Ny Salamo
Toko faha-42
10 nanao fivavahana tamin'Andriamanitry ny aiko. Ary izaho kosa, dia hoy aho amin'Andriamanitra vatolampiko: Nahoana no manadino ahy hianao?11 Nahoana ity izaho no tsy maintsy mandeha difotr'alahelo, ampahorian'ny fahavalo? Tsaroako vaky ny taolako nony latsain'ny fahavaloko aho,
12 ilazany tsy an-kijanona hoe: Aiza izay Andriamanitrao? Nahoana no ketraka hianao, ry fanahiko, ka mihavatravatra ato anatiko? Manantenà an'Andriamanitra, fa izaho mbola hidera azy, izay famonjena ny tavako sady Andriamanitro.
Toko faha-43
1 Omeo rariny aho, Andriamanitra ô; hiandreketo ny adiko amin'ny firenena mpamadika, afaho amin'ny olona mpamitaka sy mpanao ratsy aho!2 Fa hianao no Andriamanitry ny fiarovana ahy; nahoana no dia atosikao aho? Nahoana ity izaho no tsy maintsy mandeha difotr'alahelo, ampahorian'ny fahavalo?
3 Iraho ny fahazavanao amam-pahamarinanao, dia hitarika ahy anie izany, ka hitondra ahy ho any amin'ny tabernakla amam-tendrombohitrao masina.
4 Ho ao amin'ny otelin'Andriamanitra, ho amin'ilay Andriamanitra fifalifaliako amam-piravoravoako, ary hidera anao amin'ny harpa aho, ry Andriamanitra, Andriamanitro ô!
5 Nahoana no ketraka hianao, ry fanahiko, ka mihavatravatra ato anatiko? Manantenà an'Andriamanitra fa izaho mbola hidera azy, izay famonjena ny tavako sady Andriamanitro!
Toko faha-44
1 Ho an'ny mpampianatra hira. Nataon'ny taranak'i Kore. Fihirana.2 Andriamanitra ô, ny sofinay nandre, ny razanay nitantara taminay, ny asa nataonao tamin'ny androny, tamin'ny andro fahataloha.
3 Nandroaka firenena hianao tamin'ny tànanao, hamponenana azy; nikapoka vahoaka hianao hanitarana azy.
4 Satria tsy ny sabatr'izy ireo no nahazoany ny tany, tsy ny sandrin'izy ireo no nahazoany fandresena, fa ny tànanao ankavanana, ny sandrinao, ny fahazavan'ny tavanao, satria tia azy hianao.
5 Hianao no mpanjakako, ry Andriamanitro ocirc;! Mandidia ny famonjena ho an'i Jakoba!
6 Hianao no handavoanay ny fahavalonay, ny anaranao no anorotoroanay ny mpanohitra anay.
7 Fa tsy matoky amin'izay tsipìkako aho; tsy hahavonjy ahy ny sabatro.
8 Fa hianao no manafaka anay amin'ny fahavalonay; sy mampahamenatra an'ireo mankahala anay.
9 Andriamanitra no ireharehanay isan'andro, ary ny anaranao no derainay mandrakizay!
10 Kanjo manosi-bohon-tànana sy manafo-kenatra anay hianao, tsy miara-mivoaka amin'ny tafikay intsony.
11 Ataonao mikoy eo anatrehan'ny fahavalo izahay, ary baboin'ireo mankahala anay.
12 Atolotrao toy ny ondry entin-kovonoina izahay; aelinao amin'ny firenena izahay.
13 Ataonao varoboba ny vahoakanao, fa tsy asianao vidiny ohatrinona akory.
14 Ataonao fandatsan'ny tany amam-monina izahay; dia faneso amam-panarabian'ny manodidina anay.
15 Ampanjarianao ho ambentin-tenin'ny firenena izahay ka ihifikifihan-doha amin'ny vahoaka.
16 Eo imasoko lalandava ny fangaihaiko, ary safotry ny henatra ny tarehako,
17 amin'ny feon'ny mpaneso amam-pamingavinga; amin'ny fahitana ny fahavalo mbamin'izay mirehitra ny hamaly ratsy.
