Ny Salamo

Toko faha-51

17 Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hitory ny fiderana anao ny vavako.

18 Tsy sitrakao ny sorona, - fa homeko raha tianao izany; - tsy mahafaly anao ny sorona dorana.

19 Fa fanahy torotoro no sorona ho an'Andriamanitra; aza tebahinao, ry Andriamanitra, ny fo torotoro sy malahelo.

20 Manaova soa be ho an'i Siona, araka ny hatsaram-ponao, atsangano ny mandan'i Jerosalema.

21 Dia hankasitrahanao ny sorom-pahamarinana, ny sorona dorana ary ny fanatitra lavorary; ka dia hanaterana ombalahy eo ambonin'ny otelinao.

Toko faha-52

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Hira nataon'i Davida,

2 fony Doega, Edomita, tonga nilaza tamin'i Saola hoe: Nankany an-tranon'i Akimeleka Davida. 3 Ahoana no mirehareha amin'ny haratsianao, ry ilay mahery! - Maharitra mandrakizay ny hatsaram-pon'Andriamanitra! -

4 Tsy misaina afa-tsy ny ratsy ny lelanao, mova tsy ny antsy maranitra, ry mpihatsaravelatsihy!

5 Aleonao ny ratsy toy izay ny soa; ny lainga, toy izay ny marina. - Selà.

6 Ny teny mamohehatra rehetra no tianao, ry lela mpandainga!

7 ka indro Andriamanitra hanongana anao mandrakizay kosa; hosamboriny sy hotsoahany avy eo an-dainao hianao, dia hofongorany eo amin'ny tanin'ny velona. - Selà.

8 Hahita izany ny marina, dia hatahotra, ka hihomehy azy hoe:

9 io no olona tsy nanao an'Andriamanitra ho mandany, fa nitoky tamin'ny habetsahan'ny hareny, sy nihambo tamin'ny haratsiany!

10 Fa izaho kosa dia toy ny oliva maitso ao an-tranon'Andriamanitra, ny hatsaram-pon'Andriamanitra no itokiako mandrakizay doria.

11 Hidera anao lalandava aho, fa nanao izany hianao; ary hanantena ny anaranao aho, fa tsara izy, eo anatrehan'ny miraiki-po aminao.

Toko faha-53

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Amin'ny feo mitaraina. Hiran'i Davida.

2 Ny adala manao anakampo hoe: Tsy misy Andriamanitra! Efa simba izy ireo, nanao heloka vetaveta; tsy misy manao ny tsara na dia iray aza.

3 Mijery ny zanak'olombelona eny an-tampon'ny lanitra, Andriamanitra. Mba hahita raha misy olona manan-tsaina eny; na misy olona mitady an'Andriamanitra.

4 Efa nania, efa tonga ratsy avokoa izy, tsy misy iray akory manao ny tsara, na dia iray monja ihany aza.

5 Moa tsy manana fahalalana va ry zareo mpanao ratsy? fa ny vahoakako haniny toy ny fihinan-kanina; izy ireo tsy miantso an'Andriamanitra akory.

6 Ho tera-kovitra ny tahotra tampoka izy ireo, tsy misy anefa izay tokony hatahorany, fa naelin'Andriamanitra ny taolan'izay nitoby hamely anao; nampahamenatra azy hianao satria efa narian'Andriamanitra izy.

7 Enga anie ka hivoaka avy ao Siona ny famonjena an'Israely! Amin'ny fampodian'Andriamanitra ireo lasan-ko babo amin'ny vahoakany, dia hifaly Jakoba, ary hiravoravo Israely.

Toko faha-54

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Ampiarahina amin'ny zava-maneno tendrena. Hiran'i Davida.

2 Fony ny Zifeana tonga nilaza tamin'i Saola hoe: Miery any aminay Davida.

3 Vonjeo aho, ry Andriamanitra, noho ny anaranao, ary omeo ny rariny aho, noho ny herinao.

4 Henoy ny fivavahako, ry Andriamanitra, atongilano ny sofinao amin'ny teny aloaky ny vavako.

5 Fa misy olon-kafa firenena, mitsangan-kamely ahy; misy olona mpanao an-keriny mitady ny aiko; tsy manao an'Andriamanitra eo imasony izy. - Selà.

6 Indro, Andriamanitra no vonjiko, ny Tompo no tohan'ny fanahiko.

7 Hanatsingerina ny ratsy amin'ny mpanohitra ahy izy. Noho ny fahamarinanao dia aoka haringanao izy.

8 Hanatitra sorona aminao, amin'ny foko rehetra aho; hidera ny anaranao aho, ry Iaveh, fa tsara izy.

9 Manafaka ahy amin'ny fahoriana rehetra izy; ary faly mijery ny fahavaloko ny masoko.

Toko faha-55

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Ampiarahina amin'ny zava-maneno tendrena. Hiran'i Davida.

2 Henoy ny fivavahako, ry Andriamanitra, aza iambohoanao ny fitarainako.

3 Henoy aho, ary valio koa! Efa miriorio be ihany, mitoreo sy mitoloko aho,

4 noho ny fandrahonan'ny fahavalo, sy ny fampahorian'ny ratsy fanahy; satria ampidirany loza aho, ary enjehiny amim-pahatezerana.

5 Ka ny foko mangorohoro ato anatiko; ny tahotra ny fahafatesana manindry ahy.

6 Ny hovitra amam-badi-po mamely ahy; ny horohoro koa manarona ahy.

7 Ary hoy aho: Endrey! raha manana elatry ny voromailala mantsy aho, dia hanidina sy hipetraka amim-piadanana;

8 dia handositra lavitra dia lavitra aho, ka honina any an'efitra any. - Selà.

9 Hitady fialofana faingana aho, lavitra ny tafio-drivotra aman-dranonoram-baratra.

10 Tompo ô, aringano izy, ary akoroy ny fiteniny! fa ao an-tanàna dia heriny sy ady no hitako;

11 Voahodidiny andro aman'alina ny mandany; ny heloka sy ny fampahoriana no ao afovoany,

12 ny faharatsiana no ao anatiny; tsy mandao ny kianjany ny famoretana amam-pitaka.

13 Fa tsy mba hoe favahalo akory no manaratsy ahy; raha izany dia zakako ihany; tsy mba rafilahy no mitsangan-kamely ahy: raha izany, hiery azy aho.

14 Fa hianao izay nataoko toy ny tenako; mpanolo-tsaina tsy anafenana aman-tsakaizako.

15 Nifanerasera tamin-pifankahazarana mamy isika; niara-nandeha tamin'ny maro, ho any an-tranon'Andriamanitra isika.

16 Aoka ho azon'ny fahafatesana tampoka izy ireo, ka hidina velona any amin'ny Seoly! Fa ao amin'ny fonenany, ao afovoan'izy ireo, ny hasomparana.

17 Izaho kosa, Andriamanitra no antsoiko, ary Iaveh no hamonjy ahy.

18 Hariva, maraina, am-pamatonan'andro, mitaraina aho, mitoloko aho ka handre ny feoko izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1526