Ny Salamo
Toko faha-73
15 Raha izay aho no nanao hoe: Te-hiteny toa azy ireo aho, dia ho nivadika tamin'ny taranaky ny zanakao aho.16 Nandinika hahatakatra izany zavatra izany aho, ka zava-tsarotra tokoa teo imasoko, izany,
17 mandra-pahatafiditro tao amin'ny fitoerana masin'Andriamanitra sy namantatra ny anjara hiafaran'izy ireo.
18 Eny, ampandehaninao eo amin'ny làla-malama ireny, dia alavonao, ka levona foana eo izy.
19 Hià! indray mipi-maso monja lahy, dia rava ireny! Levona terý! Matin-doza mahatsiravina ka tsy hita intsony!
20 Tahaka ny anaovan'ny olona ny nofy nony mahatsiaro, no androahanao ny fahatsiarovana azy, ry Tompo, rehefa mifoha hianao.
21 Raha lotika ny foko, ka nahatsiaro voatsindrona lalina aho,
22 dia ketrina tsy misy saina intsony aho fa toy ny biby no mitomoetra eo anatrehanao.
23 Ho eo aminao mandrakariva anefa aho, fa efa voahazonao ny tànako ankavanana;
24 hoentinao amin'ny torohevitrao aho, dia horaisinao any amin'ny voninahitra, rehefa afaka izany.
25 Manana an'iza indray moa aho, any an-danitra? Tapi-java nirina aho manana anao eto an-tany.
26 Torana ny nofoko sy ny foko: ny vatolampin'ny foko sy anjarako dia Andriamanitra mandrakizay doria.
27 Indro very kosa izay manalavitra anao; aringanao avokoa izay mivadika aminao.
28 Raha izaho, dia ny miray amin'Andriamanitra no fahasambarako; Iaveh Tompo no anton'ny fitokiako; mba hitoriako ny asanao rehetra.
Toko faha-74
1 Fihirana nataon'i Asafa. Ry Andriamanitra ô, nahoana no dia nanary anay mandrakizay hianao? sy mirehitra amin'ny ondry ao amin'ny tanim-bilonao ny hatezeranao?2 Tsarovy ny vahoakanao izay azonao tamin'ny andro fahataloha, navotanao ho foko lovanao! Tsarovy ny tendrombohitra Siona nataonao fonenanao.
3 Ny dianao tariho ho eo amin'ireo korontan-javatra tsy azo amboarina; simban'ny fahavalo avokoa izay teo amin'ny fitoerana masina.
4 Nanerona teo amin'ny kianjanao masina, ny mpanohitra anao; nanangana ny fanevany ho faneva izy.
5 Ny fijery azy, toy ny mpikapa hazo, manainga famaky ao amin'ny ala mikitroka!
6 Ary ankehitriny, ny rafitra misokitra rehetra, dia nomontsaniny avokoa nasiany ny famaky sy ny kanonta.
7 Nodorany tamin'ny afo ny fitoeranao masina, nazerany sy notevatevainy ny fonenan'ny anaranao.
8 Hoy izy anakampony: Ravaontsika avokoa izy ireo! Nodorany daholo ny fitoerana masina amin'ny tany.
9 Ny famantaranay, tsy hitanay intsony! ny mpaminany, tsy misy intsony; ary tsy misy aminay mahalala mandra-pahoviana no...
10 Mandra-pahoviana, ry Andriamanitra, no haniratsiran'ny mpampahory, sy hanevatevan'ny fahavalo tsy an-kijanona ny anaranao?
11 Nahoana no avonkinao ny tànanao, ny tànanao ankavanana? Avoahy avy ao an-tratranao izy, dia aringano ireny!
12 Andriamanitra anefa no mpanjakako, hatry ny fahataloha; izy izay efa nanao famonjena betsaka tety ambonin'ny tany.
13 Hianao no nampisaraka ny ranomasina tamin'ny herinao, nanorotoro ny lohan'ireo biby goavam-be tao anaty rano.
14 Hianao no namakivaky ny lohan'i Leviatana dia nanome azy hohanin'ny vahoaka any an'efitra.
15 Hianao no nampiboiboika ny loharano aman-dranon-driaka, hianao no nahatankina ny ony tsy mety ritra.
16 Anao ny andro, anao ny alina; hianao no nahary ny masoandro amam-bolana.
17 Hianao no nametra ny faritra rehetra amin'ny tany; hianao no nanorina ny ririnina amam-pahavaratra.
18 Tsarovy fa maniratsira an'ny Tompo ny fahavalo; miteny ratsy ny anaranao ny vahoaka adala!
19 Aza atolotra ny biby, ny ain'ny domohinanao, aza hadinoina mandrakizay ny ain'ny olo-mahantranao.
20 Hevero tsara ny fanekenao! fa izao zoron-tany rehetra izao feno fandrian-dompy avokoa.
21 Aoka tsy hiverina amin-kenatra, ny tra-pahoriana! aoka ho afaka hidera ny anaranao, ny ory sy mahantra!
22 Mitsangàna hianao, ry Andriamanitra, iandraiketo ny adinao; tsarovy ny faniratsiran'ny adala anao isan'andro.
23 Aza hadinoina ny akoralavan'ny mpandrafy anao; ny reharehan'ireo mankahala anao mitombo mandrakariva!
Toko faha-75
1 Ho an'ny mpampianatra hira. Aza mandrava. Salamon'i Asafa. Fihirana.2 Midera anao izahay, ry Andriamanitra, midera anao izahay; akaiky ny anaranao, mitory ny zava-mahagaga ataonao ny olona.
3 Rehefa tonga ny fotoana, hitsara marina aho,
4 mihozongozona ny tany mbamin'ny mponina rehetra eo aminy; izaho kosa dia mampiorina ny andriny. - Selà.
5 Hoy aho amin'ny mpirehareha: Aza mirehareha! ary amin'ny ratsy fanahy: Aza manangan-doha!
6 Aza avo fanangan-doha loatra, aza miteny an'avonavona be loatra!
7 Fa tsy avy any atsinanana, na avy any andrefana, na avy any an'efitry ny tendrombohitra!...
8 Tsia fa Andriamanitra no manao ny fitsarana: ny iray aetriny, ny iray asandrany.
9 Satria eo an-tanan'ny Tompo misy kapoaka, ka divay mandroatra miharo zava-manitra no ao. Dia aidiny izany: eny, hotsentsefiny ny faikan'izany, hisotro avokoa ny ratsy fanahy amin'ny tany.
10 Fa izaho kosa hitory izany mandrakizay, hihira fiderana ny Andriamanitr'i Jakoba aho.
11 Ary ny tandroky ny ratsy fanahy rehetra hotapahiko; fa ny tandroky ny marina kosa hasandratro.
Toko faha-76
1 Ho an'ny mpampianatra hira. Ampiarahina amin'ny zava-maneno tendrena. Salamon'i Asafa. Fihirana.2 Nilaza tena teo amin'i Jodà Andriamanitra, malaza eo amin'Israely ny anarany.