Ny Salamo

Toko faha-39

6 Nataonao vody voam-pelatanana monja ny androko; ary toy ny tsinontsinona eo anatrehanao ny fiainako. Eny, tso-drivotra foana avokoa, ny olombelona velona. - Selà.

7 Eny, mandalo toy ny aloka ny olona; eny, tsy misy asany ny fikofokofohany; manangona izy, nefa tsy mahalala izay handray izany.

8 Ankehitriny, Tompo ô, inona no azoko antenaina? Ao aminao ny fanantenako!

9 Afaho amin'ny fahadisoako rehetra aho; aza atao ho fandatsan'ny adala aho.

10 Mangina tsy miloa-bava aho; fa hianao no manao izao.

11 Avilio tsy hihatra amiko ny fikapohanao: fa reraka aho, azon'ny hamafin'ny famelezan'ny tananao.

12 Raha faizinao ny olona, ka manasazy azy amin'ny fahadisoany hianao, dia mandrava izay maminy indrindra, toy ny kalalao, hianao. Eny, tso-drivotra foana ny olombelona. - Selà.

13 Henoy ny fivavahako, ry Iaveh ô, atongilano ny sofinao amin'ny fitarainako, aza dia tsy mihontsina amin'ny fitomaniako! Fa vahiny ao aminao aho, mpivahiny toy ny razako rehetra.

14 Avilio tsy hijery ahy ny masonao, ka avelao mba hisy hiainako, alohan'ny hahalasanako, ka tsy ho velona intsony aho!

Toko faha-40

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Nataon'i Davida. Salamo.

2 Iaveh no nametrahako ny fanantenako rehetra; nitongilana tamiko izy, nihaino ny fitarainako.

3 Notsoahany tamin'ny lavaka fahaverezana aho, sy tamin'ny fotaka mandrevo; najorony tamin'ny vatolampy ny tongotro, nataony matotra ny diako.

4 nanisy fihiram-baovao teo am-bavako izy, hira fiderana ny Andriamanitsika; maro no mahita izany ka manaja an'ny Tompo, sy matoky azy.

5 Sambatra ny olona mametraka ny fitokiany amin'ny Tompo, ka tsy mivadika hankamin'ny mpiavonavona sy amin'izay maniasia entin'ny lainga.

6 Nohamaroinao, ry Iaveh Andriamanitro, ny zava-mahagaga aman-kevitra voakasanao anasoavanao anay; tsy misy azo ataha aminao. Maniry hitory sy hanambara an'ireny aho, fa mihoatra ny azo lazaina izy.

7 Tsy sitrakao ny sorona amam-panatitra, notevehinao ny sofiko; tsy ilainao ny sorona dorana aman-tsorona fanonerana.

8 Ka hoy aho amin'izany: Inty aho tonga, miaraka amin'ny horonan-taratasy voasoratra ho ahy.

9 Ny hanao ny sitra-ponao no sitrako, ry Andriamanitra ô! ary ny làlanao no ato anatin'ny foko.

10 Hitory ny fahamarinana eo amin'ny fivorian-dehibe aho; sy hanakombona ny molotro aho, fantatrao izany, ry Iaveh ô

11 Tsy hotanako miafina ato am-poko ny fahamarinanao: hitory ny tsy fivadihanao amam-pamonjenao aho, ary tsy hangina manafina ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao, eo amin'ny fivorian-dehibe.

12 Tsy hanampina ny famindram-ponao amiko anie hianao, ry Iaveh! hiambina ahy mandrakariva anie ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao!

13 Fa itangoronan-doza tsy hita isa aho, voasambotry ny fahotako aho ka tsy mahajery; maro isa noho ny volon-dohako ireny, ka reraka ny foko.

14 Ry Iaveh ô, mba ankasitraho ny hanafaka ahy! Ry Iaveh ô, faingana hamonjy ahy!

15 Ho menatra sy hangaihay avokoa anie, ireo mitady ny aiko hamerezany azy! Hihemotra sy menatra foana anie ireo maniry ahy ho levona!

