Ny Salamo
Toko faha-63
3 Toy izany no nibanjinako anao tao amin'ny fitoerana masina, mba hahitako ny herinao amam-boninahitrao.4 Fa tsara lavitra noho ny aina ny fahasoavanao, ka aoka hiventy fankalazana anao ny molotro.
5 Dia hidera anao amin'ny andro rehetra iainako aho, hanandra-tànana amin'ny anaranao.
6 Toy ny voky tsoka sy ny matavy no ahavokisan'ny fanahiko, ka midera anao ny vavako, amin'ny molotro falifaly.
7 Raha mieritreritra anao eo am-pandriako aho, dia any aminao ihany ny saiko mandritra ny fiambenan'alina.
8 Fa hianao no vonjiko, ary eo ambanin'ny aloky ny elatrao no iravoravoako.
9 Tafaraikitra aminao ny fanahiko; manohana ahy ny tànanao ankavanana.
10 Fa izy ireo mitady hanala ny aiko kosa dia hidina any ambanin'ny tany.
11 Hatolotra ho an'ny sabatra, ho rembin'ny amboahaolo.
12 Dia hifaly amin'Andriamanitra ny mpanjaka; ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy, satria hakombona ny vavan'ny mpandainga.
Toko faha-64
1 Ho an'ny mpampianatra hira. Salamon'i Davida.2 Andriamanitra ô, henoy ny feoko, raha mampandre ny fitaranaiko aho, arovy amin'ny fahavalo mampitahotra ahy ny aiko.
3 Fefeo aho, tsy ho azon'ny firaisan-tetiky ny mpanao ratsy, tsy ho azon'ny andrian'olon-dratsy efa misafoaka,
4 izay manasa ny lelany toy ny sabatra, izay manamboatra ny zana-tsipìkany - izay teny mangidy -
5 handefasany azy an-katakonana hitifitra ny tsy manan-tsiny; alefany hamelezany azy tampoka, tsy aman-tahotra akory.
6 Mihombo mafy amin'ny hevi-dratsiny izy; mifanolo-tsaina hamela-pandrika izy; ka manao hoe: Iza moa no hahita izany?
7 Tsy misaina afa-tsy heloka be vava izy: Vonona isika, hoy izy, vita tsara ny tatik'ady. Lalina ny ao anatin'ny olombelonoa sy ny fony!
8 Kanjo kosa nolefasan'Andriamanitra ny zana-tsipìkany izy ireo, ka indreo izy maratra tampoka.
9 Azera amin'ny tany izy; voatsingidin'ny vava nalefany izy. Mihifikifi-doha avokoa izay mahita azy.
10 Raiki-tahotra avokoa ny olona, ka manely laza ny nataon'Andriamanitra, fa fantany izay efa nataony.
11 Dia mifaly amin'ny Tompo sy mitoky aminy marina; mirehareha avokoa ny mahitsy fo rehetra.
Toko faha-65
1 Ho an'ny mpampianatra hira. Salamon'i Davida. Fihirana.2 Hianao no mendrika hoderaina, ry Andriamanitra, any Siona, ho an'ny voninahitrao no anefan'ny olona voady.
3 Hianao, izay mihaino ny fivavahana, dia mankaminao ny olona rehetra.
4 Tsindrian-keloka miavosa aho ity; hianao no mamela ny hadisoanay.
5 Sambatra ny olona fidinao sy raisinao ho akaikinao, mba honina ao an-kianjanao! Enga anie izahay ka hivoky ny zava-tsoa ao an-tranonao, dia ao an-tempolinao masina.
6 Zava-mahagaga no anekenao ny fangatahanay noho ny fahamarinanao, ry Andriamanitry ny famonjena anay, tokin'ny vazan-tany efatra, sy ny ranomasina lavitra any.
7 - Izy no mampiorina ny tendrombohitra amin'ny heriny; misikina ny fahefany,
8 mampitony ny fisafoaky ny ranomasina, ny fitroatran'ny onjany, ary ny fikorontanan'ny vahoaka. -
9 Ankona amin'ny zava-mahagaga ataonao ny mponina any an-tany lavitra; ampiravoanao ny fara sisiny, dia ny atsinanana sy ny andrefana.
10 Manampy ny tany hianao, mba hahazìna azy, fenoinao harena izy. Feno rano ny loharanon'Andriamanitra, raha lonahinao toy izany ny tany, dia vary no omaninao.
11 Manondraka ny tany voasa, mandravona ny baingany, manalemy azy amin'ny tandrifin-drahona, mitahy ny fitsimohany.
12 Ny taona dia ataonao feno ny fanasoavanao tafahoatra; mitsororoka ny menaka amin'ny dianao.
13 Vonton-drano ny tanim-bilona any an'efitra; miravaka hafaliana ny havoana.
14 Rakotra biby fiompy ny tanim-bilona, miravaka salohim-bary ny lohasaha, mifaly sy mihira ny zavatra rehetra.
Toko faha-66
1 Ho an'ny mpampianatra hira. Fihirana. Salamo.2 Manaova hobin-kafaliana mankamin'Andriamanitra, ry tany rehetra; hirao ny voninahitry ny anarany, ataovy manetriketrika ny fankalazana azy.
3 Lazao amin'Andriamanitra hoe: Endrey, mahatahotra ny asanao! Mikoy anao ny fahavalonao, noho ny fahefanao tsitoha.
4 Ny tany rehetra anie hiankohoka eo anatrehanao, hihira ho an'ny voninahitrao, hankalaza ny anaranao!
5 Avia ka banjino ny asan'Andriamanitra! Fa mahatahotra ny hevitra kasainy amin'ny zanak'olombelona.
6 Nampodiny ho tany maina ny ranomasina, ka nandeha an-tongotra namaky ny ony ny olona, dia nifaly taminy izahay.
7 Manjaka mandrakizay amin'ny fahefany izy; mitsinjo ny firenena ny masony; aoka tsy hanandra-tena ny mpikomy. Selà.
8 Misaora an'Andriamanitra, ry vahoaka, ataovy manakoako ny fiderana azy.
9 Nitahiry ny fanahintsika amin'ny fiainana izy ary tsy namela ny tongotsika hangozohozo.
10 Fa hianao, ry Andriamanitra, efa nizaha toetra anay; nandatsaka anay tamin'ny memy toy ny volafotsy;
11 nampiditra anay tamin'ny fandrika harato; nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay.
12 Nampandeha olona hanosy ny lohanay; namaky ny afo sy ny rano izahay; kanjo nesorinao tamin'izany izahay, dia nototofanao soa.
13 Tonga ato an-tranonao mitondra sorona dorana aho, hanefa aminao ny voadiko,
14 izay efa notononin'ny molotro, sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana.
15 Avia, mihainoa fa holazaiko aminareo, hianareo rehetra matahotra an'Andriamanitra, izay nataony ho an'ny fanahiko.