Ny Salamo

Toko faha-71

9 Aza arianao aho amin'ny andron'ny fahanterako; ary aza ilaozana rehefa mihena ny heriko.

10 Fa miray tetika hamely ahy ny fahavaloko, ary miara-mioko, izay mikendry ny aiko,

11 manao hoe: Efa nafoin'Andriamanitra izy! Enjeho, sambory, fa tsy misy izay hiaro azy!

12 Ry Andriamanitra ô, aza manalavitra ahy; ry Andriamanitro, faingàna hamonjy ahy!

13 Aoka ho menatra sy ho levona, izay mitady ny aiko! Aoka ho safo-kenatra amam-pahafaham-baraka, izay mitady hahavery ahy.

14 Fa izaho dia hanantena mandrakariva, ary mbola hampitomboiko indray ireo fiderana anao rehetra.

15 Ny vavako hitory ny fahamarinanao, mbamin'ny fanambinanao tontolo andro; fa tsy hitako izay isan'izany.

16 Hilaza ny asanao lehibe aho, ry Tompo Iaveh ô, hampahatsiaro ny fahamarinanao aho, dia ny anao irery.

17 Ry Andriamanitra, nampianarinao hatry ny fony mbola tanora aho, ary mitory ny fahagaganao, mandrak'ankehitriny!

18 Mandra-pahatongako ho antitra sy fotsy volo, aza ilaozanao aho Andriamanitra, mba hampahafantarako ny herinao amin'ny taranaka ankehitriny, ary ny fahefanao amin'ny taranaka ho avy.

19 Mahatakatra ny lanitra ny fahamarinanao, ry Andriamanitra, hianao izay mahefa ny zava-dehibe! - Iza no tahaka anao, ry Andriamanitra? -

20 hianao izay efa nampihatra fizahan-toetra betsaka sy mahatsiravina. Nefa mbola hamelona anay indray hianao, ka hampiakatra anay avy amin'ny hantsan'ny tany.

21 Hasandratrao indray ny voninahitro, ary hampionona ahy indray hianao.

22 Dia hoderaiko amin'ny feom-baliha, hohiraiko ny fahamarinanao, ry Andriamanitro ô! hankalaza anao amin'ny harpa aho, ry Masin'Israely!

23 Ka amin'ny hihirako ho anao, dia eo amin'ny molotro ny firavoravoana, sy ho ao amin'ny fanahiko izay novonjenao.

24 Ary hitory ny fahamarinanao isan'andro ny lelako; fa ho safo-kenatra amam-pahafaham-baraka kosa izay mitady fahaverezana ho ahy.

Toko faha-72

1 Nataon'i Salomona. Ry Andriamanitra ô; tolory ny fitsaranao, ny mpanjaka, ary ny fahamarinanao, ny zanaky ny mpanjaka.

2 Aoka hitondra ny vahoakanao, araka ny rariny, sy ny mahantranao, araka ny hitsiny!

3 Aoka hahavokatra fiadanana ho an'ny vahoaka ny tendrombohitra, torak'izany ny havoana, amin'ny fahamarinana.

4 Hanomezany rariny ny olona ory eo amin'ny vahoakany, sy hamonjeny ny zanaky ny mahantra, ary hanorotoroany ny mpampahory!

5 Aoka hanaja anao ny olona, raha mbola maharitra koa ny masoandro, raha mbola mihiratra koa ny volana, hatramin'ny taona mifandimby.

6 Aoka izy hidina, toy ny ranonorana amin'ny ahi-maitso, toy ny tandrifin-drahona manondraka ny tany.

7 Ka amin'ny androny dia aoka ho finaritra ny olo-marina, amim-piadanana feno, mandra-pitsahatry ny fisian'ny volana.

8 Hanjaka hatramin'ny ranomasina iray ka hatramin'ny ranomasina hafa izy, ary hatramin'ny Ony ka hatramin'ny faran'ny tany.

9 Hiankohoka eo anatrehany ny mponina any an'efitra; ary ho lavo amin'ny tany ny fahavalony.

10 Handoa hetra ny mpanjakan'i Tarsisa sy ny nosy; hanolotra fanatitra ny mpanjakan'i Sabà sy Meroe;

11 hiankohoka eo anatrehany ny mpanjaka rehetra, hanaiky azy ny firenena rehetra.

12 Fa hanafaka ny mahantra mitaraina aminy izy; sy ny ory tsy manan-kamonjy akory.

13 Hiantra ny fadiranovana sy ny tsy manana izy, ary hamonjy ny ain'ny mahantra.

14 Hesoriny amin'ny fampahoriana amam-panaovana an-keriny ireny, ary ho sarobidy eo imasony ny ran'izy ireny.

15 Dia ho velona ireny, ka hanatitra volamena avy any Sabà ho azy; hanao voady ho azy mandrakariva, ary hisaotra azy isan'andro.

16 Ny vary, aoka ho vokatra betsaka amin'ny tany hatrany an-tampon'ny tendrombohitra! Ny salohim-bary, aoka hisahondrahondra hoatry ny alan'i Libàna! Ny olona, aoka hirobona ao amin'ny tanàna toy ny ahitra any an-tsaha.

17 Aoka haharitra mandrakizay ny anarany! Aoka hiely laza ny anarany, raha mbola mihiratra koa ny masoandro! Aoka ho aminy no itadiavan'ny olona fanambinana! Aoka ny firenena rehetra hiantso azy hoe: Sambatra!

18 Isaorana anie Iaveh Andriamanitra, Andriamanitr'Israely, izay hany manao fahagagana!

19 Isaorana mandrakizay anie ny anarany be voninahitra! Ho feno ny voninahiny anie ny tany rehetra. Amena! Amena!

20 Tapitra ny vavak'i Davida zanak'Izai.

Toko faha-73

1 Salamon'i Asafa. Eny, tsara fo Andriamanitra amin'Israely sy amin'izay madio fo!

2 Kanefa saika nikoy aho, saika nibolisatra ny tongotro.

3 Fa sosotra tamin'ny tsy mpivavaka aho, nahita ny fiadanan'ny ratsy fanahy.

4 Ho azy ireo ny fanaintainana tsy misy mandra-pahafatiny; ny vatany tomady fatratra.

5 Tsy mba niasa amin'izay asa fanaon'ny olona izy, ary tsy mba voadonan-javatra toy ny olon-kafa rehetra.

6 Ka dia rehareha no firaratan'ny vozony, ary halozana no akanjo sarobidy itafiany.

7 Mivoaka heloka avy ao an-kibony, miseho andro ny hevitry ny fony.

8 Mamazivavy izy, miresaka haratsiana sy halozana, manonona teny an'avona.

9 Ny vavany entiny mamely ny lanitra aza, ary ny lelany miasa eto an-tany.

10 Ka tafatodika any aminy ny vahoakako, migoka rano ery izy.

11 Hoy izy: Ahoana no ahafantaran'Andriamanitra? Ahoana no ahalalan'ny Avo Indrindra?

12 Fa izany no toetry ny ratsy fanahy: miadana mandrakariva, mampitombo ny hareny izy.

13 Ka dia foana tsy misy asany ny nitandremako ny foko ho madio; sy ny nanasako ny tànako amin'ny tsy fananan-tsiny,

14 voakapoka mandritra ny andro aho, ary faizana ihany isa-maraina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1641