Ny Salamo
Toko faha-33
5 Tia ny rariny sy ny hitsiny izy; henika ny hatsaram-pon'ny Tompo ny tany.6 Ny tenin'ny Tompo no nanaovana ny lanitra; ary ny fofon'ain'ny vavany no nanaovana ny tafiny rehetra.
7 Manangona ny ranon'ny ranomasina izy toy ny zavatra iray miavosa, ny ranon'ny hantsana ataony ao amin'ny fanangonana azy.
8 Aoka hatahotra an'ny Tompo ny tany rehetra! Aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin'izao tontolo izao.
9 Fa niteny ihany izy, dia hary izao rehetra izao, nandidy izy dia nisy ny zavatra rehetra.
10 Manakorontana ny fisainan'ny firenena Iaveh, mahatsinontsinona ny hevitry ny vahoaka izy.
11 Fa ny hevitry ny Tompo kosa maharitra mandrakizay; ny fisainan'ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby rehetra.
12 Sambatra ny firenena manana an'ny Tompo ho Andriamaniny; sambatra ny vahoaka nofidiny ho lovany!
13 Mijery Iaveh eny an-danitra; mahita ny zanak'olombelona rehetra izy;
14 eny amin'ny fitoeran'ny fonenany dia tazaniny ny mponina rehetra amin'ny tany,
15 dia izy mpamorona ny fon'izy rehetra, izy mpamantatra ny asan'izy rehetra.
16 Tsy ny hamaroan'ny miaramilany no ahazoan'ny mpanjaka fandresena; tsy ny heriny lehibe no ahombiazan'ny mpiady;
17 ny soavaly tsy vanon-kampahazo famonjena; ary ny havitrihany rehetra tsy ahazoana antoka amin'ny fahafahana.
18 Ny mason'ny Tompo mitsinjo izay matahotra azy, dia ireo manantena ny hatsaram-pony,
19 mba hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana, sy hamelona azy amin'ny andro mosarena.
20 Miandry an'ny Tompo amim-pitokiana ny fanahintsika; famonjena antsika sy ampingantsika izy;
21 fa izy no ataon'ny fontsika foto-pifaliana, fa ny anarany masina no ataontsika fototry ny fitokiantsika.
22 Iaveh ô, ho aminay anie ny fahasoavanao, araka ny anantenanay anao!
Toko faha-34
1 Nataon'i Davida, tamin'izy nody adala teo anatrehan'i Abimeleka, ka noroahiny izy, dia lasa.2 ALEPH Te-hisaotra an'ny Tompo mandrakariva aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana azy.
3 BETH Iaveh no ireharehan'ny fanahiko; aoka handre sy hifaly ny manetry tena.
4 GHIMEL Miaraha amiko hianareo hankalaza an'ny Tompo: aoka isika hiara-midera ny anarany.
5 DALETH Nitady an'ny Tompo aho, dia nihaino ahy izy, ary nanafaka ahy tamin'ny tahotro rehetra.
6 HE Raha mitodika azy ny olona dia miramiran'ny hafaliana, VAV ary tsy safo-kenatra ny tavany.
7 ZAIN Niantso ity olo-mahantra, dia nohenoin'ny Tompo, sy novonjeny tamin'ny fahoriany rehetra.
8 HETH Ny anjelin'ny Tompo mitoby, manodidina izay matahotra azy, ka mamonjy azy.
9 TETH Andramo ka zahao ange izany hatsaran'ny Tompo. Sambatra ny olona manao azy ho fialofany.
10 YOD Matahora an'ny Tompo hianareo olo-masiny, fa tsy ho voan'ny fahantrana izay matahotra azy.
11 KAPH Ny liona tanora mety noana amam-tsy ampy hanina ihany, fa izay mitady an'ny Tompo tsy orin-java-tsoa akory.
12 LAMED Avia, anaka, mihainoa ahy, hampianariko ny fahatahorana an'ny Tompo hianareo.
13 MEM Iza no olona mankamamy ny aina, iza no maniry andro lava hanaranam-po amin'ny fahasambarana?
14 NUN Arovy amin'ny ratsy ny lelanao, ary amin'ny teny fitaka ny molotrao.
15 SAMECH Mandosira ny ratsy ary manaova ny tsara, mitadiava fihavanana ary katsaho izany.
16 AIN Ny mason'ny Tompo mitsinjo ny marina ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.
17 PHE Ny tavan'ny Tompo manandrina ny mpanao ratsy, mba hamongorany ny fahatsiarovana azy eo amin'ny tany.
18 TSADE Fa mitaraina kosa ny marina, dia mihaino azy Iaveh, ka manafaka azy amin'ny fahoriany rehetra.
19 KOPH Eo akaikin'izay torotoro Iaveh, ary mamonjy izay rera-panahy izy.
20 RESCH Iharam-pahoriana matetika ny marina, fa esorin'ny Tompo amin'izany rehetra izany kosa.
21 SCHIN Miaro ny taolany rehetra izy, tsy hisy ho tapaka ireny, na dia iray aza.
22 THAV Ny ratsy no mahafaty ny ratsy fanahy; ary sazina ny mpankahala ny olo-marina.
23 Fa avotan'ny Tompo kosa ny fanahin'ny mpanompony; ary tsy misy faizina izay rehetra mialoka aminy.
Toko faha-35
1 Nataon'i Davida. Ry Iaveh ô, mameleza an'izay mamely ahy; miadia amin'izay miady amiko.2 Raiso ny ampinga kely aman-dehibe, ka mitsangàna hianao hamonjy ahy!
3 Tsoahy ny lefona, sakano lalana izay manenjika ahy; lazao amin'ny fanahiko hoe: Izaho no famonjena anao.
4 Aoka ho menatra sy hangaihay izay mitady ny aiko; aoka hihemotra sy hangaihay izay mihevitra hampidi-doza amiko.
5 Aoka hanahaka ny akofa tsofin'ny rivotra izy, ka horoahin'ny anjelin'ny Tompo eo anatrehany.
6 Aoka ho maizina sady malama ny làlany, ary aoka hanenjika azy ny anjelin'ny Tompo.
7 Fa nanao fandri-totofana hamelezana ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy; nihady ny lavaka hahaverezany ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy.
8 Aoka ny fandringanana ho tonga tampoka aminy, aoka ny fandrika nafeniny hahavoa azy; aoka ho latsaka sy matin'izany izy.
9 Fa ny fanahiko kosa hifaly amin'ny Tompo, hiravoravo amin'ny famonjeny.