Ny Salamo

Toko faha-35

10 Ny taolako rehetra hanao hoe: Iaveh ô, iza no tahaka anao, izay manafaka ny malahelo amin'ny mahery noho izy, mbamin'ny malahelo sy ny mahantra amin'izay mamabo azy?

11 Misy vavolombelona tsy marina mitsangana; ka miampanga ahy amin'ny zavatra tsy fantatro.

12 Mamaly ratsy ny soa izy amiko, ka latsaka am-pandaozana ny fanahiko.

13 Izaho anefa, fony izy ireo narary, nitafy lamba fivalozana, nampijaly ny aiko tamin'ny fifadian-kanina, ary ny fivavahako niverina tao ampofoako.

14 Nandeha midanesaka aho, toy ny malahelo sakaiza aman-drahalahy, nitanondrika tamin'alahelo, toy ny misaona reny aho.

15 Kanjo ankehitriny nony mangozohozo aho, mifaly sy miravo izy ireo, mivory takona ahy, hamely ahy ny mpanoso-dratsy; mamiravira ahy tsy an-kijanona izy ireo.

16 Mova tsy ny mpitakarina veta mpanao vava mananihany, mikotro-nify ery izy amiko.

17 Tompo ô, mandra-pahoviana no hojerenao izany? Tsoahy amin'ny fanenjehan'ireo ny fanahiko, ary amin'ny hasahian'ireo liona ireo, ny aiko!

18 Hidera anao eo amin'ny fivorian-dehibe aho; hankalaza anao eo afovoan'ny vahoaka be aho.

19 Aoka tsy hifalian'izay mamely ahy foana aho! Aoka tsy hihiringiri-maso izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana!

20 Fa tsy mba fitenin-pihavanana no fitenin'ireny, fa fitaka hamelezana ny mponina mandry fahizay no saintsaininy.

21 Atanatanany amiko ny vavany, dia hoy izy: Hià, sakoa izay, masonay no nahita...

22 Ry Iaveh ô, hitanao izao. Aza dia mety mangina fotsiny; Tompo ô, aza manalavitra ahy!

23 Miarena ka mitsangàna hampahazo ahy ny rariny sy hiaro ahy amin'ny adiko, ry Andriamanitro sy Tompoko ô.

24 Tsarao araka ny fahamarinanao aho, ry Iaveh Andriamanitro ô, ary aoka tsy ho foto-pifaliany aho.

25 Aoka izy tsy hanao anakam-po hoe: Afa-po ny fanahintsika. Aoka izy tsy hanao hoe: Laninay iny.

26 Aoka hiara-menatra sy hangaihay avokoa izay mifaly noho ny loza manjo ahy. Aoka ho safo-kenatra sy afa-baraka, izay mitsangan-kamely ahy!

27 Fa aoka hifaly sy hiravoravo kosa, ireo maniry ny hahazoako ny rariny! Aoka ireo hanao mandrakariva hoe: Voninahitra anie ho an'ny Tompo izay mankasitraka ny fiadanan'ny mpanompony!

28 Ary ny lelako hankalaza ny fahamarinanao, hanao fiderana anao isan'andro isan'andro.

Toko faha-36

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Nataon'i Davida mpanompon'ny Tompo.

2 Ny tsy fahamarinana no miteny amin'ny ratsy fanahy ao am-pony; ny fahatahorana an'Andriamanitra tsy mba eo imasony.

3 Fa mandoka tena izy, eo imason'Andriamanitra, mihevitra fa hoe angamba tsy ho hitan'Andriamanitra na oviana na oviana sy tsy hankahalainy ny helony.

4 Tsy fahamarinana sy fitaka no tenenin'ny vavany; efa natsahany ny mahalala sy manao soa.

5 Tsy fahamarinana no saintsaininy eo am-pandriany; làlana tsy marina no ifikirany; tsy ariany ny ratsy.

6 Ry Iaveh ô mipaka amin'ny lanitra ny hatsaram-ponao, mihatra amin'ny rahona ny fahamarinanao.

7 Tahaka ny tendrombohitr'Andriamanitra ny hatsaram-ponao, toy ny hantsana lehibe indrindra ny fitsaranao. Ry Iaveh, samy tandremanao ny olona sy ny biby.

8 Akory ity hasarobidin'ny hatsaram-ponao, Andriamanitra ô. Ny aloky ny elatrao no itadiavan'ny zanak'olombelona fialofana.

9 Boboky ny menaky ny tranonao izy; ary onim-pifaliana no ampisotroanao azy.

10 Fa ao aminao no misy ny loharanon'aina; ary amin'ny fahazavanao no ahitanay fahazavana.

11 Tohizo ny hatsaram-ponao amin'izay matahotra anao, sy ny fahamarinanao amin'izay mahitsy fo.

12 Aoka ny tongotry ny mpiavonavona tsy hahatratra ahy, ary ny tànan'ny ratsy fanahy tsy hampandositra ahy!

13 Indro fa lavo ny mpanao ratsy! Voaongana izy sady tsy afa-miarina.

Toko faha-37

1 Nataon'i Davida. ALEPH Aza tezitra noho ny amin'ny mpanao ratsy, na mitsiriritra ny toetr'izay mpanao heloka.

2 Fa hojinjana faingana tahaka ny ahitra ireny, ka halazo tahaka ny ahi-maitso.

3 BETH Matokia an'ny Tompo, ary manaova soa; monena amin'ny tany ary manarana fo amin'ny fahatokiany.

4 Iaveh no ataovy firavoravoanao, dia omeny anao izay irin'ny fonao.

5 GHIMEL Ankino amin'ny Tompo ny anjaranao, dia matokia, azy, fa dia hanao izy;

6 hataony mamirapiratra toy ny mazava ny fahamarinanao; ary tahaka ny andro mitatao vovonana ny fanananao ny rariny.

7 DALETH Mitoera amim-pahanginana, eo anatrehan'ny Tompo ary manantenà azy; aza tezitra noho ny amin'izay ambinina amin'ny làlany, dia ny olona mahomby amin'ny tetik'adiny.

8 HE Atsaharo ny hatezerana, halaviro ny havinirana; aza misafoaka foana ka hipaka amin'ny ratsy.

9 Fa ny ratsy fanahy hofongorana; ary izay matoky an'ny Tompo no hanana ny tany.

10 VAV Raha afaka kelikely foana dia tsy ho eo intsony ny ratsy fanahy; mijery ny fitoerany hianao, fa efa nanjavona izy.

11 Ny malemy fanahy no hanana ny tany; ka ho finaritra mankafy fiadanana lehibe.

12 ZAIN Ny ratsy fanahy namoron-tsain-dratsy, hamelezana ny marina, sady manidy vazana aminy.

13 Fa ny Tompo kosa mihomehy ny ratsy fanahy, satria hitany fa tonga ny androny.

14 HETH Ny ratsy fanahy manatsoaka ny sabany, manenjana ny tsipìkany handavo ny ory sy ny malahelo, hamono izay mahitsy làlana.

15 Ny sabany hiditra amin'ny fony ihany; ary ny tsipìkany ho tapatapaka!

16 TETH Aleo ny kely ananan'ny olo-marina, toy izay ny be ananan'ny olon-dratsy maro;

17 fa ny sandrin'ny mpanao ratsy, ho tapatapaka; ary ny olo-marina kosa hotohanan'ny Tompo.

18 YOD Fantatry ny Tompo ny andron'ny marina; ary ny lovany haharitra mandrakizay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1534