Ny Salamo
Toko faha-30
4 Ry Iaveh ô, nampiakatra ny fanahiko avy any amin'ny Seoly hianao; nampody ny aiko hianao, nataonao lavitra izay midina any an-davaka aho.5 Mihirà ho an'ny Tompo hianareo mpiraikitra aminy, mankalazà ny fahatsiarovana masina azy.
6 Fa indray mipi-maso no aharetan'ny fahatezerany, ary mandritra ny andro iainana ny fahasoavany; ny hariva no tonga ny fitomaniana, ary ny maraina kosa misy ny fifaliana.
7 Hoy aho, raha mbola be ny tokiko: Tsy hangozohozo mandrakizay aho.
8 Iaveh ô, noho ny fahasoavanao dia nohamafisinao ny tendrombohitro; - nanafina ny tavanao hianao ka nitebiteby aho.
9 Niantso anao aho, ry Iaveh, nitaraina tamin'ny Tompo aho:
10 Mampaninona anao moa ny mandatsa-dra ahy, sy ny mampidina ahy any an-davaka? Hidera anao va ny vovoka; hanambara ny fahamarinanao va izy?
11 Mihainoa, ry Iaveh ô, ka iantrao aho; Iaveh ô, avia hamonjy ahy! -
12 Dia nampody ny fidradradradrako ho fifaliana hianao, namaha ny lasakako hianao ka nampisikina fifaliana ahy,
13 mba hankalaza anao ny fanahiko ka tsy hangina, Iaveh Andriamanitro ô, hidera anao mandrakizay aho.
Toko faha-31
1 Ho an'ny mpampianatra hira. Salamon'i Davida.2 Iaveh ô, Hianao no nataoko fialofako; aoka tsy ho menatra aho na oviana na oviana! Vonjeo amin'ny fahamarinanao aho.
3 Atongilano amiko ny sofinao; faingàna hamonjy ahy. Aoka ho vatolampy fiarovana ahy hianao, ho trano mimanda hahitako famonjena.
4 Fa hianao no vatolampy sy trano mimandako; ary noho ny anaranao dia hitondra sy hitarika ahy hianao.
5 Hanafaka ahy amin'ny fandrika harato novelariny hianao; fa hianao no fiarovana ahy.
6 Apetrako eo am-pelatananao ny fanahiko, dia hanafaka ahy hianao, ry Iaveh Andriamanitry ny fahamarinana.
7 Halako izay manaja sampy foana: fa raha izaho dia Iaveh no itokiako.
8 Hientan-kafaliana sy haravoana noho ny hatsaram-ponao aho; fa nijery ny fahantrako hianao, nahita ny fahorian'ny fanahiko hianao,
9 ary tsy nanolotra ahy teo am-pelatanan'ny fahavaloko hianao; fa nampitoetra ny tongotro teo amin'ny malalaka.
10 Mamindrà fo amiko, ry Iaveh, fa tra-pahoriana aho: simban'alahelo ny masoko, mbamin'ny fanahiko sy ny kiboko.
11 Ny aiko lanin'alahelo; ny taonako difotry ny sento; ny heriko levona noho ny fahotako; ary ny taolako fohatra.
12 Nataon'ny fahavaloko rehetra izay hahatonga ahy ho fanalam-baraka, ho enta-mavesatra ho an'ny mifanolo-body rindrina amiko, ary ho tahotra ho an'ny sakaizako. Izay mahita ahy any ivelany mandositra ahy,
13 zavatra fanadino aho, toy ny maty, lavitra ny fon'ny olona; mova tsy ny kapoaka vaky iny aho.
14 Reko avokoa ny vava ratsin'ny be sy ny maro, ny fangorohoroana mahazo ny manodidina, raha ilay miara-mioko hamely ahy iny izy ireo, fa miray tetika hamono ny aiko.