18 Izany rehetra izany no manjo anay, nefa tsy nanadino anao izahay; tsy nivadika tamin'ny fanekenao izahay.
19 Tsy nihemotra hianotra ny fonay; tsy niala tamin'ny làlanao ny dianay,
20 no anorotoroanao anay eo amin'ny fieren'ny amboadia, sy anaronanao anay amin'ny aloky ny fahafatesana.
21 Raha nanadino ny anaran'Andriamanitra izahay, sy nanandra-tànana tamin'andriamani-kafa,
22 tsy ho hitan'Andriamanitra va izany, nefa ny miafina ao am-po aza fantany?
23 Hianao ihany anefa no amonoana anay isan'andro, sy nanandra-tànana tamin'andriamani-kafa, entin-kovonoina.
24 Mifohaza, ry Tompo ô! Nahoana no matory hianao? Mifohaza, fa aza dia arianao mandrakizay izahay!
25 Nahoana no dia afeninao ny tavanao, ka hadinonao ny fahantrana amam-pahorianay?
26 Fa ny fanahinay, tafahohoka amin'ny vovoka, ny vatanay tafaraikitra amin'ny tany!
27 Mitsangàna hamonjy anay, afaho izahay noho ny hatsaram-ponao.
Toko faha-45
1 Ho an'ny mpampianatra hira. Amin'ny lisy. Nataon'ny taranak'i Kore. Hiram-pitiavana.2 Hira mahafinaritra no miboiboika avy ao am-poko; hoy aho: Ho an'ny mpanjaka anankiray no alahatro! Manahaka ny penina faingam-panoratra ny lelako.
3 Tsara tarehy noho ny zanak'olombelona hianao; feno fahafinaretana ny molotrao, ka noho izany dia notahin'Andriamanitra mandrakizay hianao.
4 Sikino amin'ny sabatrao ny valahanao, ry ilay mahery, tafio ny famirapiratanao amam-piandriananao.
5 Iakaro ny kalesinao, ka mandrosoa amin'ny fiandriananao, mikatroha hiaro ny fahamarinana, ny halemem-panahy, ny rariny; ary ny tànanao ankavanana anie hahavitanao asa mahagaga.
6 Maranitra ny zana-tsipìkanao; firenena maro no ho lavo eo an-tongotrao. - Hotrabaran'ireny ny fon'ny fahavalon'ny mpanjaka.
7 Andriamanitra ô, tafatoetra mandrakizay ny seza fiandrianana; tehim-pahamarinana, ny tehim-panjakanao.
8 Tia ny rariny hianao, fa mankahala ny heloka; ka noho izany, Andriamanitra, Andriamanitrao nanosotra anao tamin'ny diloilom-piravoravoana, mihoatra noho ny namanao.
9 Manitra mira sy aloesy aman-kasa ny fitafianao rehetra; mamalifaly anao ny zava-maneno avy ao an-dapa ivoara.
10 Zanakavavin'Andriamanjaka no isan'ny malalanao; ny mpanjakavavy miravaka volamenan'i Ofira no eo ankavananao.
11 Henoy, anaka, jereo ary mampandria sofina: hadinoy ny firenenao aman-tranon-drainao,
12 dia ho raiki-pitia ny hatsaran-tarehinao ny mpanjaka fa tomponao izy; ka tolory fanajana.
13 Mitondra fanatitra ny zanakavavin'i Tira mbamin'ny manan-karena amin'ny vahoaka, hitady fitia aminao.
14 Feno famirapiratana ny zanakavavin'ny mpanjaka, ao anatin'ny trano: volamena voatenona no itafiany.
15 Miakanjo misoratsoratra izy, no entina ao amin'ny mpanjaka; manaraka azy misy zazavavy namany entina ho ao aminao.