Ny Salamo
Toko faha-55
19 Hanafaka ny fanahiko amin'ny ady amelezany ahy, ho amin'ny fiadanana, izy, fa maro ry zareo miady amiko.20 Ho ren'Andriamanitra ka hanetry an'ireny izy, izay mipetraka mandrakizay ao amin'ny fiketrahany. - Selà. Satria tsy misy finoana izy ireny, tsy manana ny tahotra an'Andriamanitra.
21 Maninji-tànana amin'izay mihavana aminy, mamadika ny fanekeny.
22 Mamy hoatry ny ronono ny teny aloaky ny vavany, nefa ady no ao am-pony. Malemy noho ny diloilo ny teniny, nefa lela sabatra miharihary.
23 Miankìna amin'ny Tompo fa hanohana anao izy; tsy havelany hangozohozo mandrakariva ny marina.
24 Ary hianao, ry Andriamanitra, dia hampidina azy any an-davaka fahaverezana; ireo olona mpandatsa-dra sy mpamitaka, tsy hahatratra ny antsasaky ny androny. Fa ny amiko kosa, dia hianao no ametrahako ny fitokiako.
Toko faha-56
1 Ho an'ny mpampianatra hira. Amin'ilay Voromailala gina any an-tany lavitra. Hiran'i Davida. Fony izy nosamborin'ny Filistina tany Geta.2 Mamindrà fo amiko, ry Andriamanitra, fa milofo mamely ahy ny olona, miady amiko tontolo andro izy, sady manenjika ahy;
3 mamely ahy tontolo andro ny mpanohitra ahy, maro izy ireo miandranandrana miady amiko.
4 Rahefa azon-tahotra aza aho, dia mitoky aminao.
5 Amin'ny fanampian'Andriamanitra no iderako ny fahatanterahan'ny teniny. Andriamanitra no itokiako, ka tsy matahotra na inona inona aho: Inona no ho efan'ny olona foana amiko?
6 Asiany sain-katezerana mandrakariva ny teniko; ao amiko no ambetin-keviny rehetra hamerezany ahy.
7 Mioko izy, mametraka mpitsikilo izy, mitsikilo ny diako izy, satria mikendry ny aiko.
8 He izany heloka mitambesatra aminy, ka aiza no hahafahany indray? Aringano amin'ny fahatezeranao ireo vahoaka ireo, ry Andriamanitra.
9 Efa voaisanao izay ny dia nirenireneko tamin'ny andro niainako, efa voangonao an-tsininao hoditra ny ranomasoko; moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokinao ireny?
10 Ka dia hiamboho ny fahavaloko, amin'ny andro hiantsoako anao; fantatro izao, fa momba ahy Andriamanitra.
11 Amin'ny fanampian'Andriamanitra no iderako ny fahatanterahan'ny teniny. Amin'ny fanampian'ny Tompo no iderako ny fahatanterahan'ny fampanantenany.
12 Andriamanitra no itokiako, ka tsy matahotra na inona na inona aho. Inona no ho efan'izay olona foana amiko?
13 Ny voady nataoko taminao, ry Andriamanitra, tsy maintsy hoefaiko; hanatitra sorona fisaorana aminao aho.
14 Fa nanafaka ny fanahiko tamin'ny fahafatesana hianao, - moa va tsy niaro ny tongotro tsy ho solafaka? - mba handehanako eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny fahazavan'ny velona.
Toko faha-57
1 Ho an'ny mpampianatra hira. Aza mandrava. Hiran'i Davida, fony izy nenjehin'i Saola, niery tao amin'ny zohy.2 Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, fa ao aminao no itadiavan'ny fanahiko fiarovana, amin'ny aloky ny elatrao no iafenako, mandra-pahalasan'ny loza.
3 Mitaraina amin'Andriamanitra Avo indrindra aho, ilay Andriamanitra izay manao ny zavatra rehetra ho ahy.
4 Haniraka famonjena avy any an-danitra ho ahy koa izy; - fanalam-baraka no atolotry ny mpanenjika ahy! - Selà. Haniraka ny hatsaram-pony amam-pahamarinany Andriamanitra.