15 Nefa matoky anao aho, ry Iaveh, hoy aho hoe: Andriamanitro hianao.
16 Eo an-tànanao ny anjarako, afaho amin'ny tànan'ny fahavaloko amam-panenjika ahy aho!
17 Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao; vonjeo amin'ny fahasoavanao aho!
18 Ry Iaveh ô, aoka tsy ho menatra aho, raha miantso anao; fa aoka ho an'ny ratsy fanahy ny henatra. Aoka izy hidina mangina any amin'ny Seoly.
19 Aoka hanjary moana ny molotra mandainga, izay miteny amin'avonavona hanohitra ny marina amim-piavonavonana amam-paniratsirana.
20 Akory ny haben'ny hatsaram-ponao, izay tehirizinao ho an'ireo matahotra anao, izay asehonao amin'ireo manao anao ho fialofany, eo imason'ny zanak'olombelona!
21 Alofanao eo amin'ny aloky ny tavanao izy; mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon'ny olona izy; mampiery azy ao an-dainao hianao, mba tsy ho azon'ny lela mamely azy izy.
22 Isaorana anie Iaveh! fa nasehony miharihary ny famindram-pony tamiko, tamin'ny nametrahany ahy tao an-tanàna mimanda.
23 Hoy aho tamin'ny fahatairako: Nariana lavitra ny fijerinao aho! Kanjo nihaino ny feon'ny fifonako hianao, nony nitaraina taminao aho.
24 Tiava an'ny Tompo hianareo rehetra mazoto mivavaka aminy; Miaro ny olona miraikitra aminy Iaveh, fa faiziny mafy kosa ny mpiavonavona.
25 Matokia ary mahereza fo, hianareo rehetra manantena an'ny Tompo!
Toko faha-32
1 Nataon'i Davida. Fisaintsainana masina. Sambatra izay voaesotra ny helony, sy voavela ny fahotany.2 Sambatra ny olona tsy tànan'ny Tompo heloka, izay tsy misy fitaka ny fanahiny.
3 Raha mbola nangina aho, nihalany ny taolako rehetra, tamin'ny fitolokoko isan'andro.
4 Fa nanindry ahy, andro aman'alina, ny tànanao; nihamaina ny herin'ny aiko tamin'ny hainandro lohataona. - Selà.
5 Nambarako taminao ny fahotako, tsy mba nafeniko ny heloko. Hoy aho: Hiaiky ny fahadisoako amin'ny Tompo aho, dia navelanao kosa ny heloky ny fahotako. - Selà.
6 Ka aoka hivavaka aminao ny olona tia vavaka rehetra, amin'ny fotoana mety. Marina, fa amin'ny fahatondrahan'ny rano be, dia tsy hahatratra azy izany.
7 Hianao no fialofako; hiaro ahy amin'ny fahoriana hianao, hodidininao hiram-pamonjena aho. - Selà.
8 Hampianariko sy hasehoko anao izay lalan-kizoranao; ho mpanolo-tsaina anao aho, sady hitsinjo anao ny masoko.
9 Aza manahaka ny soavaly ama-mole tsy manan-tsaina: tsy maintsy entina amin'ny vy sakam-bavany amam-damboridy ireny; fa tsy mety manaiky izy raha tsy izany.
10 Fahoriana be no anjaran'ny ratsy fanahy; fa fahasoavana kosa no manodidina an'izay matoky an'ny Tompo.
11 Mifalia sy miravoravoa amin'ny Tompo hianareo olo-marina, Manaova hobin-kafaliana hianareo mahitsy fo rehetra!
Toko faha-33
1 Mifalia ao amin'ny Tompo hianareo, ry olo-marina; fa ny midera no fanao mendrika ny olo-mahitsy.2 Miderà an'ny Tompo amin'ny harpa, mihirà ho azy amin'ny valiha tory folo.
3 Mihirà fihiram-baovao ho voninahiny; ampiaraho amim-pahaizana amin'ny zava-maneno ny feonareo.
4 Fa mahitsy ny tenin'ny Tompo, ary tanteraka tsy misy tomika ny asany rehetra.