Ny Salamo

Toko faha-37

19 Tsy mba menatra izy amin'ny andron'ny fahoriany; ary ho voky amin'ny taona mosarena.

20 KAPH Fa ny ratsy fanahy kosa levona; ny fahavalon'ny Tompo hanahaka ny voninahitry ny tanim-bilona ho lasan-ko setroka ireny, dia ho levona.

21 LAMED Ny ratsy fanahy misambotra, nefa tsy mamerina, fa ny marina kosa be antra ka manome.

22 Izay tahin'ny Tompo hanana ny tany; izay ozoniny dia hofongorina.

23 MEM Iaveh no mahamafy ny dian'ny olo-marina; ary mankasitraka ny làlany.

24 Raha lavo aza izy tsy mba miampatra amin'ny tany; Fa Iaveh mitantana azy.

25 NUN Efa tanora ihany aho; ary indro antitra ankehitriny; fa tsy mba hitako nafoy izay olo-marina, na ny taranany nangataka hanina.

26 Antra olona mandrakariva izy ka mampisambotra; ary mahazo fanambinana ny taranany.

27 SAMECH Halaviro ny ratsy ary manaova ny tsara, dia mitoera mandrakizay ao am-ponenanao.

28 Fa tian'ny Tompo ny rariny, ary tsy foiny ny olo-miraiki-po aminy. Eo ambany fiambenany mandrakariva ireny, fa ny taranaky ny ratsy fanahy kosa hofongorana.

29 Hanana ny tany ny olo-marina, dia honina eo mandrakizay.

30 PHE Milaza fahendrena ny vavan'ny marina; ary manambara ny rariny ny lelany,

31 ny lalàn'Andriamaniny dia ao am-pony, tsy mba solafaka ny diany.

32 TSADE Ny ratsy fanahy mitsikilo ny marina, ka mitady izay hahafaty azy;

33 fa Iaveh tsy mahafoy azy ho eo an-tànany; ary tsy manameloka azy, raha avy izay hitsarana azy.

34 KOPH Miandrasa an'ny Tompo, ary araho ny làlany, dia hanandratra anao izy, ka hanana ny tany hianao; raha avy izay hamongorana ny ratsy fanahy, dia ho hitanao izany.

35 RESCH Nahita ny tsy mpivavaka efa mby eo amin'ny fanaperam-pahefana aho, nisandrahaka tahaka ny hazo maitso maniry izy.

36 Nandalo aho dia tsy teo intsony izy; nitady azy aho fa tsy hita intsony izy.

37 SCHIN Mba diniho kosa ange ny marina, ka jereo ny mahitsy; fa manam-para mandimby ny olona tia fihavanana.

38 Fa ny mpikomy kosa haringana avokoa; ny taranaky ny ratsy fanahy hofongorina.

39 THAV Avy amin'ny Tompo no ihavian'ny famonjena ny marina; mpiaro azy amin'ny andron'ny fahoriana izy.

40 Iaveh no tonga manampy sy manafaka azy; manafaka amin'ny ratsy fanahy sy mamonjy azy izy, satria izy no nataony fototry ny fitokiany.

Toko faha-38

1 Salamon'i Davida. Ho fampahatsiarovana.

2 Ry Iaveh ô, aza mamay ahy amin'ny hatezeranao; aza manasazy ahy amin'ny fahaviniranao.

3 Fa nahavoa ahy ny zana-tsipìkanao; ary nanindry ahy ny tànanao.

4 Tsy misy salama ny nofoko noho ny hatezeranao; ary tsy misy tsy marofy ny taolako noho ny fahotako.

5 Fa misondrotra manafotra ny lohako ny fahotako, toy ny enta-mavesatra izy mahareraka ahy amin'ny havesarany.

6 maimbo sady mihady ny feriko, azon'ny fahadalako.

7 Mitanondrika rera-po indrindra aho, mamindra amin'ny fisaonana mandavan'andro.

8 Ny valahako hanin'ny aretina mahamay; ary ny nofoko tsy misy salama.

9 Osa loatra aho sy torovana izaitsizy, velon-tsento aho noho ny tebitebin'ny foko.

10 Tompo ô, eo anatrehanao avokoa ny faniriako, ary tsy miafina aminao ny sentosentoko.

11 Ny foko miemponempona, ny heriko nandao ahy; ary ny fahiratan'ny masoko aza tsy ato amiko intsony.

12 Manalavitra ny feriko ny sakaiza ama-namako, ary ny havako mihatakataka amiko.

13 izay mitady ny aiko mamela-pandrika; izay mikendry ny fahoriako manonona fandrahonana, tontolo andro izy misaina tetik'ady.

14 Izaho izany efa tahaka ny marenina tsy mahare; efa tahaka ny moana izay tsy mahaloa-bava.

15 Mova aho tsy ny olona tsy mandre, izay manan-kavaly haloaky ny vavany.

16 Ao aminao, ry Iaveh, ny fanantenako; hianao, ry Tompo Andriamanitro, no hamaly!

17 Fa hoy izaho: Enga ka tsy ho antom-pifaliany aho, enga anie ka tsy hitsangan-kamely ahy izy ireo raha mangozohozo ny tongotro.

18 Fa mila ho lavo aho, ary eo anatrehako lalandava ny alaheloko.

19 Fa dia miaiky ny heloko aho; raiki-tahotra aho noho ny fahotako.

20 Ny fahavaloko be aina ary mahery; izay mandrafy ahy tsy ahoan-tsy ahoana nitombo isa.

21 Mamay ratsy ny soa izy ireo amiko; mankahala ahy izy noho izaho mitady ny rariny.

22 Aza ilaozanao aho, ry Iaveh ô! Aza halavirinao aho, ry Andriamanitro ô!

23 Faingàna hamonjy ahy hianao, ry Tompo, hianao ilay famonjena ahy!

Toko faha-39

1 Ho an'ny mpampianatra hira, ho an'Iditona. Hiran'i Davida.

2 Hoy aho: hitandrina ny làlako aho, sao hanota amin'ny lelako. Asiako hidiny ny vavako, dieny mbola eo anatrehako koa ny ratsy fanahy.

3 Dia lasan-ko moana aho tanatin'ny fahaginana, nangina aho na dia voaesotra amiko aza ny fananana rehetra. Kanjo nihetsika ny fanaintainako,

4 nirehitra tato anatiko ny foko; tamin'ny fieritreretako dia nisy afo nirehitra, ka tonga teo amin'ny lelako ny teny.

5 Ry Iaveh ô, ampahafantaro ahy ny fara andro hiainako, dia ny fetry ny androko, hahafantarako ny mahamora levona ahy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1653