5 Mandry eo afovoan'ny liona aho, dia ao afovoan'ny olona miloak'afo, izay manana lefona aman-jana-tsipìka, ho solon'ny nify; ary sabatra maranitra no lelany!
6 Misandrata any ambonin'ny lanitra hianao, Andriamanitra ô! Hamirapiratra ambonin'ny tany rehetra anie ny voninahitrao!
7 Namela-pandrika teo alohan'ny diako izy; efa nitanondrika sahady ny fanahiko; efa nihady lavaka teo anoloako izy: ny tenany ihany no latsaka tao! - Selà.
8 Tafaorina mafy ny foko, ry Andriamanitra, tafaorina mafy ny foko; hihira aho ary hampanakoako zava-maneno an-kafaliana.
9 Mifohaza hianao, ry voninahitro! Mifohaza hianareo, ry valihako amana harpako! Hampifoha ny maraina aho!
10 Hidera anao eo amin'ny vahoaka aho, ry Tompo, hankalaza anao eo amin'ny firenena aho.
11 Fa mahatakatra ny lanitra ny tsy fivadihanao, ary mihatra amin'ny rahona ny fahamarinanao.
12 Misandratra any ambonin'ny lanitra hianao, ry Andriamanitra, hamirapiratra ambonin'ny tany rehetra anie ny voninahitrao!
Toko faha-58
1 Ho an'ny mpampianatra hira. Aza mandrava. Hiran'i Davida.2 Ny tsy fitenenana va no amoahanareo fitsarana? Araka ny rariny va no itsaranareo, ry zanak'olombelona!
3 Tsia, mamorona hevi-dratsy ao am-ponareo hianareo, amidinareo an-danjany eo amin'ny tany ny fanaovan'ny tànanareo an-keriny.
4 Simba hatrany am-bohoka ny ratsy fanahy, mania hatramin'ny fony vao teraka ny fandainga.
5 Manahaka ny poizin'ny menarana ny poizina aminy, dia ny an'ny menarana marenina, izay manentsin-tadìny,
6 ka tsy mihaino izay feon'ny mpahavariana azy, ny feon'ny mpanasondriana izay kinga amin'ny fahaiza-manasondriana.
7 Andriamanitra ô, torotoroy ny nifiny ao am-bavany; ry Iaveh ô, omboty ny valanoranon'ireo liona tanora!
8 Aoka ho tonga foana toy ny riaka mandalo! Raha mametraka zana-tsipìka, dia aoka ho dombo, izy ireo!
9 Aoka hanahaka ny lelosy izay miempo eo am-pandehanana! Aoka tsy hahita masoandro toa zaza vaky manta izy ireo!
10 Raha mbola tsy maimbo tsilo akory ny vilaninareo, dia hindaosin'ny oram-baratra ireny, na ny lena na ny maina.
11 Hifaly amin'ny fahitana ny famaliana, ny marina; handro tongotra amin'ny ran'ny ratsy fanahy izy.
12 Ka dia hiteny hoe ny olona: Eny misy valiny tokoa ho an'ny marina, misy tokoa Andriamanitra izay mitsara ety ambonin'ny tany.
Toko faha-59
1 Ho an'ny mpampianatra hira. Aza mandrava. Hiran'i Davida. Fony Saola naniraka hiambina ny tranony, hamonoany azy.2 Afaho amin'ny fahavaloko aho, Andriamanitra ô, arovy tsy ho azon'ireo mpanohitra ahy aho!
3 Afaho amin-dry zareo mpanao ratsy aho, ary vonjeo tsy ho azon'ny olona mpandatsa-dra.
4 Fa indro izy manotrika hanala ny aiko; olona mpanao an-keriny no miray tetika hamely ahy; na dia tsy meloka aza aho, na dia tsy nanota aza aho, ry Iaveh,
5 na dia tsy manan-tsiny aza aho, dia mirohotra hanotrika izy ireo. Mifohaza, avia hitsena ahy, sy hijery.
6 Hianao, ry Iaveh, Andriamanitry ny tafika, Andriamanitr'Israely, mitsangàna hianao, hamay ny firenena rehetra, ka tsy ananana antra akory ireny mpamadika sy mpanao ratsy! - Selà.