Ny Salamo

Toko faha-45

16 Ampandrosoina amim-pifaliana sy firavoravoana izy ireo, dia miditra ao an-dapan'ny mpanjaka.

17 Ny zanakao no hisolo toerana ny rainao; hatsanganao ho mpanapaka amin'ny tany rehetra izy ireo.

18 Hampahatsiaro ny anaranao amin'ny taona rehetra aho; ka hidera anao mandrakizay mandrakizay ny firenena.

Toko faha-46

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Nataon'ny taranak'i Kore. Amin'ny feon'ny virjiny. - Hira.

2 Andriamanitra no arontsika sy herintsika, famonjena azo mandrakariva amin'ny fahoriana.

3 Noho izany, tsy manan-tahotra isika, na hikoro aza ny tany, na hietry any ambany ranomasina aza ny tendrombohitra,

4 na misamboaravoara sy mandroatra aza ny onjan-dranomasina, ka mampihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany.

5 Misy ony ka ny fandehany mampifaly ny tanànan'Andriamanitra; ny fonenana masina onenan'ny Avo indrindra.

6 Andriamanitra no ao afovoany, ka tsy azo hozongozonina izy; vao mazava atsinanana ny andro dia tonga hamonjy azy Andriamanitra.

7 Mitabataba ny firenena, mikotrankotrana ny fanjakana; vao nampandre ny feony izy dia nihotsaka matahotra ny tany.

8 Iavehn'ny tafika momba antsika; ny Andriamanitr'i Jakoba no trano mimanda ho antsika. - Selà.

9 Avia, jereo ny asan'ny Tompo, dia ny fandravana nataony tety an-tany!

10 Ny ady natsahany hatramin'ny faran'ny tany; ny tsipìka notapahany; ny lefona nofolahany; ny kalesy fiadiana nodorany tamin'ny afo.

11 Mitsahara, ary maneke fa Andriamanitra aho, manapaka ny firenena, manjaka amin'ny tany!

12 Iavehn'ny tafika momba antsika; ny Andriamanitr'i Jakoba no trano mimanda ho antsika. - Selà.

Toko faha-47

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Nataon'ny taranak'i Kore. Salamo.

2 Mitehafa tanana hianareo rehetra, ry vahoaka isany, miderà an'Andriamanitra amin'ny hobim-pifaliana!

3 Fa avo indrindra Iaveh sy tokony hatahorana, mpanjaka lehibe amin'ny tany rehetra.

4 Vahoaka no ampanekeny antsika; firenena no ataony ambanin'ny tongotsika.

5 Nifidy ny lova ho antsika izy, ny voninahitr'i Jakoba olo-malalany. - Selà.

6 Miakatra ho any amin'ny fitoerana masina ombam-pihobiana Andriamanitra. Miakatra Tompo omban'ny feon-trompetra.

7 Mihirà ho an'Andriamanitra, mihirà! Mihirà ho an'ny mpanjakantsika, mihirà!

8 Fa mpanjakan'ny tany rehetra Andriamanitra; ka mihirà hira fiderana.

9 Manjaka amin'ny firenena Andriamanitra, mipetraka eo amin'ny seza fiandrianany masina izy.

10 Ireo mpanapaka ny firenena mivory, mba ho tonga vahoakan'Andriamanitr'i Abrahama koa izy ireo; fa an'Andriamanitra ny ampingan'ny tany, voasandratra ambony indrindra izy.

Toko faha-48

1 Fihirana. Salamon'ny taranak'i Kore.

2 Lehibe Iaveh, izy no alehan'ny fiderana rehetra, ao an-tanànan'Andriamanitsika, amin'ny tendrombohitra masina.

3 Mitsangana mahafinaritra, fifalian'ny tany rehetra, ny tendrombohitra Siona, eo amin'ny fara-vazan-tany avaratra, ny tanànan'ny Mpanjaka lehibe.

4 Ao an-dapany, Andriamanitra, niseho ho fiarovana.

5 Fa he nivory ireo mpanjaka, dia niara-nandroso izy ireo.

6 Kanjo nahita izy, dia vahotra terý, nivadi-po izy, ka vaky nandositra.

7 Hovitra no nahazo azy ireo teo, fanaintainana hoatra ny an'ny vehivavy miteraka.

8 Novakinao amin'ny rivotra avy Atsinanana, ny sambon'i Tarsisa.

9 Izay efa renay tamin'ny hafa dia ny masonay no nahita, tao an-tanànan'ny Tompon'ny tafika, tanànan'ny Andriamanitsika. Hamafisin'Andriamanitra mandrakizay izy. - Selà.

10 Andriamanitro, mahatsiahy ny tantaran'ny hatsaram-ponao izahay, ao anatin'ny tempolinao.

11 Tahaka ny anaranao, ry Andriamanitra, toy izany koa ny fiderana anao tonga hatrany am-para-vazan-tany. Feno fahamarinana ny tànanao ankavanana.

12 Aoka hifaly ny tendrombohitra Siona, aoka hiravoravo ny zanakavavin'i Jodà, noho ny fitsaranao!

13 mandiava an'i Siona hianareo; mandehana manodidina azy; isao ny tranony mimanda.

14 Jereo tsara ny mandany; diniho ireo lapany, hitantarana azy amin'ny taranaka ho avy.

15 Io no Andriamanitra izay Andriamanitsika mandrakizay doria; izy no ho mpitarika antsika amin'ny taona mandrakizay.

Toko faha-49

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Salamon'ny taranak'i Kore.

2 Mihainoa izao, hianareo rehetra, ry vahoaka isany; manongilana sofina hianareo rehetra, ry mponina amin'izao tontolo izao,

3 na ny ambony na ny ambany, na ny manan-karena na ny mahantra tsy an-kanavaka.

4 Fa hampandre teny hendry ny vavako; ary misy hevitra feno fahalalana ato am-poko.

5 Manongilan-tsofina amin'oha-teny ambaran'Andriamanitra aho, mivaofy ny ankamantatro amin'ny feon'ny harpa aho.

6 Nahoana no hatahotra aho, amin'ny andron'ny fahoriana, raha manodidina ahy ny haratsian'ny mpanenjika ahy?

7 Ireny dia mitoky amin'ny hareny, mirehareha amin'ny haben'ny ananany!

8 Tsy misy olona mahavotra ny rahalahiny akory, na mahaloa ny avony amin'Andriamanitra.

9 Fa be loatra ny vidin'ainy, ka tsy azo atao mandrakizay, ny manavotra azy,

10 mba hahavelona azy mandrakizay ka tsy hahitany ny fasana na oviana na oviana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1468