ô, ampianaro ny làlanao aho; tariho amin'ny lalana marina aho; noho ny amin'ireo mitsikilo ahy.

12 Aza manolotra ahy amin'ny haromotan'ireo mpanohitra ahy; fa vavolombelona mandainga no mitsangan-kiampanga ahy; olona tsy mihevitra hafa-tsy ny fanaovana an-keriny.

13 Endrey, raha izay re aho no tsy matoky hahita ny hatsaram-pon'ny Tompo, any amin'ny tanin'ny velona!...

14 Manantenà an'ny Tompo! Matokia ka herezo ny fonao! Manantena an'ny Tompo!

Toko faha-28

1 Nataon'i Davida. Hianao no antsoiko, ry Iaveh ô, aza manentsin-tadìny amiko, ry vatolampiko, fandrao raha mangina hianao, dia ho tahaka izay midina any an-davaka aho.

2 Henoy ny feon'ny fifonako, raha mitaraina aminao aho; raha manandratra ny tànako, mankany amin'ny fitoeranao masina aho.

3 Aza atao indray mandripaka amin'ny ratsy fanahy aho, amin'ireo mpamorona heloka, izay miresaka fihavanana amin'ny namany, kanjo hasomparana no ao am-pony.

4 Valio araka ny asany ireny, sy araka ny haratsian'ny asa ataony; valio araka ny vitan'ny tànany izy; omeo azy ny tamby tandrifin'azy.

5 Fa tsy tandreman'ny sainy ny asan'ny Tompo, dia ny asan-tànany: ka horavany kosa fa tsy haoriny izy ireo.

6 Isaorana anie Iaveh, fa nihaino ny feon'ny fifonako izy.

7 Iaveh no heriko sy ampingako; izy no nitokian'ny foko. Efa voavonjy aho. Ka misomebin-kafaliana ny foko. Ka hidera azy amin'ny hirako aho.

8 Iaveh no herin'ny vahoakany, mandam-pamonjena ho an'ny voahosony izy.

9 Vonjeo ny olonao, ary tahio ny lovanao! Hianao anie no ho mpiandry azy sy hitondra azy mandrakizay.

Toko faha-29

1 Salamon'i Davida. Manomeza an'ny Tompo, ry zanak'Andriamanitra, manomeza voninahitra sy fahefana ho an'ny Tompo!

2 Omeo an'ny Tompo, ny voninahitry ny anarany. Mitsaoha an'ny Tompo amin'ny fanamiana masina.

3 Mikotrokotroka any ambony rano be ny feon'ny Tompo, mampikotrokorana ny Andriamanitry ny voninahitra; eny ambony rano be Iaveh.

4 Mafy ny feon'ny Tompo; be voninahitra ny feon'ny Tompo.

5 Manorotoro ny sedera ny feon'ny Tompo; manorotoro ny sedera any Libàna Iaveh;

6 mampitsambikina azy ireo tahaka ny vantotr'ombalahy izy, ka mova tsy ny zanak'ombimanga, i Libàna sy Siriona.

7 Mampitselatra lelafo ny feon'ny Tompo,

8 mampihorohoro ny efitra ny feon'ny Tompo, mampihorohoro ny efitr'i Kadesa Iaveh.

9 Mampiteraka ny serfavavy ny feon'ny Tompo, sady mampihintsan-dravina ny ala be; ary ao an-tempoliny ny zava-drehetra samy milaza hoe: Voninahitra!

10 Amin'ny safo-drano dia mipetraka ao ambonin'ny fiketrahany Iaveh, mipetraka ao amin'ny fiketrahany ho mpanjaka mandrakizay Iaveh.

11 Hanome hery ny vahoakany Iaveh: hanambina ny vahoakany, amin'ny fanomezam-piadanana azy Iaveh.

Toko faha-30

1 Salamo. Hira amin'ny fitokanana ny trano. Nataon'i Davida.

2 Mankalaza anao aho, ry Iaveh, fa efa nanandratra ahy hianao, tsy nataonao ho fifalian'ny fahavaloko aho.

3 Iaveh Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nositraninao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2256