16 Ho ankona noho ny fahamenarany anie ireo manao amiko hoe: Hià, hià!

17 Hifaly sy hiravoravo aminao kosa anie, izay rehetra mitady anao! Aoka hilaza mandrakariva hoe: Voninahitra anie ho an'ny Tompo! ireo tia ny famonjenao.

18 Ory sy mahantra aho; fa ny Tompo no hiahy ahy. Hianao no vonjiko sy mpanafaka ahy: ka aza ela, ry Andriamanitro ô!

Toko faha-41

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Salamon'i Davida.

2 Sambatra ny miahy ny mahantra, fa hovonjen'ny Tompo amin'ny andro fahoriana izy.

3 Harovan'ny Tompo sy hovelominy izy; dia ho sambatra ambonin'ny tany, ary tsy mba hatolotrao amin'ny sitra-pon'ny fahavalony.

4 Iaveh hamonjy azy eo am-parafara fijaliany; havadikao avokoa ny fandriany rehetra eo am-paharariany.

5 Hoy aho: Mamindrà fo amiko, ry Iaveh! sitrano ny fanahiko, fa nanota taminao aho.

6 Fa ny fahavaloko kosa manonona fanozonana ahy: Rahoviana no ho faty io? Rahoviana no ho very ny anaran'io?

7 Nony mba misy mamangy ahy, lainga no hany avoakany, faharatsiana no angonin'ny fony; nony mivoaka avy eo indray izy dia miteny eny ivelany.

8 Mitakoritsika mamely ahy avokoa ny fahavaloko, Misaina hanisy ratsy ahy izy ireo.

9 Loza tsy azo odiana, hoy izy, no nanjo azy, indro izy milamaka, dia tsy hiarina intsony.

10 Na dia izay olona sakaizako aza, izay nitokiako sy nihinana ny haniko, dia nanangana ny ombalahin-tongony hamely ahy.

11 Fa hianao, ry Iaveh, mamindra fo amiko, areno aho, dia hamaly azy ireo araka ny tandrifin'azy.

12 Ny hahafantarako fa tia ahy hianao, dia raha tsy resin'ny fahavaloko aho.

13 Noho ny tsy fananako tsiny dia nanohana ahy hianao, ary nampitoetra ahy mandrakizay eo anatrehanao.

14 Isaorana anie Iaveh Andriamanitr'Israely, amin'ny taona mandrakizay rehetra! Amena! Amena!

Toko faha-42

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Fihirana nataon'ny taranak'i Kore.

2 Toy ny anirian'ny serfa ny loharano no anirian'ny fanahiko anao, Andriamanitra ô!

3 Mangetaheta an'Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona: rahoviana aho no handeha ka hiseho tsy an-kijanona eo anatrehan'ny tavan'Andriamanitra?

4 Ny ranomasoko no haniko andro aman'alina, dia ny ilazan'ny olona amiko tsy an-kijanona hoe: Aiza izay Andriamanitrao?

5 Mahatsiaro aho - ary amin'izany fahatsiarovako izany mangitaka ny foko ao anatiko, - nony namindra notronim-bahoaka aho, nony nandroso ho ao an-tranon'Andriamanitra, eo afovoan'ny hobim-pifaliana amam-pisaorana, eo afovoan'ny vahoaka be manao fety!

6 Nahoana no ketraka hianao, ry fanahiko, ka mihavatravatra ato anatiko? Manantenà an'Andriamanitra fa izaho mbola hidera azy, izay famonjena ny tavako sy Andriamanitro!

7 Ketraka ny fanahiko ato anatiko, ka izany no ahatsiarovako anao, eo amin'ny tanin'i Jordany, mbamin'i Hermona, sy ny tendrombohitr'i Misara.

8 Mifampitaona ny onjan-drano nony mirohondrohona ny riananao, ka ny onjan-drano aman-driakanao dia mandalo manafotra ahy avokoa.

9 Nandidy ny fahasoavany hitsidika ahy Iaveh, ny antoandro; teo amin'ny molotro ny hirany, nony alina;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1683