Ny Salamo

Toko faha-59

7 Miverina izy ny hariva dia manerona toy ny amboa mandeha manodidina ny tanàna.

8 Fanalikana no mibasasaka avy ao am-bavany; sabatra no eo amin'ny molony: Iza moa no handre? hoy izy.

9 Fa hianao kosa, ry Iaveh, mihomehy azy ireo, mananihany ny firenena rehetra.

10 Ry heriko, dia hitodika any aminao aho, fa Andriamanitra no trano mimandako.

11 Ho avy mialoha ahy ilay Andriamanitra manambina ahy, hampibanjina ahy ny fahavaloko izy.

12 Aza vonoinao ireny, fandrao hadinon'ny vahoakako, fa ampirenireneo amin'ny herinao izy, dia haongano, ry Tompo, ampinganay!

13 Manota ny vavany, isaky ny miteny ny molony; aoka ho voasingotry ny reharehany ny tenany, noho ny ozona aman-dainga tononiny!

14 Aringano amin'ny hatezeranao izy, aringano tsy ho eo intsony ireny. Aoka ho fantany fa Andriamanitra no manjaka eo amin'i Jakoba hatrany amin'ny faran'ny tany. - Selà.

15 Miverina izy ny hariva, dia manerona toy ny amboa mandeha manodidina ny tanàna.

16 Mirenireny atsy ary, mitady ny rembiny, mitrontrona izy raha tsy voky.

17 Fa izaho kosa hihira ny herinao, ary hankalaza ny hatsaram-ponao, nony maraina; satria trano mimandako hianao, sy fialofako amin'ny andron'ny fahoriako.

18 Ry Heriko ô, hihira ho an'ny voninahitrao aho, fa trano mimandako Andriamanitra, ilay Andriamanitra manambina ahy.

Toko faha-60

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Amin'ny Lisin'ny vavolombelona. Hira nataon'i Davida, hampianarina.

2 Fony izy niady tamin'ny Siriana any Mesopotamia sy ny Siriana any Sobà; sy tamin'ny niverenan'i Joaba avy namely ny Edomita, tao amin'ny lohasahan-tSira, ka nahafatesany roa arivo sy iray alin-dahy.

3 Ry Andriamanitra ô, nanary anay hianao, nampihahaka anay, efa tezitra hianao: ataovy mahita fitia aminao indray izahay.

4 Efa nampihorohoro ny tany hianao, nandrotika azy, dia amboary ny banga aminy fa mihozongozona izy.

5 Nasianao fizahan-toetra sarotra ny vahoakanao, nampisotroinao divay mahafanina izahay.

6 Kanefa nomenao faneva ireo matahotra anao, hitsanganan'io noho ny fahamarinanao. - Selà.

7 Mba hahafahan'ny malalanao dia vonjeo amin'ny tànanao ankavanana ary henoy ny hatako.

8 Andriamanitra niteny tamin'ny fahamasinany hoe: Hientan-kafaliana aho! Hanana an'i Sikema ho anjarako aho, horefesiko ny lohasahan'i Sokota.

9 Ahy Galaada, ahy Manase. Fiadiana aron'ny lohako Efraima ary tehim-panjakako Jodà.

10 Tavin-drano fandroako Moaba; anipazako ny kapako Edoma; Mihobia ny voninahitro, ry tanin'i Filistina!

11 Iza no hitondra ahy ho any amin'ny tanàna mimanda? Iza no hitarika ahy ho any Edoma?

12 Tsy hianao izay efa nanary ahy va, ry Andriamanitra, hianao, ry Andriamanitra izay efa tsy niara-nivoaka tamin'ny tafikay intsony.

13 Vonjeo amin'ny mpampahory anay izahay! Fa zava-poana ny famonjena avy amin'ny olombelona.

14 Raha omban'Andriamanitra isika dia herim-po no hasehontsika; hanorotoro ny fahavalontsika izy.

Toko faha-61

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Ampiarahana amin'ny zava-maneno tendrena. Nataon'i Davida.

2 Andriamanitra ô, henoy ny fitarainako, mihainoa tsara ny fivavahako.

3 Mitaraina aminao aho atý am-paran'ny tany, ao anatin'ny fahorian'ny foko; ento any ambony vatolampy tsy azoko takarina aho

4 Fa fialofako hianao, tilikambo mafy misakana ny fahavalo.

5 Satriko ny monina mandrakizay ao an-dainao, mialoka ao ambanin'ny elatrao. - Selà.

6 Fa manaiky ny faniriako hianao, ry Andriamanitra: efa nomenao ahy ny lovan'ireo manaja ny anaranao.

7 Ampitomboy andro ny andron'ny mpanjaka, hihalava hatrany hatrany anie ny taonany!

8 Hitoetra eo amin'ny seza fiandrianana mandrakizay anie izy eo anatrehan'Andriamanitra. Didio hiaro azy ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao!

9 Dia hankalaza ny anaranao mandrakizay aho, ary hanefa ny voadiko isan'andro aho.

Toko faha-62

1 Ho an'ny mpampianatra hira... Iditona. Salamon'i Davida.

2 Eny, Andriamanitra no iantombenan'ny fanahiko amim-piadanana, izy no ihavian'ny famonjena ahy.

3 Eny, vatolampiko amam-pamonjena ahy izy, trano mimandako; ka tsy hangozohozo indrindra aho.

4 Mandra-pahoviana no hiantorahanareo amin'olona, mba hiarahanareo mandrodana azy, toy ny fandrodana tamboho mitongilana, tahaka ny manda efa mihotsaka?

5 Eny, mioko hanongana azy amin'ny fiamboniany izy ireo; mifaly amin'ny lainga izy, ny vavany misaotra, ny fony anefa manozona! - Selà.

6 Eny, ry fanahiko ô, miantombena amim-piadanana, amin'Andriamanitra, fa avy aminy no ihavian'ny fanantenako.

7 Eny, vatolampiko amam-pamonjena ahy izy, trano mimandako, ka tsy hangozohozo aho.

8 Andriamanitra no iankinan'ny famonjena ahy amam-boninahitro. Amin'Andriamanitra ny vatolampin'ny heriko, ny fialofako.

9 Matokia azy mandrakizay, rey vahoaka; aborahy eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no fialofantsika. - Selà.

10 Eny, zava-poana ny olombelona, fitaka ny zanak'olombelona. Hiainga ny mizàna raha atao ao aminy izy rehetra miaraka, fa maivana noho ny fofon'aina.

11 Aza matoky ny fanaovana an-keriny, ary aza miantehitra foana amin'izay fitohana. Raha mitombo ny harenareo, aza miraiki-po amin'izany hianareo.

12 Efa niteny indray mandeha Andriamanitra, na indroa, ka nahare aho: An'Andriamanitra ny fahefana.

13 Anao koa, ny hatsaram-po, ry Tompo, fa mamaly ny olona, samy araka ny asany avy, hianao.

Toko faha-63

1 Salamon'i Davida. Fony izy tany an'efitr'i Joda.

2 Ry Andriamanitra ô, Andriamanitro hianao, mitady anao aho hatramin'ny vao maraina; mangetaheta anao ny fanahiko, manina anao ny nofoko, ao amin'ny tany maina mangentana tsy misy rano.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1523